Antso ao amin’ny misiôna
Teny fanolorana: Torolalana ho an’ny fampianarana ny Fiomanana ho misiônera


Torolalana ho an’ny fampianarana ny Fiomanana ho misiônera

Tonga soa ato amin’ny fiomanana ho misiônera! Ity taranja ity dia afaka mitana anjara asa manan-danja eo amin’ny fiainan’ireo zatovo sy tanora izay miomana amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Izany ihany koa dia afaka mitahy ireo tanora izay tsy manana drafitra hanao asa fitoriana kanefa maniry ny hanatsara ny fahafahany mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ny tanjon’ny misiônera dia ny “hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany” (Torio ny Filazantsarako [2023], 1). Izany tanjona izany no fomba hanangonantsika an’i Isiraely, ary andraikitry ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonana izany.

Ahoana no ahafahan’ity kilasy ity mitahy ny zatovo sy ny tanora?

Ny zava-drehetra ato amin’ity taranja ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanamafy orina ny fiovam-pon’izy ireo ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Tonga miaraka amin’ny fiovam-po ny faniriana sy fahafahana tsy mitsaha-mitombo hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa. Mba hamoronana tontolo izay mampiroborobo fiovam-po dia asaina ny mpianatra mba:

  • Handroboka ny tenany ao amin’ny Torio ny Filazantsarako mba hahafahan’izy ireo miaina ny hery sy ny maha-zava-dehibe an’ity boky torolalana ity. Hampahafantarina azy ireo ihany koa ny Fanovana ny fomba fiainana hifanaraka amin’ny fomba fiainan’ny misiônera (2013).

  • Hianatra ny tanjon’ny misiônera (jereo ny Torio ny Filazantsarako, 1) ary hahita ny fomba ahafahan’izany mitarika azy ireo, na eo amin’ny fiainany ankehitriny na amin’ny lafiny rehetra amin’ny asa fitoriana ny filazantsara.

  • Hanao fanoloran-tena izay hanampy azy ireo hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, hiomana amin’ny asa fitoriana, ary hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy amin’ny fianakaviana sy ny namana.

  • Hianatra sy hizatra hampianatra ireo fahamarinana hita ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako.

  • Hampihatra ireo fahaiza-manao izay afaka manampy azy ireo ho tonga mpampianatra tsara kokoa ny filazantsara sy hanana herim-po misimisy kokoa.

Toy ny ahoana ny nandaminana ireo fitaovana ao amin’ilay taranja?

Ity boky torolalana ity dia ahitana karazana fianarana anankiroa: lesona fototra sy fampiharana fahaiza-manao.

Lesona fototra

Ireo lesona fototra no loharanom-pitaovana voalohany ho an’ity taranja ity. Mifantoka amin’ny toko 1–6 sy 11 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako izy ireo. Ireo toko ireo no tena manan-danja indrindra ho an’ny zatovo sy ny tanora izay tsy eo am-panaovana ny asa fitoriana amin’izao fotoana izao.

Ireto manaraka ireto dia lisitr’ireo lesona fototra:

  • Lesona 1: Manasa ny hafa hanatona an’i Kristy isika

  • Lesona 2: Teny fanolorana ny Torio ny Filazantsarako

  • Lesona 3: Manatanteraka ny tanjonao amin’ny maha-misiônera anao (Torio ny Filazantsarako, toko 1)

  • Lesona 4: Mandalina ny soratra masina sy mitafy ny fiadian’ Andriamanitra (Torio ny Filazantsarako, toko 2)

  • Lesona 5: Mandalina sy mampianatra ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy (Torio ny Filazantsarako, toko 3)

  • Lesona 6: Mizatra mampianatra (Fanampiana amin’ny fampianarana lesona avy ao amin’ny Toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako)

  • Lesona 7: Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana (Torio ny Filazantsarako, toko 3)

  • Lesona 8: Mikatsaka sy miantehitra amin’ny Fanahy, (Torio ny Filazantsarako, toko 4)

  • Lesona 9: Mampiasa ny herin’ny Bokin’i Môrmôna (Torio ny Filazantsarako, toko 5)

  • Lesona 10: Mikatsaka ireo toetra tahaka ny an’i Kristy (Torio ny Filazantsarako, toko 6)

  • Lesona 11: Manampy ny olona hanao sy hanaja fanolorantena (Torio ny Filazantsarako, toko 11)

  • Lesona 12: Manova ny fomba fiainana hifanaraka amin’ny fomba fiainan’ny misiônera

  • Lesona 13: Mandrosoa hatrany amim-pinoana

Ny maha-zava-dehibe ny toko 3

Mifantoka amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ny telo amin’ireo lesona fototra. Io toko io dia ahitana ireo lesona efatra ampianarin’ireo misiônera ary koa fizarana iray momba ny fanasana hatao batisa sy horaisina ho mpikambana. Ataovy ho laharam-pahamehana ny fandalinana ny toko 3.

Ny Lesona 6: “Mizatra mampianatra” dia manampy ny mpianatra hianatra sy hampianatra avy amin’ireo lesona ao amin’ny toko 3. Afaka manokana fotoam-pianarana mihoatra ny iray ianao ho an’io lesona io. Azonao atao ihany koa ny mandany ny ampahany amin’ireo fotoam-pianarana hafa amin’ny fampiasana hevitra avy ao amin’ny lesona 6. Ny fanaovana izany dia hanome fahafahana ny mpianatra hamerimberina handalina, hianatra, hampianatra ary hiaina ireo fitsipika avy ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako.

Firafitr’ireo lesona fototra

Ny lesona fototra dia manasa ireo mpandray anjara hianatra amin’ny alalan’ny finoana mba hahafahan’izy ireo manamafy orina ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy. Mitaky ezaka sy asa ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana. Eritrereto ny fomba ahafahan’ireto singa manaraka ireto manampy ny mpianatrao hianatra amin’ny alalan’ny finoana sy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Fandinihana sy fanaraha-maso

Any am-piandohan’ny lesona tsirairay dia misaintsaina ireo fanolorantena nataon’izy ireo nandritra ireo fotoam-pianarana teo aloha ny mpianatra. Ampiasao izany ho fahafahana hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hamantatra ny fivoarany ara-panahy.

Safidy amin’ny sahanasa fianarana

Ny ankamaroan’ny lesona fototra dia ahitana safidy isan-karazany amin’ny sahanasa fianarana. Tombano ny zavatra ilain’ny olona ao amin’ny kilasinao ary katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa misafidy ireo sahanasa fianarana izay ho ampiasainao ianao. Azonao atao ihany koa ny manontany ny olona ao amin’ny kilasy hoe inona avy ireo lesona sy sahanasa fianarana izay tena hahasoa azy ireo indrindra.

Tsy voatery hampiasa ireo safidy amin’ny sahanasa fianarana rehetra ianao ao anatin’ny lesona iray mandritra ny fotoam-pianarana iray. Mifantoha amin’ny fiovam-po fa tsy ny famitana ny zava-drehetra. Raha mamela izany ny fandrindram-potoananao dia afaka mandany fotoam-pianarana mihoatra ny iray ianao isaky ny lesona mba hifantohana amina sahanasa fianarana samihafa.

Ny sahanasa fianarana tsirairay dia manana ireto ampahany ireto:

  • Ny Halalino. Hevitra mba hirotsahan’ireo mpianatra amin’ny fandalinana izay mamporisika ho amin’ny asa entanim-pinoana, toy ny famakiana, fikarohana, fampisongadinana, fisaintsainana, fandraisana an-tsoratra, fifanakalozan-kevitra, ary fijoroana ho vavolombelona.

  • Ny Fanazaran-tena. Sosokevitra hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hanao fanazaran-tena momba ny zavatra ianarany. Ahitana ny famintinana sy fanazavana ary fampianarana izany raha ny mahazatra.

  • Ny Mametraha tanjona. Fotoana natokana ho an’ny olona ao amin’ny kilasy mba hanombanana ny zavatra nianarany sy ny fanolorantena azony atao mba hianarana sy hivoarana ary handrosoana. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitondra diary fandalinana manokana mba hiraketana an-tsoratra ny tanjon’izy ireo mandritra ny taranja.

Torolalana ho an’ireo mpampianatra na mpitarika fifanakalozan-kevitra ao amin’ny lesona

Matetika no tarihin’ny mpampianatra iray ireo sahanasa fianarana. Na izany aza dia mety hisy toe-javatra izay ampiasan’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana, na ray aman-dreny, na tanora, na zatovo iray an’ilay sahanasa fianarana. Ho fandraisana an-tanana ireo tranga mety hiseho ireo dia ahitana efajoro misy torolalana misy soratra hoe “mpitarika fifanakalozan-kevitra” ny lesona.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo.

Ireo torolalana ireo dia afaka mitarika ireo mpampianatra na mpitarika fifanakalozan-kevitra mandritra ny fiomanany sy ny fampianarany.

Fampiharana fahaiza-manao

Ity taranja ity dia ahitana Fampiharana fahaiza-manao miisa 10 any amin’ny faran’ny boky torolalana. Ireo fampiharana fahaiza-manao dia natao hanampiana ny mpianatra hampitombo fahaiza-manao amin’ny fampianarana mahomby sy mba hanana tanjaka ara-pihetseham-po.

Ity manaraka ity dia lisitr’ireo fampiharana fahaiza-manao:

  • Fampiharana fahaiza-manao 1: Ampahafantaro ny olona ny Bokin’i Môrmôna

  • Fampiharana fahaiza-manao 2: Ampiasao ny soratra masina ao amin’ny fampianaranao

  • Fampiharana fahaiza-manao 3: Ampianaro ny olona ny fomba fivavahana

  • Fampiharana fahaiza-manao 4: Mametraka fanontaniana entanim-panahy

  • Fampiharana fahaiza-manao 5: Miezaka mitadidy soratra masina

  • Fampiharana fahaiza-manao 6: Miresaka amin’ny olona rehetra

  • Fampiharana fahaiza-manao 7: Fiatrehana ireo fahatsapana ho votsa

  • Fampiharana fahaiza-manao 8: Fifohana rivotra

  • Fampiharana fahaiza-manao 9: Mampiasa ny teknôlôjia amim-pahamarinana

  • Fampiharana fahaiza-manao 10: Mampivelatra fomba fisainana mahasalama

Azo ampianarina ho lesona fototra mandritra ny fotoam-pianarana iray ihany ireo fampiharana fahaiza-manao. Ny lesona fototra sasany dia manome sosokevitra mikasika ireo fampiharana fahaiza-manao manan-danja.

Ireo fampiharana fahaiza-manao dia natao mba haka 15 ka hatramin’ny 20 minitra, saingy azonao amboarina mba ho lava kokoa na fohy kokoa anefa izy ireo. Tsy voatery hampianatra ny fampiharana fahaiza-manao rehetra ianao, ary afaka mampianatra azy ireo amin’ny filaharana izay tianao ianao. Na dia manan-danja aza ireo fampiharana fahaiza-manao, ny ankamaroan’ny fotoana hampianaranao mandritra ny taranja dia tokony holaniana amin’ireo lesona fototra.

sary famantarana ny manoratra Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Jereo ny lisitr’ireo fampiharana fahaiza-manao. Asongadino ireo izay eritreretinao fa mety hitondra fitahiana ho an’ny olona ampianarinao.

Iza no mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fanatrehana ity taranja ity?

Na dia maro amin’ireo mpianatra izay manatrika ity kilasy ity aza no hiomana amin’ny asa fitoriana ny filazantsara, dia mety hiomana amin’ny asa misiônera manao asa fanompoana ny hafa. Mety tsy manana drafitra hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ny hafa, saingy maniry ny hianatra ny fomba hizarana ny filazantsara amim-pahombiazana kokoa sy hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Aoka ianao hahatsapa ny zavatra ilain’ireo mpandray anjara rehetra, fa tsy ny an’ireo izay miomana ho amin’ny asa fitoriana amin’ny maha misiônera mampianatra ny filazantsara fotsiny ihany. Mitadiava fahafahana hanampy ny mpianatra rehetra hahita ireo fitahiana sy tombontsoa avy amin’ity taranja ity. Ohatra, afaka maka fotoana vitsivitsy ianao mandritra ilay taranja mba hanaovana famerenana ireo fahafahana azo hanompoana sy ireo fitahiana avy amin’ny asa misiônera fanaovana asa fanompoana (jereo ny ChurchofJesusChrist.org/service-missionary raha mila fampahalalana bebe kokoa).

Mahazo isa manan-kery ho an’ny institiota ve ny olona izay manaraka ity taranja ity?

Mba hahazoana fampahalalana mikasika ny fomba hahazoana isa manan-kery ho an’ny institiota na ny isa manan-kery azo afindra any amin’ireo sekolin’ny Fiangonana dia jereo ny InstituteCredit.ChurchofJesusChrist.org.

Ahoana no ahafahako mandamina tsara ity taranja ity ho an’ireo olona manatrika ny kilasiko?

Azo ampiasaina amin’ny fomba isan-karazany ity taranja ity. Azo ampiasain’ny sampana, paroasy, tsatòka ary institiota izany. Azon’ny kilasy iray ampiasaina izany na maharitra herinandro vitsy monja na ho an’ny kilasy iray izay atao mandritra ny volana maromaro. Azo ampifanarahana amin’ny fampianarana ao an-tokantrano ihany koa izany.

Ity tabilao manaraka ity dia mampiseho ny fomba ahafahana mandrindra ny fotoam-pianarana mandritra ny 50 minitra:

Kilasy maharitra 50 minitra

Kilasy maharitra 50 minitra

Kilasy maharitra 50 minitra

Kilasy maharitra 50 minitra

Fandinihana sy fanaraha-maso

5 minitra

Kilasy maharitra 50 minitra

Sahanasa fianarana iray

30 minitra

Kilasy maharitra 50 minitra

Fampiharana fahaiza-manao

15 minitra

Ireo kilasy izay mivory mandritra ny volana maromaro dia afaka mandany fotoam-pianarana mihoatra ny iray ho an’ny lesona iray.

Kilasy maharitra 90 minitra

Kilasy maharitra 90 minitra

Kilasy maharitra 90 minitra

Kilasy maharitra 90 minitra

Fandinihana sy fanaraha-maso

5 minitra

Kilasy maharitra 90 minitra

Sahanasa fianarana iray

60 minitra

Kilasy maharitra 90 minitra

Fampiharana fahaiza-manao

25 minitra

Ireto ohatra manaraka ireto dia maneho fomba samihafa hampianarana ny votoatin’ity taranja ity.

Ohatra 1: Kilasy ao amin’ny tsatòka (fivoriana 20; 60 minitra isaky ny kilasy)

Rahalahy Lawal dia miomana ny hampianatra ny taranja fiomanana ho misiônera ho an’ny tsatòkany any Accra, Ghana. Hihaona indray mandeha isan-kerinandro ny kilasiny. Manao izao drafitra izao Rahalahy Lawal:

  • Mampianatra lesona fototra iray ny alahady voalohany sy fahatelon’ny volana.

  • Koa satria misy mpikambana vaovao ato amin’ny Fiangonana maro ilay kilasy ary misy tsy mpikamban’ny Fiangonana, dia nanapa-kevitra Rahalahy Lawal fa hanamafy kokoa ny lesona fototra laharana 6. Manapa-kevitra izy ny hanao sahanasa fianarana avy amin’ny lesona fototra 6 ny alahady faharoa sy fahefatra isam-bolana. Hanome fahafahana maro ho an’ny kilasy mba handalinana sy hampianarana ny fotopampianarana fototra ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako izany.

  • Mandinika ihany koa izy fampiharana fahaiza-manao efatra izay tiany ho ampiasaina ao amin’ny kilasiny. Nanapa-kevitra izy ny hanao fampiharana fahaiza-manao iray isaky ny tapa-bolana. Tena nanan-danja tokoa tamin’ny kilasiny ny fahaiza-manao anankiray manokana ka nanapa-kevitra izy ny hampiasa izany mandritra ny fotoam-pianarana roa samy hafa.

Ohatra 2: Kilasy eo anivon’ny tsatòka (fivoriana 7; 60 minitra isaky ny kilasy)

Miomana hampianatra ny Fiomanana ho misiônera ho an’ny tsatòkany ao Provo Utah Rahalahy sy Rahavavy Green. Hihaona indray mandeha isan-kerinandro ny kilasin’izy ireo.

  • Rehefa avy nifampidinika tamin’ny filohan’ny tsatòkany izy ireo dia nanapa-kevitra ny hampianatra ny lesona fototra laharana 1, 3, 6, 9, ary 12. Hampiasa fotoam-pianarana telo izy ireo mba hifantohana amin’ny lesona fototra laharana 6. Ny fanaovana izany dia hanome fahafahana maro ny kilasy hianatra sy hahatakatra ary hampihatra ireo fahamarinana manan-danja ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako.

  • Miainga avy amin’ny torohevitra nomen’ny filohan’ny tsatòkany, dia hanokana fotoana ihany koa ry Green mandritra ny taranja mba hanaovana ireo fampiharana fahaiza-manao “Mampivelatra fomba fisainana mahasalama” sy “Miresaka amin’ny olona rehetra.”

Ohatra 3: Kilasin’ny institiota (fivoriana 14; 90 minitra isaky ny kilasy)

Miomana hampianatra kilasy fiomanana ho misiônera ny Rahavavy Silva ho an’ny institiota any Manaus, Brésil. Hihaona indray mandeha isan-kerinandro mandritra ny 90 minitra ny kilasiny. Nanapa-kevitra ny hanao izao manaraka izao Rahavavy Silva:

  • Handany 50 minitra izy amin’ireo lesona fototra samihafa ao anatin’ny 11 herinandro voalohany. Noho ny fahafantarany fa maro amin’ireo olona ao amin’ny kilasiny no manana fanontaniana momba ny Fanahy Masina, dia nanapa-kevitra ny handany fotoam-pianarana roa farafahakeliny amin’ny lesona 8 “Mikatsaka sy miantehitra amin’ny Fanahy” izy.

  • Te hanampy ny olona ao amin’ny kilasiny hampitombo fahatokian-tena hizara ny filazantsara amin’ny hafa Rahavavy Silva. Nanapa-kevitra izy fa ao anatin’ny 11 herinandro voalohany, ny 6 amin’ireo fotoam-pianarana dia hanokanana 30 minitra hampiasana ny lesona fototra laharana 6 mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hianatra sy hampianatra ny fotopampianarana ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Nanapa-kevitra ihany koa izy fa ao amin’ny herinandro 12 sy 13, dia hanokana ny fotoam-pianarana iray manontolo izy ireo mba hanomanana lesona fohy sy hifampianarana.

  • Nahatsikaritra fahaiza-manao vitsivitsy izay hitahy ny olona ao amin’ny kilasy ny fanaovana fanazaran-tena momba azy ireo Rahavavy Silva. Nanapa-kevitra ny hanao ireo fampiharana fahaiza-manao ireo izy mandritra ireo 11 herinandro voalohany ao anatin’ireo andro izay tsy nandaminana ny hampianarana avy ao amin’ny toko 3.

  • Amin’ny andro fianarana farany dia mikasa ny hamarana ny taranja amin’ilay lesona fototra laharana 13: “Mandrosoa amim-pinoana” izy.

sary famantarana ny manoratraRaketo an-tsoratra ny eritreritrao

Amin’ny alalan’ny fampiasana ireto fanontaniana manaraka ireto dia atombohy ny famolavolana ny fomba hampiasanao ireo loharanom-pitaovana ato amin’ity taranja ity:

  • Fotoam-pianarana firy no hataonao? Hafiriana no hanaovana ny fotoam-pianarana tsirairay?

  • Ahoana no fomba hampidiranao ireo lesona fototra ao amin’ilay taranja?

  • Matetika toy ny ahoana no hampanaovinao ny Lesona 6: “Mizatra mampianatra” ny kilasinao?

  • Fanazaran-tena amin’ny fampiharana fahaiza-manao inona avy no tena hahasoa ny olona ao amin’ny kilasinao? Amin’ny fotoana oviana ianao no hampiasa izany?

Mamoròna drafitra izay mifanaraka manokana amin’ireo zavatra ilain’ny kilasinao. Rehefa mamolavola ny fandaharam-potoananao ianao dia tena mety tsara ny fikatsahana ny hevitry ny olona ao amin’ny kilasinao momba ireo lohahevitra izay tena mahaliana sy manan-danja amin’izy ireo.

Tsarovy fa ny tanjona fototra dia ny fiovam-po amin’i Jesoa Kristy, fa tsy ny famitana ireo zavatra hampianarina rehetra. Aza vesarana loatra ny fotoam-pianaranao. Tsy azo atao maimaika na terena ny fivoarana ara-panahy. Aoka ianao hilamin-tsaina ny amin’izay zavatra azonao vitaina amin’ny fomba tsara ao anatin’ny fotoana anananao.