Lesona 5
Mandalina sy mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy
Torio ny Filazantsarako, toko 3
Ny lesona ampiasain’ireo misiônera mba hampianarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy dia hita ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. “Ireo lesona ato amin’ity toko ity dia ahitana ireo fotopampianarana sy fitsipika ary didy ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (Torio ny Filazantsarako [2023], 25). Rehefa mandalina sy mizatra mampianatra avy amin’ireo lesona ireo ny mpianatra dia ho vonona tsara kokoa hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy amin’ny hafa izy ireo.
Fandinihana sy fanaraha-maso
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny ezaka nataon’izy ireo tato ato mba hampihatra ny zavatra nianarany tato amin’ity fandaharam-pianarana ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny ezaka sasany ataon’izy ireo amin’ny namana iray na miaraka amin’ny iray kilasy.
Safidy amin’ny sahanasa fianarana
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Fidio ombam-bavaka ny safidy hoenti-mianatra (iray na mihoatra) izay tena hahasoa ny kilasinao. Ataovy izay hamelana fotoana betsaka hanaovana fanazaran-tena sy hampiharana izany.
Safidy A: Inona no ampianarin’ireo misiôneran’ny Tompo?
Halalino
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ampahatsiahivo ny olona ao amin’ny kilasy “Ny tanjonao” (Torio ny Filazantsarako, 1). Iaraho vakina amin’ny iray kilasy ity. Azavao fa ny fomba iray manan-danja hanatanterahan’ny misiônera io tanjona io dia amin’ny alalan’ny fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny olona izay mihaona amin’izy ireo.
Mariho fa ireo lesona ampianarin’ireo misiônera dia hita ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Zarao ireto toromarika manaraka ireto:
Vakio ireo andiam-pehezan-teny roa voalohany ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, tafiditra ao anatin’izany ireo lohatenin-desona natao sora-matavy, ka tadiavo ny zavatra asaina ampianarin’ireo misiônera.
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Azonareo atao ihany koa ny miara-mandalina ny sasany amin’ireto andininy manaraka ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:31; 33:10–11; 34:4–6; 42:12. Azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra momba ireo hevi-baovao fanampiny azon’izy ireo momba ny zavatra tian’ny Tompo hampianarin’ireo misiônerany.
Azavao fa mandritra ity sahanasa manaraka ity dia hianatra momba ny lamina sy ny firafitry ny lesona ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ireo mpandray anjara. Ho fanombohana dia hevero ny hanome topimaso fohy momba ny iray amin’ireo lesona ireo amin’ny mpianatra. Azonao atao ny mampiseho ny lesona eo amin’ny efijery iray rehefa miara-mandinika izany ianareo. Ireto torolalana manaraka ireto dia afaka manampy anao hanolotra topimaso fohy:
Tadiavo ny “Lesona 1: Ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (pejy 30–45). Jereo vetivety ireto fizarana manaraka ireto ato amin’ity lesona ity. Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo ampahany samihafa amin’ny lesona ireo manampy anao hampianatra amim-pahombiazana ny filazantsaran’ny Mpamonjy.
-
Mety hanontany tena ny olona
-
Sosokevitra enti-mampianatra
-
Inona no azonao hampianarina ny olona ao anatin’ny 15–25 minitra
-
Fanontaniana azonao apetraka amin’ny olona
-
Ireo fanasana azonao atolotra
-
Fototra ara-potopampianarana
-
Hevi-baovao enti-mampianatra (hita mandritra ny lesona)
-
Drafi-pampianarana fohy mankany amin’ny drafi-pampianarana antonontonony
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany fa manampy avy amin’ny lesona izay niara-nodinihanareo. Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny manazava fa ny “Lesona 4: Ny fahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana” dia samy hafa amin’ireo lesona telo voalohany. Azonareo iarahana mandinika fohifohy ity lesona ity.
Fanazaran-tena
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra handalinana lalindalina kokoa ny iray amin’ireo lesona avy ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Asehoy ireto toromarika manaraka ireto ary omeo manodidina ny 10 minitra ny mpianatra mba hamitany izany irery:
Misafidiana iray amin’ireo lesona avy ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako izay tianao hohalalinina misimisy kokoa. Ireto misy hevitra vitsivitsy momba ny zavatra azonao atao:
-
Vakio ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny lesona. Avy eo dia makà fotoana handalinana amin’ny fomba lalindalina kokoa ny iray na maromaro amin’ireo fizarana izay mahaliana anao indrindra.
-
Vakio ny efajoro hoe “Mety hanontany tena ny olona” any am-piandohan’ny lesona (lesona 1–3 ihany). Asongadino ireo fanontaniana izay tianao hovaliana indrindra. Tadiavo ireo valiny ao amin’ny fizarana “Fototra ara-potopampianarana”.
-
Halalino ny sasantsasany amin’ireo famintinana ao amin’ny fizarana “Fototra ara-potopampianarana”. Azonao atao ihany koa ny mandalina ny andininy sasany ao amin’ny efajoro hoe “Fandalinana soratra masina”. Diniho tsara ny zavatra ampianarin’ireo loharanom-pitaovana ireo anao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Rehefa avy mandalina ny mpianatra dia zarao ho mpiara-miasa na vondrona kely izy ireo. Asao ny olona tsirairay hizara ny zavatra nifantohany tao amin’ny sahanasa fandalinana sy ny zavatra nianarany avy amin’ny zavatra niainany.
Mametraha tanjona
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina ny zavatra nianarany androany sy hametraka tanjona. Azonao atao koa ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:
Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta anankiray avy aminao manokana.
-
Mamoròna drafitra mikasika ny fomba handalinanao ny fotopampianarana avy amin’ireo lesona ao amin’ny toko 3 ao amin’ny fandalinanao manokana.
-
Misafidiana famintinana iray avy amin’ny iray amin’ireo fizarana “Fototra ara-potopampianarana” izay tianao hohalalinina. Halalino ilay lohahevitra ary mamoròna rindran-damina fohy momba ny zavatra nianaranao. Ampiasao ny rindran-daminao mba hampianarana olona iray fantatrao.
Ny tanjoko
-
Izaho dia … (zavatra hataonao).
-
Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona hizarana ny tanjony ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivany mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.
Safidy B: Ahoana no ahafahan’ireo misiôneran’ny Tompo mampianatra amim-pahombiazana ny filazantsarany?
Halalino
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny olona ao amin’ny kilasy hieritreritra ireo fahafahana nananan’izy ireo tany aloha hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa (ohatra, tamin’ny fianakaviany na ny namany, any am-piangonana, na ao amin’ny seminera na institiota). Azonao atao ny mangataka mpianatra iray na roa hizara ny zavatra niainany, anisan’izany ny zavatra tsara sy ny zavatra tsapan’izy ireo fa tokony ho natao tsaratsara kokoa.
Azavao fa ity sahanasa fandalinana manaraka ity dia afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasy hianatra ny fomba hampianarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy amim-pahombiazana kokoa. Afaka mamita ireo dingana efatra samirery ny mpianatra, na azonao zaraina ho vondrona misy olona efatra izy ireo ary manendry ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona handalina anankiray.
Halalino ireto fizarana manaraka avy ao amin’ny teny fanolorana ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ireto. Mitadiava fahamarinana sy torolalana izay manampy anao hahatakatra ny fomba ahafahan’ny misiônera mampianatra amim-pahombiazana ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Hevero ny hanisy marika ireo hevitra izay tsapanao fa manan-danja indrindra.
-
“Mampianara avy amin’ny fonareo araka ny fitarihan’ny Fanahy” (pejy 26)
-
“Manasà sy mampianara araka ny zavatra ilain’ny tsirairay” (pejy27)
-
Ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ilay lohateny hoe “Inona no asaina ampianarinao?” (ao amin’ny efajoro hoe “Fandalinana soratra masina” ao amin’ny pejy 27)
-
Ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ilay lohateny hoe “Nahoana no zava-dehibe ny mandalina ny fotopampianarana ao amin’ireo lesona?” (ao amin’ny efajoro hoe “Fandalinana soratra masina” ao amin’ny pejy 27)
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra hitany ao anaty vondrona kely na amin’ny iray kilasy.
Fanazaran-tena
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fahafahana hanomana sy hizatra hampianatra famintinana tsotra avy amin’ny iray amin’ireo lesona ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ireo mpandray anjara. Azonao ampiasaina ireo torolalana hita ao amin’ny Lesona 6: “Ampiharo ny fampianarana” mba hanampiana azy ireo hiomana hanao izany. Amporisiho ny mpianatra hampiditra ireo fitsipika nianarany momba ny fampianarana mahomby rehefa mamorona sy mizara ny famintinany izy ireo. Raha ampy ny fotoana dia azonao omena fahafahana maro ny mpianatra hampianatra ny famintinana nomanin’izy ireo.
Mametraha tanjona
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina ny zavatra nianarany androany sy hametraka tanjona. Azonao atao koa ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:
Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta anankiray avy aminao manokana.
-
Manaova fanazaran-tena mampianatra ny famintinanao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray.
-
Zarao ny famintinanao, miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao, ao amin’ny tambajotran-tserasera.
-
Halalino ny votoatin-javatra fanampiny avy amin’ireo lesona ao amin’ny toko 3.
Ny tanjoko
-
Izaho dia … (zavatra hataonao).
-
Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona hizarana ny tanjony ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivany mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.
Fotoana manaraka
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Raha mikasa hampiasa ny lesona 6 ianao mba hampiharana ny fampianarana mandritra ny fotoam-pianarana manaraka dia azonao asaina ny mpianatra handalina ny iray amin’ireo lesona ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ho fiomanana. Raha vonona ny handalina ny lesona 7 ianao amin’ny fotoana manaraka, dia hevero ny hanasa ny mpianatra handalina “Ny fanasana hatao batisa sy horaisina ho mpikambana” avy ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 28–29) ho fiomanana. Azonao atao ihany koa ny mandefa fampahatsiahivana amin’izy ireo.