Lesona 3
Manatanteraka ny tanjona amin’ny maha-misiônera anao
Torio ny Filazantsarako, toko 1
Ny tanjon’ny misiônera dia ny “hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handray ny filazantsara naverina amin’ny laoniny amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana sy ny batisa ary ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny faharetana hatramin’ny farany” (Torio ny Filazantsarako [2023], 1). Ny fahatakarana sy ny fampiharana io tanjona io amin’ny lafiny rehetra amin’ny asa fitoriana dia afaka mampisondrotra ny fomba fieritreretan’ny tanora sy hiomanany ary hanaovany ny asa fitoriana ny filazantsara.
Fandinihana sy fanaraha-maso
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny ezaka nataon’izy ireo tato ato mba hampihatra ny zavatra nianarany tato amin’ity fandaharam-pianarana ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny ezaka sasany nataon’izy ireo amin’ny namana iray na miaraka amin’ny iray kilasy.
Safidy amin’ny sahanasa fianarana
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Fidio ombam-bavaka ny safidy hoenti-mianatra (iray na mihoatra) izay tena hahasoa ny kilasinao. Ataovy izay hamelana fotoana betsaka hanaovana fanazaran-tena sy hampiharana izany.
Safidy A: Inona no tanjon’ny misiônera?
Halalino
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hizara ity rafi-tantara manaraka ity mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny tanjon’ny misiônera.
Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ianao. Rehefa manontany ny drafitrao ho an’ny androany ilay namanao dia ambaranao fa hanatrika kilasy fiomanana ho misiônera ianao. Dia manontany ilay namanao avy eo hoe: “Inona no ataon’ny misiônera?”
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra na hizara ny zavatra holazainy. Azavao fa na dia maro aza ireo fomba hamaliana ilay fanontaniana dia voafintina any amin’ny fiandohan’ny toko 1 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ny tanjona voalohan’ny misiônera iray. Asehoy ireto torolalana manaraka ireto. Omeo fotoana ny mpianatra handalinana sy hifanakalozana hevitra miaraka amin’ny namana iray na ao anaty vondrona kely.
Vakio “Ny tanjonao” (Torio ny Filazantsarako, 1) sy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ity.
Aza dinganina ny toko 1 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako sy ny fanontaniana ao amin’izany izay manao hoe “Inona no tanjoko amin’ny maha-misiônera ahy?” Ataovy latsa-paka ny tanjon’ny fitondrana ny olona ho any amin’i Kristy amin’ny alalan’ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, dia ho takatrao fa ny fizarana ny filazantsara dia tsy fandaharan’asa fa anton’asa—ny anton’asan’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. (D. Todd Christofferson, “Why We Share the Gospel (Nahoana no mizara ny filazantsara isika),” Ensign, Aug. 2014, 36)
Ifanakalozy hevitra ny fomba fiantraikan’ny fahatakarana lalina izany tanjona izany amin’ireto zavatra manaraka ireto:
-
Ny fomba hiomananao hanao asa fitoriana ny filazantsara
-
Ny zavatra ataonao amin’ny maha-misiônera anao
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra bebe kokoa ny tanjon’ny asa fitoriana ny filazantsara dia asehoy ireto torolalana manaraka ireto. Azonao hampandraiketina ny antsasaky ny kilasy mba hanasongadina ilay zavatra voalohany ary ny antsasany iray hafa hanasongadina ilay faharoa.
Vakio “Ny asa nampanaovina anao mba hampianatra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny” (Torio ny Filazantsarako, 1–2). Rehefa mandalina ianao dia asongadino ny:
-
Antony hanasantsika ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy.
-
Zavatra azontsika atao mba hanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy.
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ireo olona ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra hitany. Azonao atao koa ny mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny fanarahana ny Mpamonjy “fahasambarana, fanantenana, fiadanana, ary tanjona” (pejy 2) taminao na tamin’ny olona fantatrao?
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hizara ny valiny avy aminao manokana amin’ilay fanontaniana teo aloha. Azonao atao ihany koa ny mampiseho ilay horonan-tsary “After Searching So Long for It, Hope Showed Up on Their Doorstep (Rehefa nikaroka ela dia ela ny fanantenana izy ireo, dia nivantana teo am-baravaran’izy ireo izany)” (2:42; Médiathèque de l’Évangile). Asao ny olona ao amin’ny kilasy hitady ny fomba nitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy an’ireo mpivady tao amin’ilay horonan-tsary.
Fanazaran-tena
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Makà fotoana hanampiana ny mpianatra hitadidy “Ny tanjonao” (Torio ny Filazantsarako, 1). Azonareo atao ny miara-manonona izany miaraka amin’ny iray kilasy mandritra ny fotoana fohy, ary avy eo dia asao ny mpianatra hanao fanazaran-tena hilaza izany tsy an-kijery miaraka amin’ny namana iray.
Rehefa mampianatra ity taranja ity ianao dia ivereno matetika ny tanjon’ny misiônera. Azonareo atao ny miara-milaza ilay izy amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana rehetra.
Mametraha tanjona
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsainana ny zavatra nianarany androany sy hametraka tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:
Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto na mieritrereta hevitra avy aminao manokana.
-
Tohizo ny fampiharana ny fanaovana tsianjery ny tanjon’ny misiônera. Zarao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na amin’ny namanao iray izany. Eritrereto ny zavatra efa nataonao na azonao atomboka izay ao anatin’ny tanjon’ny misiônera.
-
Tsidiho ny pejy “Sharing the Gospel” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Mitadiava hevitra izay afaka manampy anao hizara ny filazantsara amin’ny hafa.
-
Eritrereto ombam-bavaka ny olona iray izay tianao hampiana hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy hiaina ireo fitahian’ny filazantsarany. Fantaro ny zavatra hataonao mba hanampiana azy ireo (ohatra, “hivavaka ho an’io olona io aho ary hanasa azy ho any am-piangonana amin’ity alahady ity”).
Ny tanjoko
-
Izaho dia … (zavatra hataonao).
-
Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona hizarana ny tanjony ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivany mialoha ny fandaharam-pianarana manaraka.
Safidy B: Ahoana no fomba hanovan’ny fotopampianaran’i Kristy fiainan’olona?
Halalino
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hanoratra ilay andian-teny hoe Fotopampianaran’i Kristy eny amin’ny solaitrabe. Asao ny olona iray hamaky ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity:
Mahery vaika ny fotopampianarana madion’i Kristy. Izany dia manova ny fiainan’ny olona tsirairay izay mahatakatra izany sy mikatsaka ny hampihatra izany eo amin’ny fiainany. (“Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio,” Liahona, nôv. 2021, 6)
-
Raha misy olona manontany anao hoe inona no atao hoe fotopampianaran’i Kristy dia inona no holazainao?
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hampitaha ny valin-tenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana teo aloha amin’ny fanazavana ao amin’ny toko 1 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Mba hanampiana azy ireo hanao izany dia zarao ireto toromarika manaraka ireto.
Tadiavo ny fizarana ao amin’ny toko 1 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako izay mitondra ny lohateny hoe “Ny Filazantsaran’i Kristy sy ny fotopampianaran’i Kristy.” Vakio ireo andiam-pehezan-teny telo voalohany sy ny teny nambaran’i Hyrum Smith (pejy 6). Mitadiava valim-panontaniana ho an’ireto fanontaniana roa ireto:
-
Inona no atao hoe fotopampianaran’i Kristy?
-
Nahoana no tokony hikatsaka ny hahatakatra sy hiaina ny fotopampianaran’i Kristy ny olona iray izay miomana hanao asa fitoriana ny filazantsara?
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany avy amin’ny Torio ny Filazantsarako izay mamaly ireo fanontaniana etsy aloha.
Ity sahanasa fandalinana manaraka ity dia afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasy hanamafy orina ny fahatakarany ireo lafin-javatra samihafa ao amin’ny fotopampianaran’i kristy. Raha betsaka ny mpianatrao dia zarao ho vondrona ahitana olona dimy izy ireo. Afaka mandalina ampahany samihafa amin’ny fotopampianaran’i Kristy ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona
Mianara misimisy kokoa momba ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ireto fizarana manaraka ireto izay avy ao amin’ny toko 1 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 7–9):
-
“Batisa”
-
“Faharetana hatramin’ny farany” (Halalino ihany koa ny 2 Nefia 31:19–20.)
Rehefa mandalina ianao dia asio marika ireo teny sy andian-teny manan-danja. Hevero ny hamaky ny soratra masina sasany mifandray amin’ilay fizarana. Miomàna hizara izay zavatra nianaranao.
Fanazaran-tena
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny olona ao amin’ny kilasy hanazava amin’ny vondrona misy azy ny zavatra nianarany tao amin’ilay sahanasa teo aloha. Asehoy ireto toromarika manaraka ireto:
Fintino ny ampahany amin’ny fotopampianaran’i Kristy izay nohalalininao. Eritrereto ny hampiditra ireto teboka manaraka ireto ao anatin’ny famintinanao:
-
Famintinana fohy ny zavatra nohalalininao
-
Ny fomba anampian’io singa ao amin’ny fotopampianarana io ny olona hanatona an’i Kristy sy hahazo ny heriny manavotra
-
Ny fomba nitahiana anao na ny olona iray fantatrao tamin’ny alalan’ny fanarahana io singa ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy io
Mametraha tanjona
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao koa ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:
Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto na mieritrereta hevitra avy aminao manokana.
-
Halalino ny 2 Nefia 31, ka tadiavo ireo fampianaran’i Nefia momba ny fotopampianaran’i Kristy.
-
Mamantara singa iray ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy izay tianao hampidirina feno kokoa ao amin’ny fiainanao. Diniho ny fomba hanaovanao izany.
Ny tanjoko
-
Izaho dia … (zavatra hataonao).
-
Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona hizarana ny tanjony ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivany mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.
Safidy D: Inona no mahatonga ny misiônera hahomby?
Halalino
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hanoratra ity fanontaniana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny valin-tenin’ny mpianatra:
-
Ahoana no ahafahan’ny olona iray mahafantatra hoe misiônera mahomby izy?
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ity sahanasa fandalinana manaraka ity dia afaka manampy ireo mpandray anjara hahatakatra kokoa ny fomba hahatongavana ho misiônera mahomby:
-
Vakio ny andiam-pehezan-teny sivy voalohany ao amin’ny “Misiônera mahomby” ao amin’ny toko 1 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 13). Asongadino na asio marika ireo toetoetry ny misiônera mahomby. Asio marika amin’ny fomba hafa (toy ny hoe amin’ny loko na fomba fanipihana hafa) ireo zavatra izay tsy mitondra amin’ny fahombiazana.
-
Jereo ny teboka eny an-tampon’ny pejy 14. Misafidiana toko sy andinin-tsoratra masina roa na maromaro hovakiana, ka tadiavo ny zavatra ampianarin’izy ireo momba ny hoe misiônera mahomby.
Fanazaran-tena
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany tao amin’ilay sahanasa teo aloha rehefa mamaly ny momba ity rafi-tantara manaraka ity izy ireo. Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa sy hanasa azy ireo hilalao an-tsehatra ilay rafi-tantara.
Alaivo sary an-tsaina hoe mandray hafatra avy amin’ny namana iray izay manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ianao. Mahatsapa izy fa tsy mahomby amin’ny maha-misiônera azy satria tsy nisy olona nampianariny ka natao batisa ary tsy mbola nihazona anjara toeran’ny mpitarika mihitsy izy. Manomboka mahatsapa izy fa lany fotsiny ny fotoanany.
-
Miainga avy amin’ny zavatra nianaranao avy tamin’ny “Misiônera mahomby” ao amin’ny toko 1 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 13–14), dia ampio ilay namanao hihevitra amin’ny fomba hafa ny dikan’ny hoe misiônera mahomby.
-
Zarao ny fomba ahafahan’ny fifantohana kokoa amin’i Jesoa Kristy manova ny zavatra tsapan’ilay namanao momba ny asa fitoriana ataony.
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Mba hahitana fomba iray hafa hanampiana ny mpianatra hamantatra sy hanazava ireo toetoetry ny misiônera mahomby dia asehoy ny horonan-tsary “Missionaries of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints (Ireo misiôneran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany)” (4:56; ChurchofJesusChrist.org). Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba namaritan’ireo misiônera ao amin’ilay horonan-tsary na nanehoan’izy ireo ireo fitsipiky ny asa fitoriana mahomby.
Mametraha tanjona
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina ny zavatra nianarany androany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:
Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto na mieritrereta anankiray avy aminao manokana.
-
Mieritrereta olona iray fantatrao izay misiônera amin’ny fotoana feno amin’izao fotoana izao. Anoraty mailaka na taratasy izay mamintina ny zavatra nianaranao androany mikasika ny maha-misiônera mahomby izy. Azonao atao ihany koa ny manontany ilay misiônera ny zavatra hitany izay mahatonga azy hahomby.
-
Eritrereto ny zavatra azonao atao izao mba hiomanana ho misiônera mahomby amin’ny ho avy.
Ny tanjoko
-
Izaho dia … (zavatra hataonao).
-
Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona hizarana ny tanjony ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivany mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.
Fotoana manaraka
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha vonona ny hampianatra ny lesona 4 ianao amin’ny fotoana manaraka, dia hevero ny hanasa ny olona ao amin’ny kilasy handalina ny toko 2 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ho fiomanana. Azonao atao ihany koa ny mandefa fampahatsiahivana amin’izy ireo.