Lesona 8
Mikatsaka sy miantehitra amin’ny Fanahy
Torio ny Filazantsarako, toko 4
“Ny fanomezana ny Fanahy Masina no iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra nomen’ Andriamanitra ireo zanany” (Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, [2023], 101). Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny fahamarinan’ny filazantsara ny Fanahy. Miova fo ho an’i Kristy ny olona amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Rehefa mikatsaka sy miantehitra amin’ny Fanahy Masina ireo misiônera dia afaka manampy amin’ny fitondrana ny fitaomany ho eo amin’ny fiainan’ireo izay ampianarin’izy ireo.
Fandinihana sy fanaraha-maso
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny ezaka nataon’izy ireo tato ato mba hampihatra ny zavatra nianarany tato amin’ity fandaharam-pianarana ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny ezaka sasany ataon’izy ireo amin’ny namana iray na miaraka amin’ny iray kilasy.
Safidy amin’ny sahanasa fianarana
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Fidio ombam-bavaka ny safidy hoenti-mianatra (iray na mihoatra) izay tena hahasoa indrindra ny kilasinao. Ataovy izay hamelana fotoana betsaka hanaovana fanazaran-tena sy hampiharana izany.
Safidy 1: Inona no anjara asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara?
Halalino
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hanomboka ity sahanasa fianarana ity amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ity fanambarana manaraka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ity.
Ny olona rehetra dia tokony hitory ny Filazantsara amin’ny alalan’ny hery sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina; ary tsy misy olona afaka mitory ny Filazantsara raha tsy misy ny Fanahy Masina. (Teachings of the Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 332)
-
Nahoana araka ny eritreritrao no manana anjara asa manan-danja toy izany ny Fanahy Masina eo amin’ny fitoriana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hitady ny toko 4 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Azavao fa io toko io dia mamariparitra ireo fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika, na eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara izany na eo amin’ny fiainantsika manokana. Zarao ireto torolalana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hanomboka ny fandalinany ity toko ity.
-
Halalino ireo andiam-pehezan-teny eo ambanin’ny lohateny hoe “Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina” sy ny “Ny herin’ny Fanahy amin’ny fiovam-po” (Torio ny Filazantsarako, 101; 103–4).
-
Halalino farafahakeliny ny roa amin’ireo andalan-tsoratra masina voatanisa ao amin’ny efajoro ho an’ny “Fandalinana soratra masina” ao amin’ny “Ny herin’ny Fanahy amin’ny fiovam-po” (Torio ny Filazantsarako, 104).
-
Miainga avy amin’ny zavatra nianaranao, dia miomàna hizara valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy ahy hitory ny filazantsaran’ny Mpamonjy?
-
Inona no anjara asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fanampiana ny olona hanatona an’i Kristy?
-
Inona no azoko atao mba hanasana ny Fanahy rehefa mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho?
-
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ihany koa ny mampiseho ilay horonan-tsary “The Role of the Holy Ghost in Conversion (Ny anjara asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiovam-po)” (ChurchofJesusChrist.org; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 4:05). Afaka mitady valiny fanampiny ho an’ireo fanontaniana telo ireo ny mpianatra.
Manazara tena
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ireo mpandray anjara hampianatra namana iray na vondrona kely iray momba ny zavatra nianarany avy tamin’ny sahanasa fandalinana teo aloha. Hevero ny hampiseho ireto toromarika manaraka ireto mba hitarihana azy ireo amin’ny fizarana izany:
-
Zarao ny valiny avy aminao momba ireo fanontaniana telo tamin’ilay sahanasa fandalinana teo aloha:
-
Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy ahy hitory ny filazantsaran’ny Mpamonjy?
-
Inona no anjara asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fanampiana olona hanatona an’i Kristy?
-
Inona no azoko atao mba hanasana ny Fanahy rehefa mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho?
-
-
Mizarà soratra masina iray izay hitanao. Azavao ny ifandraisan’izany soratra masina izany amin’ny iray amin’ireo fanontaniana telo nifanakalozana hevitra teo aloha.
-
Mizarà zavatra niainanao manokana na fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika.
Mametraha tanjona
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:
Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta avy aminao manokana.
-
Mampiasà fitaovana amin’ny fandalinana toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, dia alalino bebe kokoa ny momba ireo anjara asa samihafa tanan’ny Fanahy Masina. Eritrereto ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy anao amin’izao fotoana izao sy rehefa misiônera ianao.
-
Fantaro hoe inona avy ireo fanovana azonao atao izay afaka manasa matetika kokoa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainanao.
Ny tanjoko
-
Izaho dia … (zavatra hataonao).
-
Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny tanjony mandritra ny fianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.
Safidy B: Ahoana no ahafahako mamantatra ny bitsiky ny Fanahy?
Halalino
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asao ireo mpandray anjara mba hifanakalo hevitra momba ity rafi-tantara manaraka ity miaraka amin’ny namana iray.
Alaovy sary an-tsaina hoe nisy olona iray nanontany anao hoe ahoana no fomba hanavahana ny bitsiky ny Fanahy Masina amin’ny eritreritrao manokana sy ny fahatsapanao manokana.
-
Inona no havalinao azy?
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Azavao fa betsaka ny olona no manana fanontaniana mikasika ny hoe toy ny ahoana izany mahatsapa ny Fanahy Masina izany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra ny sasany amin’ireo fanontanian’izy ireo manokana. Amporisiho izy ireo rehefa mandalina mba hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hamantatra ireo fomba ahafahan’ny Fanahy Masina mifandray amin’izy ireo.
Asehoy ireto toromarika manaraka ireto mba hitarihana ny mpianatra amin’ny fandalinana ataon’izy ireo: Azonao omena andraikitra ny antsasaky ny kilasy handalina ny safidy 1, ary ilay antsasany iray hafa handalina ny safidy 2.
Misafidiana iray amin’ireto safidy amin’ny fandalinana avy ao amin’ny toko 4 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako manaraka ireto mba hampitomboana ny fahatakaranao momba ny famantarana ny Fanahy Masina:
-
Halalino ny “Mianara mamantatra ny bitsiky ny Fanahy” (Torio ny Filazantsarako, 106–7).
-
Vakio ny famariparitana ny Fanahy Masina ao amin’ilay efajoro ho an’ny “Fandalinan’ny tena manokana” (Torio ny Filazantsarako, 107–8). Halalino ny soratra masina sasany voatanisa izay hitanao fa mahaliana anao manokana.
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Rehefa avy nomena fotoana nandalinana ny mpianatra dia asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny namana iray. (Raha nomena andraikitra handalina safidy iray ny mpianatra dia ataovy izay hampiarahana azy amin’ny olona iray izay nandalina ny safidy hafa amin’ny azy.)
-
Inona no hevi-baovao azonao momba ny fomba ifandraisan’ Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?
-
Inona avy ireo ohatra tsapanao fa mamariparitra ny zavatra niainanao manokana niaraka tamin’ny Fanahy Masina?
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ihany koa ny mampiseho ilay horonan-tsary “Elder and Sister Bednar—Recognizing the Spirit” (ChurchofJesusChrist.org; jereo manomboka avy amin’ny mari-potoana 0:38 hatramin’ny 3:11). Asao ireo mpandray anjara hifanakalo hevitra momba ireo hevi-baovao fanampiny azon’izy ireo.
Manazara tena
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Azavao fa misy zavatra sasantsasany tokony hotandremana rehefa mianatra ny fomba itarihan’ny Fanahy Masina. Asao ny mpianatra hitady ny fizarana “Teny fampitandremana” (Torio ny Filazantsarako, 109–10).
Asehoy ireto rafi-tantara manaraka ireto na ataovy printy ho an’ny mpianatra rehetra izany. Ho an’ny rafi-tantara tsirairay dia asao ny mpianatra hizara fampitandremana avy ao amin’ny Torio ny Filazantsarako izay tsapan’izy ireo fa hanampy ny fieritreretana azy. Azon’ny iray kilasy atao miaraka na ao anatin’ny vondrona kely ity sahanasa ity.
-
Misy olona iray mikatsaka torolalana sy fitarihana ho an’ny zavatra iray izay manan-danja aminy. Mivavaka sy mangataka amin’ny Ray any An-danitra izy mba hanome valiny amin’ny fiafaran’ny herinandro.
-
Tsikaritrao fa rehefa mahatsapa ny Fanahy ny hafadia lasa be fihetseham-po kokoa raha oharina aminao. Manontany tena ianao raha toa ka misy zavatra tsy mety ny momba anao.
-
Misy olona iray toa mahatsapa fa nahazo fitarihana avy amin’ny Fanahy mba hanao zavatra izay mifanohitra amin’ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly.
-
Efa matotra ny fampiarahan’ny zatovolahy iray sy ny zatovovavy iray. Indray andro dia hoy ilay zatovolahy tamin’ilay zatovovavy: “Nahazo aingam-panahy aho fa tokony hanambady ahy ianao.”
-
Voaray ho afaka mianatra amin’ny oniversite roa samy hafa ny olona iray. Na dia eo aza ny fifadian-kanina sy ny vavaka dia tsy mahatsapa ho toy ny milaza aminy izay sekoly tokony hianarany ny Tompo.
Mametraha tanjona
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:
Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta avy aminao manokana.
-
Mandritra ireo andro vitsivitsy manaraka dia henoy tsara ireo fomba samihafa ahatsapanao ny Fanahy Masina mitarika anao na ny fomba hiainanao ny voan’ny Fanahy (jereo ny Galatiana 5:22–23). Raketo ireo zavatra niainanao.
-
Halalino ny soratra masina tsirairay voatanisa ao amin’ny efajoro ho an’ny “Fandalinan’ny tena manokana” ao amin’ny pejy 107 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Raketo an-tsoratra ireo hevi-baovao azonao mikasika ny fomba hahatsapana sy hamantarana ny Fanahy.
Ny tanjoko
-
Izaho dia … (zavatra hataonao).
-
Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny tanjony mandritra ny fianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.
Safidy D: Ahoana no ahafahako miantehitra kokoa amin’ny Fanahy?
Halalino
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ifanakalozy hevitra ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny fanontaniana miaraka aminy ity.
Ry rahalahy sy anabavy malalako, miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. … Misafidiana ny hanao ireo asa ara-panahy takina mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy handrenesana ny feon’ny Fanahy matetika kokoa sy mazava kokoa. (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika”, Liahona, mey 2018, 96)
-
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mandray fitarihana sy fanambarana matetika avy amin’ny Fanahy Masina?
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra hoe impiry izy ireo no mahatsapa ho tarihin’ny Fanahy Masina. Amporisiho izy ireo rehefa mandalina mba hitady ireo fampianarana izay afaka manampy azy ireo handray ny fitarihan’ny Tompo matetika kokoa amin’ny alalan’ny Fanahy.
Asao ny mpianatra hitady ny toko 4 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Avy eo dia zarao ireto toromarika manaraka ireto:
Vakio ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Miantehitra amin’ny Fanahy” ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 108). Tadiavo ireo antony maha-zava-dehibe ny fananana ny Fanahy ho namana rehefa manao ny asan’ny Tompo ianao.
-
Inona no nianaranao momba ny antony maha-zava-dehibe ny fianteherana amin’ny Fanahy Masina?
-
Inona no mety hanakana ny fahafahana miantehitra tanteraka amin’ny Fanahy?
-
Inona no nanampy anao hahatsapa bebe kokoa ny fitaoman’ny Fanahy teo amin’ny fiainanao?
Manazara tena
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra amin’ny fomba ahafahan’ny Tompo mitarika azy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy rehefa mizara ny filazantsarany izy ireo, dia asao izy ireo hitady ny efajoro ho an’ny “Fandalinana soratra masina any amin’ny faran’ny fizarana hoe “Miantehitra amin’ny Fanahy” (Torio ny Filazantsarako, 108). Ifanakalozy hevitra vetivety ny maha-zava-dehibe ireo fanontaniana efatra ao anatin’ilay efajoro. Avy eo dia asao ny mpianatra hanao ireto manaraka ireto:
Alaovy sary an-tsaina hoe misiônera vaovao ianao ary nasaina hanao lahateny mandritra ny fivorian’ny distrika manaraka momba ilay lohahevitra hoe “Ahoana no ahafahantsika miantehitra bebe kokoa amin’ny Fanahy Masina?” Ampiasao ilay efajoro ho an’ny “Fandalinana msoratra asina” any amin’ny faran’ny fizarana hoe “Miantehitra amin’ny Fanahy” (Torio ny Filazantsarako, 108), dia manomàna lahateny iray maharitra roa hatramin’ny 3 minitra izay miresaka an’io lohahevitra io. Raketo an-tsoratra ireo fitsipika sy hevi-baovao tianao hozaraina ao amin’ny lahateninao.
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Rehefa avy nandalina ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny lahateniny amin’ny namana iray.
Mametraha tanjona
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:
Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta avy aminao manokana.
-
Manaova tsianjery soratra masina iray momba ny Fanahy Masina, toy ny iray amin’ireto: 1 Nefia 4:6; na 2 Nefia 32:5; na Môrônia 10:5; na Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2.
-
Fantaro ny zavatra azonao hatomboka atao sy ny zavatra azonao hatsahatra mba hanampiana anao hanana ny Fanahy Masina miaraka aminao matetika kokoa.
Ny tanjoko
-
Izaho dia … (zavatra hataonao).
-
Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny tanjony mandritra ny fianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.
Amin’ny fotoana manaraka
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Raha mikasa ny hampianatra ny lesona 9 ianao amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia hevero ny hanasa ny mpianatra handalina ny toko 5 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ho fiomanany. Azonao atao ny mandefa fampahatsiahivana ho azy ireo.