Antso ao amin’ny misiôna
Lesona 11: Manampy ny olona hanao sy hanaja ireo fanolorantena


Lesona 11

Manampy ny olona hanao sy hanaja ireo fanolorantena

Torio ny filazantsarako, toko 11

ilay Mpiandry Ondry

“Ny fanampiana ny olona hiova fo ao amin’i Jesoa Kristy no ivon’ny tanjon’ny asa fitoriana” (Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy [2023], 202). Fomba iray manan-danja hanampiana ny hafa amin’ny fiovam-pony ny fanasana azy ireo hanao sy hitandrina fanolorantena. Ny fanolorana fanasana mahomby dia mampitombo ny mety hahatonga ny olona hanao sy hitandrina fanolorantena.

Fandinihana sy fanaraha-maso

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny ezaka nataon’izy ireo tato ato mba hampihatra ny zavatra nianarany tato amin’ity fandaharam-pianarana ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny ezaka sasany nataon’izy ireo amin’ny namana iray na miaraka amin’ny iray kilasy.

Safidy amin’ny sahanasa fianarana

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Fidio ombam-bavaka ny safidy hoenti-mianatra (iray na mihoatra) izay tena hahasoa indrindra ny kilasinao. Ataovy izay hamelana fotoana betsaka hanaovana fanazaran-tena sy hampiharana izany.

Safidy A: Ahoana no ahafahako manampy ny hafa hiova fo ho an’ny Tompo?

Halalino

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ifanakalozy hevitra izao teny manaraka nolazain’ny Loholona David A. Bednar izao.

Loholona David A. Bednar

Ireo mpanompo nahazo lalana avy amin’ny Tompo dia mampianatra hatrany hatrany fa isan’ireo tanjona lehibe indrindra amin’ny fisiantsika eto an-tany ny fiovana ara-panahy sy ny fiovana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. (“Ye Must Be Born Again,” Ensign na Liahona, May 2007, 19–20)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no iray amin’ireo tanjona fototry ny fotoanantsika eto an-tany ny fiovana ara-panahy na ny fiovam-po?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hampiseho ireto fehezan-teny tsy feno manaraka ireto mba ho lohateny eny amin’ny solaitrabe:

Ny hoe miova fo ho an’ny Tompo dia midika hoe …

Afaka ny ho lasa miova fo ho an’i Jesoa Kristy isika rehefa …

Asao ny mpianatra hieritreritra na hizara ny fomba hamenoany ireo fehezan-teny roa ireo. Azavao fa ity sahanasa fianarana ity dia afaka manampy azy ireo hahatakatra kokoa ny atao hoe fiovam-po sy ny fomba hiovantsika fo. Ampisehoy ireto toromarika manaraka ireto:

Vitao ity sahanasa fandalinana manaraka ity. Asongadino ny zavatra nianaranao momba (1) ny dikan’ny hoe miova fo ho an’ny Tompo sy (2) ny fomba itrangan’ny fiovam-po.

  1. Vakio ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Fibebahana, fanolorantena ary fiovam-po” ao amin’ny toko 11 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 201–2).

  2. Halalino farafahakeliny ny roa amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto: Jaona 3:3–5; Môzià 5:2; Môzià 27:25–26; Almà 5:12–14.

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Rehefa avy nomena fotoana ampy nandalinana ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany. Azonao asaina ireo mpianatra hanoratra ny valin-teniny eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany eny amin’ny solaitrabe.

Azonareo atao koa ny mifanakalo hevitra miaraka momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ifandraisan’ny fibebahana sy ny fanolorantena ary ny fanekempihavanana amin’ny fiovam-po?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tsy misy afa-tsy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany irery ihany no ahafahana miova fo?

  • Inona no nanampy anao hampitombo ny fiovam-ponao manokana ho an’i Jesoa Kristy?

Manazara tena

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hizatra hanazava ireo fahamarinana izay nohalalinin’izy ireo tao amin’ny sahanasa fianarana teo aloha. Ampisehoy ireto toromarika manaraka ireto dia omeo fotoana hamaliana ny mpianatra. Azonao homena rafi-tantara manokana hiasany ny mpianatra na ny mpiara-miasa ary angataho hampianatra ny hafa izay nasaina niasa tamin’ny rafi-tantara hafa.

Misafidiana iray amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto. Manomàna valiny ho an’ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara amin’ny alalan’ny famaliana ireo fanontaniana etsy ambany.

  1. Tsy mbola nanana fiangonana mihitsy i Christina. Vao haingana izy no nahatsapa faniriana hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra. Manontany tena izy hoe aiza no tokony hanombohany.

  2. Ampianarin’ireo misiônera i Isaac. Nandritra ny iray tamin’ireo lesona dia nampianatra an’i Isaac ireo misiônera fa ny hoe mibebaka dia mitodika amin’ Andriamanitra sy miala amin’ny fahotantsika. Namaly i Isaac nanao hoe: “Tsy azoko antoka hoe ho vitako izany. Efa ohatr’izao mihitsy aho.”

  3. Mahatsikaritra i Jasmine fa toa mora kokoa ho an’ny hafa ny mitandrina ny didy sy manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa raha ohariny amin’ny tenany. Mahatsapa ho kivy izy rehefa mampitaha ny tenany amin’ny olon-kafa.

  • Inona no azonao zaraina avy amin’ny soratra masina na ny Torio ny Filazantsarako ka afaka manampy?

  • Inona no azonao ampianarina momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona no fanasana azonao atolotra?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny valin-teniny amin’ny namana iray na ao anaty vondrona kely.

Mametraha tanjona

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:

Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta avy aminao manokana.

  • Soraty ny tantaran’ny fiovam-ponao manokana izay mbola mitohy. Ampidiro ao anatin’izany ireo fomba manokana nitaoman’ Andriamanitra fiovana teo amin’ny fiainanao.

  • Anontanio ny namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana ny momba ny dingan’ny fiovam-pon’izy ireo ho an’i Jesoa Kristy.

  • Manorata fomba telo azonao hikatsahana ny fanampian’i Jesoa Kristy mba hanamafisana orina ny fiovam-ponao manokana.

Ny tanjoko
  • Izaho dia … (zavatra hataonao).

  • Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny tanjony mandritra ny fianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.

Safidy B: Ahoana no ahafahan’ny fanasana mahomby manampy ny olona hanatona an’i Jesoa Kristy?

Halalino

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ampisehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba izany miaraka amin’ny namana iray. Azonao atomboka amin’ny fizarana ohatra iray avy amin’ny fiainanao manokana.

  • Inona no fanasana noraisinao sy nataonao ka nanampy anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no mety ho nitranga raha toa ka tsy nomena io fanasana io ianao?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Mba hanampiana ny mpianatra hanomboka handalina momba ny fanasana mahomby dia hevero ny hizara ireo toromarika voatanisa etsy ambany. Azonao zaraina handeha tsiroaroa ny mpianatra ary omena ny iray amin’ireo safidy hoenti-mandalina ny mpiara-miasa tsirairay. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra tsirairay hamaky ny iray na maromaro amin’ireo soratra masina hita ao amin’ny efajoro ho an’ny “Fandalinana ny soratra masina” ao amin’ny pejy 203, ao amin’ny “Fitsipika momba ny fanolorana fanasana”.

Ianaro ny fanolorana fanasana amin’ny alalan’ny fandalinana ireto manaraka ireto ao amin’ny toko 11 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako:

  1. Ireo andiam-pehezan-teny roa sy ireo zavatra notanisaina amin’ny alalan’ny teboka fitanisaina ao amin’ny “Manolotra fanasana” (pejy 202)

  2. Fitsipika momba ny fanolorana fanasana” (pejy 203)

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Rehefa vitan’izy ireo ny fandalinana dia asao ny mpianatra hamintina ny zavatra nianarany amin’ny namany. Avy eo dia hevero ny hiarahan’ny iray kilasy mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny fanolorana fanasana rehefa mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika?

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny fanasana azontsika hatolotra mba hanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy?

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonao atao ny mampiseho ny “Inviting Others to ‘Come and See’” (1:17) na ny “Inviting Others to ‘Come and Help’” (1:03). Ireo horonan-tsary roa ireo dia samy hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org:

Azonao atao ihany koa ny mizara ity teny nambaran’ny Loholona Gary E. Stevenson manaraka ity:

Loholona Gary E. Stevenson

Misy fanasana an-jatony azontsika atolotra ny hafa. Afaka manasa ny hafa isika mba “ho avy ka hahita” ny fivoriana fanasan’ny Tompo, ny fiaraha-mientan’ny paroasy, ny horonan-tsary an-jotra izay manazava ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny “ho avy ka hahita” dia mety ho fanasana hamaky ny Bokin’i Môrmôna na hitsidika tempoly vaovao mandritra ny varavarana misokatra alohan’ny fanokanana izany. (“Mitia, mizara, manasa,” Liahona, mey 2022, 86)

Manazara tena

sary famantarana ny taratasy zaraina Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hanao fanazaran-tena amin’ny fanolorana fanasana dia azonao zaraina ilay taratasy zaraina hoe “Manolotra fanasana”. Omeo fotoana ny mpianatra hamenoana ilay taratasy zaraina, na tsirairay na miaraka amin’ny namana iray.

Manolotra fanasana

Ireto fitsipika manaraka ireto dia afaka manampy anao hanolotra fanasana mahomby:

Ataovy feno hatsaram-panahy sy voafaritra tsara ary mazava. Arafeto ho fanontaniana manomboka amin’ny hoe “vonona ve ianao” ny fanasanao. Ohatra, jereo ny “Manasa amin’ny fiteny feno hatsaram-panahy sy mazava” ao amin’ny toko 11 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 203).

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitahiana. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa hitahy ireo izay manaraka ny fanasana izay omenao Andriamanitra. Azonao atao ny manazava ny fomba nitahiana anao manokana. Raha mila fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “Mampanantena fitahiana ho an’ny olona” sy ny “Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona anananao” ao amin’ny toko 11 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 204–5).

Inty dia ohatra iray amin’ny fanasana izay manaraka ireo torolalana ireo:

Nampanantena fitahiana lehibe ho an’ireo izay mankatò ny lalàn’ny fahafolonkarena ny Tompo. Nitahy ahy manokana sy ny fianakaviako Izy rehefa nankatò io didy io izahay. Mampanantena aho fa hitahy anao Andriamanitra rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy mandoa fahafolonkarena ianao. Vonona ve ianao hankatò ny lalàn’ny fahafolonkarena aorian’ny batisanao?

Ampiasao ireo dingana ireo mba hanampiana anao hizatra hamorona sy hanolotra fanasana.

  1. Fantaro ny zavatra azonao atao mba hanasana ny olona hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Mety ho olona fantatrao izany na olona iray izay eritreretinao fa hampianarinao rehefa misiônera ianao.

  2. Anisan’ny asa azon’izy ireo atao ny fihaonana amin’ireo misiônera, na ny famakiana isan’andro ny Bokin’i Môrmôna, na ny fandehanana any am-piangonana miaraka aminao, na ny fivavahana amin’ny Ray any An-danitra. Mba hahitana ohatra misimisy kokoa dia jereo ny “Ireo fanasana azonao atolotra” ao amin’ny lesona 1–3 ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 32–33, 49, 64).

  3. Raketo an-tsoratra ny zavatra holazainao mba hanolorana ilay fanasana. Tsarovy ny manao izany amin’ny fomba feno hatsaram-panahy sy voafaritra tsara ary mazava. Ataovy izay hampidirana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitahiana afaka ny ho azontsika rehefa miaina io fitsipika io isika.

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Rehefa nahavita ilay taratasy zaraina ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizàrany manolotra ny fanasany amin’ny namana iray. Azonao atao ny manao ohatra mba halain-tahaka amin’ny fanaovana izany alohan’ny hampiharan’ny mpianatra samirery izany. Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hanao fanazarana miaraka amin’ny mpianatra maro.

Mametraha tanjona

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:

Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta avy aminao manokana.

  • Manaova fanazaran-tena manolotra fanasana amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na namana iray ivelan’ny fotoam-pianarana.

  • Tadiavo ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ny fizarana hoe “Sharing the Gospel” ary tadiavo ireo ohatra amin’ireo fanasana azonao atolotra ny fianakavianao na ny namanao. Araho asa izay tsapanao fa tokony hataonao.

  • Manasà namana iray hanatrika miaraka aminao fotoam-bavaka na fiaraha-mientana ataon’ny fiangonana. Ampiasao ireo torolalana izay nanaovanao fanazaran-tena rehefa manasa azy ireo ianao.

Ny tanjoko
  • Izaho dia … (zavatra hataonao).

  • Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny tanjony mandritra ny fianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.

Amin’ny fotoana manaraka

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha vonona ny handalina ny lesona 12 ianao amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia hevero ny hanasa ny mpianatra hiomana amin’ny alalan’ny fijerena ny L’adaptation à la vie missionnaire (2013). Azonao atao ny mandefa amin’izy ireo ny rohy mankany amin’io loharanom-pitaovana io na mampiseho azy ireo ny fomba hahitana izany ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile (Médiathèque > Manuels et appels > Appels de mission > L’adaptation à la vie missionnaire).