Lesona 2
Teny fanolorana ny Torio ny Filazantsarako
Ny “Torio ny Filazantsarako dia loharanom-pitaovana manan-danja izay tsy natao ho an’ny misiônera fotsiny ihany fa ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra” (Torio ny Filazantsarako [2023], ix). Ity loharanom-pitaovana nentanim-panahy ity dia afaka manampy ireo misiônera hanatanteraka ny tanjon’izy ireo amin’ny fanasana ny hafa hanatona an’i Kristy. Afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy sy hahatakatra kokoa ny fotopampianarany ihany koa izany.
Fandinihana sy fanaraha-maso
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny ezaka nataon’izy ireo tato ato mba hampihatra ny zavatra nianarany tato amin’ity fandaharam-pianarana ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny ezaka sasany nataon’izy ireo amin’ny namana iray na miaraka amin’ny iray kilasy.
Sahanasa fianarana aroso
Ahoana no ahafahan’ny fandalinana ny Torio ny Filazantsarako mitondra fitahiana eo amin’ny fiainako?
Halalino
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asehoy ny sarin’ny Torio ny Filazantsarako, na hazony ny tahadika iray mba ho hitan’ny iray kilasy. Manasà olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra fantany momba izany na ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana azy.
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Azavao fa ato amin’ity lesona ity dia hianatra misimisy kokoa momba ny Torio ny Filazantsarako ny olona ao amin’ny kilasy. Zarao ireto toromarika manaraka ireto.
Ho solon’ny fampiasana ny teny nambaran’ny Filoha Nelson dia azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary “President Russell M. Nelson Introduces Preach My Gospel, Second Edition” (2:58).
Halalino ny “Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany” (Torio ny Filazantsarako, v) sy ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity. Mifantoha tsara amin’ny fomba ahafahan’ny fandalinana ny Torio ny Filazantsarako mitahy anao.
Ny Torio ny Filazantsarako dia mirakitra ny sasantsasany amin’ireo torolalana tsara indrindra izay efa hitako mba hanampiana ny olona hanaiky ny fanasana nomen’ny Tompo mba hanatona Azy.
Manasa anareo aho hianoka ny fampitomboana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo manokana izay azon’ny boky torolalana Torio ny Filazantsarako nohavaozina hatolotra. Ho tsapanareo fa tombontsoa lehibe ny manampy ny Raintsika any An-danitra amin’ny asany masina. Rehefa mandalina sy mampihatra ireo fampianarana avy ao amin’ny Torio ny Filazantsarako edisiôna faharoa ianareo, sy avy amin’ny soratra masina, ary avy amin’ireo mpaminany velona, dia ho voatahy ianareo. Hitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananareo. Hitombo ny fahafahanareo mizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy.” (Ao amin’ny D. Todd Christofferson, Use the Power of the Book of Mormon.[natolotra tao amin’ny seminera ho an’ny mpitarika misiôna vaovao, 23 jona 2023], Médiathèque de l’Évangile)
-
Inona no fitahiana nampanantenaina nanaitra anao? Nahoana?
Fanazaran-tena
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Inona no ao amin’ny Torio ny Filazantsarako?” Omeo 10–12 minitra ny olona ao amin’ny kilasy hamaliana ireo fanontaniana ao amin’ilay taratasy nozaraina ary hanomana topimaso ankapobeny mandritra ny telo minitra momba ny Torio ny Filazantsarako.
Inona no ao amin’ny Torio ny Filazantsarako?
Alaivo sary an-tsaina hoe te hanampy ny zatovo hanomboka handalina ny ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ny mpitarika ao amin’ny paroasinao. Henon’izy ireo fa ao anatin’ny kilasy fiomanana ho misiônera ianao, ary manasa anao izy ireo hanomana topimaso ankapobeny mandritra ny telo minitra mba hozaraina amin’ny zatovo.
Omano izany topimaso ankapobeny izany amin’ny alalan’ny firaketana ny valiny avy aminao an’ireto fanontaniana manaraka ireto sy ny famitana ity sahanasa manaraka ity. Asongadino ireo teny nambara avy ao amin’ny Torio ny Filazantsarako izay manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo.
-
Inona no atao hoe Torio ny Filazantsarako? (jereo ny “Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany” [Torio ny Filazantsarako, v]; “Teny fanolorana ny Torio ny Filazantsarako” [Torio ny Filazantsarako, vii–ix]).
-
Ahoana no ahafahan’ny fandalinana ny Torio ny Filazantsarako manampy anao sy ny hafa hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? (jereo ny “Fampiasana ny Torio ny Filazantsarako nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana” Torio ny Filazantsarako, ix).
Manaova fitsidihana ny Torio ny Filazantsarako amin’ny alalan’ny fanaovana ireto manaraka ireto:
-
Tadiavo ny “Teny fanolorana ny Torio ny Filazantsarako,” ary jereo ireo teboka izay mamariparitra ny fomba nandaminana ny Torio ny Filazantsarako (jereo ny pejy vii).
-
Trandraho ny toko 3 mba hahitana ny zavatra ampianarin’ny misiônera. Vakio ireo andiam-pehezan-teny dimy voalohany (ao amin’ny pejy 25), ary avy eo dia jereo haingana ireo lesona efatra ao amin’ny toko ambiny.
-
Misafidiana iray amin’ireto toko manaraka ireto mba hotrandrahana: 1, 2, 4, 5, na 6. Vakio ny lohatenin’ny toko amin’ny soratra matevina.
-
Miainga avy amin’ny zavatra hitanao tao amin’ny Torio ny Filazantsarako, inona no tsapanao fa tena hitondra soa raha hozaraina ao amin’ilay topimaso ankapobeny izay ho ataonao?
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Aorian’ny fotoana hiomanana dia asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny topimaso ankapobeny nataony amin’ny namana iray. Rehefa avy nizara ny topimaso ankapobeny nataony izy ireo dia azonao atao ny mametraka fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:
Ahoana no ahafahan’ny fandalinana amim-pahazotoana ny Torio ny Filazantsarako miaraka amin’ny soratra masina manampy anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Mametraha tanjona
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:
Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Ampiasao ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto na mitadiava iray hafa avy aminao manokana.
-
Tapaho ny fomba hampiasanao ny Torio ny Filazantsarako ho ampahany amin’ny fandalinanao ny filazantsara.
-
Halalino ny iray na maromaro amin’ireo lesona izay ampianarin’ny misiônera ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako.
Ny tanjoko
-
Izaho dia … (zavatra hataonao).
-
Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona hizarana ny tanjony ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivany mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.
Fotoana manaraka
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha vonona ny hampianatra ny lesona 3 ianao amin’ny fotoana manaraka, dia hevero ny hanasa ny olona ao amin’ny kilasy handalina ny toko 1 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ho fiomanana. Azonao atao ihany koa ny mandefa fampahatsiahivana amin’izy ireo.