Antso ao amin’ny misiôna
Lesona 1: Manasa ny hafa hanatona an’i Kristy isika


Lesona 1

Manasa ny hafa hanatona an’i Kristy isika

Ny Mpamonjy mitsiky

Ny asa fitoriana ny filazantsara manontolo dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy. Eny tokoa, ny tanjona manan-danja an’ny misiônera iray dia ny “hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny” (Torio ny Filazantsarako [2023], 1). Manasa ireo mpanara-dia Azy hizara ny hafatry ny filazantsara amin’ny olona rehetra i Jesoa Kristy. “Rehefa mitombo ny fahatakaran[tsika] sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan[tsika] momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany dia hitombo ny fanirian[tsika] hizara ny filazantsara” (Torio ny Filazantsarako, 2).

Tonga soa!

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Mety hahatsapa ho tsy matoky tena ny olona sasany amin’ny fanombohana taranja vaovao sy fihaonana amina olona vaovao. Azonareo atao ny miara-mamaky ny Jaona 13:34–35 ary manasa ny mpianatra hizara ohatra amin’ny fomba nitiavan’ny Mpamonjy ny hafa. Hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahan’ny kilasintsika mampihatra ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fitiavana ny hafa?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Mpamonjy hitondranao ny olona tsy fantatrao na izay toa tsy mitovy aminao?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hifankafantatra kokoa sy hanana fahatsapana ho miombona amin’ny hafa. Asehoy ireo toromarika ary omeo fotoana hifampiresahana amin’izy samy izy ny olona ao amin’ny kilasy. Azonao ampiasaina ihany koa io fotoana io mba hanazavana fa ny fihaonana sy ny fitondrana olona amin’ny fomba feno hafanana sy tena marina ary feno finamanana dia ampahany manan-danja amin’ny fizarana ny filazantsara (Torio ny Filazantsarako, 166).

Ampiasao ny minitra vitsy manaraka hihaonana amin’ny olona telo na efatra vaovao ao amin’ny kilasinareo. Ireto misy torohevitra vitsivitsy hanombohana ny resadresakareo:

  • Fantaro ny anaran’ny tsirairay.

  • Manontania mikasika ny zavatra mahaliana, ny talenta, ny fianarana, ny asa, na ny fialam-boly.

  • Manontania mikasika ny fialan-tsasatra, na ny traikefa na ny fanamby nitranga tato ato, na zavatra iray izay andrandrainy.

Soso-kevitra amin’ny sahanasa fianarana

Inona no maha-zava-dehibe ny fanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy?

Halalino

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asehoy ity sary manaraka ity, ary asao ireo mpianatra hizara ny zavatra fantany momba ilay tantara eo amin’ny sary. Dia zarao avy eo ireto torolalana manaraka ireto:

Halalino ny Matio 28:18–20, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ireo Apôstôliny tamin’io fotoana io.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manasa ireo mpanara-dia Azy hizara ny filazantsara amin’ny hafa ny Mpamonjy?

I Jesoa mampianatra ireo Apôstôly roa ambin’ny folo

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Azavao fa ny torolalan’i Jesoa Kristy ho an’ireo Apôstôliny ny hizarana ny filazantsara dia mihatra ihany koa amin’ireo mpanara-dia Azy amin’izao androntsika izao.

Asehoy ireto torolalana manaraka ireto ary omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy handalinana samirery ny sasany amin’ireo andininy ireo. Ankoatra izany dia azonareo atao ny miara-mandalina ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana” (Liahona, mey 2022, 6–7) na jereo ny “A Prophetic Call: Experience the Joy of Missionary Service” (2:12; Médiathèque de l’Évangile).

Halalino ny sasany amin’ireto soratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy izay afaka manampy ny hafa hanatona Azy. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ireo fitaovana fandalinana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hahitana soratra masina na teny nambara hafa avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Zarao ho vondrona kely ny kilasy ary asao ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona hizara valiny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fahamarinana nianaranao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

  • Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo teo aminao?

  • Ahoana no anampian’ireo fahamarinana ireo anao hampianatra ny hafa momba an’i Jesoa Kristy?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Rehefa vitan’ireo vondrona ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo dia asao ny mpianatra hizara amin’ny mpianatra ambiny ny fahamarinana iray izay hitan’izy ireo. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’izy ireo manokana dia mety hahita fahamarinana tahaka ireto manaraka ireto ny mpianatra:

  • Rehefa manatona an’i Kristy isika dia afaka manamaivana ny enta-mavesatsika Izy (jereo ny Matio 11:28–30).

  • I Jesoa Kristy no lalana hiverenantsika any amin’ny Ray any An-danitra (jereo ny Jaona 14:6).

  • Voavonjy amin’ny alalan’ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’i Jesoa Kristy isika (jereo ny 2 Nefia 2:6–8).

  • Rehefa manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika ary maharitra hatramin’ny farany dia hahazo ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra (jereo ny 2 Nefia 31:17–21).

  • Raha mibebaka sy manatona an’i Jesoa Kristy isika, ary atao batisa dia afaka ny ho hamasinina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy hijoro tsisy pentina eo anoloan’i Kristy amin’ny andro farany (jereo ny 3 Nefia 27:20–22).

  • Satria lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra dia mahatsapa fifaliana Izy rehefa mibebaka isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16).

Fanazaran-tena

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fahafahana hizatra hampianatra ny maha-manan-danja an’i Jesoa Kristy ny mpianatra. Fomba iray hanaovanao izany ny fizarana ireto tranga mety hiseho sy torolalalana manaraka ireto. Omeo fotoana ampy hamoronana valiny ny mpianatra. Raha mila fanampiana fanampiny izy ireo dia asaivo mijery ireo teboka ao anatin’ilay lohateny hoe “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (Torio ny Filazantsarako, 48).

Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana kanefa liana amin’ny finoanao ianao. Nandritra ny resadresaka iray dia nilaza ilay namanao hoe: “Tsikaritro fa toa manan-danja aminao i Jesoa. Inona no anton’izany?”

Manomàna zavatra havaly ho an’ilay namanao ka ahitana izao manaraka izao:

  1. Fanazavana fohy momba ny antony ilantsika an’i Jesoa Kristy

  2. Soratra masina mifandray amin’izany

  3. Ny fijoroana ho vavolombelona anananao

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Zarao ho mpiara-miasa ny kilasy ary asao ny olona tsirairay hizara ny zavatra havaliny amin’ilay namany. Rehefa vitan’izy ireo izany dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hanombantombana manokana ny valiny avy amin’izy ireo ary hamantatra izay fanovana tian’izy ireo hatao. Avy eo dia ampiaraho amin’ny namana iray hafa ny mpianatra, ary asao izy ireo hizara ny valiny nomeny indray, ka ao anatin’izany izay fanovana rehetra natao.

Mametraha tanjona.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:

Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao androany. Ampiasao ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto na mieritrereta hevitra avy aminao manokana.

  • Mandritra ny fandalinanao manokana ny soratra masina, dia asio marika na loko ireo andininy izay manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Zarao amin’ny olona, mivantana, na amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra, na an-jotra, ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Manasà namana iray izay tsy tonga mba hanomboka hanatrika ity kilasy ity miaraka aminao.

Ny tanjoko

  • Izaho dia … (zavatra hataonao).

  • Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hisafidianana mpiara-mianatra iray na andiana mpiara-mianatra izay azon’izy ireo hifampizarana ny tanjony mandritra ny fotoam-pianarana. Azonao atao ny manome torolalana ny vondrona hieritreritra fomba iray hifampahatsiahivana ny tsirairay mikasika ny tanjon’izy ireo alohan’ny fotoam-pianarana manaraka. Azonao atao ihany koa ny mandefa hafatra fampahatsiahivana ho an’ny mpianatra alohan’ny fotoam-pianarana manaraka.

Fotoana manaraka

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha vonona ny hampianatra ny lesona 2 ianao amin’ny fotoana manaraka dia hevero ny hanasa ny olona ao amin’ny kilasy handany fotoana vitsivitsy mba hahafantarana misimisy kokoa ny Torio ny Filazantsarako ho fiomanany ho amin’ilay fotoam-pianarana. Azonao atao ihany koa ny mandefa fampahatsiahivana amin’izy ireo.