Antso ao amin’ny misiôna
Fampiharana fahaiza-manao 1: Mampahafantatra ny Bokin’ny Môrmôna aman’olona


Fampiharana fahaiza-manao 1

Mampahafantatra ny Bokin’i Môrmôna aman’olona

rahavavy misiônera mamaky ny soratra masina

Nomen’ny Tompo antsika ny Bokin’i Môrmôna mba hanampy amin’ny fiovam-po. Ity sahanasa ity dia afaka manampy ny mpianatra hizatra hizara fampahafantarana fohy momba ny Bokin’ny Môrmôna amin’ny hafa.

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ezaho atao fohy ny fizarana “Farito” sy “Mampisehoa” mba hananan’ny mpianatra fotoana ampy tsara hanaovana fanazaran-tena.

Farito

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ampahafantaro amin’ny alalan’ny fanazavana izao manaraka izao ny lohahevitr’ity fampiharana fahaiza-manao ity:

“Ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny Fanahy dia loharano mahery vaika ho anao amin’ny fiovam-po” (Torio ny Filazantsarako [2023], 113). Amin’ny maha-misiônera anao dia hanana tranga fanararaotra maro ianao hampahafantatra ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona.

Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray ianao izay manontany anao hoe: “Inona izany Bokin’i Môrmôna izany?”

  • Raha toa ka iray na roa minitra fotsiny no anananao mba hamaliana izany dia mety ho inona avy ireo zavatra manan-danja mila takatr’izy ireo?

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra tamin’ilay fanontaniana teo aloha. Azavao fa rehefa mampahafantatra ny Bokin’ny Môrmôna amin’ny olona dia mety hanampy ny mifantoka amin’izay manan-danja. Ireo teboka manan-danja azontsika ifantohana dia mety ho hita ao amin’ilay lohateny hoe: “Fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona” ao amin’ny “Lesona 1—Ny hafatry ny Fameranana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (Torio ny filazantsarako, toko 3, 42). Asao ny mpianatra hitady ny misy an’io lohateny io. Zarao avy eo ireto toromarika manaraka ireto:

Vakio ny “Fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona” ao anatin’ilay efa-joro: “Tari-dalana enti-mampianatra” (Torio ny filazantsarako, 42). Tadiavo ireo teboka manan-danja ifantohana rehefa mampahafantatra ny Bokin’i Môrmôna aman’olona.

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. Raha ilaina dia azonao havaozina ilay lisitra nataonao teo aloha teny amin’ny solaitrabe.

Mampisehoa

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Manaova modely halain-tahaka amin’ny fomba fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hafa. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny iray kilasy na azonao atao ny manasa mpianatra iray hankeny anoloana mba hahafahanareo milalao an-tsehatra ny fampahafantarana an’ilay boky amin’izy ireo.

Safidy iray hafa azo atao koa ny mampiseho ny “What is the Book of Mormon? A 60-Second Overview” (1:08) na ny “What is the Book of Mormon about?” (1:53). Ireo horonan-tsary roa ireo dia samy hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Azon’ny mpianatra atao ny mitady hevitra azon’izy ireo ampidirina ao anatin’ny fampahafantarana ataon’izy ireo manokana.

Manazara tena

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Zarao ireto toromarika manaraka ireto. Omeo fotoana ny mpianatra hiomanana sy hanazaran-tena.

Miomàna hampahafantatra ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray amin’ny alalan’ny fanaovana izao manaraka izao:

  1. Soraty ireo teboka manan-danja mety hozarainao, anisan’izany ny mombamomba ny Bokin’i Môrmôna sy ny fiantraikany teo aminao manokana.

  2. Miaraha amin’ny namana iray ary mifandimbiasa mampahafantatra ny Bokin’i Môrmôna aminareo samy ianareo ka 1–2 minitra avy no anaovanareo izany.

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Rehefa avy nahavita ny fanazaran-tenany ny mpianatra dia azonao asaina izy ireo hamaritra ny fanamboarana mila ataon’izy ireo tamin’ny fomba nampahafantaran’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna. Azonao atao avy eo ny manendry azy ireo mba hiara-hiasa amin’ny namana iray hafa sy manasa azy ireo hanao fanazaran-tena hafa indray.

Ampiharo

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Mizarà fanasana toy ity manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hampihatra an’io fahaiza-manao io:

Mitadiava tranga fanararaotra mba hampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray amin’ny andro manaraka na afaka roa andro. Mety ho olona iray izay tsy mahalala mikasika ny Bokin’i Môrmôna amin’izao fotoana izao izany na azonao atao ny mizatra mampihatra ilay fampahafantaranao amin’ny namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana.