Fampiharana fahaiza-manao 10
Mampivelatra fomba fisainana mahasalama
Afaka ny hisy fiantraikany lehibe tsara na ratsy eo amintsika ny eritreritsika. Ny fampivelarana fomba fisainana mahasalama dia afaka manatsara ny fomba fijerintsika ny fiainana sy ny fahafahantsika manao ny asan’ny Tompo.
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ezaho atao fohy ny fizarana “Farito” sy “Mampisehoa” mba hananan’ny mpianatra fotoana ampy tsara hanaovana fanazaran-tena.
Farito
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ampahafantaro amin’ny alalan’ny fizarana izao manaraka izao ity lohahevitra ho an’ity fampiharana fahaiza-manao ity. Azonareo heverina ihany koa ny miaraka mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36. Asao ny mpianatra hizara ny fomba fiantraikan’ny fanarahana ny torohevitry ny Tompo ao anatin’io andinin-tsoratra masina io eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Misy fiantraikany amin’ny fahatsapantsika sy ny zavatra ataontsika ny eritreritsika (jereo ny Ohabolana 23:7). Mety hitondra ho amin’ny hakiviana, tsy fahatokian-tena, tahotra sy hatezerana ary tsy fananana fanantenana ny eritreritra ratsy. Mety hitondra ho amin’ny fahitana ny lafi-tsaran-javatra sy fahatokian-tena ary fanantenana ny eritreritra tsara.
Fomba iray ahafahana mampivelatra fomba fisainana mahasalama ny mirakitra ireo eritreritsika miiba ka mamerina manoratra azy ireo mba hahafahan’izy ireo ho lasa:
-
Feno fanantenana kokoa.
-
Feno fahamarinana kokoa.
-
Haneho finoana an’i Jesoa Kristy kokoa.
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hanoratra ireo torolalana telo ireo eny amin’ny solaitrabe.
Mampisehoa
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ataovy hitan’ny mpianatra ny mombamomba ity fahaiza-manao ity amin’ny alalan’ny fampisehoana sy ny firesadresahana momba ny sasany amin’ireto ohatra manaraka ireto izay notsoahina avy tamin’ny “Répliquer à des sentiments négatifs”ao amin’ny L’adaptation à la vie missionnaire ([2013], 21). Azonao atao ny manasa mpianatra hafa hamaky mafy ny ohatra tsirairay amin’ny iray kilasy.
Ireo eritreritro miiba |
Ny famerenako manoratra ireo eritreritro mba hanorenana fomba fieritreretana mahasoa |
---|---|
Halako ny tsy maintsy mifoha vao maraim-be. |
Tsy voatery ho tiako izany. Fantatro fa afaka manao izany aho. Rehefa mifoha maraina sy manomboka manao zavatra aho dia mety hahatsapa ho maivamaivana kokoa. Afaka mivavaka aho mba hahazo ny fanampian’ Andriamanitra. |
Tsy ho vitako mihitsy ity tontolo andro ity. |
Hatrizay dia vitako foana ny tontolo androko, koa dia ho vitako ity anio ity. Ny hany mila ataoko izao dieny izao dia ny zavatra izay manoloana ahy, dingana iray isaky ny mandeha. Rehefa mitodika amin’ny Mpamonjy aho dia hanampy ahy hahavita ity tontolo andro ity Izy. |
Tsisy mandeha amin’ny laoniny ity lesona ity. |
Ny lesona sasany dia mizotra tsara kokoa noho ny lesona hafa. Tsara fa maniry ny hivoatra aho. Fantatro fa ho eken’ Andriamanitra ny ezaka tsara indrindra vitako. Mety ho afaka hanampy ahy hivoatra angamba ny mpiara-mitory amiko. |
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hizara ny fomba fahitan’izy ireo an’ireo torolalana telo naseho tao anatin’ireo ohatra ireo. Azonareo atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
-
Inona no zavatra nisongadina taminao tao amin’ireo ohatra ireo?
-
Inona no fiantraikan’ny fomba fieritreretana toy izany eo amin’ny fiainanao?
Manazara tena
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Omeo fahafahana ny mpianatra hizatra amin’ity fahaiza-manao ity miaraka amin’ny namana iray. Hevero ny hampiseho ireto torolalana manaraka ireto:
Avereno soratana ireto eritreritra miiba manaraka ireto mba ho lasa fehezan-teny izay feno fanantenana sy mifono fahamarinana ary maneho finoana an’i Jesoa Kristy kokoa:
-
“Ny olon-kafa rehetra dia mahay kokoa an’ity zavatra ity raha ampitahaina amiko. Tsy mety amiko tsotra izao ity.”
-
“Tsy afaka miresaka amin’ny olona tsy fantatro aho. Mampatahotra loatra izany!”
-
“Mikorontana be foana aho.”
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Manasà mpianatra vitsivitsy izay manolo-tena hizara ny fomba namerenan’izy ireo nanoratra ny iray tamin’ireo eritreritra miiba. Mba hanaovana fampiharana misimisy kokoa dia hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra eritreritra miiba vitsivitsy izay nananan’izy ireo taloha. Omeo fotoana izy ireo hampihatra hamerina hanoratra ireo eritreritra ireo ho lasa feno fanantenana sy fahamarinana ary finoana kokoa.
Ampiharo
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Zarao izao manaraka izao mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ity fahaiza-manao ity:
Mandritra ireo fito andro manaraka dia makà fotoana hanoratana ny sasany amin’ireo eritreritra miiba anananao. Avy eo dia avereno soratana izy ireo mba ho lasa feno fanantenana sy fahamarinana kokoa ary haneho ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Jereo akaiky hoe inona no fiantraikan’ny fampiharana izany eo aminao.