Antso ao amin’ny misiôna
Fampiharana fahaiza-manao 2: Ampiasao ny soratra masina amin’ny fampianaranao


Fampiharana fahaiza-manao 2

Ampiasao ny soratra masina amin’ny fampianaranao

misiônera lehilahy mampianatra

Mirakitra ny tenin’ Andriamanitra ny soratra masina ary afaka hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ireo izay mamaky izany. Fomba mahomby hanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy ny fampiasana ny soratra masina ao amin’ny fampianarantsika.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ezaho atao fohy ny fizarana “Farito” sy “Mampisehoa” mba hananan’ny mpianatra fotoana ampy tsara hanaovana fanazaran-tena.

Farito

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Mba hampahafantarana ny lohahevitra ho an’ity fampiharana fahaiza-manao ity dia asao ny mpianatra hitady ny toko 10 ao amin’ny Torio ny filazantsarako (2023) sy hitady ny lohateny hoe “Ampiasao ny soratra masina” ao amin’ny pejy 182. Zarao avy eo ireto toromarika manaraka ireto:

Vakio ny andiam-pehezan-teny voalohany sy ny lisitra misy teboka ao amin’ny “Ampiasao ny soratra masina” (Torio ny filazantsarako, 182). Tadiavo ireo antony maha-zava-dehibe ny mampiasa ny soratra masina rehefa mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.

  • Inona no nianaranao?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Azavao fa ireto dingana manaraka ireto dia afaka manampy antsika hampiasa ny soratra masina amim-pahombiazana ao anatin’ny fampianarantsika. Asehoy ireto dingana manaraka ireto mba hahafahan’ny mpianatra mampiasa izany mandritra ny sahanasa fampiharana.

  • Ampahafantaro ilay soratra masina (tafiditra ao anatin’izany ny fampahalalana ny zava-miseho sy ny sahan-kevitra).

  • Vakio ilay andalan-tsoratra masina (manampia amin’ny fanazavana ny hevitra fonosiny ary omeo ny famaritana an’ireo teny sarotra).

  • Ampiharo ny soratra masina.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Lisitrana lohateny ao amin’ny toko 10 ao amin’ny Torio ny filazantsarako (pejy 183) ny tsirairay avy amin’ireo dingana telo ireo. Iaraho mandalina ireo fizarana ao amin’ny Torio ny filazantsarako ireo mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba azony ampiasana ny soratra masina amim-pahombiazana ao anatin’ny fampianarany. Mifantoha amin’ny fomba hanampian’ny fanarahana ireo fitsipika ireo ny olona ho ampianarin’izy ireo mba hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Mampisehoa

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Atoroy ny mpianatra ny efa-joro “Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory” ao amin’ny pejy 184 ao amin’ny Torio ny filazantsarako. Misafidiana iray amin’ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ilay sahanasa ary ampiasao izany mba hampisehoana ireo dingana nianaranareo.

Manazara tena

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Zarao ireto toromarika manaraka ireto. Omeo fotoana ny mpianatra hiomanana manokana sy hanao fanazaran-tena miaraka amin’ny namana iray avy eo.

Vitao ilay sahanasa “Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory” izay hita any amin’ny faran’ny fizarana “Ampiasao ny soratra masina” ao amin’ny toko 10 (Torio ny filazantsarako, 184).

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia asao izy ireo hizatra hampahafantatra ny soratra masina nosafidian’izy ireo amin’ny namana iray. Rehefa nahavita ny fanazaran-tenany ny mpianatra dia azonao tendrena ny olona tsirairay mba hiara-hiasa amin’ny namana iray hafa sy manasa azy ireo hanao fanazaran-tena hafa indray.

Ampiharo

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Mizarà fanasana toy ity manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hampihatra io fahaiza-manao io:

Mandritra ny herinandro manaraka, mitadiava tranga fanararaotra hanarahana ireo dingana nianaranao tamin’ny fampiasana ny soratra masina amim-pahombiazana. Izany dia azonao atao mandritra ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, takariva ao an-tokantrano, miaraka amin’ny namana iray, mandritra ny zava-mitranga iray ao am-piangonana na ho isan’ireo ezaka ataonao amin’ny fanompoana ny hafa.