Fampiharana fahaiza-manao 6
Miresaka amin’ny olona rehetra
Rehefa miresaka amin’ny olona tsy fantany ny tanora dia mazàna izy ireo no tsy mahazo aina na mitebiteby. Ity sahanasa ity dia afaka manampy ny mpianatra hizatra hiresaka amin’ny olona mifanehatra aminy.
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ezaho atao fohy ny fizarana “Farito” sy “Mampisehoa” mba hananan’ny mpianatra fotoana ampy tsara hanaovana fanazaran-tena.
Farito
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Azavao fa tafiditra ao anatin’ny asa fitoriana ny filazantsara ny miresaka isan’andro amin’ny olona tsy fantatrao.
-
Inona no zavatra niainanao vao haingana tamin’ny ianao vao sambany no niresaka tamin’ny olona iray? Nanao ahoana tamin’izay?
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Mialoha ny hampahafantaranao torolalana manokana izay hifantohan’ity fampiharana fahaiza-manao ity dia hevero ny hiaraka hamaky ny “Miresaha amin’ny olona rehetra” (Torio ny filazantsarako [2023], 166–67). Azonao atao ny manasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo soso-kevitra hitan’izy ireo fa manampy indrindra.
Azavao fa ito fampiharana fahaiza-manao ito dia hifantoka amin’ny torolalana telo izay nofintinina avy ao amin’ny Torio ny filazantsarako jereo ny pejy 166–67) sy ny L’adaptation à la vie missionnaire (jereo ny pejy 35–36). Asehoy ireo torolalana ireo ary manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy izany
-
Mitadiava fomba tsotra hanombohana resadresaka. Aoka ianao ho tsara fanahy, tsy hihatsaravelatsihy ary ho mora atonina. Miezaha miarahaba, manome fandokafana, manolotra fanampiana amin’ny zavatra iray, na mametraka fanontaniana (jereo ny teboka manaraka mba hahitana ohatra).
-
Mametraha fanontaniana. Hevero ny hanontany ny olona momba ireo zavatra izay mahaliana na manan-danja aminy. Mety ho anisan’izany ny asany, ny fialamboliny, ny zava-mahaliana azy, ny fianakaviany na ny fiangonana na sekoly alehany. Aoka ianao ho vonona hamaly ny fanontanian’izy ireo momba anao ihany koa.
-
Mihainoa amin-kitsim-po. Mifantoha kokoa amin’izay lazain’ilay olona fa tsy amin’ny zavatra izay holazainao manaraka. Ezaho ny mijery eo amin’ny maso mandritra ny resadresaka. Asehoy fa liana amin’ilay olona iresahanao sy ny zavatra izay lazainy ianao. Azonao ametrahana fanontaniana fanampiny izy ireo mba hahafantarana misimisy kokoa.
Mampisehoa
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Manaova ohatra amin’ny fampiharana ireo fahaiza-manao ireo mba ho alain’ny kilasy tahaka amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra iray manolotena hankeny aloha. Manaova resadresaka amin’ny alalan’ny fanarahana ireo torolalana voatanisa ao amin’ilay fizarana teo aloha. Rehefa vitanareo izany dia asao ny iray kilasy hizara ny fomba hitan’izy ireo fa nanarahana ireo torolalana.
Fomba iray hafa azo ampisehoana io fahaiza-manao io ny fandefasana ny horonan-tsary “Talking with Everyone” (ChurchofJesusChrist.org; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:00 ka hatramin’ny 6:08).
Manazara tena
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ataovy mandeha tsiroaroa ny mpianatra tsirairay. Zarao avy eo ireto toromarika manaraka ireto. Raha ampy ny fotoana dia omeo fahafahana ny mpianatra hamerina an’io fanazaran-tena io amin’ny olona hafa ao am-pianarana.
Mifandimbiasa ianao sy ny namanao hanomboka resadresaka amin’ny alalan’ny fampiasana ireo torolalana telo noresahintsika:
-
Mitadiava fomba tsotra hanombohana resadresaka.
-
Mametraha fanontaniana.
-
Mihainoa amin-kitsim-po.
Ampiharo
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Zarao izao fanasana manaraka izao. Azonao heverina ny hanao fanaraha-maso an’ito fanasana ito amin’ny fotoam-pianarana manaraka.
Mitadiava tranga fanararaotra mandritra ny herinandro manaraka mba hanombohana resadresaka amina olona izay tsy mbola nifanehitra taminao mihitsy na tsy dia fantatrao tsara. Mizàra mampiasa ireo fahaiza-manao nianaranao androany nandritra ny resadresaka nataonao.