Antso ao amin’ny misiôna
Fampiharana fahaiza-manao 9: Mampiasa teknôlôjia amim-pahamarinana


Fampiharana fahaiza-manao 9

Mampiasa teknôlôjia amim-pahamarinana

lehilahy mampiasa telefaonina

Sady ahitana tombony no miteraka fanamby ny fampiasana teknôlôjia. Rehefa mampiasa teknôlôjia amim-pahamarinana isika dia afaka manatanteraka ny tanjon’ny Tompo ho antsika amin’ny maha-misiônera antsika sy eo amin’ny fiainantsika.

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ezaho atao fohy ny fizarana “Farito” sy “Mampisehoa” mba hananan’ny mpianatra fotoana ampy tsara hanaovana fanazaran-tena.

Farito

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ampahafantaro amin’ny alalan’ny fanazavana izao manaraka izao ny lohahevitr’ity fampiharana fahaiza-manao ity:

Ireo fitaovana elektrônika toy ny telefaonina sy ny solosaina dia afaka ny ho fitaovana mahery vaika hampandrosoana ny asan’ny Tompo, hampitomboana ny vokatry ny asantsika ary hanamafisana fifandraisana tsara. Misy fakam-panahy maro koa mifandray amin’ireo fitaovana ireo.

Vakio ny “Inona no tokony hataonao raha mahatsapa ho marefo na mora voataona ianao?” ao amin’ny toko 2 ao amin’ny Torio ny filazantsarako ([2023], 21–22). Mitadiava fitsipika telo afaka manampy anao handresy ireo fakam-panahy mifandray amin’ny fampiasana teknôlôjia.

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hanoratra ireto fitsipika ireto eny amin’ny solaitrabe:

  • Fitsipika 1: Fantaro tsara ireo eritreritrao sy ireo zavatra tsapanao ary ireo fitondrantenanao.

  • Fitsipika 2: Misafidiana ny handray andraikitra.

  • Fitsipika 3: Mianara, mibebaha, ary mivoara.

Mampisehoa

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Mizarà rafi-tantara toy izao manaraka izao. Ifanakalozy hevitra ireo fanontaniana mba hanampy amin’ny fampisehoana ny fomba ahafahana mampiasa ireo fitsipika telo ireo eo amin’ny toe-java-misy tena izy.

Misy kilalao iray ao amin’ny findain’i James izay tena ankafiziny ny milalao azy. Mazàna izy no maka ny findainy mba hanaovany ilay kilalao mandritra ny sakafo hariva, any am-piangonana, na mandritra ny fotoam-pianarana any an-tsekoly.

Fitsipika 1: Fantaro tsara ireo eritreritrao sy ireo zavatra tsapanao ary ireo fitondrantenanao.

  • Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana izay mety mahatonga an’i James hanao an’izany?

  • Inona no zavatra manan-danja mila takarina momba ny fampiasany ny teknôlôjia mandritra ireo toe-javatra ireo?

Fitsipika 2: Misafidiana ny handray andraikitra.

  • Inona no zavatra voafaritra tsara azon’i James atao mba hanampiana azy handray anjara kokoa ao anatin’ireo toe-javatra ifaneraserana aman’olona ireo?

Fitsipika 3: Mianara, mibebaha ary mivoara.

  • Inona no mety ianaran’i James avy amin’ny zavatra niainany rehefa nanao ezaka ny hivoatra izy?

Manazara tena

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hizatra hampihatra ireo fitsipika telo ireo amin’ny rafi-tantara hafa. Azonao aseho ireto rafi-tantara manaraka ireto dia zarao ho vondrona kely ny mpianatra. Angataho ny vondrona tsirairay hifidy rafi-tantara roa na telo ary hifanakalo hevitra ny amin’ny mety ho endrik’izany hoe mampihatra ireo fitsipika telo izany amin’ireo rafi-tantara nosafidian’izy ireo.

  • Nahita resadresaka tao amin’ny tambajotran-tserasera izay nahatonga azy ho tezitra i Sofia ka te hamaly izany izy.

  • Rehefa tsy misy atao i Gideon dia matetika izy no mijerijery ny ao amin’ny findainy ao. Tato ho ato izy dia voasarika hijery pôrnôgrafia.

  • Matetika i Maria no mampitaha ny isan’ny “j’aime” sy ireo mpanaraka azy ao amin’ny tambajotran-tserasera amin’ny isan’ny “j’aime” sy mpanaraka azon’ny namany.

  • Rehefa mandehandeha i Lucas dia saika mihaino hira foana amin’ny toho-pihainoany (écouteurs).

  • Matetika i Amari no miari-tory milalao jeux vidéos.

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Raha ampy ny fotoana dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara rafi-tantara iray izay nifanakalozan’izy ireo hevitra tao amin’ny vondrony sy ny fomba nampiharany ireo fisipika telo tamin’izany rafi-tantara izany.

Ampiharo

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ireo mpianatra hieritreretana ny fomba azon’izy ireo hampiharana ireo fitsipika telo ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Asao izy ireo hametraka tanjona ny amin’ny fampiasana ny teknôlôjia amim-pahamarinana ary hanao asa mba hanatanterahana izany.