Fampiharana fahaiza-manao 3
Mampianatra olona momba ny fomba fivavaka
Maro amin’ireo olona ampianarin’ny misiônera no tsy ampy traikefa mahakasika ny vavaka. “Amin’ny maha-misiônera anao, ny fanasana ny olona hivavaka dia iray amin’ireo fanasana lehibe indrindra azonao atao” (Torio ny filazantsarako [2023], 43).
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ezaho atao fohy ny fizarana “Farito” sy “Mampisehoa” mba hananan’ny mpianatra fotoana ampy tsara hanaovana fanazaran-tena.
Farito
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ampahafantaro ny lohahevitra ho an’ity fampiharana fahaiza-manao ity amin’ny alalan’ny fizarana izao manaraka izao:
Irian’ilay Raintsika any An-danitra be fitiavana ny hifandraisan’ireo zanany Aminy amin’ny alalan’ny vavaka. Matetika ireo misiônera no mampianatra olona izay tsy dia manana traikefa firy na tsy manana mihitsy momba ny vavaka.
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hitady ny “Lesona 4—Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana” ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny filazantsarako. Ampio izy ireo hitady ilay lohateny manao hoe “Mivavaka matetika” ao amin’ny pejy 77. Zarao avy eo ireto toromarika manaraka ireto:
Vakio ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Mivavaka matetika” (Torio ny filazantsarako, 77). Mitadiava torolalana izay afaka manampy anao hampianatra ny hafa ny antony maha-zava-dehibe ny mivavaka sy ny fomba fivavaka.
-
Inona no nianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny vavaka?
-
Inona no hitanao ka afaka manampy ny hafa hahafantatra ny fomba fivavaka?
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hampiseho ireto torolalana manaraka ireto izay avy amin’io fizarana io mba hahafahan’ny mpianatra mampiasa izany mandritra ny sahanasa fampiharana:
-
Manomboka amin’ny firesahana amin’ny Ray any An-danitra.
-
Maneho ny fahatsapan’ny fontsika, toy ny fankasitrahana noho ireo fitahiana azontsika.
-
Mametraka fanontaniana, mikatsaka fitarihana, ary mangataka fitahiana.
-
Mamarana amin’ny filazana hoe, “Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.”
Mampisehoa
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asehoy ny mety ho endrik’izany hoe mampianatra olona iray momba ny vavaka izany. Ataovy ao anatin’ny ohatra fakan-tahaka asehonao ny famariparitana ny antony maha-zava-dehibe ny vavaka sy ny fomba fivavaka.
Azonao ampiasaina koa ny horonan-tsary “Teaching about the Holy Ghost and Prayer: John” (ChurchofJesusChrist.org; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 2:46 hatramin’ny 5:00).
Manazara tena
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Omeo namana iray ny mpianatra tsirairay ary zarao ireto toromarika manaraka ireto:
Mifandimbiasa mifampianatra momba ny vavaka ianao sy ny namanao (jereo ireo torolalana ao amin’ny pejy 77 ao amin’ny Torio ny filazantsarako raha ilaina). Alaivo antoka ny manazava ny antony ivavahantsika sy ny fomba fivavaka. Azonao atao koa ny mijoro ho vavolombelona fa maheno sy mamaly vavaka Andriamanitra.
Ampiharo
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Mizarà fanasana toy izao manaraka izao mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ity fahaiza-manao ity:
Mandritra ny herinandro manaraka dia mitadiava tranga fanararaotra mba hanazaran-tena hampianatra olona momba ny fomba fivavaka. Azo atao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray efa mahafantatra ny fomba fivavaka izany, na raha mahafantatra olona tsy mahalala momba ny vavaka ianao dia azonao atao ny mampianatra azy. Saintsaino ihany koa ny fomba mety hahafahanao manatsara ireo vavaka ataonao manokana.