Fampiharana fahaiza-manao 4
Mametraha fanontaniana entanim-panahy
Matetika ny misiônera no mametraka fanontaniana amin’ireo olona ampianariny. Ny fametrahana fanontaniana tsara dia afaka manampy ny misiônera “hahatakatra ny zavatra mahaliana ny olona sy ny ahiahiny ary ny fanontaniany. Ireo fanontaniana tsara dia afaka manasa ny Fanahy sy manampy ny olona hianatra” (Torio ny filazantsarako [2023], 190).
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ezaho atao fohy ny fizarana “Farito” sy “Mampisehoa” mba hananan’ny mpianatra fotoana ampy tsara hanaovana fanazaran-tena.
Farito
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Zarao ireto toromarika manaraka ireto mba hampahafantarana ilay lohahevitra momba ny fametrahana fanontaniana:
Vakio ireo andiam-pehezan-teny sy tabilao mitondra ny lohateny hoe “Mametraha fanontaniana” ao amin’ny toko 10 ao amin’ny Torio ny filazantsarko (pejy 190–91). Tadiavo ny anjara asa sahanin’ny fanontaniana tsara amin’ny fizarana ny filazantsara.
-
Nahoana no zava-dehibe ho an’ny misiônera ny mametraka fanontaniana mahomby ao anatin’ny fampianaran’izy ireo?
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Azavao fa misy karazana fanontaniana sasany izay mahomby kokoa noho ny hafa. Zarao ireto toromarika manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hianatra ireo torolalana momba ny fametrahana fanontaniana mahomby:
Vakio ny teboka fito voalohany ao amin’ny “Sorohy ny fanontaniana tsy mahomby na tafahoatra ny tokony ho izy” (Torio ny filazantsarako, 191). Mitadiava torolalana izay afaka manampy anao hianatra hametraka fanontaniana mahomby.
Mampisehoa
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Anehoy ohatra vitsivitsy ny mpianatra ny amin’ny fomba fanaovana fanontaniana tsy dia mandaitra ho lasa mahomby kokoa. Hevero ny hampiasa ireo ohatra ao amin’ity tabilao manaraka ity. Mba hahitana ohatra misimisy kokoa dia jereo ny lisitr’ireo fanontaniana tsy dia mandaitra ao amin’ny pejy 192–93 ao amin’ny Torio ny filazantsarako.
Fanontaniana tsy dia mandaitra |
Fanontaniana mahomby kokoa |
---|---|
Iza no mpaminany voalohany? (Mety tsy hain’ilay olona ny valiny |
Raha fantatrao fa niantso mpaminany Andriamanitra amin’izao fotoana izao dia inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao? (Manontany momba ny eritreritra sy ny fahatsapana ananan’ilay olona manokana.) |
Amin’ny fomba ahoana ny fihazonana ny vatantsika ho madio no manampy antsika antsika hanana ny Fanahy sy haneho fa vonona ny hanaraka ny mpaminanin’ Andriamanitra isika? (Misy hevitra mihoatra ny iray.) |
Inona araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’ny fitandremantsika ny vatantsika ho madio eo amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra? (Mifantoka amin’ny hevitra iray.) |
Manazara tena
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Afaka miara-miasa amin’ny namana ny mpianatra mba hamitana ity sahanasa manaraka ity.
Vakio ireo ohatra hafa ao amin’ny lisitr’ireo fanontaniana tsy dia mandaitra ao amin’ny toko 10 ao amin’ny Torio ny filazantsarako (pejy 192–93). Misafidiana roa na telo amin’ireo fanontaniana ireo ary miaraha-miasa mba hamoronana fanontaniana mahomby kokoa.
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ohatra amin’ireo fanontaniana mahomby kokoa noforonin’izy ireo.
Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hanao io sahanasa fampiharana io amin’ireo fanontaniana hafa ao amin’ny lisitr’ireo fanontaniana tsy dia mandaitra ao amin’ny Torio ny filazantsarako.
Ampiharo
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hampiseho izao manaraka izao mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra momba ny fomba azon’izy ireo hampiharana ity fahaiza-manao ity:
Eritrereto ny fomba azonao ampiharana ny zavatra nianaranao momba ny fametrahana fanontaniana mahomby mandritra ny herinandro manaraka na tapa-bolana. Ohatra, azonao atao ny:
-
Mikaroka fanontaniana mahomby vitsivitsy ao amin’ireo lesona sasantsasany ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy.
-
Raha hampianatra lesona ianao atsy ho atsy dia manomàna fanontaniana mahomby izay azonao apetraka rehefa mampianatra ianao.