Lesona 13
Mandrosoa amim-pinoana hatrany
Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny fivoarany sy ny fitomboany amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo mandritra ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fandaharam-pianarana Fiomanana ho misiônera.
Fandinihana sy fanaraha-maso
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny ezaka nataon’izy ireo tato ato mba hampiharana ny zavatra nianarany tato amin’ity fandaharam-pianarana ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny ezaka sasantsasany nataon’izy ireo amin’ny namana iray na miaraka amin’ny iray kilasy.
Soso-kevitra amin’ny sahanasa fianarana
Misaintsaina ny fivoarana ara-panahy
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Azonao atao ny mampiseho ny sarin’i Jesoa Kristy mivavaka sy ny sarin’i Joseph Smith mamaky ny Baiboly. Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo sary rehefa mamaky ny Marka 1:35; Lioka 6:12; ary Joseph Smith—Tantara 1:12–13. Amporisiho izy ireo hitady hafatra iraisan’ireo andininy ireo.
-
Inona no lazain’ny soratra masina fa sady nataon’ny Mpamonjy no nataon’i Joseph Smith mba hitomboana ara-panahy?
-
Ahoana no niovan’ny fiainan’i Joseph Smith rehefa nisaintsaina ny zavatra novakiany tao amin’ny Jakoba 1:5 izy?
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Azavao fa ny fakana fotoana hisaintsainana ombam-bavaka sy handinihana ny fivoarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika handray fitarihana avy amin’ny Tompo.
Mba hanampiana ny mpianatra hanao izany dia azonao atao ny manao sary olona telo atao amin’ny tsipitsipika eny amin’ny solaitrabe ary manisy soratra hoe Fiantombohan’ny fotoam-pianarana, Androany, ary Enim-bolana aorian’izao. Avy eo dia zarao ireo toromarika eo ambany:
Eritrereto ny fivoaranao ara-panahy hatramin’ny nanombohanao ity fandaharam-pianarana ity. Hevero ihany koa ny fivoarana izay mbola tianao hatao. Soraty ny fihetseham-ponao sy ny fahatsapanao ara-panahy. Ny fanontaniana toy ireto dia afaka manampy:
Manao jery todika ny lasa
-
Raha ampitahaina amin’ny fahavononanao talohan’ny nanaovana ity fandaharam-pianarana ity dia inona avy ireo fomba sasany izay tsapanao fa mahavonona anao kokoa amin’ny fanaovana ny asa fitoriana ny filazantsara na ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa?
-
Inona no fiantraikan’ny fandalinana ny Torio ny Filazantsarako teo aminao?
-
Inona no fiovana nisy teo amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Inona avy ireo zavatra niainana nandritra ny fotoam-pianarana na ivelan’izany izay nitondra fiovana ho anao?
Mandroso hatrany
-
Inona no mbola tianao hatao mba hanohizana ny fiomanana amin’ny asa fitoriana ny filazantsara? Inona araka ny hevitrao no tokony hataonao manaraka mba hanatraranao ireo tanjona ireo?
-
Iza no olona tianao ampiana hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Inona no hataonao mba hanampiana azy ireo?
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo valiny avy amin’ny mpianatra izay tsy mampaninona azy ireo ny mizara izany amin’ny namana na ao anaty vondrona kely. Mety ho fotoana tsara ihany koa izany hanasana ireo mpianatra vonona hizara amin’ny iray kilasy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
Hevero ny hamarana ny fotoana amin’ny fizarana ity teny manaraka nambaran’ny Loholona David A. Bednar ity:
Afaka mampitombo ny fanirianao hanompo an’ Andriamanitra ianao, ary afaka manomboka mieritreritra tahaka ny fomba fieritreretan’ireo misiônera, hamaky izay vakian’ireo misiônera, hivavaka tahaka ny fivavaky ny misiônera, ary hahatsapa ny zavatra tsapan’ireo misiônera. Afaka mandositra ireo fitaoman’izao tontolo izao izay mahatonga ny Fanahy Masina hisintaka ianao, ary afaka mahazo fahatokian-tena amin’ny fahafantarana sy fanatanterahana ireo fitarihana ara-panahy. Fitsipika anampy fitsipika, andalana anampy andalana, kelikely eto ary kelikely eroa, afaka ny ho tonga miandalana ho ilay misiônera antenainao hahatongavana sy ilay misiônera andrandrain’ny Mpamonjy ianao. (“Devenir missionnaire,” Liahona, Nov. 2005, 46)
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ampahafantaro an’ireo mpandray anjara ny fitiavanao azy ireo, ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy, ary ny fahatsapanao momba ny maha-zava-dehibe ny fitoriana ny filazantsarany. Amporisiho ny mpianatra handroso amim-pinoana hatrany amin’ny fiomanan’izy ireo, mba hahafahan’izy ireo ho tonga ny misiônera sy mpianatra izay tian’ny Tompo hahatongavan’izy ireo.