Antso ao amin’ny misiôna
Lesona 4: Mandalina ny soratra masina sy mitafy ny fiadian’ Andriamanitra


Lesona 4

Mandalina ny soratra masina sy mitafy ny fiadian’ Andriamanitra

Torio ny Filazantsarako, toko 2

I Joseph Smith mandalina ny soratra masina

Ny fandalinana sy fampiharana ireo fahamarinana hita ao amin’ny tenin’ Andriamanitra dia iankinan’ny fiovam-po ary manampy ny olona hanatona an’i Jesoa Kristy. Ny fampiasana amim-pahamarinana ny teknôlôjia dia afaka manatsara ny fandalinantsika sy manampy antsika hahita ny valin’ireo fanontaniantsika momba ny filazantsara. Ny fanarahana aroloza rehefa mampiasa teknôlôjia dia fomba iray manan-danja “hitafiana ny fiadian’ Andriamanitra rehetra” (Efesiana 6:11).

Fandinihana sy fanaraha-maso

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny ezaka nataon’izy ireo tato ato mba hampihatra ny zavatra nianarany tato amin’ity fandaharam-pianarana ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny ezaka sasany nataon’izy ireo amin’ny namana iray na miaraka amin’ny iray kilasy.

Safidy amin’ny sahanasa fianarana

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Fidio ombam-bavaka ny safidy hoenti-mianatra (iray na mihoatra) izay tena hahasoa ny kilasinao. Ataovy izay hamelana fotoana betsaka hanaovana fanazaran-tena sy hampiharana izany.

Safidy 1: Ahoana no ahafahako miaina fotoana tena mahasoa rehefa mandalina ny soratra masina?

Halalino

sary famantarana ny taratasy zarainaMpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo ny mpianatra ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Manombantombana ny fandalinako manokana ny soratra masina.” Omeo fotoana izy ireo hamenoan’ny tsirairay ilay taratasy zaraina.

Manombantombana ny fandalinako manokana ny soratra masina

Tombano ny zavatra iainanao momba ny soratra masina amin’ny alalan’ny famaliana ireto fehezan-teny manaraka ireto amin’ny mari-drefy 1 (tsia mihitsy) hatramin’ny 5 (saika ho toy izany foana).

  1. Manao ezaka tsy tapaka handalinana ny soratra masina aho. ____

    Rehefa mandalina ny soratra masina aho dia:

  2. Mifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. ____

  3. Maka fotoana hisaintsainana ny zavatra vakiako aho. ____

  4. Mikatsaka fitarihana sy fahatakarana avy amin’ny Fanahy Masina aho. ____

  5. Mitady ny valin’ireo fanontaniako aho. ____

  6. Miezaka miaina ny zavatra ianarako aho. ____

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy hifantoka tsara amin’ny fahatsapana ara-panahy izay mety azony mandritra ny sahanasa fianarana mikasika ny fomba hanatsarana ny fandalinany ny soratra masina.

Asehoy ireto torolalana manaraka ireto ary omeo fotoana ampy ny mpianatra hanaovana ilay sahanasa:

Misafidiana sehatra iray na roa avy amin’ilay fanombantombanana ny tenanao manokana ka tianao hanaovana ezaka. Ireto loharanom-pitaovana voatanisa manaraka ireto dia mifanaraka amin’ireo tarehimarika avy amin’ilay tombantombana ataon’ny tena manokana. Hitondra anao amin’ny loharanom-pitaovana mifandraika aminy ao amin’ny toko 2 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako izy ireo.

Fanazaran-tena

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fahafahana hizara ny zavatra nianarany avy amin’ilay sahanasa fandalinana ny mpianatra. Ho fanaovana izany dia azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto. Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hifanakalo hevitra momba ny iray na ny maromaro amin’ireo miaraka amin’ny namana iray na ao anaty vondrona kely.

  • Miainga avy amin’ny zavatra nohalalininao, ahoana no ahafahanao manatsara ny fandalinanao ny soratra masina?

  • Inona no andalan-tsoratra masina na teny nambara avy ao amin’ny Torio ny Filazantsarako izay hitanao fa tena manampy? Nahoana no zava-dehibe izany aminao?

  • Inona no zavatra tsara niainanao tamin’ny fandalinanao ny soratra masina?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hamarana ity ampahany amin’ny sahanasa fianarana ity amin’ny alalan’ny famakiana ny teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny “Halalino ny soratra masina” (Torio ny Filazantsarako, 18). Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba nampatanjahan’ny fandalinan’izy ireo ny soratra masina ny finoany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ho fanazaran-tena fanampiny dia azonao ampiasaina ny Fampiharana fahaiza-manao 2: “Ampiasao ny soratra masina ao amin’ny fampianaranao.”

Mametraha tanjona

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsainana ny zavatra nianarany androany sy hametrahana tanjona. Fomba iray ahafahanao manao izany ny fanasana azy ireo hanao drafitra tsotra hanatsarana ny fandalinany manokana ny soratra masina. Hevero ny hampiseho ireto manaraka ireto mba hitarihana azy ireo. Omeo fotoana izy ireo ao an-dakilasy mba hiraketana ny drafiny.

Ny drafitra fandalinako soratra masina
  • Rahoviana aho no handalina?

  • Hafiriana aho no handalina?

  • Aiza aho no handalina?

  • Inona no hohalaliniko?

  • Inona no hataoko mba hampivoarako ny zavatra iainako?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona hizarana ny tanjony ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivany mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.

Safidy 2: Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fampiasana ny Médiathèque de l’Évangile manampy ahy hahita ny valin’ireo fanontaniako?

Halalino

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto sy hanoratra ny valin-tenin’ny olona ao amin’ny kilasy eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona avy ireo fanontaniana sasantsasany nanananao momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

  • Inona avy ireo loharanom-pitaovana mahazatra ampiasain’ny olona mba hahazoany valin’ny fanontanian’izy ireo momba ny Fiangonana?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fanontaniana ananan’izy ireo manokana. Amporisiho izy ireo hitadidy ireo fanontaniana ireo mandritra ity sahanasa fianarana ity. Azavao fa ny Fanahy Masina dia afaka mitarika azy ireo amin’ny fitadiavana ny valin’ny fanontanian’izy ireo.

Vakio ny “Mitadiava valin’ireo fanontaniana” ao amin’ny toko 2 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 19). Mitadiava torohevitra izay afaka manampy antsika rehefa manana fanontaniana momba ny filazantsara isika.

  • Inona no zavatra nanaitra anao?

  • Inona no tokony ho loharanom-pitaovana voalohany ho antsika rehefa mikatsaka valim-panontaniana momba ny filazantsara? Nahoana?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara zavatra niainana izay namalian’ny Ray any An-danitra ny fanontanian’izy ireo tamin’ny alalan’ny soratra masina na loharanom-pahalalana hafa azo ianteherana. Azonao atao ihany koa ny mampiseho ilay horonan-tsary “How I #HearHim: Elder Ronald A. Rasband” (2:55; Médiathèque de l’Évangile).

Fanazaran-tena

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Mba hanampiana ny mpianatra hanao fanazaran-tena amin’ny fampiasana ny Médiathèque de l’Évangile mba hahitana valim-panontaniana dia asehoy ireto rafi-tantara sy torolalana manaraka ireto. Azavao fa ny tanjon’ity sahanasa ity dia ny hahita ireo loharanom-pitaovana misy ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile, fa tsy ny hanao fifanakalozan-kevitra lava momba ireo lohahevitra natolotra.

  • Misy olona manontany hoe: “Mino ve ny fiangonanareo fa mila fahasoavana ny olona vao ho voavonjy?” Mandehana ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ary tadiavo ny lohateny hoe “Fahasoavana.” (Médiathèque de l’Évangile > Soratra masina > Fanampiana amin’ny Fandalinana > Torolalana ho an’ny Soratra Masina > Fahasoavana)

  • Nisy andro iray nahenoanao olona iray niresaka momba ny Reny any An-danitra, izao ianao dia manontany tena ny amin’izay ampianarin’ny Fiangonana momba azy. Mandehana ao amin’ny Lohahevitra sy fanontaniana, ary tadiavo ny lohateny hoe “Reny any An-danitra.” (Médiathèque de l’Évangile > Lohahevitra sy fanontaniana > Reny any An-danitra)

  • Mila fanampiana ianao amin’ny fiarovana tsara kokoa ny tenanao amin’ny pôrnôgrafia. Mandehana ao amin’ny Fanampiana amin’ny fiainana. Jereo ny zavatra azonao ianarana ao amin’ny “De l’aide pour moi” ao anatin’ny hoe “Pôrnôgrafia,” dia diniho ireo fanontaniana natolotra. (Médiathèque de l’Évangile > Fanampiana amin’ny fiainana > Pôrnôgrafia > De l’aide pour moi)

  • Manontany ny rahavavinao hoe: “Ahoana no ahafahako miomana handray ny tsodranon’ny patriarika?” Jereo izay zavatra mety hanampy amin’ny alalan’ny fampiasana ny fikarohana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

  • Mila hevitra momba ny fomba ahafahanao mizara ny filazantsara amin’ny hafa ianao. Mandehana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile > Faire connaître l’Évangile, dia mitadiava loharanom-pitaovana izay afaka manampy.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha te hanao fanazaran-tena bebe kokoa ny olona ao amin’ny kilasy dia azonao atao ny mandefa azy ireo hijery ireo fanontaniana ao amin’ny efajoro hoe “Mety hanontany tena ny olona” eo an-tampon’ireo lesona 1, 2, na 3 ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 30, 46, 61). Afaka misafidy fanontaniana iray izy ireo ary manao fanazaran-tena amin’ny fitadiavana loharanom-pitaovana mba hiresahana momba izany ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

Rehefa avy manao fampiharana ireo mpandray anjara dia hevero ny hanasa azy ireo hizara ny zavatra nianarany.

Mametraha tanjona

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina ny zavatra nianarany androany sy hametraka tanjona. Azonao atao koa ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:

Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta anankiray avy aminao manokana.

  • Mandania fotoana hitrandrahana ny lohahevitra sasantsasany ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na ireo Lohahevitra sy fanontaniana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

  • Manasà namana sy olona ao amin’ny fianakaviana hametraka fanontaniana aminao mba hahafahanao mizatra mitady valiny avy ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

Ny tanjoko
  • Izaho dia … (zavatra hataonao).

  • Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona hizarana ny tanjony ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivany mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.

Safidy 3: Ahoana no ahafahako mampiasa amim-pahamarinana ny teknôlôjia?

Halalino

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hazony ambony ny smartphone na mampisehoa sarin’izany anankiray dia asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity:

finday
  • Inona no anjara asan’ireo fitaovana elektrônika toy ny finday sy solosaina amin’ny fampandrosoana ny asan’ny Tompo?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Azavao fa ny toko 2 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako dia ahitana torolalana momba ny fampiasana amim-pahamarinana ny teknôlôjia. Azonareo atao ny miara-mamaky ny “Mampiasa amim-pahamarinana ny teknôlôjia” (pejy 20) mba hampahafantarana ity lohahevitra ity.

  • Inona avy ireo olana na fakam-panahy mifandray amin’ny fampiasana ny teknôlôjia?

  • Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia hevero ny hijery ny “Fandraisana andraikitra amin’ny teknôlôjia: Ny fanamby” (3:18; Médiathèque de l’Evangile).

  • Azavao fa ny Torio ny Filazantsarako dia mamariparitra aroloza efatra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hianatra momba ireo aroloza ireo dia asehoy ireto toromarika manaraka ireto. Azonao omena andraikitra ny mpianatra tsirairay handalina ny iray amin’ireo aroloza ary hiomana hanao tatitra ny zavatra nianarany ao anatin’ny vondrona kely. (Afaka mandalina ny aroloza 1–2 ny olona iray ao amin’ilay vondrona mba hamakian’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona ampahany mitovy.)

Mianara momba ireo aroloza efatra amin’ny fampiasana amim-pahamarinana ny teknôlôjia amin’ny alalan’ny fandalinana ireto lohateny manaraka ireto ao amin’ny toko 2 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako:

Aroloza 1:Araho ireo bitsiky ny Fanahy” (pejy 20)

Aroloza 2: Mifantoha amin’ny tanjonao amin’ny maha-misiônera anao” (pejy 20)

Aroloza 3: Mahaiza mifehy tena” (pejy 21)

Aroloza 4: Aoka ho iray” (pejy 21)

Miomàna hizara izao manaraka izao:

  • Famintinana fohy ny zavatra nohalalininao, anisan’izany ny zavatra ampianarin’ny fizarana nomena anao momba ny Tompo

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fampianarana ireo mihatra amin’ny olona rehetra fa tsy amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno fotsiny

  • Inona no nanampy anao hampiasa ny teknôlôjia amim-pahamarinana

Fanazaran-tena

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hifandimby hizara amin’ny vondrona misy azy ny zavatra nianarany avy amin’ny sahanasa fandalinana.

Ho fanazaran-tena fanampiny dia azonao ampiasaina ny Fampiharana fahaiza-manao 9: “Ampiasao amim-pahamarinana ny teknôlôjia.”

Mametraha tanjona

sary famantarana ny taratasy zarainaMpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina ny zavatra nianarany androany sy hametraka tanjona. Ny fomba iray ahafahanao manao izany dia amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fotoana hanaovana drafitra manokana hampiharana ireo aroloza izay nohalalinin’izy ireo amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo manokana. Raha ilaina dia azonao zaraina ilay taratasy zaraina izay mitondra ny lohateny hoe “Mampihatra aroloza rehefa mampiasa ny teknôlôjia” mba hanampiana azy ireo hieritreritra hevitra.

Mampihatra aroloza rehefa mampiasa ny teknôlôjia

Eritrereto ireo olana atrehanao amin’izao fotoana izao izay mifandray amin’ny fampiasana teknôlôjia. Eritrereto ny fomba ahafahan’ireto aroloza manaraka avy ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ireto manampy anao amin’ny toe-javatra iainanao.

Aroloza 1: Araho ireo bitsiky ny Fanahy

Hevitra sasantsasany:

  • Mivavaha mba hahazoana fitarihana mikasika ny fampiasana amim-pahamarinana ny teknôlôjia.

  • Raketo ao amin’ny diarinao ireo fahatsapana voarainao momba ireo fitaovana elektrônikanao.

  • Ataovy laharam-pahamehana ireo fahazarana izay manasa ny Fanahy, toy ny fandalinana soratra masina, vavaka, ary asa atao any amin’ny tempoly.

Aroloza 2: Mifantoha amin’ny tanjonao amin’ny maha-misiônera anao

Hevitra sasantsasany:

  • Aza mampiasa ny fitaovanao rehefa tsy manana tanjona manokana ao an-tsainao ianao.

  • Alohan’ny hampiasana ny teknôlôjia dia manontania tena raha toa ka hanasa na hanakana ny fananana ny Fanahy Masina ho namana ny fampiasana izany.

  • Raha mampiasa ny tambajotran-tserasera ianao dia araho ireo olona izay manampy anao hijanona ho akaikin’ny Tompo.

Aroloza 3: Mahaiza mifehy tena

Hevitra sasantsasany:

  • Rehefa miaraka amin’olon-kafa ianao dia apetraho ny fitaovanao ary mifampiresaha amin’ireo olona manodidina anao.

  • Omeo fetra isan’andro ny tenanao amin’ny fotoana hijerena efijery.

  • Manàna toerana handraràna ny fampiasana fitaovana, toy ny efitrano fandrianao sy ny toeram-pidiovana.

  • Rehefa mahatsapa ho marefo sy alaim-panahy ianao dia vonoy ny fitaovanao ary mandehana mandeha an-tongotra kely aloha.

Aroloza 4: Aoka ho iray

Hevitra sasantsasany:

  • Mangataha fanampiana amin’ny olona iray akaikin’ny fonao rehefa mahatsapa ho marefo na alaim-panahy ianao.

  • Zarao amin’ny olona iray atokisanao ny drafitrao amin’ny fampiasana ny teknôlôjia amim-pahamarinana.

  • Eritrereto ny fomba ahafahanao ho lasa namana azo itokisana ho an’ny hafa.

Soraty eto ambany ny drafitrao.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona hizarana ny tanjony ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivany mialoha ny fotoam-pianarana manaraka. Azonao atao ny mampiseho ny horonan-tsary “Texting Truth” (2:22; ChurchofJesusChrist.org) mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahita ohatra iray momba ana zatovo mampiasa teknôlôjia mba hifanampiana sy hifankaherezana.

Fotoana manaraka

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha vonona ny hampianatra ny lesona 5 amin’ny fotoana manaraka ianao dia hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ireo pejy telo voalohany ao amin’ny “Mandalina sy mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 25–27) ho fiomanana. Azonao atao ihany koa ny mandefa fampahatsiahivana amin’izy ireo.