Antso ao amin’ny misiôna
Lesona 6: Manaova fanazaran-tena mampianatra


Lesona 6

Manaova fanazaran-tena mampianatra

Fanampiana ho an’ny fampianarana lesona avy ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako

Sister Missionaries in Thailand talking to people, teaching people and praying.

Ny fanomezana ny mpianatra fahafahana miverimberina mampianatra dia afaka mampitombo ny fahatokiany sy ny fahaizany mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Afaka manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany ihany koa izany.

Ny fomba fampiasana ity lesona ity

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ity lesona ity dia manome hevitra hanampiana ny mpianatra handalina sy hampianatra fahamarinana avy ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Rehefa mamaritra ny fomba sy ny fotoana hampiasana ireo hevitra ato amin’ity lesona ity ianao dia hevero izao manaraka izao:

  • Ny hatetiny: Hahazo tombontsoa avy amin’ireo fahafahana miverimberina mampianatra mandritra ny taranja ny mpianatra.

  • Ireo ohatra: Alohan’ny hanasana ny mpianatra hampianatra dia asehoy azy ireo ny ohatra amin’ny zavatra asaina ataon’izy ireo. Ohatra, azonao atao ny (1) mampiseho ny fomba hampianarana fahamarinana iray, na (2) mampiasa ireo santionan-desona fohy ao amin’ny “Mampianara rehefa mahita olona” (Torio ny Filazantsarako, 175–176).

  • Ny tontolo: Ataovy izay hananan’ny olona tsirairay olona hampianarina. Ataovy izay hiatrehan’izy ireo ny namany na ny vondrona misy azy ireo ka afaka mifampihaino ny rehetra. Amporisiho ny mpianatra hanaja ireo namany izay mampianatra azy ireo.

  • Famerimberenana: Miezaha manome fahafahana ny mpianatra hampianatra fahamarinana iray im-betsaka ao anatin’ny fotoam-pianarana iray. Hanampy azy ireo hanao fanitsiana sy hivoatra izany. Azonao omena andraikitra hampianatra olona samihafa izy ireo isaky ny mandeha.

  • Fampifanarahana: Rehefa mandeha ny fotoana dia afaka manampy ny mpianatra hifantoka amin’ny fahaiza-mampianatra voafaritra kokoa ianao, toy ny mampianatra miaraka amin’ny mpiara-mitory, ny fanolorana fanasana mahomby, na ny fametrahana fanontaniana tsara. Mba hahitana hevitra momba ny fahaiza-manao fanampiny azonao hampidirina dia jerena avy eo ireo fampiharana fahaiza-manao any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.

Hevitra hanampiana ny mpianatra hampizatra ny tenany hampianatra

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ireto torolalana enti-mampianatra manaraka ireto dia natao hanampiana ny mpianatra handray ireo dingana voalohany mba ho lasa mpampianatra mahomby.

Famintinana fohy

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ity no safidy haingana sy tsotra indrindra. Afaka manomana sy mampianatra famintinana fohy momba ny lohahevitry ny filazantsara iray ny mpianatra ao anatin’ny minitra vitsy. Azon’izy ireo atao tsindraindray izany any am-piandohan’ny fotoam-pianarana, alohan’ny hanombohanao ny lesona voalamina ho atao.

Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hanomana famintinana fohy dia asehoy ireto toromarika manaraka ireto:

  1. Tadiavo ny fizarana izay nitondra ny lohateny hoe “Fototra ara-potopampianarana” ao amin’ny lesona 1, 2, na 3 ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 33–44, 50–60, 64–74).

  2. Misafidiana iray amin’ireo lohahevitra ao amin’io fizarana io izay tianao hohalalinina. Makà minitra vitsy handalinana sy hahatakarana io lohahevitra io.

  3. Zarao ao anatin’ny iray na roa minitra amin’ny namana iray na vondrona kely iray ny famintinana ny lohahevitra noraisinao.

Rindran-damina ho an’ny lesona tsotra

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Io safidy io dia manome fahafahana ny mpianatra hanampy singa fanampiny amin’ny fampianaran’izy ireo. Ireo singa ireo dia ahitana ny fizarana soratra masina mifandray amin’izany, fanolorana fanasana, ary fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

  1. Tadiavo ny fizarana izay nitondra ny lohateny hoe “Fototra ara-potopampianarana” ao amin’ny lesona 1, 2, na 3 ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 33–44, 50–60, 64–74).

  2. Misafidiana iray amin’ireo lohahevitra ato amin’ito fizarana ito izay tianao hohalalinina. Ampitomboy ny fahatakaranao ity lohahevitra ity amin’ny alalan’ny (1) famakiana ny zana-pizarana sy fampisongadinana ny zavatra hitanao fa manan-danja indrindra ary (2) fandalinana ny soratra masina sasany ao amin’ny efajoro hoe “Fandalinana soratra masina”.

  3. Mamoròna rindran-damina tsotra izay ahitana:

    • Famintinana fohy ny zavatra nianaranao.

    • Soratra masina mifandray amin’izany hozaraina.

    • Fanasana azonao hatolotra.

    • Ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

    • Ampiasao ny rindran-daminao mba hampianarana namana iray momba ilay lohahevitra nohalalininao.

Mampianara fahamarinana roa na maromaro

sary famantarana ny taratasy zarainaMpitarika fifanakalozan-kevitra: Io safidy io dia mamela ny mpianatra hampianatra fahamarinana roa na maromaro ao anatin’ny lesona fohy. Mba hanampiana azy ireo hamita io safidy io dia zarao ilay taratasy zaraina izay mitondra ny lohateny hoe “Torolalana ho an’ny fanomanana sy fampianarana lesona fohy.”

Torolalana ho an’ny fanomanana sy fampianarana lesona fohy

Iza amin’ireto lesona manaraka ireto avy ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako no hampianarinao? (Misafidiana iray.)

  • ____Lesona 1: Ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

  • ____Lesona 2: Ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra

  • ____Lesona 3: Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Mandehana ao amin’ny fizarana “Fototra ara-potopampianarana” ao amin’ny lesona nosafidinao. Jereo ireo lohateny natao sora-matevina. Misafidiana farafahakeliny roa amin’ireo lohahevitra ireo izay tianao hizàrana hampianarana. Iza amin’ireo lohateny ireo no nofidinao?

Mba hanampiana anao hiomana dia mieritrereta olona iray fantatrao izay afaka ny ho voatahy avy amin’ireo fahamarinana tianao hampianarina. Manorata fanontaniana, ahiahy, na ny zavatra ilain’io olona io izay azon’ny lesonao resadresahana.

Alamino sy fintino ny zavatra hampianarinao. Manomàna lesona iray izay azonao hampianarina ao anatin’ny dimy na fito minitra. Hevero ny hanao izao manaraka izao: (1) Mamantatra soratra masina iray farafahakeliny izay hozarainao. (2) Manoratra fanontaniana iray farafahakeliny izay hapetrakao. (3) Mieritreretra zavatra niainana na ohatra iray azonao zaraina. (4) Mandinika ny fotoana tokony hizaranao ny hijoroana ho vavolombelona anananao. (5) Mirakitra an-tsoratra ny fanasana iray azonao hatolotra.

Omano ny rindran-daminao amin’ny alalan’ny fampiasana ny toerana malalaka etsy ambany sy ny ao ambadik’ity pejy ity. Rehefa mampianatra ianao dia aza manahy ny amin’ny tokony hampianarana ny zava-drehetra. Mampianara avy ao am-ponao ary ampiasao ny teninao manokana.

Mandiniha

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Rehefa avy nanao fampiharana ny olona ao amin’ny kilasy dia hevero ny hifanakalo hevitra momba ny zavatra niainan’izy ireo. Azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona avy no fitsipika nianaranao avy amin’ny dingana fiomanana sy fampianarana?

  • Inona no zavatra nohalalininao sy nampianarinao ka misy lanjany aminao indrindra? Nahoana?

  • Ahoana no fomba tianao hivoarana amin’ny maha-mpampianatra anao?

Mametraha tanjona

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina ny zavatra nianarany androany sy hametraka tanjona. Azonao atao koa ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:

Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta anankiray avy aminao manokana.

  • Ampianaro amin’ny olona iray ivelan’ny fotoam-pianarana ireo fahamarinana nomaninao sy nampianarinao androany.

  • Misafidiana iray na maromaro amin’ireo lesona ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako mba hohalalinina misimisy kokoa.

Ny tanjoko

  • Izaho dia … (zavatra hataonao).

  • Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona hizarana ny tanjony ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivany mialoha ny kilasy manaraka.

Fotoana manaraka

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha vonona ny handalina ny lesona 7 ianao amin’ny manaraka, dia hevero ny hanasa ny mpianatra handalina “Ny fanasana hatao batisa sy horaisina ho mpikambana” ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 28–29) ho fiomanana. Azonao atao ihany koa ny mandefa fampahatsiahivana amin’izy ireo.