Antso ao amin’ny misiôna
Toko 3: Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana


“Toko 3: Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana,” Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana,” Torio ny filazantsarako

Toko 3

Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana

Sary
Come into the Fold of God (Mankanesa ato amin’ny valan’ Andriamanitra), nataon’i Walter Rane

Fototra ara-potopampianarana

Zanaky ny Ray any An-danitra isika rehetra. Tonga eto an-tany isika mba hanana fahafahana hianatra sy hivoatra ary ho lasa tahaka Azy kokoa, mba hahafahantsika miverina eo anatrehany indray (jereo ny Mosesy 1:39). Tsy afaka ny ho lasa tahaka Azy isika na hiverina any Aminy raha tsy mahazo fanampiana avy amin’ Andriamanitra. Nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany ny Ray any An-danitra mba hanao sorona fanavotana ho antsika sy hamaha ny famatoran’ny fahafatesana (jereo ny 3 Nefia 27:13–22).

Mahazo ny hery manavotr’i Kristy isika amin’ny alalan’ny fampiharana finoana Azy ho amin’ny fibebahana, amin’ny alalan’ny fanaovana batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fandraisana ho mpikambana, ary ny faharetana hatramin’ny farany. Ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa no dingana voalohany amin’ny famatorana ny tenantsika amin’ Andriamanitra mba hahafahan’ny Fanahy Masina manadio sy mampatanjaka ary manova ny toetrantsika mba ho lasa tsara kokoa. Ny fiainana izany fitaomana manamasina izany dia antsoina hoe fahaterahana ara-panahy. (Jereo ny 2 Nefia 31:7, 13–14, 20–21; Môzià 5:1–7; 18; 27:24; 3 Nefia 27:20; Jaona 3:5.)

Ny fahaterahana ara-panahy dia manomboka rehefa atao batisa amin’ny rano sy amin’ny Fanahy isika. Ny batisa dia ôrdônansy feno fifaliana sy fanantenana. Rehefa atao batisa amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina isika dia manomboka fiainam-baovao miaraka amin’ny hery manohan’ Andriamanitra. Rehefa vita batisa sy noraisina ho mpikambana isika dia afaka manohy mba hampatanjahana amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana. (Jereo ny 2 Nefia 31:13; Môzià 18:7–16; Môrônia 6:2; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37.)

Fanolorana ilay fanasana

Rehefa tsapanao fa tarihin’ny Fanahy ianao dia omeo fanasana ny olona mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana. Mety hitranga mandritra izay lesona ampianarina izany.

Ampianaro ny fotopampianaran’ny batisa ary ampio ny olona hahatakatra ny fotopampianaran’i Kristy (jereo ny lesona 3). Ampianaro ny maha-zava-dehibe sy ny fifaliana avy amin’ny fanekempihavanan’ny batisa, ny fandraisana famelana ny fahotana, ary ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fandraisana ho mpikambana.

Omano ny olona handray ny fanasana mba hatao batisa amin’ny alalan’ny fakana antoka fa takatr’izy ireo ny zavatra ampianarinao sy ny fanekempihavanana hataon’izy ireo. Toy izao manaraka izao ny fanekempihavanan’ny batisa:

  • Vonona ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy.

  • Hitandrina ireo didin’ Andriamanitra.

  • Hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa.

  • Haharitra hatramin’ny Farany. (Jereo ny lesona 4.)

Azonao atao ny mizara izao manaraka izao:

“Rehefa atao batisa isika dia─vavolombelona eo anoloan’ [Andriamanitra] fa efa nanao fanekempihavanana Taminy [isika] fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny.─ Rehefa manao io fanekempihavanana io isika dia mampanantena Izy ny─[h]ampidina bebe kokoa ny Fanahiny amin[tsika]─(Môzià 18:10).”

Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana izay atolotrao dia tokony ho mazava tsara sy mivantana. Afaka milaza izao ianao:

“Vonona ve ianao ny hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanaovana batisa izay tanterahin’ny olona iray voatendry hanatanteraka izany ôrdônansy izany? Hanampy anao hiomana ho amin’ny batisa izahay. Mino izahay fa ho vonona ianao amin’ny [daty]. Vonona ve ianao hiomana hatao batisa amin’io daty io?”

Toy ny fanasana rehetra atolotrao, ampanantenao amin’ny olona ireo fitahiana lehibe horaisiny rehefa manaiky ny fanasana ny hatao batisa sy hitandrina ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany izy ireo. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitahiana ireo.

Ampianaro fa tsy ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana no tanjona farany. Dingana kosa izy ireo eo amin’ny lalan’ny fiovam-po izay mitondra fanantenana sy fifaliana ary ny herin’ Andriamanitra feno kokoa eo amin’ny fiainan’ny olona anankiray (jereo ny Môzià 27:25–26). Rehefa vita batisa sy noraisina ho mpikambana ny olona dia afaka miandrandra ny hohamasinin’ny Fanahy izy ireo eo am-pandrosoany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Raha azo atao dia asao ireo izay ampianarinao hanatrika fotoam-batisa iray sy fivoriana fanasan’ny Tompo iray izay handraisana ho mpikambana ny olona iray.

Hevitra momba ny fanasana mba hatao batisa

Azonao atao ny mamaky ny tantara momba ny nanaovana batisa an’i Jesoa ao amin’ny soratra masina (jereo ny Matio 3:13–17). Azonao atao ihany koa ny mampiseho ny Vidéos sur la Bible (Horonan-tsary momba ny Baiboly) izay mampiseho ny batisan’ny Mpamonjy na ny Vidéos du Livre de Mormon (Horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna) mikasika ny nanaovan’ireo mpianatry ny Mpamonjy batisa.

Azonao atao ihany koa ny mamaky ny fitantaran’i Nefia ny momba ny batisan’i Jesoa (jereo ny 2 Nefia 31:4–12). Ny famakiana ireo tantaran’ny batisan’i Jesoa Kristy dia afaka mankahery ireo izay ampianarinao.

Fandalinana ny soratra masina

Halalino ireto soratra masina manaraka ireto:

Manorata famintinana ny zavatra nianaranao.