Antso ao amin’ny misiôna
Toko 2: Mandalina ny soratra masina sy mitafy ny fiadian’ Andriamanitra


“Toko 2: Mandalina ny soratra masina sy mitafy ny fiadian’ Andriamanitra,” Torio ny filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Mandalina ny soratra masina sy mitafy ny fiadian’ Andriamanitra,” Torio ny Filazantsarako

Sary
Joseph Smith Seeks Wisdom in the Bible (Mikatsaka fahendrena avy ao amin’ny Baiboly i Joseph Smith), nataon’i Dale Kilbourn

Toko 2

Mandalina ny soratra masina sy mitafy ny fiadian’ Andriamanitra

Diniho ity

  • Nahoana no zava-dehibe ny mandalina tsy tapaka ny tenin’ Andriamanitra ao anatin’ireo soratra masina?

  • Ahoana no ahafahako manao ny fandalinana ny soratra masina ho mahomby kokoa?

  • Ahoana no ahafahako mampiasa amim-pahamarinana ny teknôlôjia mba hanampiana ahy hahatratra ny tanjoko?

  • Inona no dikan’ny hoe mitafyny fiadian’ Andriamanitra?

Mandalina ny soratra masina

I Jesoa Kristy “no fiainana sy fahazavan’izao tontolo izao. Indro, Izy no tenin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana” (Almà 38:9; jereo ihany koa ny Jaona 1). Hitondra fitahiam-be eo amin’ny fiainanao ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ireo soratra masina (jereo ny Jaona 10:10). Hameno anao, sy ireo ampianarinao, amin’ny fahazavana sy fahamarinana ireo teniny. Hanampy anao, sy ireo ampianarinao, hiaina araka ny fahamarinana sy handray fiarovana sy tanjaka avy amin’ Andriamanitra izy ireo. Hanampy anao hanjary hahalala Azy sy hahatsapa ny fitiavany, izay mamy mihoatra izay mamy rehetra, izy ireo. Hameno fifaliana ny fanahinao ireo teniny (1 Nefia 8:11–12; jereo ny andininy 1–34).

Harena avy any an-danitra ny soratra masina. Anisan’ireo fitahiana lehibe avy amin’ny asa fitoriana ataonao ny fananana fotoana voarindra mba handalinana izany isan’andro.

Anisan’ireo asa ara-panahy azonao atao izay tena hahazoana valisoa ny fandalinana ny filazantsara. Sady mamelombelona ny saina izany no mamelombelona ny fanahy. Nampianatra i Almà hoe, rehefa “mamboly” ny tenin’ Andriamanitra ao am-ponao ianao dia “[h]anazava ny fahazavan-tsain[ao] izany” ary hanomboka ho fy aminao (Almà 32:28; jereo ihany koa ny Enôsa 1:3–4). Rehefa manohy mandalina sy mampihatra ny tenin’ Andriamanitra ianao dia “hiorim-paka izy; ary … ho tonga hazo maniry hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay” (Almà 32:41; jereo ihany koa ny andininy 42–43). Hitombo ny fahalalanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara. Hitombo ihany koa ny fanirianao sy ny fahafahanao mizara ny filazantsara.

Manan-danja ny mianatra avy amin’ny mpampianatra tsara, saingy zava-dehibe ihany koa ny hanananao traikefa amin’ny fianarana manan-danja avy amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina. Marina ihany koa izany ho an’ireo olona ampianarinao.

Mety ho sarotra ny mahatakatra ny soratra masina amin’ny voalohany. Rehefa manam-pikirizana eo amin’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra anefa ianao dia hitombo ny fahatakaranao. Ho lasa ankamamianao ny fotoana atokanao ho an’ny soratra masina. Hiandrandra fatratra izay hianaranao sy hiainanao ianao.

Afaka ny ho fitahiana lehibe mandritra ny androm-piainana noho ny asa fitoriana nataonao ny fahafantarana sy ny fitiavana ny soratra masina. Rehefa miaina ireo fitahiana avy amin’ny fandalinana ny soratra masina mandritra ny asa fitorianao ianao dia haniry ny hanohy izany mandritra ny andro sisa iainanao.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Ny tena tanjon’ny soratra masina rehetra amin’ny farany dia ny hameno ny fanahintsika amin’ny finoana an’ Andriamanitra Ray sy ny Zanakalahiny Jesoa Kristy—finoana fa misy Izy ireo, finoana an’ilay drafitry ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay, finoana an’ilay Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty izay mamelona ity drafitry ny fahasambarana ity, finoana entina hanaovana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho lasa fomba fiainantsika, ary finoana ahafahana mahafantatra ─ilay Andriamanitra tokana sady marina, sy [Jesoa] Kristy, Izay efa nirahi[ny]─ (Jaona 17:3)” (D. Todd Christofferson, “Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” Liahona, mey 2010, 34).

Fandalinan’ny tena manokana

Jereo ny sarin’i Joseph Smith any am-piandohan’ity toko ity. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:11–13. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Nitarika an’i Joseph Smith handray fanambarana tamin’ny fomba ahoana ny famakiana sy ny fisaintsainana ny Jakoba 1:5?

  • Inona no fiantraikan’ny fandalinana nataony teo amin’ireo taranaka taty aoriana?

  • Inona no fiantraikan’ilay fanapahan-kevitra noraisiny mba handalina sy hikaroka teo amin’ny fiainanao?

  • Inona no fiantraikan’ny fandalinanao ny filazantsara teo amin’ny fiainanao sy ny fiainan’ny hafa?

Fandalinana ny soratra masina

Inona no zavatra azonao ianarana avy amin’ireto soratra masina manaraka ireto momba ny fomba hanaovana fandalinana ny filazantsara?

Katsaho ny Fanahy

Mihoatra noho ny fahazoana fahalalana ny fianarana ny filazantsara. Lamina ara-panahy hampiharana fahamarinana mandrakizay eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina ihany koa izany (jereo ny Jakoba 4: 8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:19–25). Katsaho ary itokio ny Fanahy mba hampianatra anao eo am-pandalinanao ny soratra masina. Hitranga izany ka ho tonga hatrany amin’ny fampiharanao ny soratra masina amin’ny tenanao omban’ny tena finiavana handray andraikitra eo anatrehan’ny zavatra izay ianaranao (jereo ny 1 Nefia 19:23; Môrônia 10:4; Joseph Smith—Tantara 1:18).

Ny fandalinana ombam-bavaka ny soratra masina dia hanokatra ny varavaran’ny fanambarana hiresahan’ny Fanahy amin’ny sainao sy fonao. Hanome fitarihana sy fitaomam-panahy ho anao Izy, ary hanome ny valin’ireo fanontanianao. Hampatanjaka sy hampahery anao ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinanao ny soratra masina. Izy dia hanome anao fahalalana sy finoana izay hitahy ny fiainanao sy hanome fahafahana anao hitahy ny hafa mandrakizay.

Fandalinana ny soratra masina

Inona no anjara asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fanampiana ny olona hianatra ny filazantsara?

Mitadiava valim-panontaniana

Handre fanontaniana maro ianao amin’ny maha-misiônera anao. Hanana fanontaniana izay anao manokana koa ianao. Ny fikarohana ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ireo loharano hafa nankatoavina ny valin’ireo fanontaniana ireo dia fomba mahery vaika entina mandalina. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fanontaniana sy ny zavatra nianaranao ary tsapanao.

Mampiasà loharano marina sy azo ianteherana amin’ny fandalinanao, voalohany indrindra ny soratra masina, ny tenin’ireo mpaminany velona, ary ny Torio ny Filazantsarako. Ampiasao ireo loharano ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile, toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ny Sujets de l’Évangile. Fantaro izay loharano misy amin’ny fitenin’ny olona ampianarinao.

Sary
Filoha M. Russell Ballard

“Zavatra iray nianarako teo amin’ny fiainana ny hatetiky ny famalian’ny Tompo ny fanontaniantsika sy ny fanomezany torohevitra antsika amin’ny alalan’ny soratra masina. … Andeha ary isika hankany amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka, hangataka fanampiana na valinteny; ary dia ho tonga ireo valiny ireo rehefa manokatra ny soratra masina isika ary manomboka mandalina izany. Indraindray dia toy ny hoe nisy andinin-tsoratra masina efa an-jaton-taona na an’arivon-taona no nampanoratana manokana mba hamaliana ny fanontaniantsika” (M. Russell Ballard, “Be Strong in the Lord, and in the Power of His Might” [Brigham Young University fireside, mar. 3, 2002], 5, speeches.byu.edu).

Iaino izay ianaranao

Rehefa tsapanao ny fifaliana avy amin’ny fivoarana eo amin’ny fahatakarana ny filazantsara, dia haniry hampihatra izay nianaranao ianao. Miezaha miaina mifanaraka amin’ny zavatra nianaranao. Hanamafy orina ny finoanao sy ny fahalalanao ary ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny fanaovana izany. Hitondra fahatakarana fanampiny sy maharitra ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny zavatra izay nianaranao. (Jereo ny Jaona 7:17.)

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny fotopampianarana marina rehefa takatra dia manova ny toetra sy ny fitondrantena. Hanatsara haingana kokoa ny fitondrantena ny fandalinana ny [fotopampianaran]’ny filazantsara noho ny fandalinana momba ny fitondrantena mba hoenti-manatsara ny fitondrantena” (Boyd K. Packer, Little Children,”Ensign,nôv. 1986, 17).

Fandalinan’ny tena manokana

Inona no ampianarin’ireto soratra masina manaraka ireto momba ny filazantsara?

Ampiasao ny Médiathèque de l’Évangile

Ny Médiathèque de l’Évangile dia loharano an-jotra izay afaka manatsara tokoa ny fandalinanao sy ny fampianaranao. Fantaro tsara ireo endri-javatra maro ao aminy. Voatanisa etsy ambany ireo tombontsoa sasany avy amin’ny fampiasana ny Médiathèque de l’Évangile ao anatin’ny fandalinanao sy ny fampianaranao.

  • Izany dia manome anao fahafahana hizaha ny soratra masina, ny tenin’ireo mpaminany velona, ary ireo lahatsoratra hafa an’ny Fiangonana amin’ny fiteny maro amin’ny endrika lahatsoratra, feo ary horonan-tsary.

  • Raha toa ka raketinao ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ny zavatra nianaranao sy ireo fahatsapana azonao dia afaka manohy miditra sy mahazo hery avy amin’izany fampahalalana izany ianao aorian’ny asa fitorianao.

  • Manome fahafahana anao hizara mora foana ireo soratra masina, ireo teny nindramina avy amin’ireo mpaminany velona, ary ireo horonan-tsary amin’ireo izay ampianarinao izany.

  • Ny ankamaroan’ny olona ampianarinao sy ataonao batisa dia hampiasa ny Médiathèque de l’Évangile mba hahazoana ireo loharanom-pitaovan’ny Fiangonana. Fantaro tsara ireo endri-javatra hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hahafahanao manampy azy ireo hianatra hampiasa izany.

Fandalinan’ny tena manokana

Avereno jerena ny “Guide d’utilisation de la Médiathèque de l’Évangile (Torolalana momba ny fampiasana ny Médiathèque de l’Évangile)”. Misafidiana endri-javatra iray ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba handramana mandritra ny fandalinanao manokana sy ny fandalinan’ny mpiara-mitory manaraka. Ahoana no nanampian’io endri-javatra io ny fandalinanao? Inona no handramanao amin’ny manaraka? Ampianaro ny misiônera hafa ny zavatra nianaranao.

Ampiasao amim-pahamarinana ny teknôlôjia

Nankinin’ny Tompo sy ny mpaminaniny anao ny teknôlôjia mba hanampiana amin’ny fanatanterahana ny asany. Ny teknôlôjia dia afaka manatsara ny fandalinanao ny soratra masina sy ny Torio ny Filazantsarako. Afaka manampy anao hanao drafitra ihany koa ireo loharanom-pitaovana nomerika. Afaka manampy amin’ny fampianaranao sy amin’ny ezaka ataonao amin’ny fitadiavana olona hampianarina izany.

Ny fampiasana ny teknôlôjia amim-pahendrena sy amim-pahamarinana dia afaka manampy anao hanatanteraka ny tanjonao amin’ny maha-misiônera anao ary hampiasa tsara ny fotoana. Afaka manampy anao hisoroka ny fampiasana zavatra tsy mendrika koa izany.

Araho ny Fanahy momba ny fotoana sy ny fomba hampiasana ny teknôlôjia amin’ny fomba izay hanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny finoan’ireo izay tompoinao sy ampianarinao.

Araho ny aroloza amin’ny fampiasana ny teknôlôjia

Ireo aroloza efatra voalaza etsy ambany dia hanampy anao hampiasa ny teknôlôjia araka ny tokony ho izy. Ny fanarahana ireo aroloza ireo dia fomba manan-danja iray mba “[hitafianareo] ny fiadian’ Andriamanitra rehetra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly” (Efesiana 6:11).

Araho ireo bitsiky ny Fanahy

Nampanantena i Nefia hoe: “Fa raha te hiditra ny lalana ianareo ary handray ny Fanahy Masina, dia Izy no hampiseho aminareo ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo” (2 Nefia 32:5). Nanome anao fanomezam-pahasoavana roa mahery vaika izay hanampy anao ny Rainao any An-danitra: ny fahafahana misafidy sy ny fanomezana ny Fanahy Masina. Manana hery hisafidy ny hanaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ianao. Tena ilaina ny fitarihany mba hanampiana anao hanao ny tsara rehefa mampiasa ny teknôlôjia. Manampy mba hiarovana anao amin’ny ratsy koa izany.

Mifantoha amin’ny tanjonao amin’ny maha-misiônera anao

Hoy ny Tompo hoe: “Ary raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro ny masonareo, dia ho feno fahazavana ny vatanareo manontolo ka tsy hisy haizina ao aminareo; ary izany vatana izay feno hazavana izany dia mahatakatra ny zava-drehetra.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67 Ny hoe manana ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra dia midika hoe mifantoka tanteraka amin’ny tanjon’ Andriamanitra, izay tanjonao amin’ny maha-misiônera anao ihany koa.

Ny fampiasanao ny teknôlôjia dia tokony hifototra amin’ny tanjonao. Aza velomina ny fitaovanao raha tsy rehefa fantatrao ny tanjon’ny misiônera eo amin’ny fampiasana izany fitaovana izany. Vonoy izany avy eo rehefa tanteraka izany tanjona izany.

Azo inoana fa hahita votoatin-javatra tsy mendrika ao amin’ny internet ianao rehefa manao fikarohana an-kisendrasendra ao amin’ny tranonkala kanefa tsy manana tanjona manokana ao an-tsaina.

Sary
misiônera mijery telefaonina

Mahaiza mifehy tena

Nanoratra i Môrmôna hoe: “Mpianatr’i Jesoa Kristy aho, ilay Zanak’ Andriamanitra. Efa nantsoiny aho hanambara ny teniny eo anivon’ny vahoakany mba hahazoany manana ny fiainana maharitra mandrakizay” (3 Nefia 5:13). Tahaka an’i Môrmôna dia mpianatr’i Kristy koa ianao. Ny fanompoana amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno dia fahafahana manokana hanamafisana orina ny maha-mpianatra anao.

Ny hoe mpianatr’i Kristy dia midika hoe mikatsaka ny hanaraka Azy sy hitandrina ny didiny ianao. Midika izany fa mianatra sy mampianatra momba an’i Kristy tsy tapaka ianao.

Mahaiza mifehy tena ary manaova safidy tsara amin’ny fampiasanao ny teknôlôjia. Safidio ny hanaraka ireo aroloza. Rehefa miresaka mifanatrika amin’ny olona ianao dia aza mijery hafatra na mamaly antso. Fehezo ny fomba fampiasanao ireo fitaovana ireo. Aza avela hifehy anao izany.

Nanambara ny Tompo hoe: “Izay mandray ny lalàko ary manao izany, dia izy no mpianatro; ary izay milaza ho mandray izany nefa tsy manao izany, dia tsy mpianatro izy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5). Na dia tsy misy olona tonga lafatra aza, ny Tompo dia manantena ezaka tsy tapaka sy feno fikirizana eo amin’ny fanarahana Azy.

Ny hatsaran’ny filazantsara dia ny hoe afaka mahazo famelan-keloka isika rehefa mibebaka, ary tian’ny Tompo hibebaka tsy misy hatak’andro isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:–6). Raha manao fahadisoana ianao, tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny teknôlôjia, dia tonga dia mibebaha ary tohizo ny fiainana ny lalàny. Anisan’ny mandrafitra ny maha-mpianatr’i Kristy izany.

Aoka ho iray

Hoy ny Tompo: “Aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27). Ataovy izay hahatonga ny misiôna misy anao hampivelatra tontolo isian’ny firaisan-kina, fahatokiana, fandraisana andraikitra, ary fangorahana mba hahafahanareo mifampankahery sy mifanohana.

Ny misiônera rehetra dia tokony hahatsapa ho mahazo aina amin’ny fangatahana fanampiana rehefa ilaina izany. Ny misiônera iray izay matanjaka ao amin’ny Fanahy dia afaka manampy olona iray izay mahatsapa ho malemy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:106). Raha mahatsapa ho mitady ho tratran’ny fakam-panahy ianao dia mangataha fanampiana amin’ny mpiara-mitory aminao na ny mpitarika anao ao amin’ny misiôna.

Ny ankamaroan’ny olana rehetra mifandray amin’ny internet na amin’ny pôrnôgrafia dia mitranga any anaty fitokantokanana. Aza ampiasaina ny fitaovana raha tsy rehefa afaka mifampijery efijery. Manàna herim-po ary aoka ianareo samy ho tompon’andraikitra eo aminareo samy ianareo.

Matoky ny misiônera tsirairay izay nantsoiny ny Tompo, anisan’izany ianao. Nanome namana sy mpitarika Izy mba hiaro sy hanohana anao. Tahaka ny nanohanan’i Almà an’i Amioleka namany dia katsaho ny hifankahery (jereo ny Almà 15:18).

Inona no tokony hataonao raha mahatsapa ho marefo na mora voataona ianao?

Mitaky ezaka sy fifehezan-tena ary fanazaran-tena ny fianarana manaraka ireo aroloza efatra ireo. Na dia efa lasa ampahany voajanahary mandrafitra ny fomba fisainanao sy ny fihetsikao aza ireo aroloza, dia hisy fotoana mety hahatsapanao ho marefo na ho mora voataona. Mety efa nanana fahazaran-dratsy tamin’ny teknôlôjia ianao talohan’ny asa fitorianao, izay sarotra ny nandresy azy. Ny misiônera sasany dia nanana olana tamin’ny pôrnôgrafia talohan’ny antsony ary mety halaim-panahy hiverina amin’ilay karazana fitondrantena nananany teo aloha.

Ireo fitsipika etsy ambany dia hanampy anao hampihatra ireo aroloza sy hanamafy orina ny tenanao hanohitra fakam-panahy:

  • Fantaro tsara ireo eritreritrao sy ireo zavatra tsapanao ary ireo fihetsikao. Aoka ho takatrao ny fomba ahafahan’izy ireo mampahatonga anao ho mora alaim-panahy hampiasa tsy araka ny tokony ho izy ny teknôlôjia.

  • Misafidiana ny handray andraikitra. Manehoa fihetsika feno fahamarinan-toetra sy ahitam-bokatsoa eo anatrehan’ny zavatra tsapanao.

  • Mianara, mibebaha, ary mivoara. Ampiasao ireo zavatra niainanao mba hanohizana ny fianarana sy ny fivoarana.

Tsy voatery handresy irery ireo olana ianao. Miantehera amin’ny tanjaka azo avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ireo fanekempihavanana nataonao taminy. Fantatry ny Tompo ireo olana atrehanao ary hanampy anao amin’ity asa lehibe ity Izy.

Ny fahatsiarovana mandrakariva ny Mpamonjy dia afaka manampy anao hampiasa amim-pahamarinana ny teknôlôjia. Aoka ianao ho mahatoky amin’ny fitokisana nomeny anao. Manapà hevitra ny “handeha araka ny hitsiny eo anoloany” (Almà 53:21; jereo koa ny andininy 20). Ny fahatsapana fankasitrahana noho izay rehetra nataony sy ny nataon’ny Ray ho anao dia hanampy anao hanao safidy tsara momba ny fomba hampiasanao ireo loharanom-pitaovana nomerika.

Fotoana lehibe hianarana mampiasa amim-pahendrena ny teknôlôjia ny fotoana hanaovanao asa fitoriana. Ny fanolorantena sy ny fahazarana tsara kolokoloinao mandritra ny asa fitorianao dia hitondra soa ho anao mandritra ny androm-piainanao.

Tafio ny fiadian’ Andriamanitra.

Hitombo ny fahaizanao manohitra ny fakam-panahy rehefa mandalina sy mampihatra ny soratra masina, ny tenin’ireo mpaminany velona, ny Torio ny Filazantsarako, ny Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ (Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy), ary ireo aroloza voatanisa ato amin’ity toko ity ianao.

Sary
misiônera miarahaba lehilahy iray

Amin’ny alalan’ny fitafiana ny “fiadian’Andriamanitra rehetra”, dia ho afaka hanavaka ny fahamarinana sy ny fahadisoana ianao. Hikiraro ny “filazantsaran’ny fiadanana” ny tongotrao. Hiaro anao ny fitafiana “ny fiarovan-tratran’ny fahamarinana”. Ho afaka hamono ny zana-tsipika mirehitra avy amin’ny fahavalo ianao amin’ny “ampingan’ny finoana”. Handray “ny sabatry ny Fanahi[ny]” ianao mba hampianarana ny fahamarinana amin-kery sy amim-pahefana. Hahazo hery hanoherana ny fitaoman’izao tontolo izao izay mety hitarika anao ho lasa hibiriorioka sy hitoka-monina ary hihataka lavitra mihitsy aza ianao. (Jereo ny Efesiana 6:10–18; jereo koa ny 1 Nefia 8:20, 30; 15:24–25; Helamàna 3:29–30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18; Joseph Smith—Matio 1:37; 2 Timoty 3:15–17.)

Fandalinan’ny tena manokana

Tadiavo ombam-bavaka ny iray amin’ireo aroloza hifantohana amin’ity herinandro ity. Katsaho ny fanampian’ny Tompo Raketo an-tsoratra ao amin’ny diarinao ny zavatra tsapanao.


Hevitra ho an’ny fandalinana sy fampiharana

Fandalinan’ny tena manokana

  • Andramo ny sasany amin’ireto sosokevitra manaraka ireto mba hanatsarana ny fandalinanao:

    • Vakio ireo soratra masina miaraka amin’ireo fanontaniana sy ahiahy ao an-tsaina.

    • Zarao amin’ireo misiônera hafa sy amin’ireo izay ampianarinao ny zavatra nianaranao. Ny fanazavana fotopampianarana na fitsipika iray dia hanampy anao hahatsiaro izany sy hahazo fahazavana.

    • Manaova fandalinana araka ny lohahevitra. Mifantoha amin’ireo lohahevitra izay hanampy anao sy ireo olona ampianarinao.

    • Manontania tena hoe: “Inona no lazain’ny mpanoratra? Inona no hafatra fototra? Ahoana no fiantefan’izany eo amiko? Ahoana no mety hanampian’izany ny olona iray ampianarintsika?”

    • Alaivo sary an-tsaina na ataovy sary ny zavatra ianaranao. Ohatra, alaivo sary an-tsaina hoe nanao ahoana ny fijoroan’i Amôna teo anoloan’ny mpanjaka Lamanita.

    • Soraty ao anaty fehezan-teny na andiam-pehezan-teny fohy ny hevi-dehiben’ny andinin-tsoratra masina iray.

    • Ataovy tsianjery ireo andinin-tsoratra masina izay manazava sy manohana ireo fitsipika ampianarinao.

  • Tombantombano amin’ny alalan’ireto zavatra manaraka ireto ny tenanao (1=Tsy mitranga velively, 3=Indraindray, ary 5=Saika mitranga foana).

    • Mitombo ny finoako ary mahafantatra bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho.

    • Mieritreritra ny olona ampianariko aho rehefa mandalina.

    • Mieritreritra ny zavatra nianarako ny maraina aho nandritra ny tontolo andro.

    • Rehefa mandalina aho, dia tonga ao an-tsaiko ireo hevitra izay mbola tsy tonga tato amiko hatramin’izay.

    • Raketiko any amin’ny toerana mety hanaovana izany ireo fahatsapana sy hevitra ara-panahy ananako.

    • Mitoetra ho mifoha aho rehefa mandalina.

    • Tsy andriko ny hanaovana fandalinan’ny tena manokana.

    • Tsy andriko ny hanaovana fandalinan’ny mpiara-mitory.

    Avereno jerena ireo valinteninao. Inona no efa voafehinao tsara? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mivoatra? Mametraha tanjona iray na roa hanatsarana ny kalitaon’ny fandalinanao.

Fandalinan’ny mpiara-mitory sy Fifanakalozana mpiara-mitory

Filankevitry ny distrika, fivoriam-paritra, ary filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna

  • Angataho ny misiônera hanoratra fanontaniana iray na roa momba ny filazantsara avy amin’ny lesona iray ao amin’ny toko 3. Ireo fanontaniana ireo dia mety ho an’ny tena manokana na avy amin’ny olona ampianariny. Asao ny misiônera hizara ny fanontaniany amin’ny vondrona. Ho an’ny fanontaniana tsirairay dia resaho ireto manaraka ireto:

    • Ahoana no ahafahan’ny famaliana io fanontaniana io hitahy ny fiainan’ny misiônera?

    • Ahoana no ahafahan’izany mitahy ny fiainan’ireo olona ampianariny?

    • Ahoana no ahafahan’ny misiônera mahita ny valiny?

  • Zarao ho vondrona ny misiônera, ary angataho ny vondrona tsirairay mba handalina ny iray amin’ireo aroloza efatra sy ireo soratra masina miaraka amin’izany. Asao ny misiônera hizara ny zavatra nianarany sy ny fomba nanampian’ireo aroloza ireo azy ireo.

Ireo mpitarika ao amin’ny misiôna sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny misiôna

  • Miaraha tsindraindray amin’ny misiônera mandritra ny fandalinan’ny mpiara-mitory ataony.

  • Mandritra ireo tafa sy dinika na fifampiresahana dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no fahatsapana azonao vao haingana nandritra ny fandalinanao ny soratra masina?

    • Toko na fizarana inona ao amin’ny Torio ny filazantsarako no tena nanampy anao tao anatin’ny roa herinandro lasa? Ahoana ny fomba nanampian’izany anao?

    • Inona no ataonao ao amin’ny fandalinanao manokana izay manampy anao hianatra?

  • Mandritra ireo tafa sy dinika dia hevero ny hanao famerenana mikasika ireo aroloza amin’ny fampiasana ny teknôlôjia sy ny hanontany ireo misiônera ny zavatra nianarany rehefa mampihatra izany izy ireo.

  • Zarao ireo hevi-baovao avy tamin’ny fandalinanao manokana. Zarao ny lahatsoratra avy ao amin’ny diary fandalinanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny filazantsara.