Antso ao amin’ny misiôna
Lesona 9: Mampiasa ny herin’ny Bokin’i Môrmôna


Lesona 9

Mampiasa ny herin’ny Bokin’i Môrmôna

Torio ny filazantsarako, toko 5

ny Mpamonjy mitsidika ny Amerika

“Ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny Fanahy no loharano mahery vaika ho anao eo amin’ny fiovam-po” (Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, [2023], 113). Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna ary fitaovana nomanin’ Andriamanitra hanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany. Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna sy mampihatra ny fampianarany isika dia afaka manakaiky kokoa an’ Andriamanitra.

Fandinihana sy fanaraha-maso

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny ezaka nataon’izy ireo tato ato mba hampihatra ny zavatra nianarany ato amin’ity fandaharam-pianarana ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny ezaka sasantsasany nataon’izy ireo amin’ny namana iray na miaraka amin’ny iray kilasy.

Safidy amin’ny sahanasa fianarana

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Fidio ombam-bavaka ny safidy amin’ny fitaovana hoenti-mianatra (iray na mihoatra) izay tena hahasoa ny kilasinao. Ataovy izay hamelana fotoana betsaka hanaovana fanazaran-tena sy hampiharana izany.

Safidy 1: Nahoana ny Bokin’i Môrmôna no fitaovana manan-danja amin’ny fizarana ny filazantsara?

Halalino

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Angataho ny mpianatra hieritreritra fitaovana iray ampiasain’izy ireo matetika. Azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no hanamoran’io fitaovana io ny fiainanao?

  • Inona avy ireo fitaovana nomen’ Andriamanitra antsika mba hanaovana ny asany?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ny toko 5 ao amin’ny Torio ny filazantsarako (pejy 113). Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hitady ny iray amin’ireo fitaovana ampiasain’ Andriamanitra mba hanampiana ny olona hanatona Azy. Azonao ampiasaina ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity ihany koa ireto teny nambara manaraka ireto.

Ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra hoe:

Loholona David A. Bednar

Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy ary ilay fitaovana lehibe ho an’ny fiovam-po amin’ny andro farany. (“Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe”, Liahona, nôv. 2021, 28–30)

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Ulisses Soares hoe:

Loholona Ulisses Soares

Fitaovan’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna hanatanterahana ny fanangonana an’i Isiraely amin’izao androntsika izao ary hanampiana ny olona hahafantatra an’i Jesoa Kristy Zananilahy. (“Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna”, Liahona, mey 2020, 33)

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hanoratra ity fehezan-teny tsy feno ity eny amin’ny solaitrabe: Ny Bokin’i Môrmôna dia iray amin’ireo fitaovana manan-danja indrindra amin’ny fizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy satria …

Asao ny mpianatra hamarana ilay fehezan-teny. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo. Avy eo dia zarao ireto toromarika manaraka ireto:

Misafidiana fizarana iray ao amin’ny toko 5 ao amin’ny Torio ny filazantsarako (pejy 113–22) mba hohalalinina. Rehefa mamaky izany ianao dia mitadiava antony fanampiny mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho fitaovana manan-danja entina mizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Rehefa avy nandalina ny mpianatra dia asao izy ireo hizara fomba fanampiny ahafahan’izy ireo mameno ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny iray amin’ireo fanontaniana etsy ambany na izy roa. Raha milaza andinin-tsoratra masina manokana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy ireo ao amin’ny valin-tenin’izy ireo momba ilay fanontaniana iray na ilay iray hafa, dia hevero ny hiarahan’ny iray kilasy mamaky ireo andininy ireo.

  • Inona avy ireo zavatra niainanao avy tamin’ny fizarana fahamarinana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny hafa?

  • Tamin’ny fomba ahoana ireo fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no nanampy anao na ny hafa hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hizara ny valin-teninao manokana momba ireo fanontaniana teo aloha. Azonao atao ihany koa ny mampiseho ilay horonan-tsary “Shaquille’s Story about the Book of Mormon” (1:28, ChurchofJesusChrist.org). Ifanakalozy hevitra ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny famaliana ny fanontaniany sy ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy.

Manazara tena

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Azavao fa ny antony iray mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho loharano manan-danja amin’ny fizarana ny filazantsara dia satria mirakitra ny valin’ireo fanontaniana manan-danja mandrakizay izany. Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao fanazaran-tena hampiasa ny Bokin’i Môrmôna mba hitadiavana sy hizarana ny valin’ireo fanontaniana ireo. Ampisehoy ireto toromarika manaraka ireto:

  1. Tadiavo ny fizarana izay nampitondraina ny lohateny hoe “Ny Bokin’i Môrmôna dia mamaly ireo fanontanian’ny fanahy” ao amin’ny toko 5 ao amin’ny Torio ny filazantsarako (pejy 117–18).

  2. Misafidiana fanontaniana iray avy ao amin’io fizarana io izay tianao hifantohana.

  3. Vakio ireo soratra masina mifandray amin’izany ary eritrereto ny fomba ahafahan’ireo soratra masina ireo manampy amin’ilay fanontaniana nosafidinao.

  4. Miomàna hizara ny iray amin’ireo andininy nohalalininao ary azavao ny fomba hamalian’izany ilay fanontaniana.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Asao ny mpianatra tsirairay hizara amin’ny namany ny zavatra nomanin’izy ireo ho an’ny dingana 4. Rehefa avy nifampianatra ny mpinamana dia azonao atao ny manome azy ireo namana hafa mba hahafahan’izy ireo mizatra mampianatra amin’ny fotoana hafa.

Ho fanazaran-tena fanampiny dia azonao ampiasaina ny Fampiharana fahaiza-manao 1: “Mampahafantatra ny Bokin’i Môrmôna aman’olona.”

Mametraha tanjona

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Fomba iray ahafahanao manao izany ny fizarana ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Ronald A. Rasband sy ny fanasana etsy ambany ity:

Loholona Ronald A. Rasband

Manasa anareo aho, anio, mba hanome ny Bokin’i Môrmôna ireo namanareo sy ireo olona ao amin’ny fianakavianareo, ireo mpiara-miasa aminareo, ny mpanazatra anareo amin’ny baolina kitra, na ilay mpivarotra vokatry ny tany eny an-tsena. Mila ny tenin’ny Tompo izay hita ao amin’io boky io izy ireo. Mila valim-panontaniana mahakasika ny fiainana andavanandro sy ny fiainana mandrakizay izay ho avy izy ireo. Mila mahafantatra ny lalan’ny fanekempihavanana izay misokatra eo anoloany sy ny fitivan’ny Tompo tsy mandao izy ireo. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna avokoa izany.

Rehefa manolotra azy ireo ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia manokatra ny sainy sy ny fony amin’ny tenin’ Andriamanitra. Tsy voatery mivatsy tahadika vita printy miaraka aminareo ianareo. Azonareo zaraina tsotra izao avy amin’ny findainareo avy amin’ny fizarana hoe Ny soratra masina ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile izany. (“Anio”, Liahona, nôv. 2022, 27)

Eritrereto ombam-bavaka ny olona iray azonao hizarana ny Bokin’i Môrmôna. Fantaro ny zavatra azonao ampianarina azy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny zavatra hafa mety holazainao. Raketo an-tsoratra ny drafitrao.

Ny tanjoko
  • Izaho dia … (zavatra hataonao).

  • Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny tanjony mandritra ny fianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.

Safidy 2: Ahoana no ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy ahy sy ny hafa hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Halalino

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson ity. Avy eo dia omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny fomba hamalian’izy ireo manokana ny fanontanian’ny Filoha Nelson.

Filoha Russell M. Nelson

Ry rahalahy sy ranabaviko, inona no lanjan’ny Bokin’i Môrmôna ho anao? Raha tolorana diamondra sy vatosoa na ny Bokin’i Môrmôna ianao dia inona no ho safidianao? Lazao ny marina, inona no manan-danja kokoa aminao? Ny Bokin’i Môrmôna: Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 61).

  • Inona no mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho sarobidy kokoa noho ny zavatra lafo vidy toy ny diamondra na ny vatosoa?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ho an’ity sahanasa fandalinana manaraka ity dia azonao atao ny manasa ny antsasaky ny kilasy handalina ny “Mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna” ary ny antsasany hafa handalina ny “Ny Bokin’i Môrmôna dia manampy antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra.”

Vakio ireo fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna” sy ny “ Ny Bokin’i Môrmôna dia manampy antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra” ao amin’ny toko 5 ao amin’ny Torio nyfilazantsarako (pejy 115, 117). Tadiavo ary lokoy ny fehezan-teny telo farafahakeliny izay mamariparitra ny antony maha-sarobidy ny Bokin’i Môrmôna.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Alaovy antoka fa nandalina fizarana hafa amin’ny an’ny namany ny mpianatra tsirairay. Asao ireo mpianatra hizara amin’ny namany ireo fehezan-teny telo notsipihin’izy ireo ary hanazava ny antony nahatsapan’izy ireo fa manan-danja ireo fehezan-teny ireo.

Rehefa avy nifampianatra ireo mpinamana dia azonareo atao ny miara-mamaky ny andinin-tsoratra masina sasany avy ao amin’ny efajoro ho an’ny “Fandalinana ny soratra masina” ao amin’ny pejy 116 (ao amin’ny “Mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna”). Azonareo atao ihany koa ny miaraka mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Nanampy anao hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra tamin’ny fomba ahoana ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna sy ny fampiharana ny fampianarany?

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona no fiantraikan’ny famakianao ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy?

Manazara tena

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hanao fanazaran-tena amin’ny fitadiavana sy fizarana andalan-tsoratra masina avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampahafantatra ity sahanasa fampiharana ity amin’ny alalan’ny fampisehoana ilay horonan-tsary hoe “Book of Mormon Experiment Honolulu” (2:35, ChurchofJesusChrist.org). Hevero ny hampiseho ireto torolalana manaraka ireto:

Mitadiava soratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mitady andininy avy ao amin’ireo toko voatanisa ao amin’ny efajoro ho an’ny “Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory” ao amin’ny toko 5 ao amin’ny Torio ny filazantsarako (pejy 116–17) eo ambanin’ny lohateny hoe “Mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna”). Na afaka mitady andininy hafa avy aminao manokana ianao.

Ho an’ny andalan-tsoratra masina tsirairay hitanao dia raketo an-tsoratra ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no ampianarin’ity andalan-tsoratra masina ity ahy momba an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana izany momba an’i Jesoa Kristy miantefa amiko sy amin’ny hafa?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Zarao ho vondrona kely maromaro ny mpianatra. Asao ny olona tsirairay ao amin’ny vondrona hizara iray na roa amin’ireo andalan-tsoratra masina hitany amin’ireo olona hafa ao amin’ny vondrona misy azy. Asao ihany koa izy ireo hizara ny valin-teniny momba ireo fanontaniana eo ambony.

Mametraha tanjona

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:

Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta avy aminao manokana.

  • Halalino isan’andro ny Bokin’i Môrmôna. Mifantoha manokana amin’ny zavatra ianaranao momba an’i Jesoa Kristy.

  • Zarao ao amin’ny tambajotran-tserasera na amin’ny olona iray fantatrao ny andininy iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanan-danja manokana aminao. Azavao ny antony nisafidiananao ny hizara izany.

  • Karohy ireo fitaovana hita ao amin’ny application Livre de Mormon (ohatra, raki-peo, fiteny, fifandraisana amin’ny misiônera). Zarao amin’ny olona ny application Livre de Mormon.

Ny tanjoko
  • Izaho dia … (zavatra hataonao).

  • Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny tanjony mandritra ny fianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.

Safidy 3: Ahoana no ifanohanan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly?

Halalino

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hanomboka ity sahanasa fianarana ity amin’ny alalan’ny fizarana rafi-tantara tahaka ity manaraka ity:

Alaovy sary an-tsaina hoe miresadresaka momba ireo finoanao ara-pivavahana amin’ny namana iray tsy mpikamban’ny Fiangonana ianao. Rehefa nahafantatra ilay namanao fa mino ny Bokin’i Môrmôna ianao, dia manontany izy hoe: “Inona no ilàna ny Bokin’i Môrmôna raha efa manana ny Baiboly isika?”

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba mety hamaliany ny namany. Azonao atao ihany koa ny mangataka azy ireo hieritreritra raha toa izy ireo ka efa niaina toe-javatra mitovitovy amin’izany. Avy eo dia zarao ity toromarika manaraka ity:

Vakio ny fizarana ao amin’ny toko 5 ao amin’ny Torio ny filazantsarako izay mitondra ny lohateny hoe “Mifanohana ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly” (pejy (118–19). Mitadiava fampianarana izay afaka manampy ilay olona nametrahana ilay fanontaniana ao amin’ilay rafi-tantara.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hizara ny zavatra tao amin’ilay rafi-tantara izay hitany fa afaka manampy ny namany. Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity ireo mpianatra dia afaka mandalina ny andininy sasany voatanisa ao amin’ny fizarana nohalalinin’izy ireo, toy ny Ezekiela 37:16–17 sy ny 1 Nefia 13:40. Azonao atao ihany koa ny mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Nahoana no ilaina ny fananana vavolombelona maromaro momba an’i Jesoa Kristy?

  • Nanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba ahoana ny fandalinana ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miaraka?

Manazara tena

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fahafahana ny mpianatra hizatra hitady soratra masina avy ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna izay mifanohana. Hevero ny hampiseho ireto toromarika manaraka ireto:

Mitadiava ohatra ao amin’ny soratra masina izay mampiseho ny fomba ifanohanan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna. Misafidiana iray na maromaro amin’ireto safidy manaraka ireto mba hanampiana anao hanao izany:

  1. Halalino ireo ohatra voatanisa ao amin’ny efajoro ho an’ny “Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory” any amin’ny faran’ny “Mifanohana ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly” ao amin’ny toko 5 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 119).

  2. Ampiasao ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hahitana lohahevitra iray mahaliana anao. Mitadiava soratra masina avy ao amin’ny Baiboly ary avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay voatanisa ho an’io lohahevitra io.

  3. Tadiavo ny andininy sasantsasany tianao indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Jereo ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy mba hahitana raha toa ka misy andinin-tsoratra masina voatanisa ao amin’ny Baiboly izay mampitombo ny fahatakaranao ireo andininy ireo.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny iray kilasy hizara ny ohatra sasantsasany hitan’izy ireo amin’ny namana iray na ao anaty vondrona kely iray. Azonao atao ihany koa ny mangataka mpianatra vitsivitsy manolo tena hizara ny zavatra hitany amin’ny iray kilasy.

Mametraha tanjona

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:

Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta avy aminao manokana.

  • Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao dia karohy ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ary tadiavo ireo toko sy andinin-tsoratra masina ao amin’ny Baiboly izay mifandray amin’ny zavatra ianaranao.

  • Halalino ny iray amin’ireo Filazantsara efatra ao amin’ny Testamenta Vaovao (Matio, Marka, Lioka, na Jaona). Rehefa mamaky ianao dia ifantohy manokana ny zavatra ianaranao sy tsapanao momba an’i Jesoa Kristy. Jereo ny fanamarihana eny ambanin’ny pejy ary tadiavo ireo toko sy andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mifandray amin’ny zavatra ianaranao.

Ny tanjoko
  • Izaho dia … (zavatra hataonao).

  • Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny tanjony mandritra ny fianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.

Amin’ny fotoana manaraka

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Raha vonona ny hampianatra ny lesona 10 ianao amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia hevero ny hanasa ny mpianatra handalina ny toko 6 ao amin’ny Torio ny filazantsarako ho fiomanany. Azonao atao ny mandefa fampahatsiahivana ho azy ireo.