Lesona 10
Mikatsaka ireo toetra tahaka ny an’i Kristy
Torio ny filazantsarako, toko 6
“Fomba manan-danja iray hikatsahana an’i Jesoa ny fanaovana ezaka amin’ny zotom-po mba hianatra momba Azy sy ho lasa tahaka Azy kokoa” (Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy [2023], 124). Ny fikatsahana ny hanana ireo toetran’i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika hizara amim-pahombiazana kokoa ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Afaka mampitombo tsikelikely ireo toetra izay manampy antsika ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy isika miaraka amin’ny fanampiany.
Fandinihana sy fanaraha-maso
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny ezaka nataon’izy ireo tato ato mba hampihatra ny zavatra nianarany tato amin’ity fandaharam-pianarana ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny ezaka sasantsasany nataon’izy ireo amin’ny namana iray na miaraka amin’ny iray kilasy.
Sahanasa fianarana aroso
Ahoana no ahafahako ho lasa mitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy?
Halalino
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asehoy ny sarin’ny Mpamonjy, toy ireto manaraka ireto. Asao ny mpianatra hizara ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay hitan’izy ireo ao amin’ireo sary ireo. Azonareo atao ihany koa ny mijery ny “Christlike Attributes” (2:53, ChurchofJesusChrist.org) mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra hafa momba ireo toetran’ny Mpamonjy.
-
Inona avy ireo toetra sasantsasany ananan’ny Mpamonjy izay tena mampiaiky anao indrindra? Nahoana?
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Azavao fa ato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanana fahafahana hianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Asao izy ireo hikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mba hahafantarana ireo toetra tian’ny Tompo hiezahan’izy ireo hivoarana eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Zarao ireto toromarika manaraka ireto:
Vakio ny “Teny fanolorana” sy ny “Hikatsaka ity Jesoa ity” ao amin’ny toko 6 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 123–24). Amafiso ireo fitahiana mifandray amin’ny fampivelarana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy.
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Azonareo atao ihany koa ny miara-mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 araka ny voafariparitra ao amin’ny efajoro ho an’ny “Fandalinan’ny tena manokana” (Torio ny Filazantsarako, 123).
Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra nisongadina tamin’izy ireo tamin’ny zavatra nohalalinin’izy ireo. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia azo ampiasaina ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity:
-
Ahoana no ahafahan’ny fiezahana ho tonga bebe kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy manampy anao ho tonga misiônera tsara kokoa?
-
Inona no anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana anao ho lasa tahaka Azy kokoa?
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Rehefa mifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana teo aloha ianareo dia hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ireo fizarana “Fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra” sy ny “Dingana arahina mandeha tsikelikely” (Torio ny Filazantsarako, 124). Asao izy ireo hitady teny na andian-teny avy ao amin’ireo fizarana ireo izay afaka manampy azy ireo hahatakatra kokoa ny filàn’izy ireo miantehitra amin’ny Mpamonjy amin’ny fampitomboana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy.
-
Inona no nanampy anao handroso amin’ny hoe ho lasa bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy?
Manazara tena
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hamantatra hoe inona amin’ireo toetran’ny Mpamonjy no tian’izy ireo hampitomboana. Ampisehoy ireto toromarika manaraka ireto.
-
Fenoy ilay “Sahanasa momba ny toetra” any amin’ny fiafaran’ny toko 6 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 136–38).
-
Miainga avy amin’ny valin-teninao, dia misafidiana toetra tahaka ny an’i Kristy izay tianao ho takatra sy hivoarana bebe kokoa.
-
Tadiavo ary halalino ny fizarana mikasika ny toetra nosafidinao ao amin’ny toko 6 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako.
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra hizara amin’ny namana iray izay toetra nosafidiany hohalalinina, miaraka amin’ny famintinana fohy ny zavatra nianarany.
Mametraha tanjona
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:
Mamoròna drafitra mikasika ny fomba hikatsahanao ny hanana ilay toetra tahaka ny an’i Kristy izay nohalalininao. Azonao atao ny mampiasa ireo sosokevitra ao amin’ny hoe “Lamina iray mba hahatongavana tahaka an’i Kristy bebe kokoa” (Torio ny Filazantsarako, 134) mba hanampiana anao. Aza manahy raha toa ka tsy tonga lafatra amin’io toetra io ianao. Aza mitsahatra miezaka dia hanampy anao ny Mpamonjy.
Ny tanjoko
-
Izaho dia … (zavatra hataonao).
-
Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny fanoloran-tenany mandritra ny fandaharam-pianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.
Amin’ny fotoana manaraka
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha vonona ny hampianatra ny lesona 11 ianao amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia hevero ny hanasa ny mpianatra handalina ny toko 11 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ho fiomanany. Azonao atao ny mandefa fampahatsiahivana ho azy ireo.