Antso ao amin’ny misiôna
Fampiharana fahaiza-manao 8: Fifohana rivotra


Fampiharana fahaiza-manao 8

Fifohana rivotra

olona mifoka rivotra

Mandritra ny asa fitoriana ny filazantsara sy eo amin’ny fiainantsika andavanandro dia mazàna no misy toe-javatra manahirana mitranga. Ny fifohana rivotra dia teknika azontsika ampiasaina mba hampihenana ny adin-tsaina sy hanorenana fahatsapana fiadanan-tsaina.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ezaho atao fohy ny fizarana “Farito” sy “Mampisehoa” mba hananan’ny mpianatra fotoana ampy tsara hanaovana fanazaran-tena.

Farito

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hangataka ny mpianatra hiresaka momba ny fiantraikany tsara sy ratsy entin’ny adin-tsaina eo amintsika. Raha ilaina dia azonao haseho izao fanazavana manaraka izao:

Afaka manome antsika fahafahana hivelatra sy hivoatra ary hiantehitra amin’ Andriamanitra mba hampatanjaka antsika ny fandalovana adin-tsaina. Kanefa ireo fotoana hahatsapana adin-tsaina be loatra na ny fahatsapana adin-tsaina tsy tapaka mandritra ny fotoana maharitra dia mety hitarika ho amin’ny olana ara-batana sy ara-pihetseham-po.

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Iaraho mamaky sy mifanakalo hevitra ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16. Anontanio ny mpandray anjara ny fomba iheveran’izy ireo ny hampiharana an’io torohevitra io amin’ny toe-javatra manahirana, anisan’izany ireo toe-javatra mety hatrehan’izy ireo amin’ny maha-misiônera azy ireo. Azonao atao ny mampahafantatra an’ilay fahaiza-manao momba ny fifohana rivotra amin’ny alalan’ny fampisehoana izao manaraka izao:

Fomba tsara iray hiatrehana ireo endrika ratsy isehoan’ny adin-tsaina ny mizatra manao fifohana rivotra. Afaka manampy antsika hampitony ny saintsika sy ny vatantsika ny fifohana rivotra. Izany ihany koa dia manome antsika fahafahana hampivoatra ny fifantohantsika, hifehy ny fihetseham-pontsika, hanatsara ny fitadidiantsika ary ho lasa mahay mihaino tsara kokoa ireo bitsiky ny Fanahy.

Mampisehoa

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ireto dia karazana fanazaran-tena anankiroa momba ny fifohana rivotra tsara azonao aseho:

Safidy 1: Mifoka rivotra ao anaty vata

Mipetraha eo ambony seza dia ataovy izay hampahazo aina tsara. Alaivo antoka fa misy zavatra manohana ny lamosinao ary mitehana tsara amin’ny tany ny tongotra. Azonao sokafana na akimpy ny masonao.

  • Dingana 1: Mifoha rivotra amin’ny alalan’ny oronao ary manisà dimy tsimoramora ka fenoy rivotra ny avokavokao.

  • Dingana 2: Aza miaina mandritra ny dimy segaondra. Ezaho ny tsy mamoaka rivotra mandritra ny dimy segaondra feno.

  • Dingana 3: Avoahay tsimoramora mandritra ny dimy segaondra amin’ny alalan’ny vavanao ny rivotra.

  • Dingana 4: Tazomy izany mandritra ny dimy segaondra.

  • Dingana 5: Avereno ireo dingana 1 ka hatramin’ny 4 mandra-pitonianao.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Azonao aseho ity kisary manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa io fanazaran-tena mifoka rivotra io:

mifoka rivotra

Safidy 2: Fanazaran-tena mifoka rivotra ao amin’ny L’adaptation à la vie missionnaire

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ampio ny mpianatra hitady ny L’adaptation à la vie missionnaire ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile (Médiathèque > Manuels et appels > Appels de mission > L’adaptation à la vie missionnaire).

Tadiavo ny sahanasa “Exercise de respiration” ao amin’ny fizarana “Principes généraux pour gérer le stress” ao amin’ny L’adaptation à la vie missionnaire ([2013], 18). Araho ireo dingana telo voalaza ao amin’ilay sahanasa.

Manazara tena

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Aorian’ny fampisehoana ny iray na izy roa amin’ireo fanazaran-tena mifoka rivotra dia omeo fotoana hampiharana izany ny mpandray anjara. Azonao asaina izy ireo hanome isa 1 ka hatramin’ny 5 ny fahatsapan’izy ireo adin-tsaina na tebiteby mialoha sy aorian’ireo fanazaran-tena mifoka rivotra mba hahitana raha mahatsikaritra fiovana izy ireo.

Ampiharo

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Mizarà fanasana toy izao manaraka izao mba hanampiana ny mpandray anjara hampihatra io fahaiza-manao io:

Manaova fanazaran-tena manao ilay fifohana rivotra mandritra ny minitra vitsivitsy isan’andro sy isak’izay hahatsapanao adin-tsaina. Jereo tsara hoe manao ahoana ny fahatsapanao isaky ny manao fanazaran-tena ianao. Mivavaha mba hahazoana ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny fiatrehana ireo toe-javatra miteraka adin-tsaina eo amin’ny fiainanao.