Institiota
Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mahita ny toerako ao amin’ny valan’ilay Mpiandry Tsara


“Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mahita ny toerako ao amin’ny valan’ilay Mpiandry Tsara,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
The Lord Is My Shepherd [Jehovah no Mpiandry ahy], nataon’i Simon Dewey

Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mahita ny toerako ao amin’ny valan’ilay Mpiandry Tsara

Rehefa mahatsiaro ho irery ianao, na very, na malahelo, na adino, aiza no itodihanao mba hahazoana fampiononana? Ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Mahita fiadanana maharitra aho noho ny fahafantarako fa -Jehovah no Mpiandry ahy- [Salamo 23:1; nampiana fanamafisana] ary fantany sy eo ambany fiahiany isika tsirairay avy” (“Mitarika ireo fanahy,” Liahona, nôv. 2018, 111). Eo am-pandalinanao dia eritrereto ny fomba ahafahanao mahita “fiadanana maharitra” amin’ny alalan’ny fahafantarana fa manana fitiavana manokana sy maharitra ho anao ny Mpiandry Tsara.

Fizarana 1

Ahoana no ahafantarako fa miahy ahy ny Mpiandry Tsara?

Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny tena mpiandry ondry dia tia sy niahy ny ondriny. Voaisa sy nomena anarana ny ondry tsirairay. Ny mpiandry ondry dia nitarika ny ondriny isan’andro mankany amin’ny toerana isakafoana sy mankany amin’ny rano. Rehefa nania ny ondriny, dia nitady azy ireo ny mpiandry ondry. Mandritra ny alina dia natao tao anaty vala fiarovana iray antsoina hoe valan’ondry ny ondry. Nandry teo an-tokonam-baravaran’ny valan’ondry ny mpiandry ondry mba hiarovana ny ondriny amin’ny biby mpiremby.

Sary
Mpiandry ondry iray mitarika ny andian’ondriny

Mifanohitra amin’izany kosa, ny mpikarama dia niambina andian’ondry fotsiny satria nandraisany vola ny fanaovana izany. Tsy tia azy ireo izy. Raha sanatria misy fambara loza dia handao ny ondry ny mpikarama (jereo ny Jaona 10:12–13).

Tsoahina avy amin’izany ohatra mazava izany, nampianatra i Jesoa fa Izy no Mpiandry Tsara.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Jaona 10:11, 14–16 dia saintsaino izay azontsika ianarana momba an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Ilay Mpiandry Tsara Azy.

Rehefa niseho tamin’ny Lamanita sy ny Nefita i Jesoa Kristy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nilaza tamin’izy ireo Izy fa izy ireo no ireo “ondry hafa” noresahiny tamin’ny vahoaka tao Jerosalema (3 Nefia 15:21). Nanazava Izy fa mbola misy “ondry hafa” izay hihaino sy hahita Azy koa (jereo ny 3 Nefia 16:1–3). Nanambara ny Mpamonjy hoe: “Fantatro ny ondriko, ary voaisa izy” (3 Nefia 18:31).

Sary
Going Home [Mody], nataon’i Yongsung Kim

Ny fitiavan’ny Mpiandry Tsara ny ondriny dia ampianarina amin’ny fomba kanto ao amin’ny Salamo 23. Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Ity salamo lalaina ity dia mampahatsiahy antsika fa Andriamanitry ny isam-batan’olona mandrakariva Andriamanitra ary ny fiahiany dia an’ny tena manokana tokoa” (For Times of Trouble [2012], 206).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Salamo 23:1–4, ary tadiavo ny fomba tian’ny Mpiandry Tsara hikarakarana anao sy ireo olon-tianao.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona avy ireo fomba sasany nanehoan’ny Mpiandry Tsara ny fikarakarany sy ny fiahiany anao? Rehefa misaintsaina ny fitiavany ianao dia vakio na henoy ny hira hoe “L’Eternel est mon berger” (Cantiques, no. 57).

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako manampy amin’ny asan’ny Mpiandry Tsara?

Azo antoka fa nahatsiaro ho irery ireo Apôstôly taorian’ny nandaozan’ny Mpiandry azy ireo ka niakarany tany an-danitra. Azonao sary an-tsaina ny fahagagan’izy ireo sy ny hafaliany tamin’ny fahitana Azy indray taty aoriana teo amoron-dranomasina rehefa nanjono izy ireo. Rehefa tonga teny an-tanety izy ireo, dia niara-nisakafo Taminy. Tamin’izay fotoana izay dia nanontany an’i Petera intelo i Jesoa raha tia Azy izy. Namaly eny foana i Petera isaky ny nanontany Izy. Ary isaky ny avy nanontany ny Tompo dia nanome baiko an’i Petera mba hamahana ny ondriny na ireo ondriny (jereo ny Jaona 21:15–17).

Ny Rahavavy Bonnie H. Cordon, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany dia niresaka momba izany traikefa izany nanao hoe:

Sary
Filoha Bonnie H. Cordon

Noho Izy mifantoka amin’ny ondriny, dia nirin’ny Mpamonjy ny hanaovan’i Petera izay ho nataony raha teo Izy. Nangataka an’i Petera mba ho tonga mpiandry ondry izy.

… Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanolotra fanasana mitovy amin’izany ho antsika mba hamahana ny ondrin’ny Raintsika amin’ny fomba masina kokoa ary hanao izany amin’ny alalan’ny fanompoana.[jerei ny Russell M. Nelson, “Fanompoana,” Liahona, mey 2018, 100].

Mba hanekena amim-pahombiazana io fanasana io, dia tsy maintsy manao izay hananana toetra tahaka ny an’ny mpiandry ondry isika sy tsy maintsy mahatakatra ireo zavatra ilain’ny ondrin’ny Tompo. Noho izany, amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika ho lasa ilay mpiandry ondry izay ilain’ny Tompo hahatongavantsika?

Tahaka ny amin’ny fanontaniana rehetra dia afaka miandrandra ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy, ilay Mpiandry Ondry Tsara isika. (“Lasa mpiandry ondry,” Liahona, nôv. 2018, 74–75).

Rehefa akaiky hifarana ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany, dia nanakiana an’i Jesoa niara-nisakafo tamin’ireo mpamory hetra sy ny mpanota ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna. Ho setrin’izany dia nizara ilay fanoharana momba ilay ondry very Izy.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Lioka 15:4–7, ary tadiavo ny zavatra ampianarin’io fanoharana io anao momba ny fananana ny fon’ny mpiandry ondry.

Sary
Gentle Shepherd [Mpiandry ondry tsara fanahy], nataon’i Kim Yongsung

Nampianatra ny Loholona Stevenson hoe:

Sary
Loholona Gary E. Stevenson

Ry rahalahy sy ranabavy, ny olantsika lehibe indrindra sy ny valisoantsika lehibe indrindra dia mety ho tonga eo am-panompoantsika an’ireo ondry very. Ireo mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia “niahy ny olony sy namahana azy tamin’ ny zavatra mikasika ny fahitsiana” [Môzià 23:18]. Afaka manaraka ny ohatr’izy ireo isika ary mahatsiaro fa ny fanompoana dia natao ho “tarihin’ny Fanahy, … tsy misy hoe fitakiana efa voafaritra tsara … ampifanarahana amin’ireo zavatra ilain’ny mpikambana tsirairay.” ministering.ChurchofJesusChrist.org]. (“Mitarika ireo fanahy,” Liahona, nôv. 2018, 112).

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Eritrereto ny olona iray fantatrao izay mety hahatsiaro ho maratra, na irery, na malahelo, na izay mety niala tao amin’ny valan’ilay Mpiandry Tsara. Inona no azonao atao mba hanoloranao tanana an’io olona io amin’ny toe-po tahaka ny an’ny mpiandry ondry?

Fizarana 3

Inona no tokony hataoko raha toa ka tsy mahatsiaro tena ho anisan’ny ao amin’ny valan’ny Mpiandry Tsara aho?

Mety misy fotoana izay hahatsapan’ny olona iray fantatrao fa tsy mifanaraka amin’ny “lasitra” an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo na hoe tsy mahatsapa tena ho amin’ny toerany ao am-piangonana. (Na mety hahita ny tenanao ao anatin’io sokajy io mihitsy ianao.) Ny sasany dia mahatsapa toy izany satria mpikambana vaovao izy ireo, mahatsapa ho menatra amin’ny safidy taloha, miakanjo na manana endrika tsy mitovy amin’ny hafa, sahirana ara-bola na amin’ny olana ara-pianakaviana, manahy ndrao mihena ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany, manana olana eo amin’ny fahasalamana ara-tsaina, mahatsapa fanintonana eo amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy, na saro-kenatra, tsy dia mavitrika, na vitsy an’isa eo amin’ny lafiny firazanana.

Raha mahatsapa ho voailikilika ianao, na voatositosika, na voatsaratsara, dia mitodiha amin’ny Mpamonjy mba hahazoana antoka fa sarobidy Aminy ianao ary tiany ho isan’ny ao amin’ny valany ianao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana18:10; Almà 31:35; Isaia 43:4). Tsarovy fa manasa ny “rehetra Izy hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy; na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka; na lahy na vavy; ary mahatsiaro ny hafa firenena Izy; ary ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra na Jiosy na Jentilisa” (2 Nefia 26:33

Sary
sary maneho ny fahasamihafana ao amin’ny Fiangonana

Ny Rahavavy Sharon Eubank, mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia mampitodika antsika amin’ny Mpamonjy rehefa “mahatsiaro ho tsy eken’ny hafa isika na tsy ampy ny fepetra hanekena antsika.”

Sary
Rahavavy Sharon Eubank

Mampiseho ireo ezaka lehibe nataon’i Jesoa mba hanampiana ny karazan’olona rehetra ny Testamenta Vaovao: ny boka, ny mpamory hetra, ny ankizy, ny Galileana, ny mpivaro-tena, ny vehivavy, ny Fariseo, ny mpanota, ny Samaritana, ny mpitondra tena, ny Romana, ny miaramila, ny mpijangajanga, ny maloto noho ny fomba amam-panao. Saika ao anatin’ny tantara tsirairay dia manampy olona izay tsy neken’ny fiarahamonina Izy. “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina,” Liahona mey 2019, 74)

Rehefa mieritreritra ny toerana misy anao ao amin’ny valan’ny Mpiandry Tsara ianao dia vakio ny teny nambaran’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo etsy ambany.

Sary
Loholona Robert D. Hales

Isika rehetra dia anisan’ilay fiarahamonin’ny Olomasina, mifampiankina isika, ary samy manao ezaka hanatratrarana tanjona mitovy. Misy amintsika mety hanasaraka ny tenantsika amin’ny fianakaviamben’io paroasy io noho ny tsy fitoviana eo amintsika. Fa tsy tokony kosa isika hanakatom-baravarana na hanasaraka ny tenantsika amin’ireo lalana misokatra noho ny fahasamihafana tsikaritsika amin’ny tenantsika. Fa andeha kosa isika hizara ireo fanomezana sy talentantsika amin’ny hafa, hitondra fifaliana sy fanantenana mamirapiratra ho azy ireo, ary ny fanaovana izany dia hanandratra ny fanahintsika ho ambonimbony kokoa. (“Belonging to a Ward Family,” Ensign, Mar. 1996, 16)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao