Institiota
Lesona 5 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Tonga vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo


“Lesona 5 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Tonga vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 5 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
zatovolahy iray atao batisa

Lesona 5 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Tonga vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo

Mitaky fahatokiana avo lenta sy fitiavana ny famatoranao ny tenanao amin’olona iray ao anatin’ny fifandraisana mifono fifanekena iray. Ary izany fahatokiana izany dia mivelatra rehefa mifankahalala ianareo. Ho an’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izay mampifamatotra anao Aminy, dia efa mahafantatra anao tanteraka Izy ary maniry ny hanome anao izay ananany rehetra—ny maha-Izy Azy rehetra. Manasa anao hatoky Azy Izy ary hiditra amin’ny lala’ny fanekempihavanany . Hahazo fitahiana miavosa ianao raha manao izany satria “Ny fampianarany no lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana eto amin’izao fiainana izao sy mankany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny fiainana ho avy.” (“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org).

Fizarana 1

Iza moa i Jehovah, ary nahoana no afaka matoky Azy aho?

Ny “Ilay Kristy velona” dia mampianatra fa i “[Jesoa Kristy] no ilay Jehovah Lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha.” Avy aiza no niavian’ny anarana hoe Jehovah, ary inona no azon’izany ampianarina anao momba ny Mpamonjy?

Rehefa avy nandevozin’ny Egyptiana nandritra ny taona maro ny zanak’i Isiraely, dia niantso an’i Mosesy “hitondra [azy ireo] hivoaka an’i Egypta” ny Tompo (Eksodosy 3:10; jereo ihany koa ny andininy 1–9). Nahatsapa ho tsy mendrika hanao izany asa izany i Mosesy. Nanontaniany ny Tompo ny anarany mba hahafahany milaza amin’ny Isiraelita hoe iza no naniraka azy (jereo ny Eksodosy 3:11–13).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Eksodosy 3:13–14, ary hevero ny handray an-tsoratra ny anarana nambaran’ny Tompo tamin’i Mosesy.

Sary
I Mosesy mahita an’i Jehovah, nataon’i Joseph Brickey

Ny anarana hoe Izaho Izay Izy dia midika hoe “Izy dia misy” na “Misy Izy” ary mifandray mivantana amin’ny teny hebreo hoe Yaveh, na Jehovah. Ny hoe Jehovah dia manondro “Ilay Tsy Miova” (Bible Dictionary, “Jehovah”). Ny fanajana tsapan’izy ireo manoloana ny anaran’i Jehovah no antony nahatonga ireo Jiosy voalaza ao amin’ny fitantaran’ny Testamenta Vaovao nisafoaka rehefa nilaza taminy hoe “Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho” i Jesoa (Jaona 8:58). Ny fampiasan’i Kristy ny voambolana hoe “Izy Aho” dia mitovy amin’ilay ao amin’ny Eksodosy 3:14 rehefa nilaza Izy hoe “Izaho Izay Izy.”

Sary
I Jesoa nalaina fanahy

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza toy izao momba ny fanambaran’ny Mpamonjy:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

Izany no fanambarana mazava sy mivantana indrindra nataon’olona na azon’olona atao momba ny maha andriamanitra Azy. “Talohan’ny nisian’i Abrahama, dia efa nisy aho, Izaho Jehovah.“ Izany hoe: “Izaho no Andriamanitra Tsitoha, ilay IZY AHO lehibe. Izaho no Ilay Tokana Mandrakizay izay nisy noho ny herin’ny tenako ihany. Izaho no Andriamanitry ny razanareo. Ny anarako dia: IZAHO IZAY IZY.” (Doctrinal New Testament Commentary [1965], 1:464)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no ahafahan’ny fahalalana fa i Jesoa Kristy no Jehovah Lehibe—Andriamanitry ny Testamenta Taloha, Izy izay misy ary tsy miova—miantraika amin’ny fahatokianao Azy? Inona no ampianarin’ireo fiantsoana ireo anao momba ny fahafahany manao sy mihazona fampanantenana aminao?

Fizarana 2

Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fiainako ho voatahy amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana amin’i Jehovah?

Na dia tsitoha sy tsy miova aza ny Tompo Jehovah, dia manasa ny tsirairay amintsika hiditra amina fifandraisana mifono fifanekena Aminy Izy sy ny Rainy. Io fifandraisana mifono fanekena io dia ahitana fitahiana mety hiseho izay tsy azo raisina amin’ny fomba hafa.

Mety ho tadidinao fa ny fanekempihavanana dia “fifanekena masina eo amin’Andriamanitra sy ny olona iray na vondron’olona iray. Mametraka ireo fepetra manokana Andriamanitra ary mampanantena ny hitahy antsika Izy raha toa ka mankatò ireo fepetra ireo isika. Rehefa misafidy ny tsy hitandrina ny fanekempihavanana isika dia tsy afaka mahazo ireo fitahiana, ary misy fotoana iharan’ny sazy vokatry ny tsy fankatoavana” (Gospel Topics, “Covenant,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

I Abrahama dia ohatra tsara amin’ny olona izay nanao sy nitandrina fanekempihavanana tamin’ny Tompo. Na dia teo aza ny fanompoan-tsampy sy ohatra mampalahelo nataon’ny olona nanodidina azy, dia naniry ny ho “mpandala bebe kokoa ny fahamarinana” i Abrahama (Abrahama 1:2). Novaliana soa ny fanirian’i Abrahama rehefa niditra tamina fanekempihavanana taminy i Jehovah.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ilay antsoina matetika hoe “Fanekempihavanan’i Abrahama” dia ahitana fampanantenana omen’ Andriamanitra antsika rehetra. Halalino ny Abrahama 2:8–11 mba ho zatra kokoa amin’ny ampahany amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama ianao, ary alaivo sary an-tsaina ny Tompo milaza ireo fampanantenana ireo aminao sy amin’i Abrahama ihany koa. Azonao asiana marika ireo fitahiana hitanao.

Sary
Ny Tompo miseho amin’i Abrahama, nataon’i Keith Larson

Ny fanekempihavanan’i Abrahama dia ahitana ireo fitahiana mandrakizay rehetra izay tonga avy amin’ny filazantsaran’ny Tompo, ireo ôrdônansin’nyfisoronana, ary ny fanambadiana selestialy. Io lalana io dia manomboka amin’ny fanekempihavanana iray atao amin’ny batisa ary mitohy mankany sy any ankoatry ny tempoly rehefa mankatò ireo fanekempihavanana nataontsika isika.

Hoy ny Filoha Russell M. Nelson momba ny fanekempihavanan’i Abrahama hoe:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ireo fitahiana faratampon’ny fanekempihavanan’i Abrahama dia omena any amin’ireo tempoly masina. … Noho ny Tompo Jesoa Kristy irery ihany no azo nanatanterahana ny fanekempihavanan’i Abrahama fahiny. Izy no nanao izay ahafahantsika miara-mitoetra amin’ Andriamanitra, sy miaraka Aminy ary amin’ny fianakaviantsika mandrakizay. (Ao amin’ny “Special Witnesses of Christ,” Ensign, apr. 2001, 7)

Sary
mpivady mijery ny tempoly

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary hevero ny hanisy marika ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fandehanana amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ny Tompo:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Inona no atao hoe lalan’ny fanekempihavanana? Ilay lalana mitondra mankany amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra izany. … Eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana (izay marihiko fa mbola mitohy aorian’ity fiainana ity), isika dia mandray ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana rehetra mifandray amin’ny famonjena sy ny fisandratana.

Ny fanolorantenantsika fototra manoloana ny fanekempihavanana nataontsika dia ny manatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny “hankatò ny didiny amin’ny zava-drehetra izay handidiany antsika” [Môzià 5:5]. …

… Ny fanekempihavanana atolotr’ Andriamanitra ny zanany dia mahavita mihoatra ny hoe mitarika antsika fotsiny. Mamatotra antsika Aminy izany, ary rehefa mifatotra Aminy dia afaka mandresy ny zava-drehetra isika. …

… Manome fanomezana saika tsy hay takarina mba hanampiana ny mpanao fanekempihavanana ho mpitandrina fanekempihavanana Andriamanitra: dia ny fanomezana ny Fanahy Masina izany. Izany fanomezana izany dia ny zo hanana lalandava ny Fanahy Masina ho namana sy hahazo lalandava ny fiarovany ary ny fitarihany. …

Rehefa eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika dia mahita koa ireo fitahiana tena ilaina dia ny famelan-keloka sy ny fanadiovana amin’ny fahotana izany. …

Ireo izay manaraka ny lalan’ny fanekempihavanana dia mahita fitahiana miavaka ihany koa ao amin’ireo fanangonana samihafa voatendrin’ Andriamanitra. … Ny fanangonana ara-bakiteny ireo fokon’i Isiraely niparitaka efa ela … dia eo am-pandehanana amin’izao fotoana izao miaraka amin’ny fanangonana ny vahoakan’ny fanekempihavanana ho ao amin’ny Fiangonana. … Misy fanangonana isan-kerinandro ny vahoakan’ny fanekempihavanana ihany koa isan-kerinandro … mba handray ny mofo sy ranon’ny fanasan’ny Tompo mba hahatsiarovana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. …

Ny vahoakan’ny fanekempihavanana dia mivondrona ao amin’ny tempoly ihany koa, izay tranon’ny Tompo, mba handray ôrdônansy sy tsodrano ary fanambarana tsy azo raha tsy any. …

Farany dia amin’ny alalan’ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ihany no ahafahantsika mandova ireo fitahian’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, dia ny fitahiana faratampon’ny famonjena sy fisandratana, izay Andriamanitra ihany no afaka manome azy. (“Ny antony handehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana,” Liahona, mey 2021, 116, 118)

Sary
sary famantarana, manaova asa

Mandraisa andraikitra

Nandinika ny Filoha Nelson fa “Ny fankasitrahana lehibe indrindra izay mety ho azo eto amin’ ity fiainana ity dia ny ho fantatra hoe mpitandrina fanekempihavanana.” (“Fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2011, 88). Mitadiava zavatra iray hataonao manomboka amin’ity herinandro ity mba handrosoanao amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Saintsaino ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy—Jehovah, Ilay Tsy Miova—manampy anao hahatratra ny tanjonao. Avy eo dia hevero ny mety hahafahanao manampy ny hafa eo amin’ny lalan’izy ireo manokana.