Institiota
Lesona 13 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manompo tahaka ny Mpamonjy


“Lesona 13 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manompo tahaka ny Mpamonjy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 13 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
I Jesoa mankahery vehivavy iray marary

Lesona 13 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Manompo tahaka ny Mpamonjy

Isika rehetra dia efa nahatsikaritra—ary indraindray tsy mbola nahatsikaritra—olona mila fanampiana. Mety mandalo andro sarotra fotsiny ny sasany. Mety miaina fanirery, tsy fahatokian-tena, hanoanana, fahadisoam-panantenana, na aretina ny sasany. Mety manontany tena isika hoe: inona no azoko atao? Rehefa mijery ny fiainan’ny Mpamonjy isika dia mahita ohatra be dia be amin’ny fomba “nandehandehanany nanao soa” (Asan’ny Apostoly 10:38). Rehefa mijery ny ohatra nasehony ianao dia diniho ny zavatra nianaranao momba ny fanompoana mba hanomezana ny zavatra ilain’ny hafa.

Fizarana 1

Inona no azoko ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy momba ny fanompoana?

Alaovy sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapan’ny Mpamonjy nandritra ny Fanasana Farany, rehefa nahita mialoha ny fijaliana mahatsiravina niandry Azy tao Getsemane sy teo ambonin’ny hazofijaliana. Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

Sary
Ny Loholona Jeffrey R. Holland

Tao anatin’ny vesatry ny fihetseham-po lalina … no nitsangana moramora i Kristy, nisikina tahaka izay ho nataon’ny andevo na ny mpanompo, dia nandohalika mba hanasa ny tongotr’ireo Apôstôly. (Jereo ny Jaona 13:3–17.) Ity vondrona kelin’ny mpino tao anatin’io fanjakana vao naorina io dia efa akaiky hiatrika ireo fitsapana mafy indrindra holalovan’izy ireo, ka dia ho namela ny fitaintainany izay efa nihombo Izy mba hahafahany manompo sy mampatanjaka azy ireo indray. (“He Loved Them unto the End,” Ensign, nôv. 1989, 25)

Sary
Manasa ny tongotr’i Petera i Jesoa

Rehefa avy nosasan’ny Mpamonjy ny tongotr’ireo Apôstôly dia nomeny didy vaovao izy ireo, izay ho tena ilain’ireo rehetra hikatsaka ny hanompo amin’ny anarany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Jaona 13:34–35, ary diniho ny antony mahatonga io didy io ho ivon’ny fanompoana.

Rehefa misaintsaina ny fiainan’i Jesoa Kristy isika, dia afaka mahita fa naneho tamintsika ny fomba fanompoana amim-pitiavana Izy.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio na jereo ny iray na ny maromaro amin’ireto zavatra niainana avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy manaraka ireto ary hevero ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehony sy ny fampianarany momba ny fanaovana asa fanompoana. Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny eritreritrao sy ny fahatsapanao ary ireo zavatra tonga ao an-tsainao.

Ny ankamaroantsika dia te hanompo ny hafa amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy. Saingy mety tsy fantatsika hoe ahoana na amin’ny fotoana inona no hanampiana. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa “ny manompo dia midika hoe manaraka izay zavatra tsapanao mba hanampiana olona iray hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainany” (ao amin’ny Sheri L. Dew, Insights from a Prophet’s Life: Russell M. Nelson [2019], 349).

Ny Filoha Henry B. Eyring dia nanome ity torohevitra manaraka ity:

Sary
Ny Filoha Henry B. Eyring

Ny [Tompo dia mikasa] ny hifampikarakaran’ ireo Olomasiny amin’ny fomba ikarakarany azy ireo. … Nahomby izy ireo rehefa mitarika ireo mpikarakara ny Fanahy Masina hahafantatra ny zavatra hain’ny Tompo fa tsara indrindra ho an’ilay olona izay ezahiny ampiana. (“Fanompoana entanim-panahy,” Liahona, mey 2018, 62)

Hanosika antsika matetika hanompo amina fomba kely sy tsotra ny Fanahy Masina Ny Filoha Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nampianatra toy izao:

Sary
Ny Filoha Jean B. Bingham

Indraindray isika dia mieritreritra fa mila manao zavatra goavana sy mitaky herim-po vao “raisina” ho manompo ny namantsika. Kanefa ny fanaovana asa fanompoana tsotra dia afaka ny hisy fiantraikany lalina amin’ny hafa, sy amintsika ihany koa. Inona no nataon’ny Mpamonjy? … Izy … dia nitsiky, niresaka, niara-nandeha, nihaino, nanokana fotoana, namporisika, nampianatra, namoky sy namela heloka. Nitovy ny nanompoany ny fianakaviana sy ny namana, ny mpiray monina sy ny vahiny, ary nanasa ireo olom-pantatra sy ireo olon-tiany Izy mba higoka ireo fitahiana lehibe entin’ny filazantsarany. Ireo asa fanompoana sy fitiavana “tsotra” ireo dia manome ny maodely arahina ho an’ny fanompoana ataontsika ankehitriny. (“Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” Liahona, mey 2018, 104)

Sary
I Jesoa manompo renim-pianakaviana iray

Vakio ity teny nambaran’i Sharon Eubank, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany, manaraka ity, ary hevero ny zavatra azonao atao mba hahatonga ny fanompoana ho zavatra iainana manan-danja sy avy amin’ny tena manokana kokoa.

Sary
Rahavavy Sharon Eubank

Raha manova ny fomba fijerintsika isika mba tsy ho resaka fanomezan-javatra loatra ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana fa famaliana kosa ny hetaheta mba hifandray aman’olona, fanomezana fahafahana hanao fifanakalozan-kevitra manan-danja, ary famoronana fifandraisana mahasoa sy tsara, dia afaka mandefa antsika amina toerana iray ny Tompo. … Te hampiasa anao ny Tompo. Misy asa tokony hataonao, ary natao ho anao sy sahaza ny fahaizanao manokana izany. Tsy misy olona hahasolo anao amin’ilay iraka ampanaovina anao. … Tadidio fa, tahaka ny Mpamonjy, ny tenanao dia isan’ireo fanomezana tsara indrindra azonao omena ireo olona hafa mila fanampiana. (“Turning Enemies into Friends” [Lahateny tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, jan. 23, 2018], speeches.byu.edu)

Sary
vehivavy mifamihina
Sary
sary famantarana, ifanakalozy hevitra

Ifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Anontanio an’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, namana, na mpiara-mianatra ny fomba anompoan’izy ireo ny hafa. Azonao atao ihany koa ny miresaka ny zavatra izay misakana antsika indraindray amin’ny fanompoana ireo izay mila fitiavana tahaka ny an’i Kristy.

Fizarana 2

Inona no azoko ianarana avy amin’ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy nataon’ny Mpamonjy momba ny fanompoana?

Tamin’ny andron’i Jesoa Kristy dia nisy fifankahalana lehibe teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana. Nataon’ny Jiosy tsinontsinona ny Samaritana satria izy ireo dia “manana ila Isiraelita sy ila Jentilisa” ary ny “ny fivavahan’izy ireo dia fifangaroana finoana sy fanao jiosy sy jentilisa” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Samaritana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Rehefa niezaka nanamarina ny zavatra nataony momba ilay didy hoe “tiava ny namanao” ilay mpahay lalàna iray (ny mpahay lalàna tamin’izany fotoana izany dia nanam-pahaizana momba ny lalàn’i Mosesy), dia nanontany ny Tompo izy hoe: “Iza ary no namako?” (Jereo ny Lioka 10:25–29.) Namaly tamin’ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ny Tompo.

Sary
Ilay Samaritana tsara fanahy, nataon’i Walter Rane
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Lioka 10:30–37, dia eritrereto ny zavatra azonao ianarana momba ny fanompoana ny hafa.

Ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra toy izao:

Sary
Ny Loholona Gerrit W. Gong

Eo amin’ny lalana mamovoka alehantsika mankany Jeriko dia voatafika sy maratra ary misedra fanaintainana isika.

Na dia tokony hifanampy aza isika dia matetika loatra no miampita ilay arabe, mamorona antony iray.

Saingy noho ny fangorahany, ilay Samaritana tsara fanahy dia mijanona ka mamehy ny ferintsika. … Entiny ao amin’ilay tranom-bahiny, izay maneho ihany koa ny Fiangonany isika. …

… I Jesoa Kristy dia manasa antsika ho lasa tahaka Azy, ho Samaritana tsara fanahy, hanao ny tranom-bahininy (ny Fiangonany) ho fialofana ho amin’ireo ratra sy tafiotry ny fiainana. (“Toerana ao an-tranom-bahinyLiahona, mey 2021, 24–25)

Sary
lehilahy telo miresaka
Sary
sary famantarana, manaova asa

Manaova asa

Iza no tsapanao fa tokony hampaherezina, na hatanjahina, na omena risi-po? Inona no fanompoana tahaka ny an’i Kristy azonao atao ho an’io olona io? Hevero ny hanao drafitra hanompoana.