Institiota
Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mandray ny fanomezam-pahasoavana masin’ny famindram-pon’ny Mpamonjy


“Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mandray ny fanomezam-pahasoavana masin’ny famindram-pon’ny Mpamonjy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
I Jesoa Kristy manolotra ny tanany amin’ny lehilahy iray

Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mandray ny fanomezam-pahasoavana masin’ny famindram-pon’ny Mpamonjy

Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa ho kivy noho ny fahotanao, ny fahadisoanao, sy ny fahalemenao ary ny kilemanao? Moa ve ianao efa niteny tamin’ny tenanao hoe “Tsy mahay firy tsotra izao aho” na “Tsy hahavita azy mihitsy aho”? Eo am-pandalinanao dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny fahasoavan’ny Tompo manavotra anao amin’ny fitsikerana tena sy manova ny fahalemenao ho tanjaka (jereo ny Etera 12:27), ary manome hery anao mba ho tsara kokoa sy hanao soa mihoatra noho izay vitanao irery.

Fizarana 1

Nahoana aho no mila ny fahasoavan’ny Mpamonjy?

Nijoro ho vavolombelona ny Apôstôly Paoly hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mpampahery ahy” (Filipiana 4:13 Antsoina hoe fahasoavana izany hery mampatanjaka na manome fahafahana izany ary “ampitaina amintsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo” (Gospel Topics, “Grace,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

Nasehon’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fanoharana momba ny tena voaloboka ny filantsika ny fahasoavany.

Sary
Kisary misy soratra ahitana ny voaloboka, sampana, voankazo
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Jaona 15:1–8, ary eritrereto hoe inona no azon’ireo tandindona ao amin’ity fanoharana ity ampianarina antsika mikasika ny filantsika ny fanampian’ny Tompo. ( Ny “tomoera” ao amin’ny andininy 4 dia azo adika hoe “mijanona.”

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza toy izao momba ity fanoharana ity:

Sary
Ny Loholona Jeffrey R. Holland

I Kristy dia zava-drehetra ho antsika ka tokony “hitoetra” ao Aminy mandrakariva isika, tsy voahozongozona, amim-pahatokiana, mandrakizay. Mba hampitsiriana ny voan’ny filazantsara sy hitahian’izany ny fiainantsika dia tsy maintsy mifamatotra Aminy mafy isika. … Izy no voaloboka izay loharanon-kery tena izy ho antsika ary ilay hany loharanon’ny fiainana mandrakizay. (“Demeurez en moi,” Liahona, mey 2004, 32)

Ny fitoerana, na fijanonana, ao amin’i Jesoa Kristy dia manome fahafahana antsika handray ny fahasoavany mba hahafahantsika mandresy ny fahotana sy mahafantatra ny tena maha-isika antsika. Nampianatra i Lehia hoe: “Tsy misy nofo izay afaka mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra raha tsy noho ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina” (2 Nefia 2:8). Ary i Môrônia dia nijoro ho vavolombelona fa amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy dia afaka ny ho tonga tahaka Azy isika—hamasinina sy hatao tanteraka ary ho tonga masina (jereo ny Môrônia 10:32–33).

Sary
Masoandro mamirapiratra amina tanora

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny fahasoavana azo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia “manampy antsika hahita sy hanao ary ho tonga tsara amin’ny fomba izay tsy ho fantatsika na ho vitantsika amin’ny fahafahantsika eto an-tany izay voafetra” (“Avec la force du Seigneur,” Liahona, nov. 2004, 77).

Sary
sary famantarana, ifanakalozy hevitra

Ifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mifanakaloza hevitra amin’ny namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana ny amin’ny fomba hanazavany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy ny fomba hiainany ny fahasoavany.

Fizarana 2

Inona no anjara asan’ny finoako sy ny fankatoavako eo amin’ny fandraisako ny fahasoavan’ny Mpamonjy?

Sary
Olona mihazona fanomezana
Sary
Vola madinika mivoaka avy ao anaty poketra

Diniho ireto sary roa nampiarahina ireto. Ireo sary ireo dia afaka maneho fomba fijery roa momba ny fahasoavan’ Andriamanitra. Ny sasany dia mihevitra ny fahasoavana ho fanomezana izay omena maimaim-poana na inona na inona ataontsika eo amin’ny fiainana. Ny hafa mino fa afaka mahazo ny fahasoavan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa tsara ataontsika isika. Hoy ny Loholona Holland momba ireo fomba fijery roa tsy feno ireo:

Sary
Ny Loholona Jeffrey R. Holland

Ny fanomezam-pahasoavana sasany avy amin’ny Sorompanavotana dia manerana izao rehetra izao, tsy misy fetra ary tsy misy fepetra. Anisan’izany ny fanonerana nataony noho ny fandikan-dalàna nataon’i Adama tany am-boalohany … [sy] ny Fitsanganana amin’ny maty. …

Ny lafiny hafa amin’ny fanomezam-pahasoavana manavotr’i Kristy dia misy fepetra. Miankina amin’ny fahazotoan’ny olona iray amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra izy ireo. Ohatra, na dia foanana maimaim-poana amin’ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviamben’ny zanak’olombelona aza ny vokatry ny fahotan’i Adama ka tsy itakiana ezaka avy amin’izy ireo manokana izany, dia tsy foanana ny vokatry ny fahotan’izy ireo manokana raha tsy mitoky amin’ny finoana an’i Kristy [sy] mibebaka amin’ireo fahotana ireo. …

Mazava ho azy fa ireo fitahiana tsy misy fepetra avy amin’ny Sorompanavotana dia tsy azo noho ny ezaka atao manokana, fa ireo izay misy fepetra dia tsy mendrika ho azo tanteraka koa. Amin’ny alalan’ny fiainana amim-pahatokiana sy fitandremana ny didin’ Andriamanitra dia afaka mahazo tombontsoa fanampiny ny olona iray; nefa mbola omena malalaka fa tsy azo noho ny ezaka atao manokana anefa. (“The Atonement of Jesus Christ,” Ensign, Mar. 2008, 35)

Raha niresaka momba ireo fanomezam-pahasoavana misy fepetra azo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy i Nefia dia nilaza hoe: “Fantatsika fa noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” (2 Nefia 25:23). Nahatsiaro ho sahirana ny sasany tamin’ilay andian-teny hoe “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao”. Mba hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa ny tenin’i Nefia dia vakio ireto teny manaraka ireto izay nataon’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana:

Sary
Loholona Dieter F. Uchtdorf

Manontany tena aho indraindray sao diso ny fandraisantsika ny teny hoe “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.” Tsy maintsy tokony ho takatsika fa ny hoe “rehefa” dia tsy mitovy amin’ny hoe “noho.”

Tsy voavonjy isika “noho” ireo zavatra rehetra azontsika atao. Moa ve isika rehetra samy nahavita ny zavatra rehetra izay azontsika natao? Moa ve Andriamanitra miandry antsika hahavita ny ezaka rehetra alohan’ny hidirany an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika miaraka amin’ny famindrampony mahavonjy? …

Tena azoko antoka fa fantatr’i Nefia fa ny famindrampon’ny Mpamonjy no mamela antsika sy ahafahantsika mandresy ny fahotana [jereo ny 2 Nefia 4:19–35Almà 34:31]. Izany no antony nahatonga an’i Nefia niasa mafy mba handresy lahatra ireo zanany sy rahalahiny “mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra” [2 Nefia 25:23]. (Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 110.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Tsy mila maneho fahaiza-manao kely na hatsaram-panahy kely akory isika dia efa tonga ny fanampian’ Andriamanitra—fanampiana avy Aminy izay afaka ny ho azontsika isan’andro isan’ora, na aiza na aiza misy antsika eo amin’ilay lalan’ny fankatoavana. … Ny fiangaviako dia ny hoe ho tompon’andraikitra fotsiny ary mandeha miasa mba hisy hahafahan’ Andriamanitra manampy antsika. (D. Todd Christofferson, “Afaka mandrakizay, hihetsika ho azy,” Liahona, nôv. 2014, 19)

Sary
Loholona Bruce C. Hafen

Ny fanomezan’ny Mpamonjy fahasoavana dia tsy voatery ho voafetra ao anatin’ny fotoana hoe “aorian’ny” zavatra rehetra azontsika atao. Mety hahazo ny fahasoavany isika mialoha, mandritra, ary aorian’ny fotoana rehefa manitatra ny ezaka ataontsika manokana. (Bruce C. Hafen, The Broken Heart: Applying the Atonement to Life’s Experiences [1989], 155–56.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona avy ireo hevi-diso henonao momba ny fahasoavan’ny Mpamonjy? Ahoana no ahafahan’ny zavatra ianaranao momba ny fahasoavana mitahy anao sy ny hafa fantatrao?

Fizarana 3

Ahoana no ahafahan’ny fahasoavan’ny Mpamonjy manova ny fiainako?

Efa niaina ny fanaintainana, ny fakam-panahy, ny rofy ary ny fahalemen’ny fiainana an-tany rehetra i Jesoa Kristy, ka fantany ny fomba hanampiana antsika (jereo ny Hebreo 2:18; 4:15; Almà 7:11–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:1). Satria sady Mpamonjy vonona no manana fahafahana hanao izany i Jesoa Kristy, isika dia afaka “hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4:16).

Sary
Tanora iray mivavaka
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ny zavatra azonao ianarana momba ny fikatsahana na ny fandraisana ny fahasoavan’ny Tompo avy amin’ny iray na maromaro amin’ireto tantara ao amin’ny soratra masina manaraka ireto.

Rehefa mamaky ianao dia diniho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  1. Ahoana no nanehoana ny fahasoavana?

  2. Inona no nataon’ilay olona (na ireo olona) mba hanasana na hianteherana amin’ny fahasoavan’ny Tompo?

  3. Ahoana no ampifandraisako an’io tantara io amin’ny fiainako?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Eritrereto ary raketo ny fotoana iray izay tsapanao fa nandraisanao ny fahasoavan’ny Tompo. Ataovy ao an-tsaina fa matetika ny fahasoavana dia tonga amin’ny fomba kely sy tsotra. Miomàna hizara ohatra iray ao am-pianarana.