Institiota
Lesona 8 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manaiky an’i Jesoa Kristy ho Ilay Mesia nampanantenaina


“Lesona 8 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manaiky an’i Jesoa Kristy ho ilay Mesia nampanantenaina,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 8 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
Mianara momba an’i Jesoa, nataon’i Dan Burr

Lesona 8 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Manaiky an’i Jesoa Kristy ho ilay Mesia nampanantenaina

Mieritrereta fotoana iray niainanao endrika fanamby ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetsehampo, na ara-panahy. Taiza ianao no nitady fanampiana? Ireo mpaminany taloha dia nijoro ho vavolombelona fa ho avy hampionona, hampahery ary hanasitrana antsika ny Mesia. Rehefa mandalina ny sasany amin’ireny faminaniana masina ireny ianao, dia hevero ny fomba ahafahan’i Jesoa, ilay Mesia, manampy anao.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahan’ny fanekena an’i Jesoa Kristy ho ilay Mesia mitondra fanasitranana ho ahy?

Tahaka ny fiandrasantsika ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany, no niandrasan’ny vahoakan’ny fanekempihavanana tao amin’ny Testamenta Taloha ny fahatongavana voalohan’ilay Mesia, ilay mpanafaka,. Araka ny nambaran’ny mpaminanin’ny Testamenta Taloha, ilay Mesia dia ho taranaky ny Mpanjaka Davida ary hanafaka ny olony. “Ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia antsoina hoe Kristy ilay mpanafaka, izay teny grika mitovy amin’ny hoe Mesia” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mesia”).

Nanoratra faminaniana maro momba ny Mesia sy ny nanirahana Azy i Isaia (jereo ny Isaia 9:6; 7:14–15; 11:1–9; 35:5; 51:4–8; 52:9–10).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Isaia 61:1–3, ary hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny Mesia sy ny asa nanirahana Azy. (Fanamarihana: Taloha ny lavenona dia nafafy tamin’ny loha mba hanehoana alahelo amin’ny andro fahoriana sy fisaonana. Fomba tamin’izany ny manomana lanonana amin’ny alalan’ny fihosora-menaka sy fanaovana akanjo firavoravoana. Ny hazo dia nampiasaina matetika ho sariohatra maneho ny olona.)

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza momba ny Isaia 61:1–3 hoe: “Ireo andininy ireo dia voasokajy ho isan’ireo mampihetsi-po sy manan-danja indrindra voasoratra hatrizay, indrindra fa raha jerena ny hevitra marina momba ny Mesia izay ananany” (Christ and the New Covenant [1997], 89).

Sary
The Prophet Isaiah Foretells Christ’s Birth [Nilaza mialoha ny hahaterahan’i Kristy ny mpaminany Isaia], nataon’i Harry Anderson

Na dia nameno fanantenana sy fiandrandrana fanafahana ny Jiosy aza ny faminaniana toy izany, hatramin’ny fotoan’ny Testamenta Vaovao dia betsaka ireo “nitady fanafahana amin’ny fahefana romana sy fanambinana bebe kokoa ho an’ny firenena fotsiny ihany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mesia”). Rehefa tsy nahafeno izay zavatra nandrasana izay i Jesoa, dia maro ny nandà ny filazany ny tenany ho ilay Mesia nampanantenaina hatry ny ela.

Sary
I Jesoa tao amin’ny Synagôga tao Nazareta, nataon’i Greg K. Olsen

Ohatra, tany am-piandohan’ny asa fanompoany dia niverina tany an-tanindrazany tany Nazareta i Jesoa ary nankao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata. Nijoro hamaky teny tao amin’ny soratra masina izy, nanokatra ny horonan-taratasy ary namaky mafy ny Isaia 61:1–2. Nanambara Izy avy eo fa Izy no fahatanterahan’ny faminaniana momba ny Mesia (jereo ny Lioka 4:16–21). Ny olona nanatrika teo dia talanjona, tezitra ary nitady hamono Azy (jereo ny Lioka 4:22–30).

Tahaka ireo olona tany Nazareta, dia tsy maintsy manapa-kevitra isika tsirairay raha hanaiky an’i Jesoa ho ilay Mesia. Raha nijoro ho vavolombelona ny amin’ny toetra manokana ananan’ny asa nanirahana ny Tompo amin’ny maha-Mesia Azy, ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

Sary
Loholona Gerrit W. Gong

Velona Izy, tsy tamin’izany ihany fa ankehitriny koa, tsy ho an’ny sasantsasany ihany, fa ho an’ny rehetra. Tonga Izy tamin’izany ary mbola tonga ankehitriny hanasitrana ny malahelo, hanafaka ny mpifatotra, hampahiratra ny jamba, ary hanafaka izay nampahorina (jereo ny Lioka 4:18]. Izany hoe isika tsirairay. Mihatra amintsika ny fampanantenany manavotra, na toy ny ahoana ny lasantsika, na ny fiainantsika ankehitriny, na izay ahiahintsika momba ny hoavintsika. (“Hôsana sy Aleloia—Ilay Jesoa Kristy Velona: Ivon’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Paska,” Liahona, mey 2020, 53)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no nanampian’ny Mesia anao tamin’ny fotoana nahatsapanao ho torotoro fo na niainanao ratram-panahy? Raha tsy azonao antoka hoe ahoana no hamaliana io fanontaniana io, dia hevero ny antony mety haha-zava-dehibe ny fikatsahana ny fanampiany sy ny heriny manasitrana eo amin’ny fiainanao.

Fizarana 2

Inona no nataon’ny Mesia ka nahafahany nanasitrana sy nanampy ahy?

Mety mahalala zavatra kely momba ny fijaliana sy fanaintainana avy amin’ny zavatra niainanao manokana ianao farafahakeliny. Ary mety efa hitanao tamin’ny fiainan’ny hafa manodidina anao izany. Miezaha maka sary an-tsaina ny hoe mety ho ahoana no niainan’i Jesoa Kristy ny fahorian’ny olona ara-batana, ara-pihetseham-po ary ara-panahy rehetra, ho an’ny olona rehetra nandritra ny fotoana rehetra, ao anatin’izany ianao.

Ny Isaia 53 dia isan’ireo fanambarana hahazoana hevitra maro indrindra ao amin’ny soratra masina momba ny fijalian’i Jesoa Kristy ho antsika. Ny tena marina dia nolazain’ny Loholona Holland fa io no “fanambarana ny fiainana sy fahafatesana ary sorompanavotan’ny Tompo Jesoa Kristy ambony indrindra sy lava indrindra ary amin’ny fomba maneho fihetseham-po indrindra” (Christ and the New Covenant [1997], 89).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Isaia 53:3–6, 8, 11–12 ary hevero ny hanamarika ny zavatra niainan’ny Mesia mba hahafahany manasitrana sy manavotra anao.

Sary
Ny fandrabirabiana an’i Kristy, nataon’i Carl Heinrich Bloch

Rehefa nitory tamin’ny Nefita ny mpaminany Almà Zanany dia nofaritany ny habe sy ny halalin’ny fijalian’ny Mesia.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 7:11–12 ary eritrereto tsara ny zavatra niaretan’i Jesoa sy ny anton’izany. (Fanamarihana: ny Mamonjy dia midika hoe “mihazakazaka mankamin’ny, na mihazakazaka mba hanohana; noho izany, hanampy na hanamaivana amin’ny sarotra, tsy fisiana na fahoriana; mba hanampy sy hanafaka amin’ny fijaliana” (Webster’s Dictionary [1828].)

Sary
vehivavy tanora hita ho malahelo

Nampianatra ny Filoha Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

Sary
Ny Filoha Jean B. Bingham

Tao anatin’ny 33 taona niainany teto an-tany, i [Jesoa Kristy] dia niaritra fandavana; fanenjehana, hanoanana ara-batana, hetaheta, ary harerahana; fanirery; teny maharary sy herisetra ara-batana; ary ny farany, dia fahafatesana tamin’ny fomba feno habibiana teo am-pelatanan’ireo olona ratsy fanahy. Tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana tao Kalvary Izy dia nahatsapa ny fanaintainana, ny fahoriana, ny fakam-panahy, ny aretina, ary ny rofintsika rehetra.

Na inona na inona zavatra efa nozakaintsika dia Izy no loharanon’ny fanasitranana. Ireo izay niaina izay mety ho karazana fanararaotana, na famoizana tena nampalahelo, na aretina mitarazoka, na fahoriana tsy nahafahana nandroso, na fanendrikendrehana, na fanenjehana feno fitaka, na fahavoazana ara-panahy vokatry ny fahotana, na ny tsy fifankahazoan-kevitra dia azo sitranina avokoa amin’ny alalan’ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao. Na izany aza dia tsy hiditra Izy raha tsy asaina. Tokony hanatona Azy isika dia hamela Azy hanatanteraka ny fahagagana avy Aminy. (“Ka ho tanteraka ny fifalianareo,” Liahona, nôv. 2017, 86)

Rehefa niresaka momba ny fomba amonjen’ny Tompo antsika ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nilaza izao:

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks

Noho ny Sorompanavotany dia manana hery mba hamonjena—mba hanampiana—amin’ny fanaintainana sy fahoriana ara-batana tsirairay ny Mpamonjy. Indraindray ny heriny dia manasitrana rofy iray, fa ny soratra masina sy ny traikefantsika anefa dia mampianatra fa indraindray dia mamonjy na manampy amin’ny fanomezana hery na faharetana mba hahafahantsika maharitra ny rofintsika Izy. (“Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2015, 62)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao

Mieritrereta olona iray fantatrao izay miady mafy amina toe-javatra sarotra. Hevero ny hanoratra hafatra azonao zaraina aminy momba ny fahafahan’i Jesoa Kristy manamafy orina sy manafaka antsika. Zarao aminy izany raha mahatsapa ho voatosika hanao izany ianao.