Institiota
Lesona 9 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miravoravo amin’ny fahaterahana masin’i Jesoa Kristy


“Lesona 9 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miravoravo amin’ny fahaterahana masin’i Jesoa Kristy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 9 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra, nataon’i Walter Rane

Lesona 9 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Miravoravo amin’ny fahaterahana masin’i Jesoa Kristy

Fotoana be voninahitra ny fahaterahana mahagagan’i Jesoa Kristy. Nihira fiderana an’ Andriamanitra ireo iraka avy any an-danitra (jereo ny Lioka 2:11–14), nitsaoka an’i Jesoa Kristy tao an-tranon’omby ny mpiandry ondry feno fanetrentena (jereo ny Lioka 2:15–16), ary nanome voninahitra tamin’ny fanomezana ny Magy (jereo ny Matio 2:11). Ireo lesona ao amin’ny fizarana 3 dia hanome anao fahafahana hampitombo ny fahatakaranao ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy tety an-tany. Ny fahaterahany sy ny fiainany dia tena mitondra “teny soa mahafaly … dia fifaliana lehibe… ho an’ny olona rehetra” (Lioka 2:10). Hevero ny hijery ny horonan-tsary “The Nativity (Ny fahaterahan’i Jesoa Kristy)” (2:59) mba hametrahana ny lamina entinao mieritreritra mandritra ny fandalinanao.

Fizarana 1

Rehefa manana fahatakarana momba ny ny ray aman-dreny niavian’i Jesoa Kristy aho, dia ahoana no hampitomboan’izany ny fatokiako ny heriny hamonjy ahy?

Toy ilay toetra miavaka nolovainao avy amin’ ny fototarazon’ny ray aman-dreninao, i Jesoa Kristy dia niavaka tamin’ny zavatra noraisiny avy amin’ireo ray aman-dreniny. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Almà dia naminany fa ny Mpamonjy dia “haterak’i Maria … izy izay virjiny, fanaka iray sarobidy sy nofinidy … ary [izy dia] hiteraka zazalahy, eny, dia ny Zanak’ Andriamanitra” (Almà 7:10). Eritrereto ny fomba ifandraisan’ny ray aman-dreny niavian’ny Mpamonjy amin’ny fahafahany nanatanteraka sorompanavotana ho an’ny olona rehetra.

Sary
Mihaino ny anjely Gabriela i Maria

Manomboka mahita io fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny niavian’ny Mpamonjy sy ny hery hanavotra ananany isika rehefa niseho tamin’i Maria ny anjely Gabriela ary niteny taminy fa hiteraka zazalahy hantsoina hoe Jesoa izy (jereo ny Lioka 1:26–31).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Lioka 1:32–35, ary mariho ny fomba namaritan’i Gabriela ilay Zanakalahy haterak’i Maria. Fanamarihana: Ny soratra masina izay miresaka momba ny nanorontoronina an’i Jesoa Kristy dia manamafy fa Zanak’ Andriamanitra Izy fa tsy manambara ny fomba nisehoan’io fahagagana io [jereo ny Matio 1:18–20; 1 Nefia 11:15, 18–21; Almà 7:10].)

Rehefa nilaza ny fahaterahan’i Jesoa Kristy tamin’ny mpiandry ondry teo akaiky teo ilay anjely, dia niantso ilay zaza ho “Mpamonjy … dia Kristy Tompo” (Lioka 2:11; jereo ihany koa ny Lioka 2:9–10). Ny fahafahan’i Jesoa Kristy ho lasa Mpamonjy antsika dia azo notanterahina satria nateraka Raytsy mety maty (Ray any An-danitra) sy reny mety maty (Maria) Izy. Noho ny reniny mety maty, dia afaka nahatsapa tanteraka ireo fanaintainana, alahelo ary fakam-panahin’ny fiainana tety an-tany i Jesoa (jereo ny Hebreo 4:15). Ireo zavatra niainany tamin’ny fiainana an-tany ireo dia nahafahan’ny Mpamonjy “[nahafantatra] araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12 Noho ny Rainy tsy mety maty dia afaka nizaka ireo olana rehetra amin’ny fiainana an-tany i Jesoa.

Noho ny reniny mety maty dia afaka ny ho faty i Jesoa. Noho ny Rainy tsy mety maty dia afaka nandresy ny fahafatesana i Jesoa.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Jaona 10:17–18, ary hevero ny fomba nahatonga ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho azo notanterahina tamin’ny alalan’ny fananany ray aman-dreny miavaka.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson

Ny iraka nampanaovina an’i [Jesoa Kristy] dia ny Sorompanavotana. . Izy irery ihany no nirahina nanao io asa io. Izy izay nateraky ny reny mety maty sy Ray tsy mety maty no hany afaka nanolotra ny ainy an-tsitrapo ary naka izany indray (jereo ny Jaona 10:14–18). Tsy misy fetra ary maharitra mandrakizay ny vokany tena lehibe nentin’ny Sorompanavotana nataony. Nesoriny ny fanaintainan’ny fahafatesana ary nataony ho zavatra mandalo vetivety ny alahelo avy amin’ny fasana. (“Ny Asa Nanirahana an’i Jesoa Kristy sy ny Asa Fanompoana Nataony,” Liahona, apr. 2013, 22)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no ampianarin’io toetra mandray roa ananan’i Jesoa Kristy io anao momba ny fahafahany mahatakatra ny zavatra mahazo anao amin’ny fiainana an-tany ary mamonjy anao amin’ny mandrakizay?

Fizarana 2

Nahoana no maneho ny fitiavan’i Jesoa Kristy ahy ny fahaterahany sy ny fiainany?

Eritrereto vetivety fa tena mahagaga izany hoe ilay Jehovah Lehibe, izay nahary ny tany no ho tonga etỳ an-tany toy ny zaza tsy afa-manoatra. Tao anatina fahitana no nahitan’i Nefia io zavatra natao io ho toy ny fanehoam-pitiavana.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 11:13–22, ary hevero ny zavatra azon’ny fahaterahan’ny Mpamonjy ampianarina anao momba ny fitiavany sy ny fitiavan’ny Rainy anao. (Fanamarihana: Ny teny hoe fiambaniana dia midika hoe midina an-tsitrapo avy amina toerana iray ambony kokoa mankamina toetra na toe-javatra iray ambany kokoa. Hevero ny fomba ahafahan’io fiambaniana voafaritra ao amin’io soratra masina io mihatra amin’ny Ray sy ny Zanaka.)

Sary
I Maria mihazona an’i Jesoa zazakely

Rehefa niresaka momba ny fiambanian’i Jesoa Kristy ny Filoha Tad R. Callister, izay Filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany teo aloha, dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Tad R. Callister

Andriamanitra Zanaka dia nanakalo ny fonenany tany an-danitra niaraka tamin’ny hakanton’ny lanitra rehetra tamin’ny fahatongavana ety amin’ny toerana araka ny fiainana an-tany miaraka amin’ireo zavatra iainana mifandray amin’ny fiainana an-tany. … Natakalony an’ilay fiankinan-doha amin’ny maha-zaza ilay fanjakana amin’ny maha-andriamanitra. … Fifanakalozana tsy nitovy lanja mihitsy izany. … Ilay Jehovah lehibe, mpamorona ny tontolo tsy hita isa, izay manana hatsaran-toetra sy hery tsy manam-petradia niditra teto amin’ity tontolo ity voahodidina lamban-jaza sy tao an-tranon’omby. (The Infinite Atonement [2000], 64)

Nianatra misimisy kokoa momba ny fiambanian’i Kristy i Nefia rehefa nahita tao anatina fahitana ny Mpamonjy nanompo teo anivon’ny olona sy nanasitrana ny fahorian’izy ireo (jereo ny 1 Nefia 11:26–31).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 11:32–33, dia diniho hoe hatraiza no niambanian’ny Mpamonjy ho anao (jereo ihany koa ny 2 Nefia 26:24).

Sary
I Jesoa mitondra ny hazofijaliany

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Ny Loholona D. Todd Christofferson

Rehefa miresaka momba ny nahaterahan’i Jesoa Kristy isika dia misaintsaina araka ny tokony ho izy ny zavatra ho avy manaraka. Tsy nisy fetra ny lanjan’ny fahaterahany noho ireo zavatra handeha hiainany sy hijaliany mba hahafahany mamonjy antsika kokoa, ary ireo rehetra ireo dia nitondra ho amin’ny Fanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana sy ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Almà 7:11–12). Saingy ny asa nanirahana Azy dia nahitana ihany koa ny hatsaran’ny fanompoany, ny fahagagana tao anatin’ny asa fanompoany, ny fanamaivanana nentiny ho an’ireo izay nijaly ary ny fifaliana natolony, sy mbola atolony an’ireo malahelo. (“Soyez en paix,” Liahona, des. 2015, 30)

Sary
Manasa ny tongotr’ireo mpianany i Jesoa

Hevero ny ohatra miavaka omen’ny fiambanian’ny Mpamonjy antsika. Ny Eveka Richard C. Edgley, izay nanompo tao amin’ny Episkôpa Mpiahy, dia nanazava hoe:

Sary
Ny Eveka Richard C. Edgley

Koa midika inona ho antsika izany? Ny fahatakarantsika ny fiambanian’i Kristy dia tokony hihoatra ny fahatsapantsika fitalanjonana sy fankasitrahana lalina. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonany antsika, izay nantsoina mba hisolo tena Azy sy hijoro ho vavolombelona momba Azy, dia ny miezaka maka tahaka Azy no fahafahana lehibe ananantsika. …

Tahaka ny Mpamonjy, ny soa lehibe indrindra ho antsika dia mety ho tonga amin’ny alalan’ny fanompoanana dia “ny kely indrindra amin’ireto rahalahiko ireto” aza [Matio 25:40]. Tokony hotadidintsika fa na inona na inona toe-javatra misy antsika eo amin’ny fiainana na inona antso manokana ananantsika, ny olona rehetra dia zanaka malalan’ Andriamanitra; ary adidintsika ny manompo na dia ireo sahirana indrindra aza ary ny manompo azy ireo araka izay ho nanompoan’ny Tompo azy ireo. (“The Condescension of God,” Ensign, des. 2001, 20, 21)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao

Makà fotoana hamakiana na hihainoana ny tonon’ny iray na ny maromaro amin’ireto hira ao anaty fihirana ireto. Avy eo dia raketo an-tsoratra ny eritreritra sy fahatsapana anananao. Saintsaino fa ny Mpamonjy dia “[nidina] ho ambanin’ny zava-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6) mba hahafahany mamonjy anao. Hevero ihany koa ny fomba mety hahafahanao manaraka ny ohatra nataony amin’ny fanompoanao ny hafa.

  • A toi, Dieu, notre Père” (Cantiques, no. 100)

  • “’Chantons du Christ le grand amour!” (Cantiques, no. 103)

  • Jésus de Nazareth, Sauveur et Roi” (Cantiques, no. 105)

  • Notre Dieu nous a tant aimés” (Cantiques, no. 111)

  • Endrey mahagaga ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44)