Institiota
Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mahita fanantenana amin’ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana


“Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mahita fanantenana amin’ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
Fasana foana nisy an’i Jesoa Kristy

Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mahita fanantenana amin’ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana

Fitahiana ny vatantsika! Farafaharatsiny dia mora ny manana izany fahatsapana izany rehefa salama isika. Saingy ahoana rehefa misedra zavatra toy ny hanohanana, na aretina, na ratra, na fahasembanana isika? Hitanao ve indraindray ireo fiantraikan’ny fahanterana izay mampahosa ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na efa nisedra ny fahafatesan’ny olona akaikin’ny fo iray ve ianao? Eo am-pieritreretanao momba ny fijaliana ara-batana sy ny fahafatesana dia hevero ny ahafahan’ny fampiorenam-paka ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty mitondra fanantenana sy fiadanana ho anao.

Fizarana 1

Manamafy orina ny finoanao amin’ny fomba ahoana ny fandalinana ny tantaran’ny Fitsangan’ny Mpamonjy tamin’ny maty?

Taorian’ny nanomboana an’i Jesoa Kristy dia napetraka tao amin’ny fasana iray ny vatany. Ny marainan’ny andro fahatelo dia hitan’i Maria Magdalena fa foana ilay fasana ka nitomany izy. Nanontany azy ny antony nitomaniany ny anjely roa. Dia hoy izy namaly “Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy” (Jaona 20:13).

Sary
I Maria mitomany eo ivelan’ny fasana
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Jaona 20:14–18, ary eritrereto hoe mety ho toy ny ahoana izany hoe olona voalohany nahita maso ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty izany. (Ilay andian-teny manao hoe “Aza manendry Ahy” dia lasa hoe “Aza mitazona Ahy” ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith. Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nandroso hevitra fa mety ho toy izao no nolazain’ny Tompo tamin’i Maria: “Tsy afaka mitazona Ahy eto ianao satria aho handeha hiakatra any amin’ny Ray” [The Mortal Messiah: From Bethlehem to Calvary (1981), 4:264].

Amin’ny maha-ampahan’izany amin’ny Sorompanavotany, ny Mpamonjy no olona nitsangana tamin’ny maty voalohany teto an-tany. Nitambatra tamin’ny vatany tonga lafatra, tsy mety maty ny fanahiny. Nijoro ho vavolombelona ireo Apôstôlin’ny andro farany fa: “Amin’ny maha-Tompo efa nitsangana tamin’ny maty Azy, dia namangy ireo olon-tiany teo amin’ny fiainany Izy. Nanompo sy niasa tany amin’ireo -ondriny very- (Jaona 10:16) tany Amerika fahiny koa Izy. Tao amin’izao tontolo iainantsika izao, dia niseho tamin’ilay zazalahy atao hoe Joseph Smith Izy sy ny Rainy,” (“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org).

Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no iray amin’ireo tranga noraketina tamim-pitandremana indrindra ao amin’ny soratra masina (jereo ny Russell M. Nelson, “Life after Life,” Ensign, May 1987, 8–10). Mba hampiorenam-paka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia vakio ny iray na ny maromaro amin’ireto tantarana vavolombelona nahita maso manaraka ireto na jereo ireo horonan-tsary mifandray amin’izany:

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Makà minitra vitsivitsy hiraketana ny eritreritrao sy ny zavatra tsapanao eo am-pandalinanao ny iray na ny mihoatra izany amin’ireto tantara ireto.

Fizarana 2

Afaka mampitombo ny finoako ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana lalina kokoa ny Fitsanganana tamin’ny maty?

Manana ny lanjany mandrakizay ny vatanao ary singa manan-danja amin’ny fifalianao eto amin’ity fiainana ity sy ny amin’ny ho avy izany. Nolazain’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fa “ny fanahy sy ny singa [vatana] mifamatotra tsy azo sarahina dia mandray ny fahafenoan’ny fifaliana; fa rehefa misaraka kosa izany, dia tsy afaka ny handray ny fahafenoan’ny fifaliana ny olona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:33–34). Tao anatina fahitana iray momba ny tontolon’ny fanahy dia nilaza ny Filoha Joseph F. Smith fa ny maty dia “nihevitra ny fisarahana maharitra eo amin’ny fanahiny sy ny vatany ho toy ny fatorana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:50). Eritrereto ny maha-manan-danja ny Fitsanganana amin’ny maty eo amin’ny drafitr’Andriamanitra ho an’ireo zanany.

Tao anatin’ny taratasiny ho an’ireo Olomasina tany Korinto, ny Apôstôly Paoly dia nampianatra fa raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, dia “foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo” (1 Korintiana 15:14).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Korintiana 15:17–22 sy ny 2 Nefia 9:8–9  , ary saintsaino ny mety ho nitranga tamintsika raha toa ka tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy.

Sary
Jesus Appearing to the Five Hundred [I Jesoa niseho tamin’ireo olona dimanjato], nataon’i Grant Romney Clawson

Manampy antsika hahatakatra ny sasantsasany amin’ireo lafin-javatra ara-potopampianarana momba ny Fitsanganana amin’ny maty ny Loholona D. Todd Christofferson, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Eritrereto vetivety ny maha zava-dehibe ny Fitsanganana amin’ny maty eo amin’ny famahana tanteraka amin’izay, ny mahakasika ny hoe iza marina moa i Jesoa avy any Nazareta sy ny momba ireo adihevitra lehibe ara-pilôzôfia sy ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana. Raha tena nitsangana tamin’ny maty ara-bakiteny tokoa i Jesoa, dia tsy maintsy mandeha ho azy avy amin’izany ny hoe olona iray izay andriamanitra Izy. Tsy misy olona tsotra mety maty ka hanana fahefana avy amin’ny tenany hiverina ho amin’ny fiainana indray rehefa avy maty. Koa satria Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy afaka ny ho mpandrafitra fotsiny ihany i Jesoa na ho mpampianatra fotsiny, na ho raby fotsiny na ho mpaminany fotsiny. Noho Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy maintsy hoe Andriamanitra i Jesoa Kristy, dia ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray.

Noho izany, dia marina ireo zavatra izay nampianariny; tsy afaka mandainga Andriamanitra.

Noho izany, dia Izy no Mpahary ny tany araka izay nolazainy.

Noho izany, dia tena misy ny lanitra sy ny helo, araka izay nampianariny.

Noho izany, dia misy ny tontolon’ny fanahy izay novangiany taorian’ny nahafatesany.

Noho izany, dia Ho avy indray Izy araka ny nambaran’ilay anjely, ary “hanjaka eto an-tany mihitsy” (Ireo fanekem-pinoana 1:10).

Noho izany, dia misy ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana farany ho an’ny olon-drehetra. (“Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty,” Liahona, mey 2014, 113)

Sary
He Lives [Velona Izy], nataon’i Simon Dewey

Toy izao no nampianarin’ny Filoha Ezra Taft Benson raha nijery ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty tamin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay izy:

Sary
Ny Filoha Ezra Taft Benson

Ny zava-niseho lehibe indrindra teo amin’ny tantara dia ireo izay nahakasika olona maro indrindra nandritra ny vanim-potoana lava indrindra. Araka io fitsipika io dia tsy misy zava-niseho afaka ny ho manan-danja kokoa amin’ny tsirairay na amin’ireo firenena mihoatra ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty. (“The Meaning of Easter,” Ensign, Apr. 1992, 2)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Raha ny maha-manan-danja ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no eritreretina dia inona no azonao atao mba hanamafisana orina ny fahatakaranao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba izany?

Fizarana 3

Ahoana no ahafahan’ny Fitsanganana amin’ny maty hitondra fiadanana sy fanantenana ho ahy?

Eritrereto ny momba ireo fanamby ara-batana natrehanao na ny olona akaiky anao na atrehanareo amin’izao. Eritrereto ny momba ireo olona ao amin’ny fianakaviana na namana akaiky izay efa maty. Nanome izao fomba fijery manaraka izao momba ireny zava-tsarotra lalovana eo amin’ny fiainana an-tany ireny ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fitopololahy:

Sary
Ny Loholona Paul V. Johnson

Isika tsirairay dia manana kilema sy fahalemena ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetsehampo. Ireny olana ireny, izay toa tsy azo resena ankehitriny, dia ho voavaha any aoriana. Tsy misy amin’ireo olana ireo hampijaly antsika aorian’ny fitsanganantsika amin’ny maty. …

… Ny fahagagan’ny fitsanganana amin’ny maty, ilay fahasitranana lehibe indrindra, dia tsy tratry ny herin’ny fitsaboana maoderina. Kanefa tratry ny herin’ Andriamanitra izany. …

… Ho an’ireo rehetra izay namoy ny zanany na nitomany teo anilan’ny vatapatin’ny vadiny na nilaozan’ny havany na ny olon-tiany, dia loharanom-panantenana lehibe ny Fitsanganana amin’ny maty. Ho traikefa mahery vaika tokoa ny hahita azy ireny indray—tsy hoe fanahy fotsiny fa miaraka amin’ny vatana nitsangana tamin’ny maty. (“Ary tsy hisy fahafatesana intsony,” Liahona, mey 2016, 122, 123)

Sary
Ny tanan’ny Mpamonjy mitolotra amina vehivavy iray

Amin’ny maha-vavolombelona nanatri-maso an’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty azy, ny Apôstôly Paoly dia nifaly tamin’ny fandresen’ny Mpamonjy ny fahafatesana.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Korintiana 15:53–55, ary saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty manaisotra ny fanidronan’ny fahafatesana.

Fanamarihana: Ilay teny hoe “tsy fahalovana” eto dia midika fa ny vatantsika dia tsy ho lo na ho faty intsony.

Sary
sary famantarana, manaova asa

Mandraisa andraikitra

Ahoana ny fomba ahafahanao mampiasa ny zavatra nianaranao androany momba ny Fitsanganana amin’ny maty mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao? Iza no olona fantatrao fa mety ho voatahy amin’ny fandrenesana ireo eritreritrao sy ny zavatra tsapanao momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty? Hevero ny hizara ny zavatra eritreretinao sy tsapanao amin’izany olona izany.