Institiota
Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miezaka ny ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky


“Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miezaka ny ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
Mampianatra an’ireo mpianany ny Mpamonjy

Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Miezaka ny ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky

Isan’andro isika dia manana fahafahana hanaja ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa rehefa mitoetra ho mpianatr’i Jesoa Kristy marina. Amin’ny maha-mpianany antsika dia manolo-tena ny hanaraka ny Mpamonjy sy hiaina araka ny fampianarany isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5). Soa ihany fa tsy fihazakazahana na fifaninanana ny maha-mpianatra. Fa dia iray mandritra ny fiainana izay ataontsika miaraka amin’ny fanohanan’i Jesoa Kristy sy ireo mpianatra hafa kosa izany (jereo ny Môzià 18:8–10). Rehefa mandalina ireo fahamarinana ampianarina ato amin’ity fizarana farany ity ianao dia diniho ny fanampiana sy fitahiana azonao raisina rehefa miezaka ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky ianao.

Fizarana 1

Inona no azoko ianarana momba ny maha-mpianatra avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy?

Ny mpianatra dia mpanara-dia mazoto. Ary tsy misy na dia iray aza maneho tsara ny maha-mpianatra toa an’i Jesoa Kristy. Ny maha-mpianatra Azy rehefa nanaraka ny sitrapon’ny Rainy sy ny fitiavany ny hafa dia ohatra tsara ho antsika. Ora vitsivitsy talohan’ny nijalian’ny Mpamonjy tao amin’ny Sahan’i Getsemane mba hanatanterahana ny sitrapon’ny Rainy dia niato Izy mba hanasa tamim-pitiavana ny tongotr’ireo Apôstôliny. Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namariparitra izany fotoana izany toy izao:

Sary
Ny Loholona Jeffrey R. Holland

Rehefa nomanina ilay fanasana masina ho an’io Paska farany io i Jesoa dia tao novesaran’ny fihetseham-po lalina dia lalina. Izy ihany no nahafantatra izay hanjo avy hatrany. …

Teny an-tenantenan’io sakafo sy fisainana io dia nitsangana moramora i Kristy, nisikina tahaka izay ho nataon’ny andevo na ny mpanompo, dia nandohalika mba hanasa ny tongotr’ireo Apôstôly. … Izy dia ho mpanompo hanohana azy ireo hatramin’ny ora farany—ary mihoatra izany. (“He Loved Them unto the End,” Ensign, Nov. 1989, 25)

Sary
Manasa ny tongotr’i Petera i Jesoa

Taorian’io fanompoana masina io dia nampianarin’i Jesoa an’ireo Apôstôliny ireo fahamarinana izay afaka mitarika antsika rehetra rehefa mikatsaka ny ho mpianany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Jaona 13:14–17, 34–35; 14:15, ary hevero ny hanisy marika ny zavatra nianaranao momba ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao.

Rahavavy Silvia H. Allred, izay mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha dia nilaza hoe:

Sary
Rahavavy Silvia H. Allred

Ny tokony ifankatiavantsika sy ny ifanompoantsika. Raha ny marina dia [io no] toetry ny maha-mpanara-dia ao amin’ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy. (“Ny toetry ny maha-mpanara-dia,” Liahona, mey 2011, 84)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mieritrereta olona iray avy ao amin’ny soratra masina na avy amin’ny fiainanao manokana izay maneho ny maha-zava-dehibe ny maha-mpianatra. Mivonòna hizara ny ohatra anananao mandritra ny fotoam-pianarana.

Fizarana 2

Inona no mety takina amiko amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy?

Nametraka izao fitsipika manaraka izao ho an’ny maha-mpianatra i Jesoa: “Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy.” (Lioka 9:23). Nanazava Izy fa, “Ho an’ny olona, ny mitondra ny hazofijaliany dia ny mandà amin’ny tenany ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra mbamin’ny filandratsin’izao tontolo izao rehetra ary ny mitandrina ny didiko.” (Ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 16:26 ; jereo ihany koa ny andininy 25 [ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith—Tovana]).

Nampianatra ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Ulisses Soares

Ny fitondrana ny hazo fijaliantsika sy ny fanarahana ny Mpamonjy dia mitaky ny hanarahantsika ny ohatra nasehony sy ny fiezahantsika ho tonga tahaka Azy, miatrika amim-paharetana ireo toe-javatra miseho eo amin’ny fiainana, mandà sy mankahala ireo filàna araka ny nofo, ary miandry ny Tompo. (“Mitondra ny hazo fijaliantsika,” Liahona, nôv. 2019, 115–16)

Sary
I Kristy sy ilay zatovo mpanankarena, nataon’i Heinrich Hofmann

Nisy mpanapaka tanora mpanankarena iray indray mandeha nanontany ny Mpamonjy izay tokony hataony mba handovany ny fiainana mandrakizay.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Matio 19:16–21, ka mitadiava zavatra roa: (1) Inona no manaitra anao amin’ireo fanontanian’ilay tovolahy? 2) Inona no nampianarin’ny Mpamonjy an’ilay tovolahy momba ny maha-mpianatra?

Ny Loholona Larry R. Lawrence ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra ny fomba ahafahantsika mampihatra io tantara avy ao amin’ny soratra masina io eo amin’ny fiainantsika:

Sary
Loholona Larry R. Lawrence

Te hanoro hevitra ny mba handraisan’ny tsirairay avy aminareo anjara hanao fampiharana ara-panahy aho ato ho ato, angamba anio alina rehefa mivavaka ianareo. Apetraho amim-panetrentena amin’ny Tompo izao fanontaniana manaraka izao: “Inona no manakana ahy tsy handroso?” Amin’ny teny hafa dia hoe: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” Dia miandrasa valinteny iray amim-pahanginana. Raha toa ka mahitsy ny fonareo dia hanjary ho mazava tsy ho ela ilay valinteny. Ho fanambarana natao ho anareo manokana izany. (“Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?,” Liahona, nôv. 2015, 35)

Mampianatra antsika ny soratra masina, indrisy, fa ilay tovolahy mpanankarena tao amin’ilay tantara dia “niala tamin’alahelo […], satria nanana fananana be” (Matio 19:22). Hisy foana ny fahafoizan-tena takina mba ho mpianatry ny Tompo. Saingy nanazava ny Filoha James E. Faust, fony izy nanompo tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha James E. Faust

Raha dinihina ilay fampanantenana lehiben’ny Mpamonjy momba ny fiadanana eto amin’ity fiainana ity sy ny fiainana mandrakizay any amin’ny fiainana ho avy, dia mendrika ny sarany ny maha-mpianatra. Sarany izay tsy azontsika atao ny tsy manefa azy. Raha lanjalanjaina anefa, ny fepetra takina amin’ny maha-mpianatra dia kely dia kely lavitra noho ireo fitahiana nampanantenaina. (“Être disciple,” Liahona, nôv. 2006, 20)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Makà fotoana kely ary saintsaino ombam-bavaka ilay fanontaniana hoe “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” Rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo ianao dia tadidio ireto teny manaraka ireto avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany: “Ny dingana voalohany amin’ny lalan’ny maha-mpianatra dia manomboka, soa ihany, eo amin’ny toerana izay tena ijoroantsika! (“Le chemin du disciple,” Liahona, mai 2009, 77).

Fizarana 3

Ahoana no ahazoako tanjaka sy tohana rehefa miatrika ireo fanamby amin’ny maha-mpianatra aho?

Raha toa ka manontany tena ianao indraindray raha mendrika ny sarany ireo fitahiana nampanantenaina momba ny maha-mpianatra dia tsarovy izao:“Ny fampianara[n’ny Tompo] no lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana eto amin’izao fiainana izao sy mankany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny fiainana ho avy” (“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Nijoro ho vavolombelona ny mpaminany Jakôba hoe: “Ny marina, ny olomasin’ny Iray Masin’ny Isiraely, ireo izay efa nino ny Iray Masin’ny Isiraely, ireo izay efa niaritra ny fanenjehan’izao tontolo izao, … , ireo no handova ny fanjakan’ Andriamanitra, … ary ho feno mandrakizay ny fifaliany” (2 Nefia 9:18).

Mety hanontany tena ianao hoe inona no nangatahin’ny Mpamonjy tamin’ireo mpianany taloha ela be: “Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Na inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy? (Matio 16:26).

Sary
tanora mitsiky

Tsy vitan’ny hoe mampanantena valisoa mandrakizay ho an’ny mpianany fotsiny ny Tompo, fa mitahy antsika koa Izy rehefa miezaka manaraka Azy isika. Ny iray amin’ireo fomba hitahiany antsika dia ny fanomezana antsika fifaliana maharitra eto amin’izao fiainana izao. Misy fitahiana hafa azontsika koa anefa. Tao amin’ny taratasiny iray ho an’ny Romana, ny Apôstôly Paoly dia nisaintsaina ny sasany amin’ireo fomba hanohanan’ny Tompo ireo izay manaraka Azy, na dia ao anatin’ny olana atrehan’izy ireo aza.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Romana 8:16–18, 28, 35, 38–39, ary eritrereto ny fomba hanampian’ny Tompo anao amin’ny ezaka ataonao mba hanarahana Azy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Soraty ny fanamby manokana atrehanao ankehitriny—na fiovana izay ezahinao hatao—eo am-piezahanao manaraka ny Mpamonjy. Soraty avy eo ny fomba ahafahan’ny fitiavanao ny Mpamonjy sy ny fitiavany anao manampy anao ho mahatoky amin’ny maha-mpianatra anao.