Institiota
Lesona 14 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mahafantatra ireo fahagagana ataon’ny Mpamonjy


“Lesona 14 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mahafantatra ireo fahagagana ataon’ny Mpamonjy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 14 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
I Jesoa manangana ny zanakavavin’i Jairo amin’ny maty, nataon’i Dan Burr

Lesona 14 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mahafantatra ireo fahagagana ataon’ny Mpamonjy

Rehefa miresaka momba ny fahagagana nataon’i Jesoa Kristy isika, dia mirona mifantoka amin’ireo tantara mitaona fanahy hitantsika ao amin’ny Testamenta Vaovao. Na dia misy zavatra be dia be azontsika ianarana sy tokony hianarantsika aza avy amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina ireo, dia efa mba neritreretinareo ve ireo fahagagana ataon’ny Tompo amin’izao androntsika izao sy eo amin’ny fiainanao? Rehefa mandalina ianao, dia katsaho ny hampitombo ny finoanao ny herin’ny Tompo sy ny fahavononany hanao fahagagana ho anao sy ny hafa.

Fizarana 1

Inona ny zavatra azoko ianarana momba ny Mpamonjy avy amin’ny fahagagana nataony?

Nandritra ny asa fanompoany tetỳ an-tany i Jesoa Kristy dia “Nandeha tamin’ny lalamben’i Palestina …, nanasitrana ny marary, nampahiratra ny jamba, ary nampitsangana ny maty” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Ireny fahagagana ireny dia “zava-mahatalanjona miseho noho ny herin’ Andriamanitra” ary “ampahan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fahagagana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Izy ireny dia porofo iray tamin’ny Jiosy fa i Jesoa no ilay Mesia nampanantenaina (jereo ny Matio 11:4–5; Jaona 20:30–31).

Nanao fanamarihana toy izao ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny Sorompanavotan’ i [Jesoa Kristy], izay niafara tamin’ny Fitsanganany tamin’ny maty telo andro taty aoriana tao amina fasana nindramina, no fahagagana lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny zanak’olom-belona.” (“Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho,” Liahona, mey 2021, 109).

Sary
I Kristy efa nitsangana tamin’ny maty

Nanazava ihany koa ny Loholona Rasband fa na dia mijoro ho vavolombelona momba ny maha Andriamanitra Azy aza ny fahagagana nataon’i Jesoa, dia natao “hampahatsiahivana antsika ny heriny, ny fitiavany, sy ny fikasihan’ny tanany eo amin’ny fiainantsika eto an-tany, ary ny faniriany hampianatra mikasika izay zavatra manan-danja” ihany koa izy ireo (“Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho,” 111).

Eritrereto izay zavatra azontsika ianarana momba ny Mpamonjy avy amin’ny fanasitranany lehilahy iray mararin’ny paralysisa. Lehilahy efatra no nilanja io lehilahy io nankao amin’ny trano nampianaran’i Jesoa. Rehefa hitan’izy ireo fa feno olona loatra ny trano ka tsy afaka niditra izy ireo, dia nanesorany ny tafon’ny trano ary nampidininy ho eo amin’ny Mpamonjy ilay lehilahy mararin’ny paralysisa (jereo ny Marka 2:1–4).

Sary
Manasitrana lehilahy iray i Jesoa
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Marka 2:5–12, dia eritrereto ny zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy sy ny hery manasitrana ananany avy amin’io zavatra niainana io.

Jereo fa sady mamaly filàna ara-nofo no mamaly filàna ara-panahy ny fahagagana nataon’ny Mpamonjy. Mahakasika ny fahaizan’ny Mpamonjy manasitrana ny vatana sy ny fanahy, ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks

Ny fahagagana lehibe indrindra dia tsy ao amin’ny zavatra toy ny hoe fampahiratana ny jamba, fanasitranana aretina iray, na fananganana ny maty mihitsy aza. …

… Fahagagana mbola lehibe lavitra ny fiovam-po mahery vaikan’ny zanakalahy na ny zanakavavin’ Andriamanitra (jereo ny Môzià 5:2). Ny fiovam-po, tafiditra ao anatin’izany ny fihetsika, ny laharam-pahamehana ary ny faniriana vaovao, dia mbola lehibe kokoa sy manan-danja kokoa noho ny fahagagana rehetra ahatafidiran’ny vatana. (“Miracles,” Ensign, jona 2001, 17)

Sary
fanehoana fiovam-po iray
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao

Vakio ny iray na ny maromaro amin’ireto fahagagana nataon’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany tetỳ an-tany manaraka ireto, na misafidiana iray anao manokana mba hovakina. Eo am-pandalinanao dia saintsaino sy raketo an-tsoratra ny eritreritrao hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  1. Inona ny zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’io fahagagana io?

  2. Inona no hevitra manan-danja azonao sintonina avy amin’io fahagagana io ho ampiharina amin’ny fiainanao?

Fahagagana nataon’i Jesoa Kristy

Fizarana 2

Inona no vokatry ny finoako sy ny sitrapon’ny Tompo amin’ny fahagagana?

Tany am-piandohan’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tamin’ny fiainany tetỳ an-tany dia nisy lehilahy iray nararin’ny habokana nanatona an’i Jesoa mba hositranina. Araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly, ny habokana dia afaka milaza karazana aretin-koditra be dia be izay afaka mamely ny hoditra, ny rentsika ary ny taolana. Raha tsy tsaboina dia mety hitarika ho amin’ny fahavoazan’ny rentsika, ny fahajambana, ny fiovam-bika ary ny fahafatesana anaty fanaintainana. Tamin’ny fotoanan’ny Mpamonjy, ilay lehilahy nanatona ny Mpamonjy dia mety ho noraisina ho “maloto” ary mety ho tsy niara-nipetraka tamin’ny fianakaviany sy ny fiarahamonina (jereo ny Levitikosy 13:45–46).

Sary
Madiova ianao, nataon’i Kyle Vincent
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Marka 1:40–42, dia tadiavo ny fomba nanehoan’ity lehilahy ity finoana ny Tompo rehefa nitady fahagagana izy.

Nanao fanamarihana toy izao ny Loholona Jorge F. Zeballos ao amin’ny Fitopololahy:

Sary
Ny Loholona Jorge F. Zeballos

Tsy nangataka na inona na inona ilay boka, na dia mety ho marina aza ny faniriany; vonona fotsiny ny hanaiky ny sitrapon’ny Tompo izy. (“Raha ho tompon’andraikitra ianareo,” Liahona, mey 2015, 125)

Rehefa tena maniry marina ny hanaiky ny sitrapon’ny Tompo isika, dia mila manana finoana ny tsy hositranina ihany koa isika. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Loholona David A. Bednar

Azo antoka tokoa fa ny fahamarinana sy ny finoana dia fitaovana ampiasaina amin’ny fanasitranana ny marary, ny marenina, na ny mandringa—raha ny fanasitranana toy izany no mahatanteraka ireo tanjon’ Andriamanitra ary mifanaraka amin’ny sitrapony. Araka izany, na dia manana finoana matanjaka aza isika … dia tsy ny marary sy ny malemy rehetra no hositranina. Raha ny fifanoherana rehetra no ferana, raha ny aretina rehetra no esorina, dia ireo tanjona fototra tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra no ho simba. (David A. Bednar, “Accepting the Lord’s Will and Timing,” Ensign, Aug. 2016, 34)

Rehefa misaintsaina ireo fahagagana mety irinao amin’ny fiainanao ianao, dia diniho ity torohevitra avy amin’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Sary
Ny Loholona Ronald A. Rasband

Mety ho valim-bavaka no ahatongavan’ny fahagagana. Tsy voatery ilay angatahantsika izany, na ilay antenaintsika, saingy rehefa matoky ny Tompo isika, dia ho eo Izy, ary ho marina ny Azy. Hampifanarahany amin’izay fotoana ilantsika izany ilay fahagagana. …

… Misy fotoana isika manantena fahagagana hanasitranana olon-tiana iray, hamadihana zavatra tsy rariny nihatra, na mba hanalefahana ny fon’olona iray ao anatin’ny ngidy na diso fanantenana. Rehefa mijery amin’ny maso maha olombelona isika dia tiantsika ny Tompo hiditra an-tsehatra, hanamboatra izay simba. Amin’ny alalan’ny finoana no hahatongavan’ny fahagagana, saingy tsy voatery ho araka ny fandaharam-potoantsika na hizotra araka ny niriantsika. Moa ve izany midika fa tsy ampy ny fatokiantsika, na tsy mendrika ny hidiran’ny Tompo an-tsehatra isika? Tsia. Tena lalain’ny Tompo isika. (“Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho,” Liahona, mey 2021, 111)

Sary
vehivavy iray miara-mivavaka amin’ny olona hafa
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no ahafahako manana ilay finoana hatokiana ny sitrapon’ny Tompo sy ny fotoany rehefa mitady fahagagana iray aho?

Fizarana 3

Ahoana no ahafahako mahafantatra kokoa ireo fahagagana ataon’ny Tompo eo amin’ny fiainako?

Nanao fanamarihana toy izao ny Filoha Oaks: “Fahagagana maro no mitranga isan’andro amin’ny asan’ny Fiangonantsika sy amin’ny fiainan’ny mpikambana ao amintsika” (“Miracles,” Ensign, June 2001, 17). Afaka mahita ireo fahagagana eo amin’ny fiainan’ny hafa isika indraindray, saingy mety tsy mahita izany eo amin’ny fiainantsika.

Nampianatra zavatra mitovitovy amin’izany ny Loholona Rasband hoe:

Sary
Ny Loholona Ronald A. Rasband

Maro aminareo no nanatri-maso fahagagana, mihoatra noho ny fiheveranareo. Mety toa bitika izy ireo raha ampitahaina amin’i Jesoa nanangana ny maty. Saingy tsy ny maha-goavana azy no maha-fahagagana azy, fa izy hoe avy amin’ Andriamanitra. (“Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho,” Liahona, mey 2021, 110)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao

Makà minitra vitsivitsy hiraketana an-tsoratra ireo fahagagana natrehinao maso na iainanao amin’izao. Hevero ny hanomboka izany amin’ny vavaka sy hangataka amin’ny Tompo mba hahafahanao mahita ireo fahagagana izay niseho ireo.