Institiota
Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fanasan’ny Tompo


“Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fanasan’ny Tompo,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
In Remembrance of Me [Ho fahatsiarovana Ahy], nataon’i Walter Rane

Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Manakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fanasan’ny Tompo

Saintsaino ny fotoana farany nandraisanao ny fanasan’ny Tompo. Nanao ahoana ny zavatra niainanao? Toy ny ahoana ny fisaintsainanao ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny fifandraisanao Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana? Rehefa mandalina ireo lesona ao amin’ny fizarana 4 ianao dia hanana fahafahana handinika ny zavatra azonao atao mba hahatonga an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany hahakasika anao manokana sy hanan-danja ary ho azo ampiharina kokoa eo amin’ny fiainanao.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahan’ny fanasan’ny Tompo manampy ahy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy?

Ora vitsivitsy talohan’ny nidirany tao amin’ny Sahan’i Getsemane dia nanome toromarika ny Apôstôliny Roambinifolo i Jesoa mba hanomana ny sakafon’ny Paska (jereo ny Matio 26:17–19). Efa ho 1.500 taona teo ho eo no nankalaza ny fetin’ny Paska ny zanak’i Isiraely ary nampiasa ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema mba hanehoana ny fanafahana azy ireo tamin’ilay anjely mpandringana (jereo ny Eksodosy 12:21–28; 13:14–15). Taorian’io sakafo io dia nanatanteraka ny tandindon’ny Paska i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ondrin’ Andriamanitra, rehefa nalatsaka ny rany ary lasa Mpamonjy izao tontolo izao Izy (jereo ny Jaona 1:29; 1 Petera 1:18–19). Tao anatin’ny sakafon’ny Paska farany nataony dia “Nanao ny Fanasan’ ny Tompo Izy ho fahatsiarovana ny sorompanavotany lehibe” (“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia ahitana ny fijaliany tao Getsemane, ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty be voninahitra.

Sary
I Jesoa Kristy namaky ny mofo tamin’ny Fanasana farany
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Matio 26:26–28, ary alaivo sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana izany nandray ny fanasan’ny Tompo avy tamin’i Jesoa Kristy izany.

Mofo sy divay, na rano, no tandindona masin’ny fanasan’ny Tompo. Ny tandindona dia fanehoana ara-batana ny foto-kevitra, toetra, na hevitra iray. Rehefa mandalina ireto teboka manaraka ireto ianao dia saintsaino ny fomba ahafahan’ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo mampahatsiahy anao ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony ho anao:

  • Nandritra ny 40 taona niainan’ny Isiraely fahiny tany an-tany foana dia nofahanana isan’andro tamin’ny mana na “mofo avy tany an-danitra” izy ireo (Jaona 6:31; jereo koa ny Salamo 78:24–25). Rehefa avy niresaka momba ny mana i Jesosy Kristy dia nanambara hoe: “Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra. … fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay” (Jaona 6:51, 58).

  • Tao anatin’ny Sorompanavotany dia “noratraina, notorotoroina, ary norotehina ho antsika” ny vatan’i Jesoa Kristy (“Jésus de Nazareth, Sauveur et Roi,” Cantiques, no. 105). Ny Filoha Dallin H. ​​Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanao fanamarihana hoe: “Satria vakina sy potipotehina ilay izy dia miavaka ny sila-mofo tsirairay, tahaka ny maha-miavaka ny isam-batan’olona izay mandray izany” (“Important Aspects of Missionary Work Remain Unchanged, Says Elder Oaks,” Church News, June 30, 2017, ChurchofJesusChrist.org).

  • Ny divay dia nampiasaina tao amin’ny fanasan’ny Tompo mba hanehoana ny ran’i Jesoa Kristy. Nodiovin’ny rany isika (jereo ny 1 Jaona 1:7). Mampiasa rano isika ankehitriny, izay midika koa hoe fanadiovana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:2) ary tena ilaina amin’ny fiainana. Raha teo amin’ny fantsakana i Jesoa dia nilaza tamin’ny vehivavy iray avy tao Samaria fa ny rano atolony antsika dia toy ny “loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay” (Jaona 4:14).

  • Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe: “Kanefa ny fihinanana ara-tsariteny ny nofon[i Kristy] sy ny fisotroana ara-tsariteny ny rany dia ny fiezahana hanana ao anaty ny zavatra tsara sy ny toetra ananan’i Kristy. … Rehefa mandray ny mofo sy ny rano amin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro isika dia hiezaka kokoa isika ny hieritreritra tsara ny fomba tsy maintsy hampidirantsika feno sy tanteraka ny toetrany sy ny lamin’ny fiainany tsy misy fahotana eo amin’ny fiainantsika sy ny fisiantsika” (“Ilay mofo velona izay nidina avy tany an-danitra,” Liahona, nôv. 2017, 37).

Sary
Tandindon’ny Fanasan’ny Tompo
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao

Soraty ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no manaitra anao momba ny dikan’ny mofo sy rano? Inona no tianao hotsaroana momba ny Mpamonjy amin’ny fotoana manaraka handraisanao ny mofo sy ny rano mandritra ny fanasan’ny Tompo?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo manome ahy fahafahana bebe kokoa hahazo ny herin’ny Tompo?

Nandritra ny asa fanompoany teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita, dia nanome fahefana ny mpianany i Jesoa Kristy ary nandidy azy ireo hizara ny fanasan’ny Tompo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonany. Hoy Izy hoe: “Ary izany dia hoezahanareo mandrakariva hatao, … toy izay efa namakiako ny mofo sy nitsofako rano izany ary ny nanomezako izany anareo.” (3 Nefia 18:6; jereo koa ny andininy 5). Ny fivoriana matetika sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana dia didy avy amin’ny Tompo amin’izao androntsika izao ihany koa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75; 59:9).

Sary
Nizara ny fanasan’ny Tompo tamin’ny Nefita i Jesoa
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 3 Nefia 18:7, 10–12; 20:8–9, ary tadiavo ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mankatò amim-pahatokiana ny didiny mba hanamasina sy handray ny fanasan’ny Tompo.

Ny Rahavavy Cheryl A. Esplin, mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany, dia namariparitra ireo fitahiana omen’ny Tompo antsika amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo ihany koa:

Sary
Rahavavy Cheryl A. Esplin.

Lasa zavatra iainana mampatanjaka ny ara-panahy ny fanasan’ny Tompo rehefa mihaino ny vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo isika ka manolo-tena indray amin’ny fanajana ireo fanekempihavanantsika. … Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mijoro ho vavolombelona amin’Andriamanitra fa hahatsiaro mandrakariva ny Zanany, fa tsy mandritra ilay fotoana fohy hanaovana ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ihany. …

Ny fanasan’ny Tompo dia manome fotoana hiainana traikefa tena ara-panahy rehefa misaintsaina mikasika ny hery manavotra sy manafaky ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany isika. …

… Rehefa maninjitra ny sandriny hanolotra antsika ireo tandindona masina ny mpihazona ny fisoronana iray dia toy ny hoe ny Mpamonjy Izy tenany mihitsy no maninjitra ny sandrin’ny famindram-pony, ka manasa ny tsirairay amintsika handray amin’ireo fanomezana sarobidin’ny fitiavana izay nomena tamin’ny alalan’ny sorompanavotany—ireo fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana, ny famelan-keloka, sy ny fampiononana ary ny fanantenana.

Arakaraka ny hisaintsainantsika ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo no maha-manan-danja izany amintsika. “Ny Fanasan’ny Tompo—Fanavaozana ho an’ny Fanahy,” Liahona, nôv. 2014, 12, 13–14)

Sary
Zatovovavy mandray ny fanasan’ny Tompo
Sary
sary famantarana, ifanakalozy hevitra

Ifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mifandraisa amin’ny namana na havana iray azo itokisana izay maneho ohatra tsara amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Anontanio azy ireo ny zavatra nataony mba hampitomboana ny fanajany lalina mandritra ny fanasan’ny Tompo na angataho izy ireo hizara ny fomba iezahany mahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy. Mivonòna hizara ny zavatra ianaranao amin’ny kilasinao.

Fizarana 3

Ahoana no ahafantarako raha tena mendrika ny handray ny fanasan’ny Tompo aho?

Namporisika ny mpikamban’ny Fiangonana ny Apôstôly Paoly mba “hamantatra ny tenany” (1 Korintiana 11:28) alohan’ny handraisana ny fanasan’ny Tompo. Nampitandrina izy avy eo hoe: “Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.” (1 Korintiana 11:29; jereo koa ny andininy 27–28; 3 Nefia 18:28–29). Ny atao hoe fanamelohana dia toetran’izay natsahatra tamin’ny fivoarany (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanamelohana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Ny Loholona John H. Groberg, fony nanompo tao amin’ny Fitopololahy, dia nanolotra izao fitarihana manaraka izao mba hanombanana ny fahamendrehan’ny tena manokana:

Sary
Loholona John H. Groberg

Raha toa isika maniry ny hivoatra (izany hoe hibebaka) ka tsy iharan’ny famerana avy amin’ny fisoronana, dia mendrika isika, araka ny hevitro. Kanefa, raha tsy maniry ny hivoatra isika, raha tsy manana faniriana ny hanaraka ny torolalan’ny Fanahy, dia mila manontany tena hoe: Mendrika ny handray ve isika, sa manaraby fotsiny ny tena tanjon’ny fanasan’ny Tompo, izay fomba fanatanterahana ny fibebahan’ny tena manokana sy fomba enti-mivoatra? (“The Beauty and Importance of the Sacrament,” Ensign, May 1989, 38)

Sary
sary famantarana, manaova asa

Mandraisa andraikitra

Rehefa miomana handray ny fanasan’ny Tompo ianao dia eritrereto ny zavatra azonao atao mba hampiasana tsara izany traikefa masina izany. Azonao atao ny manomboka ny fiomananao amin’ny fandinihana ny fiainanao. Raha mahatsapa ho tsy mendrika ny handray ny fanasan’ny Tompo ianao dia manaova fotoana miaraka amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampanao ary zarao aminy ny ahiahinao.