Institiota
Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miara-misalahy amin’i Jesoa Kristy ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay eo an-dalam-pitohizana


“Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miara-misalahy amin’i Jesoa Kristy ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay eo an-dalam-pitohizana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 22 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
Zatovolahy eo ivelan’ny tempoly

Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Miara-misalahy amin’i Jesoa Kristy ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay eo an-dalam-pitohizana

Efa mba nieritreritra ve ianao hoe nahoana ny Ray any An-danitra no nandefa anao ety an-tany amin’izao vanim-potoana izao? Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nampianatra fa ny Famerenana amin’ny laoniny izay mitohy amin’izao andro iainantsika izao dia “anisan’ireo vanim-potoana miavaka indrindra eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao!” (“Sondrian-tory ve ianareo mandritra ny Famerenana amin’ny Laoniny?,” Liahona, mey 2014, 59). Ny Mpamonjy dia manohy mitarika am-pahavitrihana ny Fiangonany sy miasa ho an’ny fanavotan’ny olon-drehetra eto an-tany. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia hevero ny fomba ahafahanao miara-miasa Aminy ao anatin’ity asa lehibe ity.

Fizarana 1

Inona no anjara toerako ao anatin’ny Fameranana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana?

Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, ny Tompo dia namerina tamin’ny laoniny ny filazantsarany sy namerina nanangana ilay “fiangonana marina sy velona” eto an-tany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30). Hoy ny Loholona LeGrand R. Curtis Zanany ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Loholona LeGrand R. Curtis Zanany

Na dia mahatalanjona aza ireo zavatra nambaran’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Joseph Smith, dia tsy vita tanteraka nandritra ny fotoana niainan’i Joseph akory ny Famerenana amin’ny laoniny. Tamin’ny alalan’ireo mpaminany taoriany dia nandray zavatra isika toy ny fitohizan’ny fampivelarana ny asa atao any amin’ny tempoly; ireo soratra masina fanampiny; ny fandikana ny soratra masina amin’ny fiteny maro; ny fitondrana ny filazantsara manerana izao tontolo izao; [ary] ny fananganana ny Sekoly Alahady, ny Zatovovavy, ny Kilonga, ary ireo kôlejin’ny fisoronana …

“Vavolombelon’ny fizotry ny famerenana amin’ny laoniny isika,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson. “Raha mihevitra ianareo fa efa naverina tamin’ny laoniny tanteraka ny Fiangonana dia tsy izay satria mbola ny fiantombohany ihany no hitanareo. Mbola betsaka tokoa no ho avy.” (“Ilay Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana,” Liahona, avr. 2020, 21)

Sary
Misiônera miara-mivavaka amina lehilahy sy vehivavy

Eo am-panohizan’ny Tompo manatanteraka ny asany dia manan-danja ho an’ny tsirairay avy amintsika ny mieritreritra ny fomba ahafahantsika mandray anjara. Hoy ny Filoha Uchtdorf nanontany:

Sary
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf

Rehefa tapitra ny fotoana iainantsika eto an-tany, dia traikefa manao ahoana no ho azontsika zaraina mikasika ny anjara biriky nentintsika tao anatin’ity vanim-potoana manan-danja teo amin’ity fiainantsika ity sy teo amin’ny fampandrosoana ny asan’ Andriamanitra? …

Zava-dehibe loatra izany ho antsika, amin’ny maha-olona tsirairay manokana, na amin’ny maha-fianakaviana, na amin’ny maha-Fiangonan’i Kristy antsika, ka tsy azo hanaovana hoe ezaka amin’ny ampahany fotsiny no atolotra ho an’ity asa masina ity.

Ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy fiezahana indray mandeha isan-kerinandro, na indray mandeha isan’andro. …

Aoka isika hifoha ary aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa, fa isika dia “mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe iray” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33], dia ny fanomanana ny fiverenan’ny Mpamonjy. “(Sondrian-tory Ve Ianareo mandritra ny Famerenana amin’ny Laoniny?,” Liahona, mey 2014, 59, 62)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ireo fampianarana vao haingana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ireo fanovana natao tamin’ireo fitsipiky ny Fiangonana, na fanambarana ho an’ny Fiangonana maneran-tany izay anisan’ny Famerenana amin’ny laoniny izay eo an-dalam-pitohizana. Saintsaino ireo zavatra nampianarina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay navoaka ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana (ChurchofJesusChrist.org), na nambara ao amin’ny Famoaham-baovaon’ny Fiangonana (newsroom.ChurchofJesusChrist.org). Inona no mety ho dikan’ireo fampianarana na fanovana ireo aminao?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako mandray anjara amin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay eo an-dalam-pitohizana?

Nampianatra ny Filoha Nelson fa ny fomba iray ahafahantsika mandray anjara ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay an-dalam-pitohizana dia amin’ny alalan’ny fitondrana fanampiana eo amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Nanambara Izy hoe:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Izany fanangonana izany no zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy zavatra hafa azo ampitahaina amin’izany, na amin’ny halehibeny izany, na amin’ny lanjany, na amin’ny hatsarany. …

… Moa ve ianao te ho mpandray anjara mavitrika amin’ilay fanamby lehibe indrindra sy tanjona lehibe indrindra ary asa lehibe indrindra eto ambonin’ny tany ankehitriny?

Tianao ve ny hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely mandritra izao andro sarobidy farany izao? Vonona ve ianareo olom-boafidy, hanampy amin’ny fikarohana ireo olom-boafidy izay tsy nahare ny hafatry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny? (Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 03 jona, 2018], fanampin’ny New Era sy ny Ensign, 8, ChurchofJesusChrist.org).

Manan-danja lehibe tokoa ny fanangonana an’i Isiraely satria izany dia mahatonga ny olon-drehetra afaka handray ireo fitahiana nampanantenaina ny taranak’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba (jereo ny Genesisy 26:3–4; 35:11–12; Abrahama 2:8–11).

Fahiny, ny mpianakavin’i Isiraely, vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra, dia nandrava ny fanekempihavanan’izy ireo ka nandà ny Tompo. Naely patrana tany “anivon’ny firenen-drehetra” izy ireo (1 Nefia 22:3; jereo ihany koa ny andininy 4–5). Na izany aza, ireo mpaminany dia nanambara mialoha fa amin’ny andro farany ny Tompo dia hanao “asa iray mahatalanjona” (1 Nefia 22:8) eo anivon’i Isiraely sy any anivon’ny zanakolombelona maneran-tany. Hanangona an’i Isiraely izay miely patrana Izy ary hampahafantatra ireo fanekempihavanany (jereo ny 1 Nefia 15:12–16; 22:8–10).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 22:11–12, ka tadiavo ny fomba ahafahan’ny fanangonana an’i Isiraely mitahy olon-drehetra.

Toy izao no nolazain’ny Filoha Nelson momba ny fanangonana an’i Isiraely:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ny fanangonana an’i Isiraely dia tsy ny fiafarana lehibe. Fanombohana ihany izany. Ny farany izay anehoantsika faharetana dia ahitana ny fanafiana masina sy ny ôrdônansin’ny famehezana any amin’ny tempoly. Tafiditra ao anatin’izany ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanekempihavanana na izany ara-pirazanana na amin’ny alalan’ny fananganana dia avy eo miara-mitoetra Aminy sy ny fianakaviantsika mandrakizay. Izany no voninahitr’ Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay ho an’ireo zanany. (“Le Livre de Mormon, le rassemblement d’Israël et la Seconde Venue,” Ensign, juillet 2014, 31)

Sary
Tanora vehivavy eo anoloan’ny tempoly

Rehefa mieritreritra ny fidadasiky ny fanangonana an’i Isiraely ianao dia mety hanontany tena hoe inona no azonao atao mba handraisana anjara. Nanazava ny Filoha Nelson hoe: “Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona isika, eo amin’ny lafy roa amin’ny voaly, mba hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay isika (“Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–93).

Ny Filoha Bonnie H. Cordon ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany dia nampianatra ny fomba ahafahantsika mamantatra ny anjara birikintsika ao anatin’ilay fanangonana:

Sary
Filoha Bonnie H. Cordon

Anontanio ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka ny zavatra azonao atao mba handraisana anjara amin’ity fanangonana ity, ka hitondranao ny hafa hanatona an’i Kristy. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanao, ary avy eo dia manàna herim-po ka araho asa izany! Isan-karazany tahaka ny maha-samihafa antsika ireo zavatra azo atao. Feno fankasitrahana aho manana mpaminany iray izay manome fanamby antsika tsirairay avy mba hiakarantsika ho amin’ny toerana avo kokoa. (Facebook, 3 jona 2018, facebook.com/YWPresident)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Saintsaino ombam-bavaka ny fomba iray na roa ahafahanao manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Manaova drafitra enti-miasa ary raketo ireo zavatra tsapanao.

Fizarana 3

Moa ve aho afaka manova zavatra tokoa?

Indraindray ianao dia mety hahatsapa tena ho tsy ampy fahaizana eo am-piezahanao manao ny asan’ny Tompo. Rehefa mahatsapa toy izany ianao dia manan-danja ny mahatsiaro fa tsy irery na oviana na oviana ianao eo am-panaovana ny asany.

Ao amin’ilay fanoharana momba ny hazo oliva ny mpaminany Zenosa dia nampitaha ny tanimboaloboka amin’izao tontolo izao. Ny hazo oliva voakolokolo no anehoana ny mpianakavin’i Isiraely ary ny hazo oliva dia no anehoana Jentilisa. Any amin’ny faran’ilay tantara ny Tompon’ny tanimboaloboka, i Jesoa Kristy, dia manao izay rehetra tratry ny heriny mba hanampiana ireo hazo rehetra mba hamoa (jereo ny Jakôba 5:47).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio tsara ny Jakôba 5:70–72 ka tadiavo ny fifandraisana misy eo amin’ny Tompo sy ireo mpanompony eo am-piasan’izy ireo eo amin’ilay tanimboaloboka.

Eritretreto hoe inona ny dikan’izany hoe miasa miaraka amin’ny Tompo izany aminao. Toy izao no nolazain’ny Mpamonjy amin’ireo Olomasin’ny andro farany: “Ary na zovy na zovy no mandray anareo, dia ho eo koa Aho, fa Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88).

Sary
Tanan’ny Mpamonjy

Ny Loholona Kim B. Clark, fony izy tao amin’ny Fitopololahy, dia niteny toy izao momba ny fanohanan’ny Mpamonjy:

Sary
Ny Loholona Kim B. Clark

Miangavy aho, tsarovy ireo tenin’ny Mpamonjy hoe: “Tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko” [Jaona 16:32]. Toy izany koa ny amintsika. Tsy irery isika. Tia antsika i Jesoa Kristy Tompo sy ny Raintsika any An-danitra, ary miaraka amintsika Izy Ireo. Noho i Jesoa nibanjina ny Rainy sy nanatontosa ilay sorona fanavotana lehibe dia afaka mibanjina an’i Jesoa Kristy amim-pahatokiana isika fa hanampy antsika Izy. (“Banjino i Jesoa Kristy,” Liahona, mey 2019, 56)

Sary
sary famantarana, ifanakalozy hevitra

Ifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ny fotoana iray izay nahatsapanao ny fanampian’ny Tompo anao teo am-panaovanao ny asany. Hevero ihany koa ny hangataka ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray mba hizara ohatra iray avy amin’ny fiainany. Tongava mianatra miaraka amin’ny fahavononana hizara.