Institiota
Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miaina miaraka amin’ny fanantenana eo am-panomanantsika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany


“Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miaina miaraka amin’ny fanantenana eo am-panomanantsika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
Ny Fiaviana Fanindroany, nataon’i Harry Anderson

Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Miaina miaraka amin’ny fanantenana eo am-panomanantsika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Ny olona sasany dia mijery ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany amin’ny tahotra sy ahiahy. Ny sasany kosa dia miandrandra izany amim-pifaliana. Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Tsy misy zavatra manosika ahy hiresaka an’i Kristy mihoatra noho ny fakana sary an-tsainy ny fiverenany” (“Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 91). Rehefa mandalina ianao dia eritrereto ny fahatsapanao momba ny fiverenan’i Kristy sy ny fomba ahafahan’ny fiomanana amim-pinoana mampitombo ny fanantenanao.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana marina momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany sy ny fanjakany mandritra ny arivotaona mitondra fanantenana sy fiadanana ho ahy?

Rehefa nampianatra ny mpianany teo an-tendrombohitra Oliva i Jesoa dia nanambara ireo famantarana sy toe-javatra izay mialoha ny Fiaviany Fanindroany Izy. Nanambara ny Mpamonjy fa hisy Kristy sandoka, mpaminany sandoka, ady, tabataban’ady, mosary, areti-mandringana, horohoron-tany, faharatsiana, ary famantarana eny amin’ny lanitra (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:22–23, 28–30, 33).

Tahaka ireo mpianatry ny Tompo fahiny, dia mety ho sahiran-tsaina amin’ireo famantarana ny fiverenany ianao. Tamin’ny 1831, ny Mpaminany Joseph Smith dia nahazo fanambarana izay nanome ny fomba fijerin’ny Tompo momba ireo famantarana ireo.

Sary
Tanora iray mivavaka
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:34–35, 38–39, ka tadiavo ny fomba tian’i Jesoa Kristy handraisantsika ireo famantarana ny Fiaviany Fanindroany. Mariho fa ny matahotra araka ny ampiasaina ao amin’ny andininy 39 dia midika fanajana, fitsaohana, ary fitalanjonana.

Zava-dehibe ny mahatsiaro fa ireo famantarana ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany dia ahitana ihany koa ireo zava-nitranga manodidina ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany. Eritrereto ny fomba anomanan’ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna, ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana, ny apôstôly sy mpaminany velona, ​​ny asa fitoriana ny filazantsara, ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ary ny fanangonana an’i Isiraely antsika ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy (jereo ny Malakia 4:5– 6; Apokalypsy 14:6–7; 1 Nefia 21:13–26; 3 Nefia 21:1–11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:14, 17–18; 65).

Sary
He Comes Again to Rule and Reign [Ho avy indray Izy hanapaka sy hanjaka], nataon’i Mary Sauer

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson

I Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika dia hanatanteraka ny sasany amin’ireo asany lehibe indrindra eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoana hiverenany indray. (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96)

Ho avy manaraka ny Fiaviana Fanindroany ny Arivotaona. Mandritra ny Arivotaona dia i “Kristy tenany mihitsy no hanjaka ety an-tany” mandritra ny arivo taona (Fanekem-pinoana 1:10). Misy fanambarana iray voaray tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith izay mampahafantatra ny momba ny fiainana mandritra ny Arivotaona.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:26–32, 35, ary hevero ny hanisy marika ireo toe-javatra hitranga mandritra ny Arivotaona.

Rehefa mieritreritra ny fiverenan’ny Mpamonjy sy ny fanjakany mandritra ny arivo taona ianao dia diniho ny fomba azo ampiharana eo amin’ny fiainanao ity torohevitra manaraka avy tamin’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Ny Loholona Ronald A. Rasband

Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny faharatsiana sy korontana mameno ny tany dia ampanantenaina antsika noho ny fahatokiantsika isan’andro an’i Jesoa Kristy ny “fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” [Filipiana 4:7]. Rehefa tonga amin’ny hery sy voninahitra rehetra i Kristy dia hifarana ny ratsy sy ny fikomiana ary ny tsy fahamarinana. …

… Eny, miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika, kanefa rehefa mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika, dia tsy mila matahotra. Mitsodrano anareo aho fa rehefa manao izany ianareo, dia tsy hatahotra noho ireo fotoana izay iainantsika amin’izao na ireo olana izay tonga eo aminareo. … Mitsodrano anareo aho mba hino ireo fampanantenan’i Jesoa Kristy, fa velona Izy, mijery antsika Izy, miraharaha antsika ary mijoro eo akaikintsika. (“Aza matahotra,” Liahona, nôv. 2018, 19, 21)

Sary
tanora miandrandra
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no eritreritra sy fahatsapana anananao rehefa maka sary an-tsaina ny fiverenan’ny Mpamonjy sy ny fanjakany mandritra ny arivo taona ianao? Ahoana no ahafahan’ny fifantohana amin’ny Mpamonjy hampitombo ny fahatsapanao fanantenana sy fiadanam-po eo am-piatrehanao ireo fanamby amin’ny andro farany?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako manomana tsara kokoa ny tenako sy ny hafa amin’ny fiverenan’ny Tompo?

Mifandray amin’ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny Matio 24), ny Mpamonjy dia nampianatra ny fanoharana momba ireo virijiny folo. Io fanoharana io dia mampiasa ny fampahalalana momba ny fomba amam-panao amin’ny fampakaram-bady jiosy. Ny mpampakatra miaraka amin’ny namany akaiky dia mandeha mankany an-tranon’ilay ampakarina mandritra ny alina mba hampaka-bady. Aorian’ny fampakaram-bady, dia mitohy any an-tranon-dralehilahy ny lanonana fiaraha-misakafo. Tokony hitondra ny fanalany manokana ireo vahiny nanatevin-daharana ny fampakaram-bady mba hanehoana fa anisan’ny ireo mandray anjara amin’ny fampakaram-bady izy ireo.

Sary
Fanoharana momba ireo virijiny folo, nataon’i Dan Burr

Ny Filoha Dallin H. ​​Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra fa ny mpampakatra dia maneho an’i Jesoa Kristy, ary ny virijiny dia mpikamban’ny Fiangonany (jereo ny, “Preparation for the Second Coming [Fiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany],” Liahona, mey 2004, 8).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Matio 25:1–13, ary saintsaino ny fiomananao amin’ny fiverenan’ny Tompo. (Fanamarihana: Ny Dikantenin’ i Joseph Smith ho an’ny Matio 25:12 dia mivaky hoe “tsy mahafantatra ahy ianareo” fa tsy hoe “tsy fantatro ianareo.”)

Izao no nolazain’ny Tompo momba ireo izay efa voaomana ho amin’ny fampakaram-bady: “Fa ireo izay hendry ary efa nandray ny fahamarinana sy nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dàlana azy ka tsy voafitaka—lazaiko aminareo marina tokoa, fa tsy hokapaina ireo ka hatsipy any anaty afo fa hahatanty ny andro.”(Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:57).

Sary
Five of Them Were Wise [Hendry ny dimy tamin’izy ireo], nataon’i Walter Rane

Nilaza ihany koa ny Filoha Nelson mikasika ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana antsika:

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson

Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka. …

Miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Raketo an-tsoratra ny valin-teninao amin’ity fanontaniana manaraka avy amin’ny Filoha Oaks ity: “Raha fanta[trareo] fa hihaona amin’ny Tompo [ianareo] rahampitso, amin’ny alalan’ny fahafatesa[nareo] aloha loatra na amin’ny alalan’ny fahatongavany tsy nampoizina, dia inona no hatao[nareo] anio? (“Preparation for the Second Coming,” Liahona, May 2004, 9).