Institiota
Lesona 10 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manaraka ny ohatry ny fanoavana nasehon’i Jesoa Kristy


“Lesona 10 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manaraka ny ohatry ny fanoavana nasehon’i Jesoa Kristy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 10 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
zatovolahy iray mivavaka

Lesona 10 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Manaraka ny ohatry ny fanoavana nasehon’i Jesoa Kristy

Misy olona eo amin’ny fiainanao tonga ao an-tsainao ve izay “mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina [azy ireo], dia tahaka ny zaza manoa an-drainy”? (Môzià 3:19). Ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ireo dia afaka ny ho azontsika rehetra izay mikatsaka izany. Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra amin’ny fanoavana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra. Rehefa mandalina ianao dia hevero ny lanjan’ity teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity: “Ireo lehilahy sy vehivavy manolotra ny fiainany ho an’ Andriamanitra dia hahita fa Izy dia afaka mampahomby ny fiainan’izy ireo mihoatra noho izany azon’izy ireo atao” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” Ensign, des. 1988, 4).

Fizarana 1

Ahoana no ahafahan’ny fanetrentena sy ny halemem-panahy manome hery ahy?

Ny olona sasany dia mahatsapa fa mariky ny fahalemena ny fanetrentena. Mety hieritreritra izy ireo fa saro-tahotra sy saro-kenatra ny olona manetry tena. Ireo teny ireo anefa dia tsy mamaritra an’i Jesoa Kristy, izay ohatra tonga lafatra amin’ny fanetrentena sy ny halemem-panahy.

Mieritrereta ohatra maromaro momba ny tanjaka sy ny herim-po ary ny fahasahian’ny Mpamonjy: nanambara tamim-patokian-tena Izy hoe iza marina moa ny tenany, eny fa na dia nampidi-doza ny ainy aza izany (jereo ny Jaona 8:54–59); Nanadio tamim-pahasahiana ny tempoly Izy rehefa voaloto izany (jereo ny Matio 21:12–13; Jaona 2:14–17); Niaro tamin-kerimpo ireo nampahoriana Izy (jereo ny Jaona 8:1–11; Marka 2:14–17); ary tsy nanan-tahotra teo anoloan’ny fiampangana sy ny fanakianana Izy (jereo ny Matio 16:1–12; Lioka 20:19–26).

Sary
Nametrahan’ireo mpitondra fivavahana fanontaniana i Jesoa

Ahoana no ahafahan’ny fanetrentena mitarika ho amina hery sy tanjaka lehibe kokoa an’ny tena manokana? Ianarantsika fa ny hoe “manetry tena dia miaiky amim-pankasitrahana ny fiankinantsika amin’ny Tompo, mahatakatra fa mila ny fanampiany tsy tapaka isika. …

“… Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia niaiky hatrany [i Jesoa Kristy] fa ny tanjany dia tonga avy amin’ny fiankinany amin’ny Rainy. Hoy Izy hoe: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona. … fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’ny Ray izay naniraka Ahy” (Jaona 5:30)” (Gospel Topics, “Humility,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

Ny fanoavan’ny Mpamonjy amim-panetrentena ny sitrapon’ny Rainy dia mifandray ihany koa amin’ny halemem-panahiny (jereo ny Matio 11:29). Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Loholona David A. Bednar

Toetra mamaritra ny Mpanavotra ny halemem-panahy ary miavaka amin’ny fiaikena hanao zavatra amim-pahamarinana sy ny fanoavana an-tsitrapo, ary ny fahaizana mifehy tena. …

Ilay Mpanavotra Lehibe izay “nidina koa ho ambanin’ny zava-drehetra” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6] ka nijaly sy nalatsa-drà ary maty “mba hanadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra” [1 Jaona 1:9], dia nanasa tamim-pitiavana ny tongotra maloton’ireo mpianany [Jaona 13:4–5]. Ny halemem-panahy tahaka izany dia toetra mampiavaka ny Tompo amin’ny maha-mpanompo sy mpitarika Azy.

Nanome ny ohatra faratampony amin’ny fiaikena hanao zavatra amim-pahamarinana sy ny fanoavana an-tsitrapo i Jesoa rehefa niaritra fanaintainana mivaivay tao Getsemane.

“Ary raha vao tonga tao amin’izany tany izany, dia hoy Izy tamin’ny [mpianany], Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.

“Ary Izy … nandohalika ka nivavaka,

“Nanao hoe: Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” [Lioka 22:40–42].

Ny halemem-panahin’ny Mpamonjy tamin’io zavatra manan-danja mandrakizay sy faran’izay manaintaina indrindra niainany io dia maneho amintsika tsirairay ny maha-zava-dehibe ny hametrahantsika ny fahendren’ Andriamanitra ho ambonin’ny fahendrentsika manokana. (“Malemy fanahy sy mietry am-po,” Liahona, mey 2018, 32–33)

Sary
Vavaka tao Getsemane, nataon’i Del Parson
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no nitahiana ny fiainanao satria “[niaritra] ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana” tamin’ny halemem-panahy i Jesoa Kristy? (3 Nefia 11:11). Ahoana no mety hahatonga anao hanoa kokoa ny sitrapon’ Andriamanitra?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana manampy ahy hanao ny sitrapon’Andriamanitra?

Rehefa misaintsaina ny fiainanao manokana ianao, dia mety hanontany tena hoe ahoana no ahafahanao ho lasa olona manetry tena sy malemy fanahy toy ny Mpamonjy. Soa ihany fa nasehon’i Jesoa Kristy antsika ny fomba hampanoavana ny sitrapontsika amin’ Andriamanitra.

Tany am-piandohan’ny asa fanompoany dia nankany amin’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa mba handray ny ôrdônansin’ny batisa. Tamin’ny voalohany dia nisalasal i Jaona ary niteny hoe: “Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?” Niteny tamin’i Jaona i Jesoa fa mety tsara izay mba hahafahan’izy ireo “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (jereo ny Matio 3:13–17).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 2 Nefia 31:6–7, 11–13 mba hianarana ny zavatra nolazain’i Nefia momba ny ohatry ny fanetrentena nasehon’ny Mpamonjy. Mitadiava dingana azonao ampiharina mba hanoavanao amim-panetrentena ny sitrapon’Andriamanitra.

Sary
Batisa II, nataon’i J. Kirk Richards

Ny fanoavana ny ôrdônansin’ny batisa dia mametraka antsika amin’ny làlan’ny fanekempihavanana. Rehefa mandeha amin’io làlana io isika dia miezaka mafy mitandrina ny didy ary amin’izany dia manoa ny sitrapon’Andriamanitra. Nilaza toy izao momba ny lalan’ny fanekempihavanana ny Filoha Russell M. Nelson:

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson

Ny fanoloranao tena mba hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo mitandrina ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa natokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy na aiza na aiza. (“Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Liahona, apr. 2018, 7)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no nitahiana ny fiainanao na ahoana no ahafahana mitahy izany amin’ny alalan’ny fanoavana ny sitrapon’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanaovana sy ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ny filazantsara?

Fizarana 3

Inona no azoko atao mba hamelana an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainako?

Ao amin’ny soratra masina sy amin’izao androntsika izao, ny olon’ny fanekempihavanan’ny Tompo diaantsoina matetika amin’ny hoe mpianakavin’i Isiraely. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe:

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson

Iray amin’ireo heviteny hebreon’ny teny hoe Isiraely ny hoe “aoka Andriamanitra no hanjaka.” Noho izany ilay anarana hoe Isiraely dia milaza olona iray izay vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany. Nanentana mafy ny fanahiko izany hevitra izany!

Tena manan-danja ilay teny hoe vonona amin’ny fandikana ny teny hoe Isiraely. Samy manana ny fahafahany misafidy isika rehetra … Afaka misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika isika, na tsia. Afaka misafidy ny hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona mahery vaika indrindra eo amin’ny fiainantsika isika na tsia.

Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao? Moa ve ianao hamela ny teniny sy ny didiny ary ny fanekempihavanany hitarika ny zavatra ataonao isan’andro? Moa ve havelanao ho lohalaharana eo amin’ny zavatra hafa rehetra ny feony? Vonona ve ianao hamela izay rehetra ilainy ataonao ho lohalaharana mihoatra ny fanirianao hafa rehetra? Vonona ve ianao hanao izay hahavoatelina ny sitraponao ao amin’ny sitrapony?? (“Aoka Andriamanitra no hanjaka,Liahona, nôv. 2020, 92, 94)

Sary
Tanora iray mivavaka

Azontsika ianarana avy amin’ny soratra masina sy ny fiainan’ireo mpianatra amin’izao androntsika izao ireo fahafahana azo araraotina, ireo olana, ary ireo fitahiana izay tonga rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamnitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika isika.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Jereo ny iray na ny maromaro amin’ireto ohatra mombana olona namela an’ Andriamanitra hanjaka ireto, ary saintsaino ireo fanontaniana aorian’izay:

Rehefa mieritreritra ny ezaka ataonao mba hamelana an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao ianao, dia diniho ity fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Filoha Bonnie L. Oscarson, izay Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha, manaraka ity:

Sary
Ny Filoha Bonnie L. Oscarson

Mijoro ho vavolombelona aho fa misy fitahiana lehibe miandry antsika rehefa vonona hilaza amin’ny Ray ihany koa isika hoe: “na izany aza anefa dia hatao anie ny sitraponao” [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:44] ary mampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny sitrapon’ny Tompo. … Izany no fizahan-toetra eo amin’ny fiainana. Rehefa lasa mihamahay isika amin’ny fanaovana izany dia hahita fahasambarana lehibe kokoa, fahafahana bebe kokoa handray fanambarana ho an’ny tena manokana, fahafahana lehibe kokoa hanompo ireo manodidina antsika, fanampiana bebe kokoa hiatrehana ireo fitsapana, ary toetra tahaka ny an’i Kristy bebe kokoa. (“Leaders Address Importance of Conversion at BYU Women’s Conference,” May 9, 2017, ChurchofJesusChrist.org)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao

Inona no zavatra tsapanao fa tokony hatombokao atao na ajanona mba hamelana an’ Andriamanitra hanjaka feno kokoa eo amin’ny fiainanao? Ahoana no mety hamelanao nyfanampian’ny Tompo ho avy eo aminao rehefa manoa feno kokoa ny sitrapony ianao?