Institiota
Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy


“Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
Manampy olona sahirana iray i Jesoa Kristy

Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy

Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany dia “niantso ny olon-drehetra Izy mba hanaraka ny ohatra nomeny” (“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Ny fiezahana hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy ny fahatongavana tahaka Azy kokoa dia lalan-kodiavina arahina mandritra ny fiainana. Tsikelikely no anaovantsika izany ary amin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy ihany (jereo ny Môrônia 10:32). Eo am-pandalinanao ny tahirin-kevitra ato amin’ity lesona ity dia eritrereto ny zavatra azonao atao mba hahatonga ireo ezaka ataonao mba hitovy amin’ny Mpamonjy ho lasa amin’ny nahim-po kokoa.

Fizarana 1

Olona tahaka ny ahoana no tian’ny Tompo hahatongavako?

Fotoana fohy taorian’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita dia niseho tamin’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy vao nantsoina i Jesoa Kristy. Nampianatra azy ireo bebe kokoa momba ny filazantsarany Izy ary nampianatra azy ireo momba ny andraikiny (jereo ny 3 Nefia 27:13–26). Avy eo ny Mpamonjy dia nilaza hoe: “Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy” (3 Nefia 27:27).

Sary
Christ with Three Nephite Disciples [I Kristy miaraka amin’ireo mpianatra Nefita anankitelo], nataon’i Gary L. Kapp

Io fanasana “ho” tahaka ny Mpamonjy io dia mitolotra amin’ny mpianatra rehetra. Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Dale G. Renlund

Rehefa misafidy ny hatao batisa isika, dia manomboka mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika ary misafidy ny hampifanaraka ny mombamomba ny tenantsika amin’ny Azy. Mampanantena manokana isika fa ho lasa tahaka Azy sy hampivelatra ireo toetrany. (“Fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2019, 23)

Makà fotoana fohy hisaintsainana ny sasany amin’ireo toetran’ny Mpamonjy.

Ny fanekena ho tonga tahaka ny Mpamonjy dia mitondra antsika mihoatra noho ny fahafantarana ny momba Azy. Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Mifanohitra amin’ireo toeram-pampianaran’izao tontolo izao izay mampianatra antsika hahafantatra zavatra, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manome fanamby antsika mba ho tonga karazan’olona. …

Drafitra iray izay mampiseho antsika ny fomba hahatongavantsika amin’izay tian’ny Raintsika any An-danitra hiafarantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. (“The Challenge to Become,” Ensign, Nov. 2000, 32)

Toy izao no nolazain’ny Filoha Ezra Taft Benson momba ny fikatsahantsika ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy:

Sary
Ny Filoha Ezra Taft Benson

Ny lehilahy [na vehivavy] manana fiainana manakaiky ny oha-piainan’i Kristy dia lehilahy [na vehivavy] lehibe indrindra sy sambatra indrindra ary faly indrindra. Tsy misy idiran’ny harena, sy fahefana, ary voninahitry ny tany izany. Ny hany fitsapana marina amin’ny fahalebiazana sy ny maha-olona voatahy ary ny maha-olona heni-pifaliana dia ny fanakaikezan’ny fiainana iray hitovy amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpampianatra. Izy no lalana marina sy fahamarinana feno ary fiainana miavosa. (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” Ensign, Dec. 1988, 2)

Sary
Misiônera miresaka amina zokiolona iray
Sary
sary famantarana, ifanakalozy hevitra

Ifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mieritrereta olona iray izay fantatrao fa ohatra amin’ny fananana toetra tahaka ny an’i Kristy. Hevero ny hanatona azy ireo ary anontanio azy ireo ny fomba nitahiana azy ireo noho ny fiezahana hamolavola ny fiainany araka ny an’ny Mpamonjy.

Fizarana 2

Inona no azoko atao mba hahatonga ahy ho tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa?

Ny Loholona Scott D. Whiting ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra momba ny dingana hahatongavana tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa:

Sary
Loholona Scott D. Whiting

Tsara ny mahatakatra ilay didy hoe ho tonga tahaka Azy, saingy izany fahatakarana izany dia ilaina ampiarahina amina faniriana fatratra hiova, dingana iray isaky ny mandeha, mandresy ny maha-olona araka ny nofo. Mba hananana ilay faniriana dia tsy maintsy mahafantatra isika hoe iza moa i Jesoa Kristy. Tsy maintsy mahafantatra momba ny toetrany isika, ary tsy maintsy mitady ireo toetrany ao amin’ny soratra masina sy amin’ny fotoam-pivavahana ary amin’ny toerana masina hafa. Rehefa manomboka mahafantatra kokoa ny momba Azy isika dia hahita taratra ireo toetrany eny amin’ny hafa. Izany dia hankahery antsika amin’ny fikatsahantsika manokana, satria raha mahavita manatratra ny toetrany ny hafa, amin’ny fomba sasany, dia hahavita ihany koa isika. (“Ho tonga tahaka Azy,” Liahona, nôv. 2020, 13).

Araka ny nampianarin’ny Loholona Whiting dia afaka mahita ireo toetran’i Jesoa Kristy manerana ny soratra masina isika (jereo ohatra ny Matio 5:3–11; Almà 13:28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5–7). Nampianatra ihany koa ny Apôstôly Petera fa amin’ny alalan’ilay “herin’ Andriamanitra” ao amin’ny Mpamonjy dia afaka mahazo ny “toe-panahy araka an’ Andriamanitra” ao amin’ny Mpamonjy isika (2 Petera 1:3, 4).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 2 Petera 1:4–8, ary hevero ny hanisy marika ireo toetran’ Andriamanitra afaka ny ho azontsika sy hianaranantsika amin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy. (Jereo ny fizarana “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” raha te hahazo hevitra misimisy kokoa.)

Mety hahatsapa ho difotra na ho kivy ianao indraindray rehefa mampitaha ny tenanao amin’ny Mpamonjy. Amin’ny fotoana toy izany dia tadidio fa na dia ny Mpamonjy aza “tsy nandray hatramin’ny voalohany ny fahafenoana fa nandray fahasoavana niampy fahasoavana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12). Afaka mahita fifaliana ianao amin’ny alalan’ny fandrosoana tsikelikely.

Tsarovy fa tsy afaka manao izany samirery ianao. Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf

Fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ny toetra tahaka ny an’i Kristy. Tsy afaka hambolena izany raha tsisy ny fanampiany.

Ny fanampiana iray izay ilaintsika rehetra dia omena antsika maimaimpoana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia midika ho fiankinana Aminy tanteraka, fatokiana ny heriny, sy ny faharanitan-tsainy ary ny fitiavany tsy manam-petra. … Rehefa mikatsaka ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa isika dia mila manao tomban’ezaka tsy tapaka ny fiainantsika sy miantehitra amin’ny fahatsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany, amin’ny alalan’ny fibebahana marina. (“Developing Christlike Attributes,” Liahona, Nov. 2008, 8, 9)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona avy ireo fanamby efa niainanao, na mety hiainanao, rehefa miezaka mampitombo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy? Ahoana no fomba hanampian’ny Tompo anao, na ahoana no nanampiany anao ho tonga tahaka Azy bebe kokoa?

Fizarana 3

Inona no toetra tahaka ny an’i Kristy izay tian’ny Tompo ifantohako ny fambolena azy?

Rehefa mieritreritra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy tianao hovelana ianao dia fantaro ny tanjakao sy ny fahalemenao. Azonao atao ny mampiasa ireto sahanasa fianarana manaraka ireto mba hamantarana ny toetra tianao hifantohana avy hatrany.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

  1. Fantaro ny toetra iray izay hovolenao. Eritrereto ombam-bavaka ny toetra tahaka ny an’i Kristy izay tian’ny Tompo ampivelarinao bebe kokoa. Mety hanampy ny hameno ny “Fampiharana momba ny toetra” izay hita ao amin’ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera ([2019], 152).

  2. Mianara amin’ny Mpamonjy. Eritrereto ny fomba nanehoan’i Jesoa Kristy ohatra ilay toetra nosafidinao hianarana. Afaka mahita sy mamaky momba ny ohatra iray mikasika io toetra io ao amin’ny soratra masina ianao. Rehefa misaintsaina ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ianao dia raketo an-tsoratra ny zavatra ianaranao.

  3. Mitadiava ohatra amin’izao vanim-potoana izao. Mieritrereta olona iray fantatrao izay maneho ny toetra nosafidinao hianarana. Hevero ny hiresaka amin’io olona io sy hianatra ny zavatra nanampy azy hamboly io toetra io. Raketo ireo eritreritrao sy fahatsapanao.

Mivonòna hizara zavatra nianaranao avy amin’io traikefa io mandritra ny fotoam-pianarana.

Rehefa manohy miasa amin’ny fambolena ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ianao dia avereno jerena tsy tapaka ny fandrosoanao. Aza ampitahaina amin’ny hafa ny tenanareo. Mifalia amin’ireo fahombiazana kely. Mianara avy amin’ireo hadisoanao. Matokia fa hanome fanampiana sy hery ny Mpamonjy rehefa miezaka ny ho tonga tahaka Azy bebe kokoa ianao.

Sary
zatovolahy iray manokatra varavarana ho an’ny vehivavy iray sy zazakely iray