Institiota
Lesona 1 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hianatra Aminy


“Lesona 1 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hianatra Aminy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 1 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
mitsiky amina vehivavy iray ao anaty vahoaka ny Mpamonjy

Lesona 1 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hianatra Aminy

Tongasoa eto amin’ny Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (Fianarana ny filazantsara faha-250). Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza momba ny Mpamonjy hoe: “Tsy nisy olona hafa nanana akony toy izany teo amin’ireo rehetra efa niaina sy ireo mbola hiaina eto an-tany.”” (“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Ity fampianarana ity dia hanome anao fahafahana masina hianatra misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy mba hahafahanao mampitombo ny fitaomany eo amin’ny fiainanao.

Ny tahirin-kevitra fanomanana amin’ity fampianarana ity dia natao mba hanampiana anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fandalinanao manokana sy ny fanomanana anao hanao fifanakalozan-kevitra izay mampiorina miaraka amin’ny hafa. Ahitana soratra masina manan-danja, fanambarana manohana avy amin’ireo mpitarika ny Fiangonana, horonan-tsary mifandray amin’izany ary fanasana hisaintsaina sy hampihatra ny zavatra nianaranao. Ny lesona tsirairay dia misy fizarana tsy voatery hatao hoe “Te hianatra misimisy kokoa ve?” izay ahitana loharanom-pitaovana fanampiny afaka manampy anao hianatra misimisy kokoa sy hampatanjaka ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahan’ny fianarana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay manova ny fiainako?

Alaivo sary an-tsaina hoe nonina tany Palestina ianao nandritra ny andro nanompoan’ny Tompo. Naheno zavatra mahagaga be dia be mombana mpampianatra iray antsoina hoe Jesoa avy any Nazareta ianao ary maniry mafy ny handeha hihaino Azy samirery. Amin’ny andro ahitanao Azy dia mampianatra andian’olona maro i Jesoa. Manambara ny fahalehibiazan’i Jaona Mpanao Batisa Izy ary mandevilevy ny olona noho ny tsy finoan’izy ireo (jereo ny Matio 11:7–24). Avy eo dia manao fanasana mety hanova fiainana Izy.

Sary
I Jesoa mampianatra ny mpianany
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Matio 11:28–30, ary saintsaino ny fomba nanovana na mety hanovan’ny fanekena io fanasana io ny fiainanao.

Nandefa fanasana mitovitovy amin’izany i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao. Rehefa avy nijoro ho vavolombelona momba ny sarany naloany izay tsy takatry ny saina mba hanaovana Sorompanavotana ho an’ny fahotantsika ka hahafahantsika mibebaka ny Mpamonjy, dia nilaza hoe: “Mianara Amiko ary henoy ny teniko; mandehana amin’ny fahalemem-panahiko, dia hanana ny fiadanana ao Amiko ianao.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23).

Sary
Mankanesa aty Amiko, nataon’i Eva Timothy

Raha niresaka momba io fanasana io ny Loholona Kim B. Clark ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra toy izao:

Sary
Ny Loholona Kim B. Clark

Ny fanasan’ny Mpamonjy “hianatra amiko” dia manana hevitra roa mifandray izay mifandraika amin’ny fomba mahafinaritra amin’ny fomban’ny Tompo mba hianarana lalina.

Ny hevitra voalohany amin’ny hoe “mianara amiko” dia hoe: Mianara mamantatra ahy.

… Ny hoe mahalala Azy dia midika hoe teraka ara-panahy ao Aminy, miaina fiovam-po mahery vaika ary tonga zanakalahiny sy zanakavaviny. …

Ny hevitra faharoa fonosin’ny hoe “mianara amiko” dia hoe: Mianara avy amiko.

… Rehefa mandroboka ny tenantsika ao anatin’ny soratra masina isika, dia mianatra avy amin’ny ohatra tonga lafatra asehony. … Tsy maintsy manao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy isika mba hanaovana ny anjarantsika, saingy rehefa manao izany isika, … Dia mampanantena Izy fa hampitombo ny fahafahantsika manao asa marina sy hanampy antsika ho tonga tahaka Azy kokoa. (“Learn of Me” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra ara-pivavahana ao amin’ny CES, 26 jan. 2018], ChurchofJesusChrist.org; nampiana fanamafisana)

Fomba iray tena manan-danja hianarana momba ny Mpamonjy ny fandalinana sy ny fiainana ny filazantsarany maharitra mandrakizay. “Ny teny hoe filazantsara dia midika hoe ‘vaovao mahafaly’” (Bible Dictionary, “Gospels”). Koa inona ary ilay vaovao mahafalin’ny filazantsara?

Rehefa akaiky hifarana ny asa fanompoany tamin’ireo Lamanita sy ireo Nefita tany amin’ny tanin’i Soafeno, dia nanazava tamin’ny teny tsotra sy mazava ny dikany sy ny tanjon’ny filazantsarany ny Mpamonjy.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 3 Nefia 27:13–16, 20–21, ary mitadiava antony mahatonga ny filazantsara ho vaovao mahafaly.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Loholona Jeffrey R. Holland

Ny “vaovao mahafaly” dia hoe ny fahafatesana sy ny helo dia azo andosirana, fa azo resena ireo fahadisoana sy ireo fahotana , fa misy fanantenana, fa misy fanampiana, fa voavaha izay tsy azo novahana, fa resy ilay fahavalo. Ilay vaovao mahafaly dia hoe mbola ho foana ny fasan’ny olona tsirairay indray andro any, afaka ny hadio indray ny fanahin’ny olona tsirairay, afaka hiverina any amin’ilay Ray izay nanome aina azy ireo avokoa ny zanak’ Andriamanitra rehetra. (“Missionary Work and the Atonement,” Ensign, mar. 2001, 8–10)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao

Eritrereto ny fahatakaranao sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany anananao amin’izao fotoana izao. Inona no tanjona tianao hapetraka mba hianaranao misimisy kokoa momba Azy sy ny filazantsarany? Inona no azonao atao mba hampitomboana ny fitaomany eo amin’ny fiainanao? Hevero ny hanoratra ireo tanjonao sy hamerimberina hijery azy ireo mandritra ireo herinandro ho avy.

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako mampitombo ny fahafahako mianatra amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany?

Miaina amina tontolo iray izay tena volavolain’ny fahalalana tsy ara-pivavahana isika. Ny fahalalana tsy ara-pivavahana dia mifantoka amin’ny zavatr’izao tontolo izao izay tsy raisina ho ara-pivavahana na ara-panahy. Ohatra, ny fianarana ara-tsiansa dia mamokatra fahalalana tsy ara-pivavahana. Manan-danja io fahalalana io ary nitarika tamina fandrosoana lehibe teo amin’ny teknôlôjia, fitsaboana, fambolena, fitaterana, ary fifandraisana. Miaraka amin’io fianarana tsy ara-pivavahana io dia misy fomba lalina sy ara-panahy kokoa ianarana fahamarinana.

Ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fitopololahy dia nanavaka ny fianarana ara-panahy sy ara-tsiansa toy izao:

Sary
Ny Loholona Paul V. Johnson

Ny mianatra zavatra ara-panahy … dia mitaky fomba hafa noho ny mianatra zavatra ara-tsiansa. Ny fomba siantifika sy ny faharanitan-tsaina dia tena ilaina, saingy raha mandeha irery izy ireo dia tsy hitondra fahalalana ara-panahy na oviana na oviana. Tafiditra ao anatin’ny fianarana zavatra ara-panahy ny faharanitan-tsaina, saingy tsy ampy izany. Amin’ny alalan’ny Fanahy ihany no ianarantsika ireo zavatra ara-panahy. (“A Pattern for Learning Spiritual Things” [Fampitana mivantana ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 7 aog. 2012], ChurchofJesusChrist.org)

Sary
tanora mamaky teny

Rehefa niresaka momba ny fianarana ara-panahy ny Tompo, dia nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith Izy hoe “satria tsy manana finoana ny rehetra, dia mikatsaha fatratra sy mifampianara ny teny fahendrena ianareo; eny katsahonareo ao amin’ny tsara indrindra ny teny fahendrena; katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihina ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118).

Ny ankamaroantsika dia mahalala ny fomba ianarana amin’ny alalan’ny fandalinana. Saingy ahoana no fomba ianarantsika amin’ny alalan’ny finoana? Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson

Manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika rehefa miezaka mitandrina ireo didiny sy “mahatsiaro azy mandrakariva” [Môrônia 4:3]. Ankoatr’izay dia mitombo ny finoantsika isaky ny mampihatra ny finoantsika Azy isika. Izany no dikan’ny hoe mianatra amim-pinoana.

Ohatra, isaky ny manana finoana isika hankatoavana ireo lalàn’ Andriamanitra, eny fa na manambany antsika aza ny hevitr’izao tontolo izao, na koa isaky ny mahatohitra ny fampifalifaliana na hevi-dravina izay manindrahindra fandikana fanekempihavanana, dia mampihatrany finoantsika isika, ary izany indray avy eo no mampitombony finoantsika.

Ankoatr’izay, vitsy ihany ny zavatra izay mampiorina finoana kokoa noho ny fandalinana tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna. Tsy misy boky hafa mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba mahery sy mazava tahaka azy. …

Mazava ho azy, fa voaaro tanteraka isika rehefa manisy zioga ny tenantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy! Ny fiainana tsy misy an’ Andriamanitra dia fiainana feno tahotra. Ny fiainana miaraka amin’ Andriamanitra dia fiainana feno fiadanana. Izany dia satria fitahiana ara-panahy no tonga amin’ireo mahatoky. Ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana no anisan’ny goavana indrindra amin’izany fitahiana izany. (“Raiso amim-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 75)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao

Mieritrereta olona ao anatin’ny soratra masina na olona fantatrao izay maneho ohatra amin’ny fitsipiky ny fianarana amim-pinoana. Mitanisà ohatra vitsivitsy mba hahatonga anao ho vonona hizara ao am-pianarana. Mety ho azonao atao koa ny mirakitra an-tsoratra ny zavatra nianaranao tamin’ny fampiharana finoana an’i Kristy.