Institiota
Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mahita fanantenana ao amin’ilay Fahazavana sy Fiainan’izao tontolo izao


“Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mahita fanantenana ao amin’ilay Fahazavana sy Fiainan’izao tontolo izao,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
Light of the World [Fahazavan’izao tontolo izao] nataon’i Howard Lyon

Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mahita fanantenana ao amin’ilay Fahazavana sy Fiainan’izao tontolo izao

Na dia tiantsika ho feno hasambarana aza ny fiainantsika, dia mpahazo antsika rehetra ny fahaketrahana sy fahakiviana tsindraindray. Ireo fahatsapana ireo dia mety ho vokatry ny fahotana, ny tahotra, ny fisalasalana, na ny fahafatesana. Tafiditra fotsiny amin’ny zavatra iainantsika eto an-tany izany. Eo am-pandalinanao dia eritrereto ny fomba hahazoanao hery ao amin’i Jesoa Kristy, izay “fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org).

Fizarana 1

Ahoana no ahafahan’ny fahazavana sy ny fiainana omen’i Jesoa Kristy hampatanjaka ahy?

I Isaia dia naminany fa ny Mesia dia ho fahazavana ho an’izao tontolo izao (jereo ny Isaia 49:6; 60:1–3). Nohamafisin’i Jesoa Kristy fa Izy no Mesia naminaniana rehefa nanambara Izy hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).

Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks, mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks

I Jesoa Kristy no fahazavan’ izao tontolo izao, satria Izy no loharanom-pahazavana izay mamelona ny fahatakarantsika, satria ny fampianarany sy ny ohatra nomeny no manazava ny lalantsika, ary ny heriny no mandresy lahatra antsika hanao ny tsara. (“The Light and Life of the World,” Ensign, Nov. 1987, 63–64)

Rehefa niseho tamin’ny Nefita sy ny Lamanita i Jesoa Kristy dia nanambara Izy hoe: “Ary indro, Izaho no fahazavana sy fiainan’ izao tontoloizao” (3 Nefia 11:11, nampiana fanamafisana; jereo koa ny Môzià 16:9). Nilaza izao manaraka izao ny Filoha Oaks momba ny andraikitry ny Mpamonjy amin’ny maha-fiainan’izao tontolo izao Azy:

I Jesoa Kristy no fiainan’ izao tontolo izao noho ny toerana misy azy manokana ao amin’ilay antsoin’ny soratra masina hoe: “ny drafitra lehibe sy mandrakizay ho fanafahana amin’ny fahafatesana” (2 Nef. 11:5). …

Izy no fiainan’ izao tontolo izao satria ny fitsanganany tamin’ny maty sy ny sorompanavotany dia mamonjy antsika amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. (“The Light and Life of the World,” Ensign, Nov. 1987, 63–65)

Sary
Light of the World [Fahazavan’izao tontolo izao], nataon’i Brent Borup

Ny Rahavavy Sharon Eubank, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nizara traikefa iray izay maneho ny maha-zava-dehibe ny maha-fahazavana sy fiainana an’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika:

Sary
Rahavavy Sharon Eubank

Mahatazana tsara dia tsara ny Tempolin’ i Salt Lake ao amin’ny birao misy ahy ao amin’ny tranon’ny Fikambanana Ifanampiana. Isaky ny alina, tena tsy diso lera mihitsy, dia mirehitra ireo jiro ivelan’ny tempoly rehefa mody masoandro iny. Ny tempoly dia fanilo miredareda tsy tapaka iray eo ivelan’ny varavarankeliko eo mihitsy.

Indray alina tamin’iny febroary lasa iny dia nitoetra ho maizina ny biraoko rehefa nilentika ny masoandro. Raha nitazana teo am-baravarankely aho dia nanjavozavo ny tempoly. Tsy nirehitra ireo jiro. Tampoka teo dia nahatsapa fahamaizinana bebe kokoa aho. Tsy afaka nahatazana ireo lefon’ny tempoly izay tazako isaky ny hariva nandritry ny taona maro aho.

Ny fahitana haizina teo amin’ny toerana izay nanantenako hahitana fahazavana dia nampahatsiahy ahy fa iray amin’ireo zavatra fototra ilaintsika ananana indrindra mba hitomboana dia ny mifandray amin’i Jesoa Kristy—ilay loharanon’ny fahazavantsika. Izay no loharanon’ny herintsika, ilay Fahazavana sy Fiainan’ izao tontolo izao. Raha tsy misy fifandraisana mafy Aminy dia manomboka maty ara-panahy isika. Amin’ny fahafantarana izany, i Satana dia miezaka mampiasa ireo faneriterena eo amin’izao tontolo izao izay atrehantsika rehetra. Miezaka ny hampanjavozavo ny fahazavantsika izy, hanapaka ilay fifandraisana, hanapaka ny vatsin-kerinaratra, ka hamela antsika irery ao anatin’ny haizina. (“I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina,” Liahona, mey 2019, 73)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no fitahiana efa niainanao teo amin’ny fiainanao rehefa nanao ezaka ianao mba hifandray amin’ilay Fahazavana sy ny Fiainan’izao tontolo izao? Inona no azonao atao mba hanamafisana izany fifandraisana izany?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy mitondra fanantenana ho ahy?

Ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny Fahazavana sy Fiainan’izao tontolo izao Azy dia afaka mitahy ny fiainantsika amin’ny fomba maro. Iray amin’ireny fomba ireny ny fanomezana antsika fanantenana.

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nanazava ny fomba nitondran’ny fahazavana sy ny fiainan’i Jesoa Kristy fanantenana:

Sary
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf

Tena misy ny fahazavan’ Andriamanitra. Afaka mahazo izany ny rehetra! Manome aina ny zava-drehetra izany [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:11–13]. Manana hery izany hanalefahana ny fanaintainan’ny ratra lalina indrindra. Afaka manasitrana ny fanirery sy ny aretin’ny fanahitsika izany. Afaka mamboly ny voan’ny fanantenana mamiratra kokoa izany na dia ao anatin’ny fahadisoam-panantenana aza. (“Ny fanantenana ny fahazavan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2013, 75)

Mamaky isika ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina hoe: “Amin’ny fitenintsika andavanandro, ny teny hoe [fanantenana] matetika dia maneho fisalasalana. Ohatra, afaka miteny isika hoe manantena fiovana eo amin’ny toetr’andro na manantena fa hisy namana iray hitsidika. Ao anatin’ny fiteny ampiasain’ny filazantsara anefa, dia midika zavatra azo antoka, tsy voahozongozona ary velona ny fanantenana. Miresaka momba ny fananana -fanantenana mafy orina- ireo mpaminany (Almà 34:41) ary ny -fanantenana velona- (1 Petera 1:3)” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanantenana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
tarora mitsiky

Rehefa misaintsaina momba ireo fanamby iainanao ianao dia tsarovy fa niaina tamin’ny andro iray izay nanjakan’ny haizina ara-panahy teo amin’ny fiainan’ny Nefita ny mpaminany Môrmôna (jereo ny Môrmôna1–6). Nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny dia nampianatra ny fomba hampitomboana ny fanantenantsika i Môrmôna.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môrônia 7:40–42, ary tadiavo ny fifandraisan’ny finoana sy ny fanantenana ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Loholona David A. Bednar

Ny fitokisana amin’i Kristy sy ny fahatokiana Azy ary ny fianteherana tsy misy fisalasalana amin’ny fahamendrehany sy ny famindrampony ary ny fahasoavany dia mitondra amin’ny fanantenana ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotany (jereo ny Môrônia 7:41). Ny herin’ny Sorompanavotana no mahatonga ny fibebahana ho azo tanterahina ary mampitony ilay fahakiviana ateraky ny fahotana. (“Noho izany izy ireo dia nampangina ny tahony,” Liahona, mey 2015, 48)

Tahaka an’i Môrmôna, ny mpaminany Etera ihany koa dia niaina tao anatin’ny fotoan-tsarotra (jereo ny Etera 11). Ary toa an’i Môrmôna, i Etera dia nampianatra fa na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra indrindra aza dia afaka mahita fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy isika.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Etera 12:4, ary tadiavo ny fiantraikan’ny fanantenana an’i Kristy eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

Sary
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf

Ny fanantenana dia fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy [jereo ny Môrônia 8:26]. …

[Izany dia] “ ny fahatokiana maharitra fa ny Tompo dia hanatanteraka ny fampanantenany amintsika. Izany dia fahatokiana fa raha manana fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’ Andriamanitra sy ny tenin’ireo mpaminany isika amin’izao fotoana izao, dia handray ireo fitahiana iriantsika amin’ny hoavy. Izany dia finoana sy fiandrandrana fa hivaly ny vavaka ataontsika. Hita amin’ny fahatokian-tena, ny fahitana ny lafin-tsaran-javatra , ny hafanam-po ary ny faharetana izany. …

Na mahaketraka toy inona aza ny toko eo amin’ny fiainantsika ankehitriny, noho ny fiainana sy ny sorona nataon’i Jesoa Kristy, dia afaka manantena sy mahazo antoka isika fa ny fiafaran’ny bokin’ny fiainantsika dia hihoatra ny zavatra andrasantsika lehibe indrindra. (“The Infinite Power of Hope,” Liahona, Nov. 2008, 23)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny iray na maromaro amin’ireto tantara manaraka ireto, na tantara izay tianao manokana. Mitadiava porofo fa ny finoana ny Tompo dia afaka mitondra fanantenana ho antsika. Miomàna hizara ny zavatra nianaranao amin’ny kilasinao.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no nianaranao momba ny fanantenana avy amin’ilay andinin-tsoratra masina na ireo andinin-tsoratra masina nohalalininao? Rehefa mikatsaka ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny fanantenana ianao dia inona no azonao atao mba hanasana izany fanomezana izany ho eo amin’ny fiainanao?