Institiota
Lesona 3 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Matoky an’i Jesoa Kristy, Ilay mpamonjy sy mpitarika antsika talohan’ny nahaterahantsika


“Lesona 3 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Matoky an’i Jesoa Kristy, ilay mpamonjy sy mpitarika antsika talohan’ny nahaterahantsika,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 3 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
I Jesoa nampianatra tao amin’ny Filankevitra lehibe

Lesona 3 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Matoky an’i Jesoa Kristy, Ilay Mpamonjy sy Mpitarika antsika talohan’ny nahaterahantsika

Na dia tsy tadidinao aza, ny fiainanao miaraka amin’i Jesoa Kristy dia efa nanomboka ela talohan’ny nahaterahanao. Izany fifandraisana sy fahalalana ny drafitry ny Ray any An-danitra izany dia afaka mitondra tanjona sy dikany eo amin’ny fiainanao ety an-tany. Ny Fizarana 2 dia hanampy anao hahatakatra kokoa ny anjara toerana lehiben’ny Mpamonjy tany amin’ny Filankevitra Lehibe tany an-danitra, tao amin’ny drafi-pahasambaran’ny Ray, tao amin’ny Fahariana, ary tao amin’ny tantara hafa zaraina ao amin’ny Testamenta Taloha. Rehefa mandinika ny tahirin-kevitra avy amin’ity lesona ity ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo manorina ny fahatokianao an’i Jesoa Kristy.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahan’ny drafitry ny famonjena mitondra tanjona sy fiadanana eo amin’ny fiainako?

Efa nisy fotoana ve ianao very tany an’ala , na tao anatina vahoaka be, na tao an-tanàn-dehibe? Nanao ahoana ny zavatra niainanao?

Sary
mpandeha an-tongotra lavitra very

Tahaka ny mety ho efa naha-very anao tany an’ala na tao amin’ny tanàn-dehibe iray, dia mety ho efa nahatsapa koa ianao na hahatsapa indray andro any fa very hevitra ny amin’ny dikan’ny fiainanao ny sy tanjom-pisian’izany. Rehefa mieritreritra izany fahatsapana izany ianao dia saintsaino ireto tenin’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ireto:

Sary
Ny Loholona Robert D. Hales

Matetika aho no nieritreritra ny fahakivian’ireo zanak’Andriamanitra izay mirenireny ao anatin’ilay izao tontolo izao izay maizina sy mahonena, ka tsy mahafantatra hoe iza izy ireo, na avy aiza na nahoana no eto an-tany na ho aiza izy ireo aorian’ny fiainany eto an-tany.

Tsy mila mirenireny isika. Nanambara fahamarinana mandrakizay mba hamaliana ireo fanontaniana ireo Andriamanitra. …

… Ny drafitry ny famonjena dia iray amin’ireo harem-pahalalana lehibe indrindra nomena ny olombelona hatramin’izay satria manazava ny tanjona mandrakizain’ny fiainana izany. (“The Plan of Salvation: A Sacred Treasure of Knowledge to Guide Us,” Ensign, ôkt. 2015, 25–26)

Nampiseho ny drafitry ny famonjeny tao amin’ny Filankevitra Lehibe ny Raintsika any An-danitra. Tao no nahalalantsika fa raha hanaraka ny drafiny isika dia afaka ny ho tonga tahaka Azy, miverina eo amin’ny fanatrehany ary mahazo fiainana mandrakizay, izay “lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).

Nahalala ihany koa isika fa ny drafitry ny Ray dia hitaky Mpamonjy Iray, izay hanao ny fandresena ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy ho zavatra azontsika atao. Nifidy an’i Jesoa ho izany Mpamonjy izany ny Ray any An-danitra (jereo ny Abrahama 3:27).

Nijoro ho vavolombelona toy izao ny Filoha Thomas S. Monson:

Sary
Ny Filoha Thomas S. Monson

Tena ilaina amin’ny drafitry [ny famonjena] ny Mpamonjintsika, i Jesoa Kristy. Raha tsy nisy ny sorona fanavotana nataony dia ho very avokoa ny rehetra. (“Ilay lalana tonga lafatra mankany amin’ny fahasambarana,” Liahona, nôv. 2016, 80)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no nitondran’ny fahalalana ny drafitry ny famonjena dikany na tanjona teo amin’ny fiainanao? Raha tsapanao ho tsy azonao antoka ny tanjon’ny fiainanao, ahoana no mety hahafahan’ny fandalinana ny drafitry ny famonjena sy ny anjara toeran’ny Mpamonjy ao anatin’izany manampy?

Fizarana 2

Nahoana no nanaiky an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy antsika isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahantsika?

Ny Voahangy Lafo Vidy dia manome fitantarana mahaliana momba an’i Abrahama nianatra momba ny planeta sy ny kintana. Hitan’i Abrahama fa ny kintana mpanapaka sy mazava indrindra dia nantsoina hoe Kôlôba ary akaiky indrindra ny fanatrehan’ Andriamanitra izany (jereo ny Abrahama 3:2–17).

Nahalala ihany koa i Abrahama fa mitovy amin’ny hoe misy fahasamihafana eo amin’ny samy kintana, dia misy fahasamihafana eo amin’ireo fanahy zanak’Andriamanitra. Ny fanahy sasany dia “marani-tsaina kokoa” noho ny hafa, fa ny Tompo Andriamanitra kosa dia “marani-tsaina kokoa noho izy rehetra” (Abrahama 3:18–19). (Fanamarihana: Ny faharanitan-tsaina ao amin’io andininy io dia manondro fahazavana sy fahamarinana azon’ny olona iray [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:28, 36].)

Eo amin’io sahan-kevitra izay anehoan’ny Kôlôba an’i Jesoa Kristy io (jereo ny Abrahama 3:3, 16), inona no ampianarin’izany antsika momba Azy?

Sary
Kôlôba aseho an-tsary
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Abrahama 3:22–24, ary mitadiava zavatra azontsika ianarana momba ny fifandraisantsika tamin’i Jesoa Kristy tamin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana. (Fanamarihana: ny Faharanitan-tsaina ao amin’io andininy io dia manondro ireo fanahy zanaky ny Ray any An-danitra.)

Sary
ilay Filankevitra Lehibe

Fantatr’i Abrahama fa ny maha-akaiky an’ Andriamanitra an’i Kôlôba no nahatonga izany ho “ny [kintana] lehibe indrindra amin’ny rehetra … satria akaiky indrindra [Azy] izany” (Abrahama 3:16). Toy izany koa amintsika, amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika. Ny fahiratan-tsaina, ny fahazavana, ary ny voninahitsika dia hiankina amin’ny fanakaikezantsika ilay Mpahary, i Jesoa Kristy, izay “akaiky indrindra ny seza fiandrianan’ Andriamanitra” ary “natao … hanapaka ny rehetra iray lamina aminy” (Abrahama 3:2, 3).

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ny fahalehibeazan’i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahana manainga anao hatoky Azy ary hanakaiky kokoa Azy?

Fizarana 3

Ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manampy ahy handresy ny fitaoman’ny ratsy manodididina ahy?

Misy fotoana mety mahatsapa ho tototry ny fanoheran’i Satana ianao rehefa miezaka mafy hanaraka an’i Jesoa Kristy sy hiaina ny filazantsarany. Mety hanampy ny fitadidiana fa tsy vao voalohany nahitanao na niainanao ny fitaomana ratsin’i Satana izany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Mosesy 4:1–4, ary tadiavo ny fahasamihafana eo amin’i Satana sy ny Mpamonjy.

Ny fikomian’i Satana no nanomboka ny antsoina hoe Ady tany an-danitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy (jereo ny Apokalypsy 12:7). Izany dia niadiana teo amin’ireo nijoro niaraka tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ireo izay nanohitra Azy ireo ka nifidy ny hanaraka an’i Satana.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Apokalypsy 12:7–11, ary hevero ny hanamarika ny soratra masinao amin’ny fomba nandresenao an’i Satana sy ny mpanaraka azy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. (Fanamarihana: I Adama dia nantsoina hoe Mikaela tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana [jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mikaela,” ChurchofJesusChrist.org].) Ahoana no mety hahafahan’ny zavatra nomarihinao na neritreretinao teo am-pamakiana ny soratra masina mihatra amin’ny ady mitohy ataonao amin’i Satana eto an-tany?

Izao no nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley momba io ady io:

Sary
Ny Filoha Gordon B. Hinckley

Izany ady tena mangidy sy mahery vaika izany dia mbola tsy nitsahatra mihitsy. Izany dia ilay ady eo amin’ny fahamarinana sy ny fahadisoana, eo amin’ny fahafahana misafidy sy ny fanerena, eo amin’ny mpanara-dia an’i Kristy sy ireo izay nandà Azy. …

… Atao eo amin’ny fiainantsika izany, isan’andro isan’andro, ao an-tranontsika, any am-piasantsika, any amin’ny fikambanana ara-tsekoly misy antsika. … Tafiditra ao amin’izany avokoa isika rehetra—ankizy, zatovo, na olon-dehibe, ny tsirairay amintsika. (“An Unending Conflict, a Victory Assured,” Ensign, jona 2007, 6, 9)

Ny Rahalahy Ahmad S. Corbitt ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy Maneran-tany dia nanome hafatra momba ny fanantenana amin’ny ady mitohy ataontsika amin’ny ratsy:

Sary
Ny Rahalahy Ahmad S. Corbitt

Namitaka ny ampahatelony tamin’ireo fanahy zanaky ny Ray any An-danitra tamin-kafetsena i Satana mba hamelana azy hanjaka amin’ny toeran’ Andriamanitra. Fa tsy anisany ianao! Ny Apôstôly Jaona dia nahita fa nandresy an’i Satana ianao “tamin’ny alalan’ny teny fijoroana ho vavolombelona [anananao]” [Apokalypsy 12:11]. …

… Ny fahafantaranao fa nandresy an’i Satana ianao taloha tamin’ny alalan’ny tenin’ny fijoroanao ho vavolombelona dia hanampy anao hitia sy hizara ary hanasa anio ary mandrakizay, hanasa ireo hafa ho avy ka hahita, ho avy ka hanampy ary ho avy ka hiombona, raha mbola mamely mafy izany ady ho an’ny fanahin’ireo zanak’ Andriamanitra izany. (“Afaka manangona an’i Isiraely ianao!,” Liahona, mey 2021, 61)

Sary
sary famantarana, manaova asa

Mandraisa andraikitra

Eritrereto am-bavaka ny fomba ahafahan’ny fanamafisana orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany manampy anao handresy an’i Satana ary “hahatohitra” ny fakam-panahiny (Almà 37:33). Azonao atao koa ny mamantatra hetsika iray nataonao (na azonao atao) mba hanampy anao handresy ny fitaoman’i Satana eo amin’ny fiainanao.