Institiota
Lesona 2 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ilay Kristy velona


“Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ilay Kristy velona,” Tahirin-kevitra ho an’ny Mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 2 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
Christ’s Image [Endrik’i Kristy], nataon’i Heinrich Hofmann

Lesona 2 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Manamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ilay Kristy velona

Alaovy sary an-tsaina ny alahelo sy ratram-po tsy maintsy tsapan’ireo mpanaradia an’i Jesoa Kristy rehefa nijery Azy nijaly sy maty teo ambonin’ny hazofijaliana izy ireo. Satria tsy mbola nahatakatra feno ny iraka nampanaovina Azy izy ireo, dia mety ho nahatsiaro ho sahiran-tsaina sy irery izy ireo rehefa nametraka ny vatany tao am-pasana. Azonao alaina sary an-tsaina ny hafaliana sy fahagagan’izy ireo rehefa nahita Azy velona andro vitsy taorian’izay. Afaka nijoro ho vavolombelona amin’izay izy ireo fa Izy no Kristy velona! Rehefa mandinika ity tahirin-kevitra ity ianao, dia eritrereto ny fijoroanao ho vavolombelona manokana momba ilay Kristy velona sy ny dikany aminao.

Fizarana 1

Inona no zavatra manan-danja amin’ny filazana hoe “i Jesoa no Kristy”?

Tany am-piandohan’ny fanompoany teto an-tany dia nisy mpianatr’i Jaona mpanao batisa anankiroa naheno an’i Jaona nilaza hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra!” Jaona 1:36 Rehefa naheno izany izy ireo dia nanaraka an’i Jesoa. Ny iray tamin’izy ireo, i Andrea, dia nahita an’i Simona Petera rahalahiny ary nanambara hoe “Efa nahita … ny Kristy izahay” (Jaona 1:41).

Manan-danja ny fanambaran’i Andrea hoe i Jesoa no Kristy. Ny teny grika ho an’ny Kristy dia midika hoe “ilay voahosotra” ary mitovy amin’ny teny hebreo hoe Mesia. “Nampiasaina ho anarana fiantsoana amin’ny anjara toerana hazonina, ny [Kristy na Mesia] dia manondro ny Mpanjaka sy Mpanafaka izay nandrasan’ny Jiosy fatratra ny fahatongavany” (Bible Dictionary, “Messiah”).

Taty aoriana tao anatin’ny asa fanompoany dia nanontany ny mpianany i Jesoa hoe heverin’ny olona ho iza Izy. Novalian’izy ireo tamina anarana mpaminany maro. Nanontany i Jesoa avy eo, “Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?” (Matio 16:15).

Sary
I Jesoa miresaka amin’i Petera
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Matio 16:16–17.

Satria ilay Kristy, Jesoa dia “nohosoran’ny Ray ho solontenany manokana amin’ny zavatra rehetra mifandray amin’ny famonjena ny olombelona” (Bible Dictionary, “Anointed One”). Satria i Jesoa Kristy no Kristy, dia Izy no làlan-tokana ary ny Azy no anaran-tokana ahazoana manafaka antsika amin’ny vokatry ny ota sy ny fahafatesana (jereo ny Asa 4:12; Môzià 3:17).

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao

Makà minitra vitsy hamakiana ny lohahevitra hoe “Jesoa Kristy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (azo jerena ao amn’ny ChurchofJesusChrist.org) ary mitadiava anarana hafa, fiantsoana, ary anjara asa nomena an’i Jesoa Kristy. Raketo an-tsoratra ny fahatakaranao ary miomana hizara izany amin’ny kilasy misy anao.

Azonao atao ihany koa ny mamaky na mihaino ny “This Is the Christ,” hira nosoratan’ny Filoha James E. Faust, izay nanompo tao amin’ny fiadidiana voalohany. Eritrereto ny zavatra mety hozarainao amin’ny kilasy momba ny zavatra noeritreretinao na tsapanao momba ilay hira.

“This Is the Christ,” nosoratan’i James E. Faust, Jan Pinborough sy i Michael Finlinson Moody; nataon’ny Amboarampeon’ny Tabernakely ao Temple Square nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana manerantany tamin’ny ôkôbra 2018

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny Apôstôlin’ny Tompo hisy fiantraikany amin’ny fijoroako ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy?

Amina faritra maro manerana izao tontolo izao dia mitotongana ny finoana ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy (jereo ny Neil L. Andersen, “Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 88). Angamba efa nahita maso fihalemena finoana tamin’ny toerana nonenanao ianao, efa nijery olona tianao nanalavitra ny Mpamonjy sy ny Fiangonany, na efa niaina ny adinao manokana tamin’ny tsy finoana.

Ny tsy fisian’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia tsy amin’izao androntsika izao ihany. Ohatra, na dia taorian’ny nahitan’ny Lamanita sy ny Nefita “famantarana sy fahagagana” miavaka tamin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy aza, dia tsy ela dia lasa “tsy dia gaga … ny olona ary nanomboka tsy nino izay rehetra reny sy hitany” (3 Nefia 2:1).

Mba hanampiana ny tsirairay amintsika amin’ny finoantsika Azy, dia niantso Apôstôly ho vavolombelony manokana amin’ny olon-drehetra ny Tompo (jereo ny Matio 28:19–20; 3 Nefia 12:1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23).

Sary
I Kristy manendry ireo apôstôly, nataon’i Harry Anderson

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

Sary
Ny Filoha Gordon B. Hinckley

Tsy manan-tsahala ny antson’izy ireo. Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo izy ireo, izay nofinidiny sy nirahiny. Izy ireo dia nodidiana hijoro ho vavolombelon’ny fisiany velona amin’ny alalan’ny hery sy fahefan’ny maha-apôstôly masina. (“Special Witnesses of Christ,” Ensign, apr. 2001, 4)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Avereno eritreretina ireo fotoana nahenoanao ny Apôstôlin’ny Tompo mizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelon’ny Mpamonjy. Ahoana no niantraikàn’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona tamin’ny fijoroanao ho vavolombelona?

Fizarana 3

Ahoana no ahafahan’ny fiainako miova amin’ny alalan’ny fandalinana ny “Ilay Kristy Velona”?

Tamin’ny 1 janoary, 2000, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namoaka ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Mpamonjy tao amina tahirin-kevitra iray nantsoina hoe “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org).

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza io tahirin-kevitra ara-tantara io toy izao:

Sary
Ny Loholona Robert D. Hales

“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” dia voaomana mialoha ny fotoana izay tena hilantsika izany indrindra. (“Fihaonamben’ny Fiangonana manerantany: Manamafy orina ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona,” Liahona, nôv. 2013, 7)

Nandinika toy izao koa ny Filoha Russell M. Nelson:

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson

Maro ireo mpikambana no efa nanao tsianjery ny fahamarinana raketin’izany. Ny sasany kosa dia zara raha mahafantatra ny fisiany. Rehefa mikatsaka izay hianarana misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy ianao dia amporisihiko handalina ny “Ilay Kristy Velona.” (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 40)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio tsara ny “Ilay Kristy Velona” ary hevero ny hanamarika ny ampahany hitanao ho misongadina. Hevero ny hivavaka alohan’ny hanombohanao mba hahafahan’ny Fanahy manampy anao hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’ny zavatra halalininao.

Sary
sary famantarana, manaova asa

Mandraisa andraikitra

Ny fanaovana tsianjery ny “Ilay Kristy Velona” dia afaka mamaly ny zavatra takin’ny Asondroty ny Fianarana amin’ity fandaharam-pianarana ity. Hevero ny hametraka tanjona hanao tsianjery ny ampahany rehetra amin’io tahirin-kevitra io rehefa miezaka mafy hanamafy orina ny fijoroanao ho vavolombelona momba ilay Kristy velona ianao.