Institiota
Lesona 12 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mahita fahamarinana madio ao amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy


“Lesona 12 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mahita fahamarinana madio ao amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 12 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
Ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny maha-mpianatra, nataon’i Justin Kunz

Lesona 12 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mahita fahamarinana madio ao amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy

Ny fiainana ao anatin’ny vanim-potoan’ny nomerika dia manome antsika fahafahana hahazo fampahalalana betsaka tsy mbola nisy toy izany. Kanefa ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza hoe: “Isan’ireo zava-doza amin’izao androntsika izao ny hoe vitsy loatra ny olona mahafantatra izay tokony haleha mba hahitana ny fahamarinana.” (“Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio,” Liahona, nôv. 2021, 6). Rehefa mieritreritra ireo hafatra sy hevitra samihafa mifaninana hisarika ny sainao ianao, dia diniho ny maha-loharanon’ny fahamarinana madio indrindra an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ary manana hery hitarika, hanamafy orina ary hanova ny fiainanao (jereo ny Jaona 14:6).

Fizarana 1

Ahoana no ahafahan’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy manatsara ny fiainako?

Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia niara-nandeha tamina mpianatra roa nankany Emaosy i Jesoa. Tsy fantatr’izy ireo fa Izy no ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty. Rehefa nandeha izy ireo, dia nampianatra avy ao amin’ny soratra masina ny dikan’ny iraka masina nataony i Jesoa. (Jereo ny Lioka 24:13–27.)

Sary
Miresaka amin’ny mpianatra roa teny an-dalana ho any Emaosy i Jesoa
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Lioka 24:31–32, dia tadiavo ny ny fiantraikan’ny fampianaran’ny Mpamonjy tamin’ireo mpianatra ireo.

Nampianatra tamin’ny “fahefana avy amin’ Andriamanitra” i Jesoa Kristy fa tsy tahaka ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. . Rehefa nampianatra tany amin’ny tany niaviany tany Nazareta Izy dia “talanjona tamin’ny fampianarany ny olona satria nisy fahefana ny teniny” (Lioka 4:32). Saingy na dia nampianatra tamin’ny fahefana aza ny Tompo, dia nisy olona nahita ny fampianarany sy ny fotopampianarany ho sarotra loatra ka nisafidy ny tsy hanaraka Azy. Tamina toe-javatra toy izany dia nanontany ireo Apôstôliny ny Tompo hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?” (Jaona 6:67; jereo ihany koa ny Jaona 6:68–69).

Amin’izao androntsika izao dia mety ho sahirana amin’ny fampianarana sy fotopampianaran’i Jesoa Kristy koa isika. Mety hahatsapa ho alaim-panahy “hiala” mihitsy aza isika indraindray. Mba hijanonana ho mahatoky mandritra ny fiainantsika dia tsy ho ampy ny mandre fotsiny ny teniny.

Rehefa avy nampianatra fahamarinana manan-danja ao amin’ny filazantsara tamin’ny fariseo iray nantsoina hoe Nikodemosy ny Tompo, dia nilaza hoe “Izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’andriamanitra izany” (Jaona 3:21; nasiana fanamafisana).

Sary
I Jesoa mampianatra an’i Nikodemosy

Tamina fotoana hafa, rehefa nampianatra tao amin’ny tempoly i Jesoa, dia nilaza hoe: “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho” (Jaona 7:17; nasiana fanamafisana). Taty aoriana, rehefa naneho ohatry ny fanompoana tamin’ireo mpianany tamin’ny alalan’ny fanasany ny tongotr’izy ireo i Jesoa, dia hoy Izy: “Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany” (Jaona 13:17; nasiana fanamafisana).

Rehefa nanazava ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny fampianaran’i Jesoa Kristy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nilaza hoe:

Sary
Ny Loholona Jeffrey R. Holland

“Dia inona ary no tokony hatao?” Izay raha ny hevitro no zavatra navalian’ny Mpamonjy isan’andro isan’andro toy ny singa iray tsy afa-misaraka tamin’ny fampianarany sy ny toriteniny. Tsy nahomby ny toriteny sy fananarana nataony raha tsy niova ny tena fiainan’ny mpianany.

“Dia inona ary no tokony hatao?” Mahalala izaho sy ianao fa be loatra ny olona tsy mampifandray ny zavatra lazain’izy ireo fa inoany amin’ny fomba tena iainan’izy ireo ny fiainany. (“Teaching, Preaching, Healing,” Ensign, jan. 2003, 37)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ny fampianaran’ny Mpamonjy hita ao amin’ireo Filazantsara (Matio, Marka, Lioka ary Jaona) sy ao amin’ny 3 Nefia 11–27. Misafidiana fampianarana iray izay tena nanan-danja taminao dia halalino indray izany.

Rehefa mandalina sy misaintsaina ianao, dia raketo an-tsoratra ny eritreritrao momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  1. Inona no tena nanaitra anao momba io fampianarana manokana avy amin’ny Mpamonjy io?

  2. Inona no fiantraikan’io fampianarana io teo amin’ny fiainanao?

  3. Ahoana no nitondran’izany anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Tongava mianatra efa nivonona hizara ny fampianarana hitanao sy ny fomba niantraikàn’izany tamin’ny fiainanao. Raha tsy mahavita mieritreritra fampianarana avy amin’ny Mpamonjy izay nisy fiantraikany teo aminao ianao, dia mitadiava iray izay mety hanan-danja amin’ny fiainanao. Halalino izany dia tongava miaraka amin’ny fahavononana hizara ny zavatra tena nanaitra anao tamin’io fampianarana io.

Fizarana 2

Inona avy ireo fampianaran’ny Tompo tena ilaina amin’ny famonjena ahy?

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Filoha Boyd K. Packer

Mendrika hofantarina ny fahamarinana rehetra. Ilaina kokoa ny fahamarinana sasany, kanefa misy ireo fahamarinana izay mendrika ny hofantarina indrindra. (“Truths Most Worth Knowing” [Church Educational System devotional for young adults, nôv. 6, 2011], ChurchofJesusChrist.org)

Afaka miandrandra ny Mpamonjy hitari-dàlana antsika amin’izay mety ho mendrika hofantarina indrindra isika. Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia niseho tamin’ny olona marobe i Jesoa Kristy, ka isan’izany ny Apôstôliny roa ambin’ny folo. Nanome asa ny Roa ambin’ny folo hitory ny filazantsarany amin’ny olon-drehetra Izy. Nanome toky ihany koa Izy fa ho voavonjy ireo izay nino ny filazantsarany ary natao batisa. (Jereo ny Marka 16:15–16.)

Rehefa niseho tamin’ny Nefita i Jesoa Kristy, dia nampianariny azy ireo ny hevitry ny filazantsarany sy ny antony maha-tena ilaina izany amin’ny famonjena azy ireo.

Sary
Tsirairay, nataon’i Walter Rane
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 3 Nefia 27:13–14, 19–21, ary hevero ny hanisy marika ireo singa fototry ny filazantsaran’ny Mpamonjy.

Ny Rahalahy Daniel K Judd, izay Mpanolotsaina Voalohany teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady Maneran-tany, dia nilaza hoe:

Sary
Rahalahy Daniel K Judd

Na dia manaiky ny fahamarinana rehetra aza ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia tsy mitovy lanja avokoa akory ny fahamarinana rehetra. Nampianatra mazava ny Mpamonjy fa ny filazantsarany voalohany indrindra, dia ny sorona fanavotana nataony. Ny filazantsarany ihany koa dia fanasana handray ireo fitahian’ny Sorompanavotana amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy, ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ny Fanahy Masina ary ny faharetana am-pahatokiana hatramin’ny farany. …

… Tena ilaina ny hamahanantsika ireo izay ampianarintsika sy tarihintsika amin’ny alalan’ny fifantohana amina fotopampianarana fototra … toy izay handany fotoana sarobidy amina lohahevitra na loharanom-pahalalana tsy dia manan-danja loatra. (“Nourished by the Good Word of God,” Liahona, nôv. 2007, 93–94)

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nanome ity torohevitra manaraka ity:

Sary
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf

Raha toa ka mieritreritra ianao fa tsy mandaitra loatra aminao ity filazantsara ity dia manasa anao aho mba hiato kely, hanombantombanana ny fiainanao amin’ny fijery avo avy eny amin’ny fiaramanidina ary hanatsotra ny fanomoranao ny hoe maha-mpianatra. Mifantoha amin’ireo fotopampianarana, fitsipika ary fampiharana fototry ny filazantsara. Mampanantena anao aho fa hitarika sy hitahy anao eo amin’ilay lalana izoranao hahatongavana any amin’ilay fiainana feno fahombiazana Andriamanitra, ary hitondra soa ho anao tokoa ny filazantsara. (“Mitondra soa izany!,” Liahona, nôv. 2015, 22)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no mety hitranga rehefa ataontsika tsinontsinona ireo fototry ny filazantsara ary mifantoka amina fampianarana tsy dia manan-danja loatra isika? Inona no tena nanampy anao indrindra hanohy hifantoka amin’ireo fototra?