Institiota
Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy


“Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
Divine Redeemer [Mpanavotra avy amin’ Andriamanitra ], nataon’i Simon Dewey

Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy

Inona no fiantraikan’ny fandraisanao anjara tamin’ity taranja ity tamin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy? Inona no nianaranao avy tamin’ny Fanahy Masina rehefa nanao zavatra tamim-pinoana ianao tamin’ny alalan’ny fandalinana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana sy ny fandraisana anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra tao an-dakilasy ary ny fandraisana andraikitra nanoloana ireo bitsika ara-panahy? Rehefa miomana amin’ny kilasinao farany ianao dia saintsaino ny dikan’ny hoe mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy (jereo ny Môzià 18:9).

Fizarana 1

Ahoana no ahafahako manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Mpamonjy?

Rehefa mieritreritra ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ianao dia tadidio fa samy mahazo fijoroana ho vavolombelona amin’ny fomba manokana isika tsirairay. Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf

Ao ireo mpikamban’ny Fiangonana izay manana fijoroana ho vavolombelona azo antoka sy miredareda ao anatiny. Ao koa ireo mbola miezaka mahafantatra ho azy ireo manokana. Natao ho fonenana ho an’ireo rehetra izay mivondrona ao aminy ny Fiangonana, na manao ahoana na manao ahoana ny tanjaky ny fijoroantsika ho vavolombelona. (“Mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny fahazavana sy ny fahamarinana,” Liahona, nôv. 2014, 22)

Raha toa ianao ka mahatsapa ho tsy mahazo antoka momba ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy na mahatsapa fa tsy dia matanjaka loatra izany, dia tsarovy fa “mitombo tsikelikely amin’ny alalan’ny traikefa ny fijoroana ho vavolombelona. Tsy misy olona mahazo fijoroana ho vavolombelona feno indray mandeha] (Sujets de l’Évangile, “Témoignage,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

Tsarovy ny zavatra niainan’i Almà Zanany. Fony izy mbola zatovolahy dia nandeha tetsy sy teroa mba handrava ny Fiangonan’ny Tompo. Rehefa niseho taminy ny anjely iray dia nibebaka izy ary nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy (jereo ny Môzià 27: 8– 24). Na dia tena nisy fiantraikany tamin’i Almà aza izany trangan-javatra izany, dia tsy izany no loharano fototry ny fijoroana ho vavolombelona nananany. Taty aoriana teo amin’ny fiainany, raha nampianatra ny olona tao amin’ny tanin’i Zarahemlà i Almà dia nizara ny fomba nahazoany ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 5:46–48, ary tadiavo ny loharanon’ny fijoroana ho vavolombelon’i Almà.

Sary
I Almà zanany mivavaka

Rehefa misaintsaina ny fijoroana ho vavolombelona anananao ianao dia mitadiava fifaliana amin’ny zavatra fantatrao, na antenainao na inoanao momba ny Mpamonjy. Eritrereto ombam-bavaka avy eo izay azonao atao mba hanamafisana orina io fototra io, mandra-pahatongan’izany ho vavolombelona azo antoka. Nampianatra ny Loholona Uchtdorf hoe:

Sary
Loholona Dieter F. Uchtdorf

Ny loharano nipoiran’io fahalalana azo antoka io sy io faharesen-dahatra mafy orina io dia fanambarana avy amin’ Andriamanitra, satria “ny filazana an’i Jesoa no fanahin’ny faminaniana” (Apokalypsy 19:10).

Mandray an’io fijoroana ho vavolombelona io isika rehefa miresaka amin’ny fanahy ao anatintsika ny Fanahy Masina. Handray fahalalana azo antoka tony sy tsy voahozongozona isika izay ho loharanon’ny fijoroana ho vavolombelona sy faharesen-dahatra ananantsika na inona na inona kolontsaintsika, volon-koditsika, fitenintsika na tantara ara-piarahamonina sy ara-bola nodiavintsika. Ireny bitsiky ny Fanahy ireny, fa tsy ny fihevitry ny olombelona fotsiny, no ho fototra marina izay hanorenana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.

Ny ivon’ izany fijoroana ho vavolombelona izany dia ny finoana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy sy ny iraka masina notanterahiny, izay milaza toy izao momba ny Tenany ao amin’ny soratra masina: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana”(Jaona 14:6). (“ La puissance d’un témoignage personnel,” Liahona, nov. 2006, 38)

Sary
tanora mihazona ny sarin’ny Mpamonjy
Sary
sary famantarana, ifanakalozy hevitra

Ifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Resaho amin’ny olona iray izay mino an’i Jesoa Kristy ny fomba nahazoanareo tsirairay avy ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba ny Mpamonjy. Raha toa ianao ka mahatsapa fisalasalana ao am-ponao momba ny zavatra inoanao dia mifantoha amin’ny zavatra tianao hofantarina momba ny Mpamonjy ary mifanakaloza hevitra momba ny fomba mety hitondran’io faniriana tsotra io ho amin’ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona nitombo (jereo ny Almà 32:27–28).

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny fijoroako ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy hitahy ny hafa?

Saintsaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy. Moa ve ny namanao sy ny fianakavianao ary ny olon-kafa ifaneraseranao mahafantatra ny fahatsapanao momba Azy? Moa ve ianao vonona hamaly fanontaniana momba ny Mpamonjy amin’ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona? (jereo ny 1 Petera 3:15). Efa nanasa ny hafa ho tonga sy hianatra momba an’i Jesoa Kristy ho an’ny tenany manokana ve ianao? (jereo Jaona 1:39).

Sary
tanora roa vavy miresaka

Rehefa mieritreritra ny fiantraikan’ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy eo amin’ny hafa ianao, dia diniho ity torohevitra avy amin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Amin’ireo manodidiana antsika isika dia aoka hisokatra bebe kokoa sy hazoto bebe kokoa hiresaka an’i Kristy. Hoy ny Filoha [Russell M.] Nelson hoe: “Ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia manam-piniavana ny hijoro sy hanambara amim-pahasahiana ny filazantsara, ary hiavaka amin’ny olon’izao tontolo izao.” …

… Aoka isika hijoro ho vavolombelona amin-katsaram-panahy ny finoantsika an’i Kristy. Raha misy olona mizara momba ny olana iray eo amin’ny fiainany manokana dia afaka miteny isika hoe: “Jaona, Maria, fantatrao fa mino an’i Jesoa Kristy aho. Nieritreritra zavatra iray nolazainy aho izay mety hanampy anao.”

Miresaha malalaka kokoa eny amin’ny tambajotran-tserasera momba ny fatokianao an’i Kristy. …

Tsy mazava amin’ireo Kristiana namantsika sasany indraindray ny zavatra inoantsika sy manosika antsika. Andeha isika hiara-paly tokoa amin’izy ireo ao amin’ny finoantsika iraisana an’i Jesoa Kristy sy ao amin’ireo soratra masina Testamenta Vaovao izay tiantsika rehetra. …

Raha toa ka mihena ny firesahan’izao tontolo izao an’i Kristy dia ndeha isika hiresaka bebe kokoa momba Azy. Rehefa miseho ny tena maha-mpianany antsika, dia maro amin’ireo manodidina antsika no ho vonona hihaino. Rehefa mizara ny hazavana voaraintsika taminy isika dia hamiratra amin’ireo izay vonona ny hanokatra ny fony ny hazavany sy ny heriny manavotra lehibe. (“Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 90)

Sary
tanora miresaka ao anatina faribolana
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Misafidiana iray amin’ireo soso-kevitra etsy ambany mba hanampiana anao hisaintsaina sy hanombantombana ny fomba nitomboan’ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany mandrakizay nandritra ity taranja ity. Tongava ao amin’ny kilasy amim-pahavononana ny hizara ny zavatra niainanao.

  • Vakio ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org), ary saintsaino ny fomba nitomboan’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Soraty ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy na ny eritreritrao na ny fahatsapanao momba Azy.

  • Raha nataonao tsianjery ny “Ilay Kristy Velona,” dia raketo an-tsoratra ny fiantraikan’izany ezaka izany tamin’ny fahatakaranao sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy.

  • Vakio ny 3 Nefia 27:13–21, ary saintsaino hoe inona ny dikan’ny filazantsaran’ny Tompo aminao. Raketo an-tsoratra ny fomba nanovan’ny fiezahana hiaina ny filazantsarany ny fiainanao.

  • Avereno jerena ny lisitry ny votoatin’ity boky torolalana ity, ary fantaro ny lesona izay nisy fiantraikany lehibe indrindra taminao. Avereno jerena ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’io lesona io, ary raketo ny antony nahatonga izany fiovana izany teo amin’ny fiainanao.

  • Eritrereto ny fomba nahatonga anao hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy rehefa nampihatra ny zavatra tsapanao sy nianaranao nandritra ity taranja ity. Raketo an-tsoratra ireo fiovana hitanao teo amin’ny fiainanao.

  • Misafidiana andinin-tsoratra masina iray na maromaro momba an’i Jesoa Kristy izay nampitombo ny fahatakaranao sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba Azy. Raketo an-tsoratra ny zavatra nianaranao avy amin’ireo soratra masina ireo sy ny fiovana nentin’izy ireo teo amin’ny fiainanao.

  • Misafidiana hira iray avy ao amin’ny boky fihiranan’ny Fiangonana na hira momba ny Mpamonjy izay maneho ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba Azy. Raketo an-tsoratra ireo eritreritra sy fahatsapana entin’izany hira izany ao an-tsainao sy ao am-ponao.

  • Manorata taratasy fankasitrahana ho an’ny Mpamonjy. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanao momba ny fiainany sy ny lanjany aminao. Raha mahay zava-kanto ianao dia afaka manao sary izay maneho ny fahatsapana anananao momba ny Mpamonjy ary zarao amin’ny kilasinao izany.