Institiota
Lesona 11 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mianoka ireo fitahiana avy amin’ny Fiangonan’ny Tompo


“Lesona 11 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mianoka ireo fitahiana avy amin’ny Fiangonan’ny Tompo,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 11 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
zatovovavy mitsiky ao am-piangonana

Lesona 11 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mianoka ireo fitahiana avy amin’ny Fiangonan’ny Tompo

Ao anatina fotoana mampihena ny fanatrehana fotoam-piangonana eo anivon’ireo karazana antokom-pinoana any amin’ny toerana marobe manerana izao tontolo izao, dia mety ho tena zava-dehibe ny hikatsahana fahatakarana lalina kokoa momba ny hoe nahoana i Jesoa Kristy no nanangana fiangonana nandritra ny fanompoany tamin’ny fiainany tety an-tany ary avy eo dia namerina izany tamin’ny laoniny taty amin’ny andro farany. Rehefa mandalina ianao dia eritrereto ny fomba nitondran’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny na nahafahany nitondra tanjona sy tanjaka ary fifaliana fanampiny teo amin’ny fiainanao.

Fizarana 1

Inona avy ireo fitahiana miavaka izay tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ihany?

Ny Apôstôly Paoly dia nampianatra fa ny Fiangonan’ny Tompo dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra” (Efesiana 2:20). Nandritra ny fanompoany tamin’ny fiainany tety an-tany, i Jesoa Kristy dia nifidy lehilahy roa ambin’ny folo ary nanendry azy ireo ho Apôstôliny. Nomeny azy ireo ny fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana mba hahafahan’izy ireo mitarika ny Fiangonany, mampianatra ny filazantsarany, mijoro ho vavolombelona momba ny fisiany marina ary manao asa amin’ny anarany (jereo ny Matio 10:1, 7–8; 16:19; Asan’ny Apostoly 1:21–22; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23).

Rehefa avy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, dia nanohy nitarika ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny Apôstôliny izay nihazona ny fanalahidin’ny fisoronana Izy mba hitarika ny asa famonjena. Na izany aza dia marobe ireo nanohitra ireo mpanompony voantso, ary nanomboka nanao zavatra diso ny mpikamban’ny Fiangonana. Taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôly dia “novan’ny olona ny fitsipiky ny filazantsara ary nanao fanovana tsy nahazoana lalana amin’ny lamin’ny Fiangonana sy ny ôrdônansin’ny fisoronana izy ireo. Noho ny fielezan’izany apôstazia izany dia nesorin’ny Tompo teto an-tany ny fahefan’ny fisoronana” (Gospel Topics, “Apostasy,” topics.ChurchofJesusChrist.org). Izany dia fantatra amin’ny hoe Apôstazia Lehibe.

Io toetry ny apôstazia io dia nitohy mandra-pisehon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’i Joseph Smith tamin’ny 1820 (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:16–20). Taona vitsy taorian’io fisehoana io dia nandefa iraka avy any an-danitra ho any amin’i Joseph Smith i Jesoa Kristy, izay nanome azy ny fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68–72; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16; 128:19–21). Tamin’ny alalan’izany fahefan’ Andriamanitra izany no niantsoain’i Jesoa Kristy Apôstôly vaovao ary nananganany indray ny Fiangonany tety an-tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30).

Sary
Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka, nataon’i Walter Rane

Ankehitriny ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mihazona ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra ilaina hitarihana ny Fiangonan’ny Tompo. Tena manan-danja amin’ny tsirairay avy amintsika izay te ho lasa tsara kokoa sy hanakaiky kokoa an’i Kristy izany.

Rehefa niresaka ny maha-zava-dehibe ny fanatrehana fotoam-piangonana ho an’ny “mpivavaka” rehetra ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nanao fanamarihana hoe: “Manampy antsika ho lasa olona tsara kokoa sy ho fitaomana tsara kokoa eo amin’ny fiainan’ny hafa ny fanatrehana sy ny fahazotoana ao amin’ny fiangonana iray” (“Ny ilàna Fiangonana,” Liahona, nôv. 2021, 24). Avy izy dia niteny hoe:

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks

Mazava ho azy, izahay dia manamafy fa ny soratra masina, taloha sy ankehitriny dia mampianatra mazava tsara ny niandohana sy ny ilana Fiangonana iray izay tarihin’ny Tompontsika Jesoa Kristy sy amin’ny fahefany. Mijoro ho vavolombelona ihany koa izahay fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny dia naorina mba hampianatra ny fahafenoan’ny fotopampianarany ary hanatanterahana fotoam-bavaka miaraka amin’ny fahefan’ny fisoronany entina hanatontosana ôrdônansy ilaina mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra [jereo ny Jaona 3:5]. Ny mpikambana izay tsy miangona any am-piangonana fa miankina fotsiny amin’ny ara-panahin’ny tena manokana dia manasaraka ny tenan’izy ireo amin’ireo zavatra tena manan-danja ao amin’ny filazantsara: ny hery sy ny fitahian’ny fisoronana, ny fahafenoan’ny fotopampianarana naverina amin’ny laoniny, ary ireo antony sy fahafahana tokony hampiharana izany fotopampianarana izany. Narian’izy ireo ny fahafahany ho mendrika ny hanohy ny fianakaviana ho maharitra mandrakizay. (“Ny ilàna Fiangonana,” Liahona, nôv. 2021, 25)

Sary
fanendrena ho amin’ny fisoronana

Nampianatra toy izao ihany koa ny Loholona Robert D. Hales tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Ny Loholona Robert D. Hales

Raha tsy teto ambonin’ny tany ny herin’ny fisoronana, dia ho nanana fahafahana handeha hatraiza hatraiza sy hanjaka tsy misy fetra ny fahavalo. Tsy ho nisy ny fanomezana ny Fanahy Masina hitarika sy hanazava antsika; tsy nisy mpaminany hiteny amin’ny anaran’ny Tompo; tsy nisy tempoly izay ho nahafahantsika nanao fanekempihavanana masina sy mandrakizay; tsy nisy fahefana hitsodrano na hanao batisa, hanasitrana na hampionona. (“Blessings of the Priesthood,” Ensign, nôv. 1995, 32)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no mety hanazavanao amin’olona iray tsy mitovy finoana amintsika ilay fitahiana miavaka afaka ny ho azon’ny mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny fandraisana anjara mavitrika ao amin’ny Fiangonana mitahy ahy sy ny hafa?

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny fitahiana avy amin’ny fandraisana anjara ao amin’ny Fiangonana:

Sary
Ny Loholona D. Todd Christofferson

Zava-dehibe ny mahafantatra fa ny tanjon’ Andriamanitra ambony indrindra dia ny fivoarantsika. … Izany dia mitaky mihoatra ny hoe tsara fanahy sy mahatsapa tena ho masina ara-panahy fotsiny. Mitaky finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisan’ny rano sy ny Fanahy ary faharetana am-pinoana hatramin’ny farany izany. Tsy misy olona afaka hahatanteraka izany ao anatin’ny fijanonana irery ka ny antony lehibe nananganan’ny Tompo Fiangonana dia ny hamoronana fikambanan’ Olomasina izay hifanohana ao amin’ilay “lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay” [2 Nefia 31:18]. (“Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2015, 108)

Ny Apôstôly Paoly dia nampianatra ny fomba hampatanjahan’ny maha-ao amin’ny fikambanan’ny Olomasina antsika sy ahafahany misintona antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Efesiana 4:11–14, ary hevero ny hanisy marika ireo fomba samy hafa ahafahan’ny fandraisana anjara ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo mitahy ny fiainanao.

Nanazava ihany koa ny Loholona Christofferson fa ny zavatra iainana miaraka amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana dia manome antsika fahafahana hampihatra ny filazantsaran’ny Tompo:

Sary
Ny Loholona D. Todd Christofferson

Amin’ny maha-tenan’i Kristy azy ireo, ny mpikamban’ny Fiangonana dia mifanompo amin’ny zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandro. Tsy lavorary avokoa isika rehetra; mety hanao izay hahatafintohina ny hafa isika ary tafintohina koa. Matetika isika no mifampizaha toetra eo anatrehan’ireo fahazarana efa raiki-tampisaka amintsika. Ao amin’ny tenan’i Kristy dia tsy maintsy manao zavatra mihoatra ny fianarana ireo hevitra sy teny nasandratra isika ka hanana traikefa “mivantana” niainan’ny tena manokana rehefa mianatra “miara-miaina amim-pitiavana” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:45]. (“Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2015, 108)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao

Mahazo traikefa “mivantana” amin’ny fananganana ny fanjakan’ny Tompo isika amin’ny alalana antso ao amin’ny Fiangonana, ny fanomezana andraikitra hanompo, ny fanompoana ny hafa, na ny fianarana mifankahazo amin’ireo izay tsy mitovy amintsika. Eritrereto ilay traikefa “mivantana” niainanao na iainanao ao amin’ny paroasy na sampana misy anao. Misafidiana traikefa iray ary soraty ny fomba nanampian’izany anao hampihatra ireo fampianaran’ny filazantsara sy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa. Raha tsy manatrika fotoam-piangonana ianao dia hevero ny hirakitra an-tsoratra ny fomba ahafahanao sy ireo ao amin’ny paroasy na sampana misy anao mahazo fitahiana raha manomboka manatrika fotoam-piangonana ianareo.

Fizarana 3

Inona no azoko atao mba hanampiana ny paroasy misy ahy ho tonga toerana mahatamana ny olona rehetra?

Eritrereto hoe toy ny ahoana izany raisina am-pitiavana sy amin-kitsimpo izany rehefa manatrika fotoam-piangonana. Oviana ianao no nanampy olona iray tao amin’ny paroasy na sampana misy anao hahatsapa toy izany?

Sary
olona roa miresaka ao am-piangonana
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny finamanana ao amin’ny Fiangonana i Môrônia. Vakio ny Môrônia 6:4–5, dia eritrereto ny fomba ahafahanao manampy amin’ny fampisiana fahatsapana ho tsy vahiny ao anatin’ny paroasy na sampana misy anao.

Hevero ity ohatra manaraka momba ny finamanana nozarain’ny Rahavavy Carole M. Stephens izay mpanolotsaina teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany ity:

Sary
Ny Rahavavy Carole M. Stephens

Manana namana maro izay malaina na tsy mbola naheno ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny [i Maria]. Mampihatra finoana izy isan’andro ary mivavaka mba hahafantarana ireo izay mila ny fanampiany, dia miasa araka ireo bitsika azony izy avy eo. Miantso an-telefaonina izy, maneho ny fitiavany ary miteny amin’ireo namany hoe “Mila anao izahay.” Manao takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro ao an-tranony izy ary manasa mpifanolobodirindrina sy mpikambana ary misiônera mba ho tonga—ary manome sakafo azy ireo. Manasa azy ireo izy mba ho tonga any am-piangonana, miandry ny fahatongavan’izy ireo ary mipetraka eo akaikin’izy ireo rehefa tonga izy ireo. (“Misy antony lehibe hifaliantsika,” Liahona, nôv. 2013, 117)

Sary
sary famantarana, manaova asa

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Iza ao amin’ny paroasy na sampana misy anao no azonao tahina amin’ny alalan’ny fanampianao azy? Inona no hataonao mba hanampiana azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy rehefa manatrika fotoam-piangonana? Hevero ny hijery ny “Inviting Others to ‘Come and Stay’ (Manasa ny hafa ho ‘avy ka hitoetra’)” (1:39) mba hahitana ohatra amin’ny fomba fanaovana fiarahana amin’ny maha-mpinamana. (Fanamarihana: Na dia tsy amin’ny tenim-pirenenao aza io horonan-tsary io, dia azonao jerena amin’ny teny anglisy izany mba ho ampiasainao raha manampy.)