Institiota
Lesona 6 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mampiasa fanehoana an’ohatra mba hahatakarana kokoa ny hery manavotra ananan’i Kristy


“Lesona 6 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mampiasa fanehoana an’ohatra mba hahatakarana kokoa ny hery manavotra ananan’i Kristy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 6 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
I Adama sy i Eva manolotra fanatitra, nataon’i Keith Larson

Lesona 6 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mampiasa fanehoana an’ohatra mba hahatakarana kokoa ny hery manavotra ananan’i Kristy

Efa tsikaritrao ve hoe impiry ny soratra masina no mampiasa sariohatra mba hampianarana antsika momba an’i Jesoa Kristy? Ohatra, ampitahaina amina rano Izy (jereo ny Jaona 4:14), mofo (jereo ny Jaona 6:48), fahazavana (jereo ny Jaona 8:12), vatolampy (jereo ny Helamana 5:12), masoandro (jereo ny Malakia 4:2), ary mpiandry ondry (jereo ny Salamo 23:1). Na dia talohan’ny nahaterahany aza dia nampiasa sariohatra i Jehovah mba hanampiany ireo mpanaraka Azy hiandrandra ny fiaviany sy ny heriny manavotra. Rehefa mianatra ohatra maromaro ao amin’ity lesona ity ianao, dia hevero ny fomba ahafahan’ireo sariohatra ao amin’ny soratra masina mampitombo ny fahatakaranao sy ny fitiavanao ny Mpanavotra anao.

Fizarana 1

Inona no azoko ianarana momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny sariohatry ny fanaovana sorona biby?

Izao no voalazan’ny lahatsoratra iray miresaka momba ny herin’ny sariohatra hoe: “Ny sariohatra ao amin’ny filazantsara dia mety ho zavatra, tranga, zavatra atao na fampianarana izay maneho fahamarinana ara-panahy. … ‘Ny sariohatra dia ahazoantsika manome endrika any an-tsaina ny hevitra na fihetseham-po izay mety hanohitra ny herin’ny teny raha tsy misy an’izany. Mitondra antsika mihoatra ny teny izy ireo ary manome antsika fahaiza-miteny amin’ny fanehoana fahatsapana’ [Joseph Fielding McConkie sy i Donald W. Parry, Guide to Scriptural Symbols (1990), 1]” (“Why Symbols?,” Ensign, feb. 2007, 13, 14).

Ao amin’ny soratra masina dia iray amin’ireo sariohatra mahery vaika voalohany momba ny Mpamonjy ny fanaovana sorona biby. Taorian’ny nihinanan’i Adama sy i Eva ilay voankazo voarara ka tsy maintsy nandaozany ny Saha Edena, dia nodidiana hanompo ny Tompo izy ireo ary hanolotra zanak’ondry ho sorona ho Azy.

Sary
lehilahy mitrotro zanak’ondry
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Mosesy 5:4–8, ary saintsaino ny zavatra azon’ny sariohatry ny fanaovana sorona zanak’ondry tanora tsy manan-tsiny ampianarina antsika momba ny fitiavan’Andriamanitra sy ny sorona nataon’i Jesoa Kristy. (Fanamarihana: Ny fitoviana dia fanahafana, fampitahana, na tandindona.)

Rehefa naka hevitra avy amin’ny sariohatry ny fanaovana sorona biby ny Apôstôly Petera dia nijoro ho vavolombelona fa “ny rà soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina” ihany no ahafahana manavotra antsika (1 Petera 1:19; jereo ihany koa ny Almà 34:36).

Sary
I Adama sy i Eva manolotra fanatitra, nataon’i Del Parson

Ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo dia nitandrina ny lalànan’ny fanaovana sorona biby ho sariohatry ny sorona nataon’i Jesoa Kristy—ary izany sorona izany dia fampahatsiahivana fa hanao sorompanavotana ho azy ireo Izy. Izany dia nanampy azy ireo hiandrandra izany andro izany.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra toy izao:

Sary
Ny Loholona Jeffrey R. Holland

Tamin’ny alalan’ny fanolorana teto ambonin’ny tany ireo zanak’ondry tandindona azy ireo manokana, i Adama sy ny taranany dia naneho ny fahatakarany sy ny fianteheran’izy ireo amin’ny sorompanavotan’i Jesoa Ilay Voahosotra. (“Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2019, 44)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Afaka mampitombo ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho anao amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ny sariohatry ny fanaovana sorona biby?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny sariohatry ny Paska manentana ahy hikatsaka ny hery manavotra ananan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainako?

Nitohy nandritra ny fotoan’ny Testamenta Taloha ny fanaovana sorona zanak’ondry voalohan-teraka. Io fanao io dia vao mainka tonga nanan-danja izaitsizy tokoa tamin’ny Isiraelita rehefa nafahana tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana izy ireo.

Ny tantaran’ny fanafahana an’i Isiraely tamin’ny fahababoana tany Egypta dia afaka manampy antsika hahatakatra ny fomba anavotan’ny Tompo antsika amin’ny endrika fahababoana samihafa iainantsika. Na dia hoe endrika fanandevozana ara-batana aza voalohany indrindra ny fanandevozana ny Isiraelita, ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa afaka miaina fanandevozana koa isika noho ny ota, fiankinan-doha na finoana hevi-diso (jereo ny “Fitomaniana: Mitandrema amin’ny Fanandevozana,” Liahona, nôv. 2013, 88–91).

Nandany teo ho eo amin’ny 400 taona teo ny Isiraelita tamin’ny naha-andevo azy tany Egypta. Saingy tsy nanadino azy ireo ny Tompo. Fantany ny alahelon’izy ireo ary reny ny tomaniny. Tonga hanafaka azy ireo izy ary niantso an’i Mosesy mba hanampy. Talohan’ny fanafahana ny Isiraely dia nampahafantarin’ny Tompo ny Paska, izay feno sariohatra natao hampianarana ny herin’ny Mpamonjy hamonjena ny rehetra izay hanaraka Azy.

Sary
zanak’ondry
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Eksodosy 12:3–13, ka fantaro ny sariohatra izay mampianatra momba ny hery mamonjy ananan’i Jesoa Kristy sy fomba andraisana izany.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao

Raketo an-tsoratra eo amin’ity tabilao manaraka ity ny zavatra eritreretinao fa hevitry ny sariohatry ny Paska tsirairay. Hevero ny zavatra mety hampianarin’ireo sariohatra ireo antsika momba ny hery manavotra ananan’ny Mpamonjy sy ny fomba ahazoana izany. Afaka mandalina ireo soratra masina enti-manohana ianao mba hahazoana fahatakarana fanampiny.

Sariohatry ny Paska

Andinin-tsoratra masina

Sariohatra

Ny mety ho heviny

Soratra masina manohana izany*

Andinin-tsoratra masina

3

Sariohatra

Nanao sorona zanak’ondry ny trano tsirairay

Ny mety ho heviny

Ho an’ny rehetra ny hery manavotra ananan’i Jesoa Kristy.

Soratra masina manohana izany*

2 Nefia 26:25–28, 33

Andinin-tsoratra masina

5

Sariohatra

Zanak’ondry lahy tsy misy kilema

Ny mety ho heviny

Soratra masina manohana izany*

Jaona 1:29; Hebreo 5:8–9

Andinin-tsoratra masina

7

Sariohatra

Nafafy tamin’ny tolam-baravaran’ny trano tsirairay ny rà

Ny mety ho heviny

Soratra masina manohana izany*

Môzià 4:2; Almà 5:21

Andinin-tsoratra masina

8

Sariohatra

Mofo tsy misy masirasira (mofo tsy asiana lalivay ka mahatonga ny mofo ho simba sy bobongolo)

Ny mety ho heviny

Soratra masina manohana izany*

Jaona 6:35, 48, 57–58; 1 Korintiana 5:7–8

Andinin-tsoratra masina

8

Sariohatra

Anana mangidy

Ny mety ho heviny

Soratra masina manohana izany*

Almà 41:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18

Andinin-tsoratra masina

11

Sariohatra

Valahana voasikina, kapa eny amin’ny tongotra, tehina eny an-tànana, mihinana faingana

Ny mety ho heviny

Soratra masina manohana izany*

Almà 34:32–33

  • Fanamarihana: Ny andinin-tsoratra masinaenti-manohana dia natao hanomezana fahatakarana fanampiny momba ny sariohatra ampiasaina amin’ny Paska fa tsy natao hanomezana fanazavana raikitra azy ireo.

Ireto torolalana manaraka ireto dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fomba handikana ny sariohatra ao amin’ny soratra masina:

  • Miezaha manakatra ny sariohatra ao amin’ny sahan-kevitr’ilay andininy.

  • Ampiasao ny fitaovana fandalinana, toy ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy sy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

  • Fantaro raha nisy mpaminany taloha na mpaminany maoderina nilaza zavatra momba ireo andininy ireo sy ny sariohatra ao aminy na tsia.

  • Diniho sy saintsaino ary ento am-bavaka ilay andininy sy ny sariohatra ao amin’izany.

 ,”

Fizarana 3

Inona avy ireo sariohatra hafa ao amin’ny Testamenta Taloha afaka mampianatra ahy momba ny hery manavotra ananan’ny Mpamonjy?

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Loholona Bruce R. McConkie

Ny ôrdônansy sy ny fomba rehetra voatendrin’ Andriamanitra, ny sorona rehetra, ny sariohatra ary ny fitoviana … [dia] napetraka … mba hijoroana ho vavolombelona momba an’i [Jesoa Kristy]. …

Mahasoa ary azo atao ny mitady fitoviana amin’i Kristy na aiza na aiza sy ny mampiasa azy ireny hatrany amin’ny fahatsiarovana tanteraka Azy sy ireo lalàny ao an-tsaintsika. (The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 28, 453)

Sary
olona mandalina ny soratra masina
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ny Testamenta Taloha dia feno sariohatra mahafinaritra be dia be izay mijoro ho vavolombelona momba ny hery manavotra ananan’ny Mpamonjy. Mba hampitomboana ny fahatakaranao, dia mamakia iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eo ambany ireo ary avy eo dia saintsaino ireo fanontaniana enti-mandalina manaraka izany.

Fanontaniana enti-mandalina

  • Inona avy ireo mety ho sariohatra momba an’i Jesoa Kristy (amin’ny teny hafa, zavatra na tranga na toe-javatra inona, na olona iza, no manondro na maneho Azy) ao amin’io andininy io?

  • Inona no mety hasehon’ireo sariohatra ireo na ampianariny antsika momba ny iraka masina ataon’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ireo sariohatra ireo manamafy orina ny finoako an’i Jesoa Kristy sy ny heriny hamonjy ahy?