Institiota
Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mandre ny feon’ny Tompo amin’ny andro farany


“Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mandre ny feon’ny Tompo amin’ny andro farany,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Sary
Tanora tokan-tena na mpivady vao herotrerony feno fifaliana

Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mandre ny feon’ny Tompo amin’ny andro farany

Maro ny olona manontany tena raha toa ka mbola manohy miresaka amintsika Andriamanitra. Mety hanontany tena ianao indraindray raha mba hiresaka aminao Izy. Noho ny fahalalana ananantsika momba ny Famerenana amin’ny laoniny dia afaka mihiaka mafy isika hoe “Eny!” Manohy mitarika antsika ny Tompo rehefa mianatra ny mihaino Azy isika. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia jereo ireo fomba nianaran’i Joseph Smith sy ny hafa mba hamantarana ny feon’ny Mpamonjy. Makà fotoana mba hampitomboana ny fahafahanao mahare Azy eo amin’ny fiainanao manokana.

Fizarana 1

Manampy anao hihaino sy hahafantatra an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Joseph Smith?

Fony izy zatovo, i Joseph Smith dia nanahy mafy ny amin’izay mahasoa ny fanahiny sy ny amin’izay fiangonana tokony hidirany ho mpikambana. Ny “fifanjevoana sy ny adilahy teo anivon’ireo fivavahana samy hafa” teo amin’ny fiarahamonina nisy azy dia nahatonga azy ho tsy nahazo antoka hoe “iza no marina ary iza no diso.” (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:8–10).

Nitaona azy ny toro-hevitra hitany tao amin’ny Baiboly mba “hangataka amin’ Andriamanitra” (Jakoba 1:5), koa dia nankany amina ala kely izy mba hivavaka. Ho setriny dia nandray fahitana be voninahitra iray izy. Hoy i Joseph hoe: “Nahita andrim-pahazavana teo ambonin’ny lohako indrindra aho, nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro, nidina tsikelikely teo amboniko. … Nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara 1:16–17).

Sary
Ny Fahitana Voalohany, nataon’i Walter Rane

Ankoatra ny Fahitana Voalohany, i Joseph Smith dia nahita ny Ray any An-danitra na ny Mpamonjy tamin’ny fotoana hafa imbalo farafahakeliny (jereo ny Sarah Jane Weaver, “President Nelson at Mission Leadership Seminar: How to Receive Divine Tutoring like the Prophet Joseph Smith,” Church News, June 27, 2020, thechurchnews.com). Iray tamin’ireo fotoana ireo ny fotoana izay niasan’i Joseph sy i Sidney Rigdon tamin’ny fandikana nentanim-panahy ny Baiboly (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76). Ny iray hafa dia nitranga tamin’ny fotoana nisehoan’ny Mpamonjy ka niresahany tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24 sy ny 110:2–4 ka tadiavo ny zavatra azonao ianarana momba ny Mpamonjy.

Sary
Christ Appears in the Kirtland Temple [Miseho ao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Kristy], nataon’i Walter Rane

Izao no nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley momba ny nahitan’i Joseph Smith maso ny Mpamonjy:

Sary
Ny Filoha Gordon B. Hinckley

Izy dia mpanompon’ny Tompo voantso amin’ny andro farany izay nofinidy mba hijoro ho vavolombelona indray ny amin’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty.

I Joseph Smith dia nijoro ho vavolombelona tsy tamim-pihambahambana, amin’ny tontolo izay vonton’ny fisalasalana ny amin’ny fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty, ny amin’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty izay velona. … Ny Mpaminany Joseph Smith no vavolombelona lehibe indrindra an’ilay Kristy velona. (“What Hath God Wrought through His Servant Joseph!,” Ensign, Jan. 1997, 2)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona araka ny hevitrao no mahatonga an’i Joseph Smith ho ny “vavolombelona lehibe indrindra an’ilay Kristy velona”? (Lehibe indrindra dia midika hoe mihoatra ny hafa rehetra.) Nisy fiantraikany tamin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ny fomba ahoana ny tenivavolombelon’i Joseph? Raha toa ka tsy azonao antoka ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy anananao, dia amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fandalinana ombam-bavaka ireo fanambarana noraisin’i Joseph Smith manampy amin’ny fanamafisana orina ny finoanao? (jereo ny D. Todd Christofferson, “3 Ways Joseph Smith Reveals Jesus Christ to Us,” New Era, Mar. 2020, 2–5).

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako mampitombo ny fahafahako mihaino ny feon’ny Tompo?

Tsarovy fa ireo teny voalohany nolazain’ny Ray any An-danitra tamin’i Joseph Smith dia hoe: “Ity ny Zanako Malalako. Henoy Izy!” Joseph Smith—Tantara 1:17 Toy izao no nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson: “Ao amin’ireo teny roa ireo hoe: -Henoy Izy,- dia manome antsika lamina ny Tompo hahazoana fahombiazana sy fahasambarana, ary fifaliana eto amin’ity fiainana ity” (“Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89).

Tsy mora hatrany ny mamantatra hoe miresaka amintsika ny Tompo. I Joseph Smith sy ireo mpitarika ny Fiangonana tany am-boalohany dia tsy maintsy nianatra ny fomba hamantarana ny feony. Saingy tamim-pitiavana no nampianaran’ny Mpamonjy azy ireo, sy hampianarany antsika rehefa mikatsaka ny hihaino Azy isika.

Raha nanofa trano tao amin-dry Joseph Smith Rainy i Oliver Cowdery dia nianatra momba ny asa nataon’ny Mpaminany. Nivavaka momba izany i Oliver ka heniky ny fiadanana momba ny zavatra norenesiny.

Sary
I Oliver Cowdery nandray fanambarana

Na dia nisafidy ny hanao dia teo amin’ny 480 km aza i Oliver mba hanampy ny Mpaminany dia tsy nolazainy tamin’iza na iza ny amin’ny zavatra niainany nandritra ny vavaka nataony. Na dia efa mpitantsoratr’i Joseph nandritra ny andro maromaro tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna aza i Oliver dia mbola nanana fanontaniana ihany izy. Toy ny maro amintsika dia mety ho nanontany tena izy raha avy amin’ Andriamanitra na tsia ireo eritreritra sy fahatsapana azony na hoe eritreriny sy fahatsapany manokana fotsiny. I Joseph dia naharay fanambarana ho an’i Oliver izay nampianatra azy fahamarinana mamy momba ny fihainoana ny feon’ny Tompo.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–15, 22–23, ary saintsaino ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Oliver momba ny fihainoana ny feon’ny Tompo.

Toa an’i Oliver, ianao koa dia afaka ny hahalala bebe kokoa ny feon’ny Tompo eo amin’ny fiainanao. Saingy aiza no alehantsika raha hihaino Azy? Ny Filoha Nelson dia nanoritsoritra ny sasantsasany amin’ireo loharano ahafahantsika mihaino ny feon’ny Tompo:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Afaka mitodika any amin’ny soratra masina isika. … Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isan’andro isika, dia ny tenin’i Kristy no hanambara amintsika ny fomba hiatrehana ireo zava-tsarotra izay tsy noheverintsika mihitsy ho atrehana.

Afaka mihaino Azy ao amin’ny tempoly ihany koa isika. … Ianarantsika any ny fomba hanokafana ny voaly sy hifandraisana mazava kokoa amin’ny lanitra. …

Maheno Azy mazava kokoa ihany koa isika rehefa manatsara ny fahaizantsika mamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina. …

… Ary farany dia mihaino Azy isika rehefa manaraka ny tenin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Mijoro ho vavolombelona momba Azy foana ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy izay voatendry. (“Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89–90)

Sary
Vehivavy tanora misaintsaina

Na dia afaka mamaky ny tenin’ny Mpamonjy sy mihaino ny tenin’ireo mpaminany aza isika dia matetika ny feony no tsy ilay karazana feo izay azontsika fantarina amin’ny alalan’ireo retsim-pamantaran’ny vatantsika. Hoy ny Mpamonjy tamin’i Joseph sy i Oliver hoe: “Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. … Ankehitriny indro, io no fanahin’ny fanambarana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3). Ny Fanahy no fanalahidin’ny fitondrana ny feon’ny Tompo ho ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika. Eritrereto ny zavatra izay azonao atao mba hanasana ny Tompo hiresaka aminao sy ny zavatra azonao atao avy eo mba handrenesana ny feony.

Ny Rahavavy Michelle D. Craig, izay mpanolotsaina voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny zatovovavy maneran-tany dia manome torohevitra sasantsasany izay afaka hanampy anao hampitombo ny fahafahanao mandre ny feon’ny Tompo:

Sary
Rahavavy Michelle D. Craig
  1. Manàna nahim-po hanokanana fotoana sy toerana hihainoana ny feon’ Andriamanitra

    Rehefa mampiasa ny fahafahanao misafidy ianao hanokanana fotoana isan’andro hanakaikezana ny feon’ Andriamanitra, indrindra fa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia ho lasa mazava sy fantatrao kokoa ny feony rehefa mandeha ny fotoana. …

    Te-hanasaraka antsika amin’ny feon’ Andriamanitra i Satana amin’ny alalan’ny fanalavirana antsika amin’ireo toerana mangina ireo. …

  2. Aza mangataka andro

    Rehefa mandray bitsika ianao ka mandray andraikitra amin’ny nahim-po dia afaka mampiasa anao ny Tompo. Arakaraka ny handraisanao andraikitra no hahatonga anao ho zatra ny feon’ny Fanahy. …

  3. Raiso ny asa ampanaovin’ny Tompo anao

    Ny vavaka izay toa mahavonona kokoa ny Ray any An-danitra ny mamaly azy dia ny fiangaviantsika mba ho voatarika amin’ny olona izay mila ny fanampiantsika. …

  4. Minoa ary matokia

    … Amin’ny maha-mpianatra mahatokiny anareo dia afaka mandray fanentanam-panahy sy fanambarana manokana tsy mivoana amin’ireo didiny ary natao manokana ho anareo ianareo. (“Fahafahana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 19, 20, 21)

Sary
Tanora manoratra ao anaty diary
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eitreritrao

Rehefa misaintsaina ny torohevitra avy amin’ny Filoha Nelson sy ny Rahavavy Craig ianao dia eritrereto hoe toy ny ahoana no fomba iresahan’ny Tompo aminao matetika indrindra. Raketo ny zavatra iray niainanao ka nandrenesanao ny feon’ny Tompo. Azonao atao koa ny mihaino ireo ohatra sasantsasany amin’ny fomba hihainoan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana Azy amin’ny alalan’ireo horonan-tsary “Hear Him!” (ChurchofJesusChrist.org).