2010–2019
Mpiandry Tsara, Zanakondrin’ Andriamanitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Mpiandry Tsara, Zanakondrin’ Andriamanitra

Miantso antsika amin’ny feony sy amin’ny anarany i Jesoa Kristy. Mitady sy manangona antsika Izy. Mampianatra antsika ny fomba hanompoana amim-pitiavana Izy.

Ry rahalahy sy anabavy malala, efa tsy nahita tory ve ianareo dia niezaka nanisa ondry tao an-tsaina? Rehefa mitsambikina eo ambony fefy iray ireo ondry matevim-bolo dia manisa ianao hoe: 1, 2, 3, … 245, 246, … 657, 658 …1

Ho ahy manokana dia tsy mampahita tory ahy ny manisa ondry. Manahy aho sao dia misy iray tsy hita na very, ary dia mitazona ahy tsy hatory mihitsy izany.

Miara-manambara amin’ilay tovolahy mpiandry ondry izay lasa mpanjaka isika hoe:

“Jehovah no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.

“Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy.

“Mamelombelona ny fanahiko Izy.”2

Sary
Sarin’ny Mpiandry Tsara vita amin’ny fitaratra miloko

Mandritra ity vanim-potoan’ny Paska ity, dia mankalaza ny Mpiandry Tsara isika, izay ny Zanakondrin’ Andriamanitra ihany koa. Amin’ireo anarany masina rehetra, dia tsy misy hafa mamy kokoa na manan-danja kokoa. Mianatra zavatra betsaka isika avy amin’ireo anarana fiantsoan’ny Mpamonjintsika ny tenany hoe ny Mpiandry Tsara sy avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo mpaminany momba azy hoe Izy no Zanakondrin’ Andriamanitra. Mifameno amin’ny fomba mahery vaika ireo anjara andraikitra sy tandindona ireo: iza no mahay mamonjy bebe kokoa ny zanak’ondry tsirairay mihoatra ilay Mpiandry Tsara, ary iza no Mpiandry Tsara mahay kokoa mihoatra noho ilay Zanakondrin’ Andriamanitra?

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana,” ary ny Zanaka Lahy Tokan’ Andriamanitra dia nahafoy ny ainy tamin’ny fanoavana an-tsitrapo ny Rainy.3 Mijoro ho vavolombelona i Jesoa hoe: “Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.”4 Nanana fahefana hanolotra ny ainy Izy ary fahefana haka izany indray.5 Ny Mpamonjintsika, izay miray hina amin’ny Rainy, no hany mahavita mitahy antsika amin’ny maha-Mpiandry Tsarantsika Azy sady amin’ny maha Ilay Zanakondrin’ Andriamanitra Azy.

Noho Izy Mpiandry Tsarantsika, i Jesoa Kristy dia miantso antsika amin’ny feony sy amin’ny anarany. Mitady sy manangona antsika Izy. Mampianatra antsika ny fomba hanompoana amim-pitiavana Izy. Andeha isika handinika ireo lohahevitra telo ireo, manomboka amin’ny fiantsoany antsika amin’ny feony sy amin’ny anarany.

Voalohany, ny Mpiandry Tsarantsika dia “[miantso] ny ondriny … amin’ny anarany avy. … Mahalala ny feony ireo.”6 Ary “amin’ny anarany ihany no iantsoany anareo, dia ny anaran’i Kristy.”7 Rehefa mikatsaka omban’ny tena finiavana isika mba hanaraka an’i Jesoa Kristy, dia misy fitaomam-panahy mitaona antsika hanao ny tsara sy ho tia an’ Andriamanitra ary hanompo Azy.8 Rehefa mandalina sy misaintsaina ary mivavaka isika, rehefa manavao tsy tapaka ireo fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo sy ny tempoly isika, ary rehefa manasa ny olon-drehetra hanatona ny filazantsarany sy ny ôrdônansiny, dia mihaino ny feony isika.

Amin’izao androntsika izao, ny Filoha Russell M. Nelson dia manoro hevitra antsika mba hiantso ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny amin’ilay anarana nambaran’i Jesoa Kristy hoe: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.9 Hoy ny Tompo hoe: “Koa, na inona na inona hataonareo, dia hataonareo amin’ny anarako izany; koa, hantsoinareo amin’ny anarako ny fiangonana; ary hantsoinareo amin’ny anarako ny Ray mba hitahiany ny fiangonana noho ny Amiko.”10 Manerana izao tontolo izao sy ao am-pontsika ary ao an-tokantranontsika, dia miantso ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika. Feno fankasitrahana isika noho ny fanomezana antsika tamin-kalalahan-tanana ny fitsaohana sy ny fandalinana ny filazantsara ary ireo fiaraha-mientana mahasoa ataon’ny fianakaviana izay mifototra ao an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana.

Faharoa, ny Mpiandry Tsarantsika dia mitady sy manangona antsika ho ao amin’ny valany tokana. Manontany Izy hoe: “Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?”11

Ny Mpamonjy antsika dia matetika no sady mitady ilay iray nania no sady manampy an’ireo sivy amby sivifolo amin’ny fotoana iray. Rehefa manompo isika, dia manome lanja ireo sivy amby sivifolo izay miorina tsara sy tsy miova, eny fa na dia mandritra ny fotoana izay haniriantsika mafy ny hitady ilay iray izay nania aza. Ny Tompontsika dia mitady sy manafaka antsika “avy any [amin’ny toerana] rehetra,”12 “avy amin’ny vazan-tany efatra.”13 Manangona antsika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana masina sy ny rany manavotra Izy.14

Hoy ny Mpamonjintsika tamin’ireo mpianany ao amin’ny Testamenta Vaovao hoe: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho.”15 Tao Amerika fahiny, dia nijoro ho vavolombelona tamin’ireo zanak’i Lehia ao amin’ny fanekempihavanana ny Tompo hoe: “Ianareo no ondriko.”16 Ary nilaza i Jesoa fa mbola misy ondry hafa hahare ny feony.17 Fitahiana lehibe tokoa ny Bokin’i Môrmôna amin’ny maha-vavolombelona iray hafa azy izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ny feon’i Jesoa Kristy!

Manasa ny Fiangonana mba handray ireo rehetra izay mandre ny feony18 ary hitandrina ny didiny i Jesoa Kristy. Ny fotopampianaran’i Kristy dia ahitana ny batisa amin’ny rano sy amin’ny afo ary ny Fanahy Masina.19 Nanontany i Nefia hoe: “Raha ny Zanakondrin’ Andriamanitra, izay masina aza, dia ilaina hatao batisa amin’ny rano mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra, Ô tsy mainka va isika izay tsy masina amin’izany no tena mila hatao batisa, eny, dia amin’ny rano izany!”20

Sary
I Jaona manao batisa an’i Jesoa

Ankehitriny ny Mpamonjintsika dia maniry hoe hanasa ny hafa hanatona sy hanaraka Azy ny zavatra ataontsika sy izay hahatongavantsika. Avia mba hitady fitiavana, fahasitranana, fifandraisana, ary fahatsapana ho isan’ny mpanao fanekempihavanana ao Aminy, isan’izany ny ao amin’ny tempoly masin’ Andriamanitra, izay ahafahan’ny ôrdônansin’ny famonjena masina mitahy ny taranaka mifandimby rehetra ao amin’ny fianakaviana, izay manangona an’i Isiraely amin’ny lafiny roa amin’ny voaly.21

Fahatelo, amin’ny maha-“Mpiandry ny Isiraely”22 Azy, i Jesoa Kristy dia maneho an’ohatra ny fomba hanompoan’ireo mpiandry ondry ao Isiraely amim-pitiavana. Rehefa manontany ny Tompontsika raha tia Azy isika, tahaka izay nataony tamin’i Simona Petera, dia mitalaho ny Mpamonjintsika hoe: “Fahano ary ny ondrikeliko. … Andraso ary ny ondriko. … Fahano ary ny ondriko.”23 Mampanantena ny Tompo fa rehefa mamahana ny ondrikeliny sy ny ondriny ireo mpiandry ondriny, ireo izay ao anaty vala dia “tsy hatahotra na hivadi-po intsony …, Sady tsy hisy tsy ho voavory.”24

Ny Mpiandry Tsarantsika dia mampitandrina fa ny mpiandry ondry ao Isiraely dia tsy tokony ho rendremana,25 na hampihahaka na hampania ny ondry,26 na mandeha amin’ny lalantsika ihany mba hahazoantsika harena.27 Ny mpiandry ondrin’ Andriamanitra dia natao hampatanjaka, hanasitrana, hanamatra ny folaka, hampody ny nania, hitady izay very.28

Mampitandrina ny amin’ireo mpikarama koa ny Tompo, izay “tsy mitandrina ny ondry,”29 sy “ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny dia ambodia mitoha izy.”30

Ny Mpiandry Tsarantsika dia mifaly rehefa mampiasa ny safidim-pitondrantenantsika tsirairay avy amim-piraharahiana sy amim-pinoana isika. Mijery ny Mpamonjintsika amim-pankasitrahana ireo izay ao anatin’ny valany noho ny sorona manavotra nataony. Manao fanekempihavanana isika ny hanara-dia Azy, tsy manaraka am-bokony fotsiny, na an-jambany, na “amim-pahamenarana,” fa maniry amin’ny fontsika sy ny saintsika rehetra kosa ny hitia an’ Andriamanitra sy ny namantsika, hifampitondra ny enta-mavesatra sy hiara-paly amin’ny hafa. Tahaka ny nanokanan’i Kristy maimaim-poana ny sitrapony hanoa ny sitrapon’ny Rainy, dia toy izany koa no hitondrantsika eo amintsika amim-panajana ny anarany. Mikatsaka amim-pifaliana ny handray anjara amin’ny asa fanangonany sy fanompoany ny zanak’ Andriamanitra rehetra isika.

Ry rahalahy sy anabavy, i Jesoa Kristy no Mpiandry Tsara lavorary ho antsika. Noho Izy nanolotra ny ainy ho an’ny ondriny ary efa olona nitsangana tamin’ny maty be voninahitra amin’izao fotoana izao, dia I Jesoa Kristy ihany koa no Ilay Zanakondrin’ Andriamanitra tonga lafatra.31

Naseho tamin’ny alalan’ny tandindona hatrany am-piandohana ilay Zanakondrin’ Andriamanitra izay hatao sorona. Nilaza tamin’i Adama ny anjely fa ny sorona nataony dia “tandindon’ny fanaovan’ny Lahitokan’ny Ray sorona,” izay manasa antsika “hibebaka … ary hiantso an’ Andriamanitra amin’ny anaran’ny Zanaka hatrizao.”32

I Abrahama raintsika, izay nametraka ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanana ho an’ny firenena rehetra eto an-tany dia niaina ny hevitr’izany hoe manolotra ny zanany lahy izany.

“Ary Isaka niteny tamin’i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry …?

“Fa hoy Abrahama: Anaka, Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra odorana.”33

Nahita mialoha sy nifaly ny amin’ny asa nanirahana ny Zanakondrin’ Andriamanitra izay efa voatendry mialoha ny apôstôly sy ny mpaminany. I Jaona tany amin’ireo toerana voalaza ao amin’ny Testamenta Vaovao sy i Nefia tany amin’ny Amerika fahiny dia nijoro ho vavolombelona momba “ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra,”34 “eny, dia ny Zanaky ny Ray Mandrakizay[,] … ny Mpanavotra izao tontolo izao.”35

Nijoro ho vavolombelona momba ny sorona manavotr’i Jesoa Kristy i Abinadia hoe: “Isika rehetra dia samy efa naniasia tahaka ny ondry; samy efa nivily tamin’ny làlany avy isika rehetra; ary efa nampihatra Taminy ny helotsika rehetra ny Tompo.”36 I Almà dia niantso ilay sorona lehibe sady farany nataon’ny Zanak’ Andriamanitra hoe “zavatra iray izay manan-danja kokoa noho ny rehetra.” Namporisika i Almà hoe “Manana finoana ny Zanakondrin’ Andriamanitra,”; “avia ary aza matahotra.”37

Nizara ny fomba nahazoany ny fijoroana ho vavolombelona sarobidy ananany momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny namana malala iray. Nihalehibe izy tao anatin’ny finoana fa ny fahotana dia mitondra hatrany famaizana lehibe, izay zakaina irery. Nitalaho tamin’ Andriamanitra izy mba hahatakatra ny mety ho fisian’ny famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra. Nivavaka izy mba hahatakatra sy hamantatra ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy mamela ireo izay mibebaka, sy ny fomba hanomezan’ny famindram-po fahafaham-po ny fahamarinana.

Indray andro dia novaliana tamin’ny alalan’ny zavatra niainana izay nitondra fiovana ara-panahy ny vavaka nataony. Nisy zatovolahy iray nanao vivery ny ainy nihazakazaka nivoaka ny trano fivarotana lehibe iray nitondra harona roa nisy sakafo nangalarina. Nihazakazaka nandeha tamin’ny lalana feno olona izy, nenjehin’ilay mpitantana ilay tsena, izay nahazo azy ary nanomboka nivazavaza sy niady. Tsy nitsara ilay tovolahy feno tahotra hoe mpangalatra ilay namako, fa nahatsapa ho feno fangorahana lehibe tamin’ny fomba tsy nampoizina ho an’ilay tovolahy kosa izy. Tsy natahotra izy na nanahy ny amin’izay mety hahazo azy, fa dia nanatona avy hatrany an’ireo lehilahy roa nifamaly izy. Tafateny izy hoe: “Hovidiko ny sakafo. Avelao izy handeha. Miangavy aho, mba avelao hovidiko ireo sakafo.”

Rehefa notaomin’ny Fanahy Masina sy heniky ny fitiavana izay tsy mbola tsapany teo aloha ilay namako dia niteny hoe: “Ny hany tiako natao dia ny hanampy sy hamonjy ilay tovolahy.” Nilaza ilay namako fa nanomboka nahatakatra ny amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izy, dia ny fomba sy ny antony ho nanaovan’i Jesoa Kristy sorona an-tsitrapo, tamin’ny fitiavana madio sy tanteraka, mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra azy, sy ny antony nitiavany Azy ho Mpamonjy sy Mpanavotra azy.38

Tsy mahagaga raha mihira isika hoe:

Jereo ny Mpiandry Tsara fa mitady,

Mitady ireo zanak’ondry izay very,

Mitondra azy ireo mody am-pifaliana,

Voavonjy tamin’ny sarany lehibe tsy manam-petra.39

Amin’ny maha-Zanakondrin’ Andriamanitra Azy, ny Mpamonjy antsika dia mahafantatra rehefa mahatsapa ho irery, na mihareraka, na misalasala, na matahotra isika. Tao anatin’ny fahitana i Nefia dia nahita ny herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra “nidina tamin’ny olomasin’ny fiangonan’ny Zanakondry sy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo.” Na dia “naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany [aza izy ireo dia], … nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe.”40

Mihatra amin’izao androntsika izao koa io teny mitondra fanantenana io.

Ianao irery ve no mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakavianao, na ny sekolinao, na ny toeram-piasanao, na ny fiarahamonina misy anao? Toa vitsy olona na mitoka-monina ve ny sampana misy anao indraindray? Efa nifindra tany amin’ny toerana vaovao ve ianao, izay mety hoe manana fiteny na fombafomba tsy mahazatra anao? Mety hoe niova ve ny toe-javatra niainanao, ary miatrika zavatra izay tsy noheverinao fa hisy mihitsy ianao amin’izao? Manome toky antsika amin’ny alalan’ny tenin’i Isaia ny Mpamonjintsika, na inona na inona toe-javatra iainantsika hoe: “Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.”41

Sary
Ilay Mpiandry Tsara manangona ny ondriny

Ry rahalahy sy anabavy, miantso antsika amin’ny feony sy amin’ny anarany ny Mpiandry Tsarantsika. Mitady sy manangona ary manatona ny vahoakany Izy. Manasa antsika rehetra amin’ny alalan’ny mpaminaniny velona sy isika tsirairay avy Izy mba hahita fiadanana, tanjona, fahasitranana, ary fifaliana ao amin’ny fahafenoan’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanany. Amin’ny alalan’ny ohatra no ampianarany an’ireo mpiandry ondry ao Isiraely mba hanompo ao amin’ny fitiavany.

Amin’ny maha-Zanakondrin’ Andriamanitra Azy dia notendrena mialoha ny asa nanirahana an’i Jesoa ary nifaly ny amin’izany ireo apôstôly sy mpaminany. Ny Sorompanavotany, izay tsy manam-petra sy mandrakizay, dia ivon’ny drafitry ny fahasambarana sy ny tanjon’ny fahariana. Manome toky antsika Izy fa tena tiany isika.

Ry rahalahy sy anabavy malala, enga anie isika haniry ny ho “mpanara-dia manetry tena an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry,”42 ary angamba indray andro any dia ho voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanakondry ny anarantsika,43 hihira ny fihiran’ny Zanakondry,44 ho voasa amin’ny fanasan’ny Zanakondry.45

Amin’ny maha-Mpiandry ondry sy Zanakondry Azy, dia miantso Izy hoe: avia indray “hankamin’ny tena fahalalana … ny Mpanavotra [anareo], … ny mpiandry ondri[nareo] lehibe sy marina.”46 Mampanantena Izy fa “amin’ny fahasoavany no hahatonga [antsika] ho tanteraka ao amin’i Kristy.”47

Mandritra ity vanim-potoan’ny Paska ity, dia midera Azy isika hoe:

“Ny Zanakondry … dia mendrika!”48

“Hôsanà ho an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry!”49

Mijoro ho vavolombelona ny Aminy aho, ilay Mpiandry Tsara lavorary ho antsika, ilay Zanakondrin’ Andriamanitra tonga lafatra. Miantso antsika amin’ny anarantsika avy, amin’ny Anarany Izy, dia ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.