2010–2019
Lahateny famaranana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Lahateny famaranana

Ary enga anie isika mba hanokana sy hamerina hanokana ny fiainantsika amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra sy ireo zanany—eo amin’ny lafy roan’ny voaly.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, eto am-pamaranantsika ity fihaonambe manan-tantara ity dia misaotra ny Tompo isika noho ny fitarihany sy ny fitaomam-panahy avy aminy. Nampianatra sy nankahery antsika ireo hafatra.

Tsy nomena lohahevitra tsirairay ireo mpandahateny. Ny tsirairay tamin’izy ireo dia nivavaka mba hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana teo am-panomanana ny hafatr’izy ireo. Amiko dia tena mahatalanjona ny fomba ifanarahan’ireo lohahevitra ireo tsara. Eo am-pandalinanareo azy ireo, dia katsaho ny hianatra ny zavatra izay tian’ny Tompo hampianarina anareo amin’ny alalan’ireo mpanompony.

Tena nahafinaritra tokoa ny hira. Tena feno fankasitrahana isika amin’ireo olona maro izay tao amin’ny lafin’ny mozika izay nampiaraka ny talentan’izy ireo mba hitondra ny Fanahin’ny Tompo eto amin’ity fivoriana ity. Ary Izy dia efa nitahy ireo vavaka sy ny mpiangona nandritry ny fivoriana tsirairay. Tena marina fa ny fihaonambe dia fivokisana ara-panahy indray ho antsika tsirairay.

Manantena sy mivavaka izahay mba ho lasa toerana hanjakan’ny finoana ny tokantranon’ny mpikambana tsirairay avy, izay hitoeran’ny Fanahin’ny Tompo. Na dia eo aza ireo fifandirana manodidina antsika, ny tokantranon’olona iray dia afaka ny ho lasa toerana tahaka ny lanitra, izay hahafahan’ny fandalinana sy ny vavaka ary ny finoana hitambatra amin’ny fitiavana. Tena afaka ny ho lasa mpanaradia an’ny Tompo isika, hijoro sy hiteny ho Azy na aiza na aiza hisy antsika.

Ny tanjon’ Andriamanitra dia tokony ho tanjontsika. Tiany ireo zanany mba hifidy ny hiverina ho any Aminy, niomana, mendrika, nanao ny fitafiana masina, voafehy, ary mahatoky amin’ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly masina.

Amin’izao fotoana izao isika dia manana tempoly voatokana miisa 162. Ireo voalohany indrindra dia mijoro ho toerana manan-danja maneho ny finoana sy ny fahitana izay nananan’ireo mpamaky lay malalantsika. Ny tempoly tsirairay izay nahorin’izy ireo dia vokatry ny fahafoizan-tena sy ezaka lehiben’izy ireo manokana. Ny tsirairay dia mijoro ho vatosoa miavaka eo amin’ny zava-bitan’ireo mpamaky lay.

Manana andraikitra masina isika mba hikarakara an’izy ireny. Noho izany, tsy ho ela ireo tempoly mpisava lalana ireo dia handalo fotoam-panavaozana sy fanatsarana, ary ho an’ny sasany dia famerenana amin’ny laoniny lehibe. Hisy ezaka hatao mba hihazonana ny mampiavaka ara-tantara ny tempoly tsirairay avy araka izay azo atao, hitandrovana ny hatsarany izay mitondra haingam-panahy, sy ny fahaiza-manao asa kanton’ny taranaka efa lasana ela be.

Efa navoaka ny antsipiriany ho an’ny Tempolin’i St. George ao Utah. Ny drafitra ho an’ny fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake, Temple Square, sy ny toeram-pivoriam-bahoaka izay mifampitohy eo akaikin’ny Trano Biraon’ny Fiangonana dia hampahafantarina amin’ny Zoma faha 19 Aprily 2019.

Havaozina ihany koa ny Tempoly Manti sy Logan amin’ny taona manaraka ho avy. Rehefa vonona ireo drafitra ireo dia hampahafantarina ihany koa.

Izany asa izany dia hitaky ny fikatonan’ireo Tempoly ireo mandritra ny fe-potoana iray. Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia afaka manohy mankamamy ny fanatrehana sy fivoriana any amin’ny tempoly any amin’ireo hafa tempoly akaiky. Rehefa tratra ireo ezaka tsirairay ireo, dia haverina ho tokanana ireo tempoly manan-tantara tsirairay ireo.

Ry rahalahy sy rahavavy, isika dia mandray ny tempoly ho toy ny trano farany izay tena masina indrindra ao amin’ny Fiangonana. Rehefa mampahafantatra ny drafitra mikasika ny hanorenana tempoly vaovao iray isika, izany dia lasa anisan’ny tantara masina amintsika. Ankehitriny, miangavy anareo aho mba hihaino tsara sy amim-panajana. Raha toa aho ka mampahafantatra tempoly iray ao amin’ny toerana izay manan-danja manokana ho anao, dia manoro-hevitra anao aho mba hanondrika tsotra ny lohanao ary hivavaka ho fanehoana fankasitrahana ao am-ponao. Isika dia tsy mila fanehoana fihetseham-po am-bava mafy izay hanaisotra ny fifantohantsika amin’ny toetra masin’ity fihaonambe ity sy ny tempoly masin’ny Tompo.

Androany izahay dia faly manambara drafitra hanorenana tempoly fanampiny, izay hahorina any amin’ireto toerana manaraka ireto:

Pago Pago, American Samoa; Okinawa City, Okinawa; Neiafu, Tonga; Tooele Valley, Utah; Moses Lake, Washington; San Pedro Sula, Honduras; Antofagasta, Chile; Budapest, Hungary.

Misaotra ry rahalahy sy ranabavy malalako.

Rehefa miresaka momba ireo tempolintsika efa ela sy vaovao isika, dia enga anie ny tsirairay amintsika mba haneho famantarana amin’ny alalan’ny asantsika fa isika dia tena mpanaradia marina an’ny Tompo Jesoa Kristy. Enga anie isika hanavao ny fiainantsika amin’ny alalan’ny finoantsika sy ny fahatokiantsika Azy. Enga anie isika ka hanana fahafahana hahazo ny herin’ny Sorompanavotany amin’ny alalan’ny fibebahantsika isan’andro. Ary enga anie isika mba hanokana sy hamerina hanokana ny fiainantsika amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra sy ireo zanany—eo amin’ny lafy roan’ny voaly.

Apetrako aminareo ny fitiavako sy ny tsodranoko, manome toky anareo fa ny fanambarana dia mitohy ao amin’ity, ny Fiangonan’ny Tompo. Ary mbola hitohy hatrany izany mandra- “pahatanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ary hilaza ilay Jehovah Lehibe fa vita ny asa.”1

Izany ny tsodrano omeko anareo ary mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra! I Jesoa no Kristy! Fiangonany ity. Isika dia vahoakany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Enseignement des présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 142.