2010–2019
Fitiavana lehibe ho an’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Fitiavana lehibe ho an’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra

Ny fitiavana no toetra sy hery manosika lehibe indrindra amin’ny fanompoana ary tanjona ara-panahy nasain’ny Filoha Russell M. Nelson hataontsika.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, fotoana miavaka sy hisy fiantraikany maharitra eo amin’ny tantara izao fotoana izao. Fitahiana ho antsika ny miaina mandritra ny fotoampitantanana farany mialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Tamin’ny taona 1829, taloha kelin’ny fiantombohan’ity fotoampitantanana ity, ny taona talohan’ny nananganana ny Fiangonana tamin’ny fomba ôfisialy no nandraisana fanambarana ankamamiana izay manambara fa “asa iray mahatalanjona” no “efa akaiky hitranga.” Io fanambarana io no nametraka fa ireo rehetra izay maniry ny hanompo an’ Andriamanitra dia mendrika ny hanao izany fanompoana izany amin’ny alalan’ny “finoana, ny fanantenana, ny fiantrana ary ny fitiavana mbamin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra.”1 Tafiditra ao amin’ny fiantrana, izay “fitiavana madion’i Kristy,”2 ny fitiavana mandrakizay an’ Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra.3

Ny tanjoko amin’ity maraina ity dia ny hanantitrantitra ny anjara asa manan-danjan’izany karazana fitiavana izany eo amin’ny asa fitoriana, ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, ny fiainana sy fianaran’ny mpianakavy ireo zavatra ara-panahy mifantoka amin’ny ao an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana. Ny fitiavana ny Mpamonjy sy ny fitiavana ireo namantsika lahy sy vavy4 no toetra sy hery manosika lehibe indrindra amin’ny fanompoana ary tanjona ara-panahy5 nasain’ny Filoha Russell M. Nelson hataontsika, tao amin’ireo fanitsiana nambara tamin’ny 2018.

Ezaka amin’ny fitoriana ny filazantsara mba hanangonana an’i Isiraely miely patrana

Fony kely aho dia efa niaina ny fifandraisana misy eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny fitiavana. Fony aho 11 taona dia nandray ny tsodranon’ny patriarika avy tamin’ny patriarika iray izay dababeko ihany koa.6 Milaza toy izao ny ampahany amin’izany tsodrano izany, “Mitsodrano anao aho mba hanam-pitiavana lehibe ho an’ny mpiara-belona aminao satria ianao dia ho antsoina hitondra ny filazantsara ho amin’izao tontolo izao … mba hitarihana fanahy maro ho amin’i Kristy.”7

Takatro na dia tamin’ny fahakeliko aza fa ny fizarana ny filazantsara dia nifototra tamin’ny fitiavana lehibe ho an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra.

Fony aho iray tamin’ireo Manam-pahefana Ambony nampiandraiketina ny famolavolana ny Torio ny filazantsarako 15 taona lasa izay dia niombon-kevitra ny Apôstôly fa ny fitiavana no manan-danja indrindra amin’ny asa fitoriana ny filazantsara amin’izao androntsika izao, tahaka ny hatramin’izay. Ny fizarana fahenina izay miompana amin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy, anisan’izany ny fiantrana sy ny fitiavana, no fizarana nalaza indrindra hatrizay teo amin’ny misiônera.

Amin’ny maha-mpitondra hafatry ny Mpamonjy azy ireo dia maro amin’ireo misiônera no manana an’io karazana fitiavana io ary rehefa manana izany izy ireo dia voatahy ny ezaka ataon’izy ireo. Ho tanteraka ny asan’ny Tompo rehefa manana fahatakarana an’io karazana fitiavana io ny mpikambana; fitiavana izay manan-danja indrindra eo amin’ny fanampiana ny Tompo amin’ny tanjony.

Sary
R. Wayne Shute

Manan-tombony aho nitana anjara asa kely tamin’ny ohatra iray mahatalanjona maneho io karazana fitiavana io. Fony aho Filohan’ny Vondrom-paritr’ireo Nosy Pasifika no nandray antso avy tamin’ny Filoha R. Wayne Shute. Nanompo tany misiônan’ny Samoa izy fony izy zatovolahy. Filohan’ny misiôna izy taty aoriana raha niverina tany Samoa.8 Filohan’ny Tempolin’i Apia Samoa izy tamin’izy niantso ahy izay. Iray tamin’ireo misiônera tanorany fony izy filohan’ny misiôna i Elder O. Vincent Haleck izay Filohan’ny Vondrom-paritra any amin’ny ranomasim-be Pasifika amin’izao fotoana izao. Nanam-pitiavana lehibe ho an’i Vince sy ny fianakaviana Haleck manontolo ny Filoha Shute. Mpikamban’ny Fiangonana ny ankamaroan’ny olona tao amin’ilay fianakaviana fa i Otto Haleck rain’i Vince kosa, izay lehilahy mpiahy ny fianakaviana (fiaviana Alemana sy Samoana), dia tsy mpikambana. Fantatry ny Filoha Shute aho fa nanatrika fihaonamben’ny tsatòka iray sy fivoriana hafa tany Samoa an’i Amerika, koa nangataka ahy izy raha toa aho ka afaka ny hieritrerira ny hivantana any amin’ny toeram-ponenan’i Otto Haleck ka ny hizara filazantsara aminy no tanjona.

Sary
Ny Loholona O. Vincent Haleck fony izy misiônera vao herotrerony

Niara-nipetraka tamin’i Otto sy i Dorothy vadiny tao amin’ny trano tsara tarehin’izy ireo izaho sy i Mary vadiko. Nizara hafatry ny filazantsara aho nandritra ny sakafo maraina ary nanasa an’i Otto hihaona amin’ireo misiônera. Tsara fanahy izy saingy entitra tamin’ny fandavana ny fanasako. Nilaza ho faly izy fa maro amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviany no Olomasin’ny Andro Farany. Kanefa hentitra izy raha nilaza fa mpitandrina Kristianina voalohandohany tany Samoa ny sasantsasany tamin’ireo razambe Samoana avy amin’ny reniny ka nahatsapa fifikirana lehibe amin’ny fivavahana nentim-paharazan’izy ireo izy.9 Na dia izany aza dia lasa mpinamana be izahay rehefa nifandao.

Taty aoriana rehefa niomana ny hanokana ny Tempolin’i Suva, Fiji ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nasainy nantsoin’ny Rahalahy Don H. Staheli10 mpitan-tsorany manokana tany Nouvelle Zélande aho mba hanao ny fandaminana rehetra. Naniry ny hiainga amin’ny fiara-manidina avy eo Fiji ho any Samoa an’i Amerika ny Filoha Hinckley mba hihaonana amin’ireo Olomasina. Nisy nandroso sosokevitra ny hivantanana amin’ny hôtely iray izay nivantanana tamin’ny fitsidihana iray tany aloha. Nanontany aho raha toa ka afaka mitady toeram-pivantanana hafa. Hoy ny Rahalahy Shateli: “Ianao no Filohan’ny Vondrom-paritra; mety izany.”

Nantsoiko avy hatrany ny Filoha Shute ka nilaza taminy fa mety hanana fahafahana fanindroany izahay hitahiana ara-panahy an’i Otto Haleck namanay. Tamin’ity indray mandeha ity dia ny Filoha Gordon B. Hinckley no ho misiônera. Nanontany aho raha toa ka mety raha ny fianakaviana Haleck no mampiantrano anay rehetra tao amin’ilay andian’olona niara-dia tamin’ny Filoha Hinckley.11 Tao amin’izany vondrona mpiray dia izany ihany koa ny Filoha Hinckley sy ny vadiny, i Jane zanakavavin’izy ireo, ary koa ny Loholona Jeffrey R. Holland sy ny vadiny. Niara-niasa tamin’ilay fianakaviana ny Filoha Shute nanao ny fandaminana rehetra.12

Voaray tamim-katsaram-panahy izahay raha nigadona avy tany Fiji taorian’ny fanokanana ny tempoly.13 Niresaka tamina mpikambana Samoana an’arivony izahay tamin’io alina io ary avy eo dia niroso hankamin’ny tanàna kely nisy ny fianakaviana Haleck. Rehefa tafavory hisakafo maraina izahay rehetra ny ampitso maraina dia efa lasa mpinamana be sahady ny Filoha Hinckley sy i Otto Haleck. Nahatalanjona ahy fa nitovitovy tamin’ny resadresaka nataoko tamin’i Otto iray taona mahery izay ny resaka nifanaovan’izy ireo. Rehefa naneho ny fankasitrahany ny Fiangonantsika i Otto kanefa nanamafy ny fanolorantenany ho an’ny fiangonana nisy azy dia napetraky ny Filoha Hinckley teo amin’ny sorok’i Otto ny tanany sady nilaza izy hoe “Otto a, tsy ampy izany; tokony ho mpikambanan’ny Fiangonana ianao. Io no Fiangonan’ny Tompo.” Mety ho azonareo an-tsaina angamba fa nisinda ny fandavan’i Otto tsy hanaiky ny filazantsara rehefa nanaiky hisokatra tamin’ny zavatra nolazain’ny Filoha Hinckley izy.

Teo no fiantombohan’ny fampianarana fanampiny ny filazantsara sy ny fanetrentena ara-panahy izay nahafahan’i Otto Haleck hatao batisa sy ho voaray ho mpikambana herintaona mahery kely taty aoriana. Herintaona taorian’izay dia voafehy ho fianakaviana mandrakizay tany amin’ny tempoly ny fianakaviana Haleck.14

Sary
Haleck mianakavy nofehezina tany amin’ny tempoly

Ny zavatra nahakasika ny foko nandritra io zavatra niainana mahatalanjona io dia ny fanompoana tamim-pitiavana izay manohina ny fo nasehon’ny Filoha Wayne Shute tamin’i Elder Vince Haleck, ilay misiônerany taloha, sy ny faniriany hahita ny fianakaviana Haleck hitambatra ho fianakaviana mandrakizay.15

Mahakasika ny fanangonana an’i Isiraely, mila maka antoka isika fa manana an’ io karazana fitiavana io ka miala amin’ny fahatsapana ho manefa adidy fotsiny ihany16 na fahatsapana tena ho meloka ka lasa manam-pitiavana sy te handray anjara amin’io fiaraha-miasa voatendrin’ Andriamanitra amin’ny fizarana ny hafatry ny Mpamonjy, ny fanompoany, ary ny iraka notanterahany ho amin’izao tontolo izao.17

Amin’ny maha-mpikambana antsika dia afaka maneho ny fitiavantsika ny Mpamonjy sy ireo rahalahy sy anabavintsika maneran-tany isika amin’ny alalan’ny fanolorana fanasana tsotra. Ny fandaharam-potoana vaovao isaky ny alahady dia manome fahafahana miavaka an’ireo mpikambana mba hanasa namana am-pahombiazana sy am-pitiavana ho avy sy hahita, ary hahatsapa zavatra aty am-piangonana.18 Ny fivoriana ara-panahin’ny fanasan’ny Tompo, izay irariana ho masina araka ny namariparitan’ny Loholona Jeffrey R. Holland azy omaly dia arahina fivoriana maharitra 50 minitra izay mifantoka amin’ny Testamenta Vaovao sy ny Mpamonjy na lahateny mifandray amin’ny izany nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana izay mifantoka ihany koa amin’ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany.

Nanontany tena ny sasany amin’ireo anabavy ao amin’ny Fikambanana Ifampiana hoe nahoana izy ireo no nomena andraikitra “fanangonana” mifanindran-dalana amin’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana. Misy ireo antony mahatonga izany ary nandroso ny ankamaroan’izy ireny ny Filoha Nelson nandritra ny fihaonambe maneran-tany farany teo. Nofaranany tamin’ny hoe: “Tsy afaka manangona an’i Isiraely tsotra izao izahay raha tsy eo ianareo.”19 Ankehitriny isika dia voatahy fa rahavavy ny 30 isan-jato amin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Manome famporisihana fanampiny ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izany mba hizara am-pitiavana ny filazantsara. Ny ilaina dia ny fanolorantena feno fitiavana, sy mangoraka ary ara-panahy avy amintsika tsirairay avy, lehilahy sy vehivavy lehibe, sy zatovo ary ankizy, hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Maro no hanaiky ny fanasantsika raha maneho fitiavana sy hatsaram-panahy ary fanetrentena isika. Ireo izay misafidy ny handà ny fanasantsika dia mbola ho namantsika ihany.

Asa any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana mba hanangonana an’i Isiraely

Ny fitiavana ihany koa no ivon’ireo ezaka ataontsika amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ho fanangonana an’i Isiraely any ankoatran’ny voaly. Mitombo ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika an’ireo razambentsika rehefa mahafantatra ireo fisedrana sy fotoantsarotra niainan’izy ireny isika. Nampatanjaka ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana tokoa ireo fanovana vaovao natao na teo amin’ny fandaharam-potoan’ny fivoriana alahady na ny taona firosoan’ny zatovo any amin’ny kilasy sy ny kôlejy. Ireo fiovana ireo dia misarika ho amin’ny fifantohana lehibe kokoa sy aloha kokoa amin’ny fianarana momba ny razambentsika sy ny fanangoanana an’i Isiraely eo anivon’ireo izay efa maty. Samy nivoatra be na ny asa atao any amin’ny tempoly na ny tantaram-pianakaviana.

Fitaovana mahery vaika ny internet. Ny tokantrano ankehitriny no ivontoerana voalohan’ny tantaram-pianakaviana. Manana fahaiza-manao miavaka amin’ny fanaovana fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana ireo zatovontsika mpikambana ary manana zoto ara-panahy hanatanteraka batisa ho an’ny razamben’izy ireo izay nianarany notiavina sy nankasitrahana. Hatramin’ilay nanomezan-dalana ny ankizy maro 11 taona mba hanao batisa hisoloan-tena ho an’ny maty dia nanao tatitra ireo filohan’ny tempoly manerana izao tontolo izao fa nitombo be tokoa ny fankanesana any amin’ny tempoly. Nisy filohan’ny tempoly iray nampilaza anay fa “nisy fitomboana goavana teo amin’ny mpitsidika ny tempoly hanatanteraka batisa … ary nitondra fianakaviana maro kokoa ny fanampiana an’ireo ankizy 11 taona. … Na dia [mbola kely aza] izy ireo dia toa mahay maneho fanajana sy manana tanjona izy ireo ho an’ilay ôrdônansy tanterahan’izy ireo. Mahafinaritra ery ny mijery izany!”20

Fantatro ireo mpitarika antsika any amin’ny Kilonga sy ny an’ny zatovo fa mandray ny fanaovana ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ho ezaka manan-danja ary mbola hanohy hanao izany. Ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ireo rahalahy ao amin’ny fisoronana dia afaka manampy am-pitiavana amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny andraikitr’izy ireo tsirairay amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakavian’izy ireo ary koa amin’ny alalan’ny fanampiana sy fitaomana ny ankizy madinika sy ny zatovo hanangona an’i Isiraely any ankoatra ny voaly. Manan-danja manokana izany ao an-tokantrano sy mandritra ny Sabata. Mampanantena anareo aho fa hampatanjaka sy hiaro ireo zatovontsika sy ny fianakaviantsika eo anivon’izao tontolo izao izay miharatsy andro aman’alina ny fanatanterahana ôrdônansy am-pitiavana ho an’ireo razambe. Mijoro ho vavolombelona manokana ihany koa aho fa nandray fanambarana manan-danja tokoa mikasika ny tempoly sy ny asa atao any amin’ny tempoly ny Filoha Russell M. Nelson.

Manomana ny fianakaviana mandrakizay sy ny isam-batan’olona hiara-hiaina amin’ Andriamanitra

Fahafahana lehibe hanomanana am-pitiavana ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona mba hihaona sy hiara-hiaina amin’ Andriamanitra ny fanamafisana vaovao natao tamin’ireo loharanom-pitaovana nomen’ny Fiangonana sy teo amin’ny fandalinana sy fiainana ny filazantsara any an-tokantrano.21

Rehefa fehezina any amin’ny tempoly ny lehilahy sy vehivavy iray dia miditra ao amin’ny lamina masin’ny fanambadiana ao amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy mandrakizay, izay lamina iray ao amin’ny fisoronana.22 Miara-mahazo sy mandray ireo fitahian’ny fisoronana izy ireo ary ny hery hitarihana ny lalan-kizoran’ny fianakavian’izy ireo. Ireo vehivavy sy lehilahy dia manana anjara andraikitra manokana araka ny voasoritra ao amin’ny “Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,”23 saingy mitovy ny hasarobidiny sy lanjan’ny fiahian’izy ireo.24 Manana hery mitovy izy ireo handraisana fanambarana ho an’ny fianakavian’izy ireo. Rehefa miara-miasa amim-pitiavana sy amim-pahamarinan-toetra izy ireo dia hotahian’ny lanitra ny fanapahan-kevitr’izy ireo.

Ireo izay mikatsaka ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny tenany manokana sy ho an’ny fianakaviany dia tsy maintsy milofo hanana fahamarinan-toetra, sy halemem-panahy, sy hatsaram-panahy ary fitiavana. Toetra mampiavaka ireo mpikatsaka ny sitrapon’ny Tompo, indrindra fa ho an’ny fianakavian’izy ireo, ny fanetrentena sy ny fitiavana.

Andraikitry ny isam-batan’olona ny fanatanterahana ny tenantsika sy ny fetezana ho mendrika hahazo ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanana ary ny fiomanana hihaona amin’ Andriamanitra. Isika dia mila mizaka tena sy mazoto amin’ny fanaovana ny tokantranontsika ho toerana hahatsapana fiadanana eo anatrehan’ireo zava-mitranga eo amin’izao tontolo izao25 ary ho “toera-masina isian’ny finoana.”26 Manana andraikitra hampianatra amim-pitiavana ny zanany ny ray aman-dreny. Fifaliana sy fahafinaretana ary sombin-danitra ara-bakiteny ety an-tany ny tokantrano ampoka fitia.27

Ny “Fitia ao an-tokantrano.”28 no fihirana tian’ny reniko indrindra. Tsikaritra avy hatrany fa tohina ny fony ary manganohano ny masony isaky ny mahare ilay fehezan-teny voalohany manao hoe “Tokantrano soa re raha ao ny fitia” izy. Niaina tao anatina tokantrano toy izany izahay fony fahakelinay; izany no iray amin’ireo laharam-pahamehana ambony indrindra taminy.29

Ankoatra ny tontolo feno famporisihana sy fitiavana ao an-tokantranontsika, ny Filoha Nelson dia nifantoka ihany koa tamin’ny famerana ny fampiasana ny tambazotra ifaneraserana izay manembatsembana ny tena tanjontsika.30 Iray amin’ireo fanovana izay hahasoa saika ny fianakaviana rehetra dia ny fanaovana ny internet sy ireo tambazotra ifaneraserana ary ny fahitalavitra ho fitaovana manampy fa tsy fandrebirebena, na vao mainka loza, ka hoe ho tompo. Matetika no ao an-tokantrano no hitrangan’ny ady ho an’ny fanahin’ny olona, indrindra fa ny ankizy madinika. Amin’ny maha-ray aman-dreny antsika dia mila maka antoka isika fa ireo zavatra hainoana sy jerena rehetra dia mahasoa sy sahaza ho an’ny taona, ary mifanaraka amin’ny tontolo feno fitiavana izay ezahantsika aorina.

Ilaina ho mahaliana sy mazava ny fampianarana any an-tokantranontsika31 kanefa sady ara-panahy sy mahafalifaly ary feno fitiavana ihany koa.

Mampanantena anareo aho fa raha mifantoka amin’ny fitiavantsika ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotana nataony isika, ka manao Azy ho ivon’ireo ezaka ataontsika hanangonana an’i Isiraely amin’ny lafiny roa amin’ny voaly, manompo ny hafa, ary samy miomana tsirairay mba hihaona amin’ Andriamanitra dia hihen-danja ny fitaoman’ilay fahavalo ary ho ampitomboin’ny fifaliana sy fahafinaretana ary ny fiadanana avy amin’ny filazantsara ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy ao an-tokantranontsika.32 Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ireo fampanantenana ara-potopampianarana ireo ary manambara tenivavolombelona azo antoka ny amin’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony ho antsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1, 5.

  2. Môrônia 7:47.

  3. Jereo ny “Ny Fiantrana sy Fitiavana,” Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fanompoan’ny misiônera, ed. noh. (2019), 142.

  4. Jereo ny Deoteronomia 6:5; Matio 22:36–40.

  5. Jereo ny “Ireo andraikitry ny fiadidian’ny Kôlejin’ny Loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ao amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ataon’ny mpikambana sy ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa atao mikasika ny tantaram-pianakaviana,” filazana, 6 ôkt. 2018.

  6. Nahazo lalana ny raibeko hanome tsodranon’ny patriaraka an’ireo zafiny mipetraka any amin’ny tsatòka hafa. Tamin’izaho 11 taona no nomena izany satria narary izy ary noheverina fa mety ho faty.

  7. Tsodranon’ny patriarika nomena an’i Quentin L. Cook, tamin’ny alalan’ny patriarika Crozier Kimball, 13 ôkt. 1951, tao Draper, Utah.

  8. Ny Filoha R. Wayne Shute dia niara-nanompo tamin’i Lorna vadiny ihany koa tany amin’ny misiôna samihafa tany Shanghai, Chine; Armenia; Singapour; ary Grèce. Taorian’ny nahafatesan’i Lorna dia nanambady an’i Rhea Mae Rosvall izy ary nanompo tany amin’ny misiônan’i Brisbane Australie izy ireo. Nahavita asa fitoriana ny filazantsara tamin’ny fotoana feno ny fito tamin’ireo zanany sivy. Nandritra ny roa tamin’ny ireo taona naha-filohan’ny misiôna azy tany Samoa, dia filohan’ny misiôna tany Tonga ny Loholona John H. Groberg. Fanta-daza be ireo zavatra niainan’izy roa ireo.

  9. I Otto Haleck dia mpitarika laika tao amin’ny Fiangonana Kristianina Mitambatr’i Samoa, izay niantomboka avy tamin’ny London Missionary Society. Nanana razambe Alemana ny rainy, avy tany Dessau, Alemana.

  10. Filohan’ny Tempolin’i Bountiful Utah amin’izao fotoana izao ny Filoha Don H. Staheli.

  11. Nanatrika teo daholo ny Filoha Gordon B. sy ny Rahavavy Marjorie P. Hinckley sy i Jane Hinckley Dudley zanank’izy ireo vavy, ny Loholona Jeffrey R. Holland sy ny Rahavavy Patricia T. Holland, ny Loholona Quentin L. sy ny Rahavavy Mary G. Cook ary ny Rahalahy Don. H. Staheli.

  12. Nilaza tamiko ny Loholona O. Vincent Haleck fa ny rainy dia nanasa an’i Vince sy i David rahalahiny hiverina avy any an-dafy mba hijery ny trano sy ho tonga noho ny famangian’ny Filoha Hinckley. Nilaza ny Loholona Haleck fa niteny toy izao ny rainy: “Hitanao, mety ho anjely ireo.” Nolazainy ireo zanany lahy fa raha hampiantrano ny mpaminany izy ireo dia tokony hataon’izy ireo tsy misy tomika ny trano.

  13. Niarahaba ny Filoha Gordon B. Hinckley teo amin’ny kianja fanaovam-baolina kitra Amerikana ny vondron’ny mpitondra fanjakana tao Samoa an’i Amerika niaraka tamin’ny Samoana an’arivony.

  14. Toetra lehibe nananan’ireo Samoana sy ireo mponina Pôlineziana hafa hatramin’izay ny fampiraisana fianakaviana amin’ny alalan’ny fahazotoana mitory ny filazantsara.

  15. Mamy hoditra tokoa ny Filoha Shute hany ka nasaina handray fitenenana nandritra ny fanaovam-beloma farany tamin’ny nahafatesan’i Otto Haleck tamin’ny 2006.

  16. “Indraindray isika any am-boalohany no mety manompo noho ny fahatsapana adidy na andraikitra, kanefa na izany fanompoana izany aza dia afaka mitaona antsika hampiasa zavatra avo kokoa … hanompo -amin’ny fomba tsaratsara kokoa- [1 Korintiana 12:31]” (Joy D. Jones, “Ho Azy,” Liahona, nôv. 2018, 50).

  17. Jereo ny Tad R. Callister, The Infinite Atonement (2000), 5–8.

  18. Tokony hiara-hiasa amin’ireo misiônera ireo mpikamban’ny Fiangonana isaky ny manasa olona izy ireo.

  19. Russell M. Nelson, “Ny fandraisan’ireo rahavavy anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely,” Liahona, nôv. 2018, 70.

  20. Tatitra nataon’ny Filoha B. Jackson sy Rahavavy Rosemary M. Wixom, Filoha sy mpiasan’ny Tempolin’i Salt Lake, ho an’ny Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany, martsa 2019. Nilaza ry Wixom mivady fa “manafatra akanjo fanaovana batisa refy faran’izay kely [izy ireo] amin’izao mba hanomezana fahafaham-po ny tinady!”

  21. Jereo ny Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 6–8.

  22. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4.

  23. Jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, mey 2017, 145.

  24. “Ny ray rehetra dia ray mpiahy ho an’ny fianakaviany ary ny reny rehetra dia reny mpiahy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy azy ireo amin’ny andraikitra miavaka sahanin’izy ireo amin’ny maha-ray aman-dreny azy ireo” (James E. Faust, “The Prophetic Voice,” Ensign, May 1996, 6).

  25. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:26–27; 88:91.

  26. Russell M. Nelson, “Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 113.

  27. Jereo ny “Notre foyer ici-bas,” Cantiques, lah. 188.

  28. “Fitia ao an-tokantrano,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 88.

  29. Raha te-hanatratra io karazana fitiavana io dia ny torolalana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–42 no tokony ho tanjona:

    “Tsy misy hery na fitaomana azo na tokony hotanana amin’ny alalan’ny fisoronana raha tsy amin’ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy;

    “Amin’ny halemem-panahy sy ny fahalalana madio izay mampivoatra fatratra tokoa ny fanahy, tsy misy fihatsarambelatsihy sy tsy misy fitaka.”

    Tokony hialana ny fitsikerana be fahatany ny ankizy kely. Mitaky fanoroana fa tsy tsikera ny fandresena ireo hadisoana sy ny tsy fahampiam-pahendrena. Mitaky famaizana ny fahotana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:25–27).

  30. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fandraisan’ireo rahavavy anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely,” 69; jereo koa ny Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraelyfampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), HopeofIsrael.

  31. Amin’ny lafiny iray ny tokantrano dia mitovy amin’ny fianarana ahitana kilasy tokana ho an’ny zanaka rehetra na firy taona na firy taona. Tsy azontsika tsinontsinoavina ny zaza 3 taona rehefa mampianatra ankizy 11 taona.

  32. Jereo ny Jaona 17:3; 2 Nefia 31:20; Môrônia 7:47.