2010–2019
Ho Azy
Ôktôbra 2018


Ho Azy

Ny fahafantarana ny hoe iza sy ny nahoana rehefa manompo ny hafa dia manampy antsika hahatakatra fa ny fanehoana fitiavana lehibe indrindra dia ny fanolorantena ho an’ Andriamanitra.

Amin’izao takariva manan-tantara izao aho dia maneho ny fitiavako sy ny fankasitrahako anareo tsirairay avy ry rahavaviko malala isany. Na firy na firy ny taonantsika, na aiza na aiza ny toerana na toe-javatra misy antsika, dia tafangona isika amin’izao takariva izao anaty firaisan-kina sy hery sy tanjona ary fijoroana ho vavolombelona fa ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ary ny Filoha Russell M. Nelson mpaminanintsika velona dia mitia sy mitarika antsika.

Fony mpivady vao herotrerony izaho sy ny vadiko dia nantsoin’ny evekanay izahay hamangy sy hanompo fianakaviana iray izay tsy tonga nivavaka nandritra ny taona maro. Nanaiky am-pahazotoana ilay iraka izahay ary nankany an-tranon’izy ireo andro vitsivitsy taty aoriana. Avy hatrany dia nazava taminay fa tsy te handray mpamangy avy amin’ny Fiangonana izy ireo.

Noho izany tamin’ny famangianay manaraka dia nitondranay biscuit iray lovia ry zareo, ary natoky tena fa hampitsonika ny fon’izy ireo ny sôkôlà mikarepoka izay nentinay. Tsy nambabo fo ilay izy. Tao ambadiky ny varavarana fitarafana no niresahan’izy mivady taminay, izay nahatonga ho mazava tsara kokoa fa tsy ankasitrahana ny fahatongavanay. Kanefa rehefa teny an-dalana nody izahay dia tena nahazo antoka hoe mety ho nahomby raha toa ka ilay karazana biscuits misy poa-bary mikarepoka no nomenay azy ireo.

Ny tsy fanananay fijery ara-panahy ampy dia nahatonga ireo ezaka fanampiny izay tsy nahomby ho lasa nahasorena. Tsy mampahazo aina velively ny mahazo fandavana. Rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka nanontany tena izahay hoe “Nahoana isika no manao izao zavatra izao? Inona no tanjontsika?”

Nanao izao fanamarihana izao ny Loholona Carl B. Cook: “Ny fanompoana ato am-piangonana … dia mety ho sarotra rehefa angatahina hanao zavatra izay mampatahotra antsika isika, na rehefa sasatry ny manompo isika, na rehefa voantso hanao zavatra izay tsy hitantsika ho manintona am-boalohany isika.”1 Niainanay ny fahamarinan’ny teny nataon’ny Loholona Cook rehefa nanapa-kevitra izahay fa tokony hikatsaka fitarihana avy amin’Ilay manana fomba fijery lehibe kokoa noho ny anay.

Noho izany, taorian’ny vavaka sy fandalinana tamin-kitsim-po maro dia nahazo ny valin’ilay hoe nahoana no nanao ilay asa fanompoana izahay. Nisy fiovana ny fahatakaranay, nisy fiovam-po, izay traikefa nitondra fanambarana tokoa.2 Rehefa nikatsaka fitarihana tao amin’ny soratra masina izahay, dia nampianarin’ny Tompo anay ny fomba hanamorana sy hampisiana lanja kokoa ny fanompoana ny hafa. Ity ilay andininy novakinay izay sady nanova ny fanirianay no nanova ny fomba nentinay nanompo: “Ho tia ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, amin’ny herinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny tanjakao rehetra ianao; ary hanompo Azy amin’ ny anaran’i Jesoa Kristy.”3. Na dia efa fantatray aza io andininy io, dia toa niteny taminay tamin’ny fomba hafa sy manan-danja.

Tsapanay fa tena niezaka ny hanompo io fianakaviana io sy ny evekanay izahay kanefa nila nanontany tena izahay hoe moa ve izahay tena nanompo noho ny fitiavana ny Tompo. Navahan’ny Mpanjaka Benjamina mazava tsara izany rehefa nilaza izy hoe: “Indro, lazaiko aminareo, satria nolazaiko taminareo fa efa nandany ny androko tamin’ny fanompoana anareo aho, dia tsy noho izaho maniry ny hirehareha, satria izaho dia tsy nanao afa-tsy ny nanompo an’Andriamanitra.”4

Koa iza ary no tena notompoin’ny Mpanjaka Benjamina? Ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. Ny fahafantarana ny iza sy ny nahoana rehefa manompo ny hafa dia manampy antsika hahatakatra fa ny fanehoana fitiavana lehibe indrindra dia ny fanolorantena ho an’ Andriamanitra.

Rehefa niova niandalana ny zavatra nifantohanay dia niova ihany koa ny vavaka nataonay. Nanomboka niandrandra ny fotoana hamangianay io fianakaviana malala io izahay noho ny fitiavanay ny Tompo.5 Ho Azy no nanaovanay izany. Novainy ho tsy zava-manahirana intsony ilay zava-nanahirana. Rehefa avy nijoro teo an-tokonam-baravarana am-bolana maro izahay, dia nanomboka nampiditra anay an-trano ilay fianakaviana. Nony farany dia niara-nivavaka sy nifampiresaka tsy tapaka momba ny filazantsara izahay. Nisy finamanana maharitra nivelatra. Nitsaoka sy nitia Azy izahay tamin’ny alalan’ny fitiavanay ireo zanany.

Tadidinao ve ny fotoana iray izay nanoloranao tanana am-pitiavana omban’ny ezaka tamin-kitsim-po mba hanampy olona iray izay nila fanampiana ka nahatsapanao fa ireo ezaka nataonao dia tsy nisy nahatsikaritra na koa angamba hoe tsy nankasitrahana na tsy nilaina mihitsy aza? Tamin’ny fotoana nitrangan’izany, moa ve ianao nametra-panontaniana ny amin’ny lanjan’ny fanompoana nataonao? Raha izay no izy dia aoka ireo tenin’ny Mpanjaka Benjamina hanolo ny ahiahinao, eny ny fanaintainanao mihitsy aza: “Tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”6

Afaka manorina fifandraisana amin’ny Raintsika any An-danitra izay tonga lafatra kokoa isika amin’ny alalan’ny fanompoana fa tsy manorina lolom-po. Ny fitiavantsika sy ny fanolorantenantsika ho Azy dia manaisotra ilay filana fankasitrahana na fisaorana ary mamela ny fitiavany hikoriana ao amintsika sy amin’ny alalantsika.

Indraindray isika any am-boalohany no mety manompo noho ny fahatsapana adidy na andraikitra, kanefa na izany fanompoana izany aza dia afaka mitaona antsika hampiasa zavatra avo kokoa ao anatintsika, izay mahatonga antsika hanompo “amin’ny fomba tsaratsara kokoa”7, toy ilay voalaza ao amin’ny fanasana nataon’ny Filoha Nelson mba hampihatra “fomba iray vaovao kokoa sy masina kokoa hikarakarana sy hanompoana ny hafa.”8

Rehefa mifantoka amin’ny zava-drehetra nataon’ Andriamanitra ho antsika isika, ny fanompoana izay ataontsika dia hikoriana avy ao am-po feno fankasitrahana. Rehefa tsy mieritreritra ny tombontsoa azo avy amin’ny fanompoana ataontsika isika dia hahita kosa fa ny tena ivon’ny fanompoantsika dia ny mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana.9

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Rehefa tia an’ Andriamanitra sy i Kristy amin’ny fontsika sy ny fanahintsika ary ny saintsika rehetra ihany isika vao afaka mizara izany fitiavana izany amin’ny namantsika amin’ny alalan’ny fihetsika feno hatsaram-panahy sy ny asa fanompoana.”10

Ny didy voalohany amin’ireo Didy Folo dia mamerina izao fahendrena avy amin’ Andriamanitra izao: “Izaho no Jehovah Andriamanitrao. … Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.”11 Ny fipetrak’io didy io dia manampy antsika hahatakatra fa raha apetrantsika ho lohalaharana fototra Izy, dia hahazo ny anjara toerana ho azy ny zavatra hafa rehetra, eny fa na ny fanompoantsika ny hafa aza. Rehefa Izy no manan-toerana lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny safidy malalaka ataontsika dia afaka ny hitahy ny asantsika Izy mba hahasoa antsika sy hahasoa ny hafa.

Nanoro antsika ny Tompo hoe: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra.”12 Ary isan-kerinandro isika dia manao fanekempihavanana mba hanao izany mihitsy, dia ny mba “hahatsiaro Azy mandrakariva.”13 Moa ve izany fifantohana amin’ Andriamanitra izany mihatra amin’ny zavatra rehetra ataontsika? Moa ve ny fanaovana na dia ny raharaha madinika aza afaka ny ho tonga fahafahana mampiseho ny fitiavantsika sy ny fanolorantenantsika ho Azy? Mino aho fa azo atao ary ho izany tokoa.

Azontsika atao ho fomba hankalazana Azy ny tsirairay amin’ny zavatra rehetra mila ataontsika. Azontsika raisina ho tombontsoa sy fahafahana hanompo Azy ny asa tsirairay, eny fa na eo am-panenjehana fe-potoana famitana asa na adidy na eo anatrehan’ny tatin-jaza maloto aza isika.

Araka ny nolazain’i Amôna hoe: “Eny, fantatro fa tsinontsinona aho; raha ny heriko dia malemy aho; koa tsy hirehareha ny amin’ny tenako aho, fa hirehareha kosa ny amin’ Andriamanitro, fa amin’ny heriny no ahafahako manao ny zava-drehetra.”14

Rehefa lasa lohalaharana fototra eo amin’ny fiainantsika ny fanompoana an’ Andriamanitsika, dia hahafoy tena isika, ary amin’ny farany, dia ho hitantsika ny maha-izy azy antsika.15

Nampianatra izao fitsipika izao tamin’ny fomba tsotra sy mivantana ny Mpamonjy hoe: “Koa aoka ny fahazavanareo hamiratra eo anoloan’ity vahoaka ity mba hahazoany mahita ny asa soanareo sy hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.”16

Mamelà ahy ianareo hizara teny feno fahendrena izay hita teo amin’ny rindrin’ny fitaizana zaza kamboty iray any Calcutta, any Inde, manao hoe: “Raha tsara fanahy ianao, dia mety ho endrikendrehin’ny olona hoe tia tena sy manana hevitra ambadika. Aoka ho tsara fanahy foana ihany. Ny zavatra izay nandanianao taona maro ny nanorenana azy, dia mety ho ravain’ny olona anatin’ny indray alina. Manorena foana ihany. Ny soa ataonao anio, dia matetika ho adinon’ny olona rahampitso. Manaova soa foana ihany. Manomeza ny tsara indrindra anananao ho an’izao tontolo izao, ary mety tsy ho ampy mihitsy izany. Manomeza ny tsara indrindra anananao foana ihany. Hitanao fa amin’ny farany ny manan-danja dia ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra … foana ihany.”17

Ry Rahavavy isany, ny manan-danja mandrakariva dia ny fifandraisantsika amin’ny Tompo. Araka ny nolazain’ny Filoha James E. Faust hoe: “‘Inona no zavatra tena ilaina indrindra eo amin’izao tontolo izao?’ … ‘Moa ve ny zavatra tena ilaina indrindra eo amin’izao tontolo izao ho an’ny olona tsirairay tsy ny hanana fifandraisan’ny tena manokana, mitohy isan’andro tsy tapaka amin’ny Mpamonjy?’ Ny fananana ny fifandraisana toy izany dia afaka mamaha ny toetra araka an’ Andriamanitra izay ao anatintsika, ary tsy misy zavatra afaka mitondra fiovana lehibe kokoa eo amin’ny fiainantsika rehefa fantatsika sy takatsika ny fifandraisana masina misy eo amintsika sy Andriamanitra.”18

Mitovy amin’izany ihany, i Almà dia nanazava tamin’ny zanany lahy hoe: “Eny, aoka ny ataonao rehetra mba ho an’ny Tompo, ary na aiza na aiza alehanao, aoka mba ho ao amin’ny Tompo izany; eny, aoka ny eritreritrao rehetra hafantoka amin’ny Tompo; eny, aoka ny fitiavan’ny fonao hapetraka amin’ny Tompo mandrakizay.”19

Ary ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra antsika toy izany ihany koa manao hoe: “Rehefa takatsika ilay Sorompanavotana nataony an-tsitrapo, izay mety ho fahatsapana fahafoizantena avy amintsika dia ho lasa takon’ny fankasitrahana lalina noho ny tombontsoa ananantsika mba hanompo Azy.”20

Ry Rahavavy isany, mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa miasa amintsika sy ao anatintsika i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany, dia manomboka miasa amin’ny alalantsika Izy mba hitahiana ny hafa. Manompo azy ireo isika, kanefa amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana Azy no hanaovantsika izany. Isika dia lasa toy izay voafaritry ny soratra masina hoe: “Ny lehilahy [sy ny vehivavy] tsirairay mikatsaka ny tombontsoan’ny namany sy hanao ny zava-drehetra amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra.”21

Angamba ilay evekanay nahafantatra hoe izany no lesona hianaranay mivady avy amin’ireo ezaka feno fikasana tsara kanefa tsy tonga lafatra izay nataonay mba hanompoana ireo zanakalahy sy zanakavavy malalan’ Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona aho, avy amin’ny tenako manokana ary ananako antoka, ny amin’ny fahatsarana sy ny fitiavana izay zarain’ny Tompo amintsika rehefa miezaka ny manao fanompoana ho Azy isika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.