2010–2019
Tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra
Ôktôbra 2018


Tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra

Ny tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra dia afaka manosika antsika mba hanao asa amim-pinoana, hanaraka ireo fanasan’ny Mpamonjy mba hanao ny tsara, ary hanolotra ny fiainantsika amim-panetrentena ho Azy.

Fony aho tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra dia nody nandeha an-tongotra tamin’ny lalana vita amin’ny rarivato izay miolikolika mandroso sy miverina miakatra ny lafin’ny havoana iray izahay. Nisy ihany koa ny lalana iray hafa tsy vita amin’ny rarivato, izay nantsoina hoe “lalana falehan’ny ankizilahy.” Ilay lalana falehan’ny ankizilahy dia lalana feno vovoka izay tonga dia manitsy miakatra any amin’ilay havoana. Fohy kokoa ilay izy saingy mideza kokoa. Fony aho ankizivavy dia fantatro fa vitako ny nandeha tamin’izay lalana rehetra falehan’ireo ankizilahy. Fa ny zava-dehibe kokoa dia fantatro fa miaina amin’ny andro farany aho ka mila manao zavatra sarotra, tahaka ny nataon’ireo mpisava lalana, ary naniry ny ho vonona aho. Noho izany dia nandeha miadana taorian’ireo andiana namana teo amin’ilay lalana vita amin’ny rarivato aho tsindraindray, dia nanala ny kiraroko, ary nandeha tsy nikiraro teo amin’ny lalana falehan’ny ankizilahy. Niezaka nampatanjaka ny tongotro aho.

Fony aho ankizivavy tao amin’ny Kilonga dia izany no noheveriko fa zavatra azoko natao mba hiomanana. Fantatro ankehitriny fa tsy dia izay loatra no izy! Fantatro ankehitriny fa afaka manomana ny tongotro handeha amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny fanarahana ireo fanasana avy amin’ny Fanahy Masina aho, fa tsy hoe mandeha tsy mikiraro miakatra ireo lalana amin’ny havoana iray. Satria ny Tompo, dia miantso antsika tsirairay avy amin’ny alalan’ny Mpaminaniny mba hiaina sy hiahy ny hafa “amin’ny fomba avo sy masina kokoa” ary “hanao dingana avoavo kokoa.”1

Ireo antso avy amin’ny mpaminany mba hanao zavatra ireo, miaraka amin’ny fahatsapana ao anaty fa afaka manao zavatra misimisy kokoa sy afaka ny ho tsaratsara kokoa isika, dia indraindray miteraka ilay nantsoin’ny Loholona Neal A. Maxwell hoe “tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra.”2 Tonga ny tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra rehefa ampitahaintsika ny hoe “iza isika [amin’ny hoe] manana hery ho tonga iza isika.”3 Isika tsirairay avy, raha toa ka marin-toetra, dia mahatsapa fa misy elanelana eo amin’ny hoe aiza no misy antsika ary iza isika, amin’ny hoe aiza ary iza no tiantsika hahatongavana. Maniry mafy hanana fahafaha-manao zavatra bebe kokoa ho an’ny tenantsika isika. Mahatsapa ireo zavatra ireo isika satria zanakavavy sy zanakalahin’ Andriamanitra, teraka niaraka tamin’ny Fahazavan’i Kristy nefa miaina ao anatin’ny tontolo lavo iray. Avy amin’ Andriamanitra ireo fahatsapana ireo ary miteraka hamehana hanao zavatra.

Tokony horaisintsika an-tanan-droa ny fahatsapana tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra izay miantso antsika handeha amin’ny lalana avoavo kokoa, no sady miezaka mamantatra sy misoroka ihany koa ny fahatsapana hosoka avy amin’i Satana, dia ny fahakiviana izay tsy mampandroso izany. Fahafahana iray hanararaotan’i Satana hamporisihana antsika hanana io fahatsapana io izany. Afaka misafidy ny handeha amin’ilay lalana avoavo kokoa izay mitarika antsika hikatsaka an’ Andriamanitra sy ny fiadanany sy ny fahasoavany isika, na afaka mihaino an’i Satana isika, izay manafika antsika amin’ny alalan’ny hafatra milaza fa tsy ho afa-po izany mihitsy isika: tsy ho afa-po amin’ny harenantsika isika, tsy ho afa-po amin’ny fahaizantsika isika, tsy ho afa-po amin’ny fahatsarantsika isika, tsy ho afa-po amin’ny zava-drehetra isika. Ny tsy fahafaham-po tsapantsika dia afaka ny ho araka an’ Andriamanitra, na mety hanimba.

Manao asa amim-pinoana

Ny fomba iray hamantarana ny tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra amin’ny tsy fahafaham-po hosoka tian’i Satana ananantsika dia ny hoe mitarika antsika amin’ny fanaovana asa amim-pahatokiana ny tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra. Ny tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra dia tsy fanasana hijanona amin’izay mahametimety antsika fotsiny, ary tsy hitarika antsika amin’ny fahakiviana izany. Nianatra aho fa rehefa mamela ny tenako aho hieritreritra ireo zavatra ratsy rehetra izay tsy izaho mihitsy, dia tsy mivoatra aho ary hitako fa sarotsarotra kokoa ny mahatsapa sy manaraka ny Fanahy.4

Fony i Joseph Smith zatovolahy dia lasa tonga saina be ny amin’ireo fahalemeny izy ary lasa nisahirana tamin’izay “hahasoa ny fanahiny tsy mety maty.” Araka ny teniny hoe, “lasa nikorontana izaitsizy ny saiko, satria lasa nahatsiaro ho meloka noho ny amin’ireo fahotako aho, ary … nalahelo noho ireo fahotako sy ny fahotan’izao tontolo izao.”5 Nitarika azy ho amin’ny “fandinihana lalina sy ny fahasahiranana lehibe” izany.6 Tsy efa nahatsapa izany ve isika? Mitaintaina na mikorontan-tsaina noho ireo fahalemenao ve ianao?

Fa i Joseph anefa dia nanao zavatra. Hoy izy hoe: “Hoy aho mazàna anakampo: Inona no tokony hatao?”7 Nanao asa amim-pinoana i Joseph. Nitodika tamin’ny soratra masina izy, namaky ilay fanasana ao amin’ny Jakoba 1:5, dia nitodika tamin’ Andriamanitra mba hitady fanampiana. Ilay fahitana nitranga vokatr’izany dia nialoha lalana ny Famerenana amin’ny laoniny. Tena feno fankasitrahana aho fa ilay tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra tsapan’i Joseph, ilay fotoana nampitaintaina sy nampikorontan-tsaina azy, dia nandrisika azy hanao asa tamim-pahatokiana.

Manaraka ireo bitsika mba hanao ny tsara

Matetika izao tontolo izao no mampiasa ny fahatsapana tsy fahafaham-po mba ho fialan-tsiny amin’ny fifantohana amin’ny tena manokana, amin’ny fampifantohana ny eritreritsika amin’ny lasa ary amin’ny fifantohana be loatra amin’ny hoe iza aho sy toy ny ahoana aho ary inona no tiako. Ny tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra dia mandrisika antsika hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy, izay “nandehandeha nanao soa.”8 Eo am-pandehanantsika amin’ny lalan’ny maha-mpianatra dia handray bitsika ara-panahy mba hanolo-tanana ny hafa isika.

Ny tantara iray reko taona maro lasa izay dia nanampy ahy hamantatra ary avy eo hanaraka ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina. Ny Rahavavy Bonnie D. Parkin, izay efa Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nizara izao manaraka izao:

“I Susan … dia mpanjaitra tena mahafinaritra. Nonina tao amin’ny paroasy [nisy azy] ny Filoha [Spencer W.] Kimball. Indray alahady dia nahatsikaritra i Susan fa nanao palitao sy pataloha mivady vaovao izy. Vao tsy ela ny rainy no … nitondra lamba lasoà tena meva ho azy. Nieritreritra i Susan fa ilay lamba dia azo hanamboarana karavato tsara tarehy izay hifanaraka tsara amin’ilay akanjo ambony ambany mivady vaovaon’ny Filoha Kimball. Koa dia nanamboatra ilay karavato izy ny alatsinain’iny. Navalony tao anaty taratasy famonosana fanomezana ilay izy dia nandeha tany amin’ny faritra misy ny tranon’ny Filoha Kimball izy.

“Teo an-dalana hankany amin’ny varavarana dia nijanona tampoka izy ka nieritreritra hoe, -Zo avy aiza moa no mba nanamboarako karavato ho an’ny mpaminany? Mety efa manana betsaka izy izao.- Noho ny fanapahan-kevitra noraisiny fa hoe nanao fahadisoana izy dia nitodi-doha nody izy.

“Tamin’izay indrindra no nanokafan’ny Rahavavy Kimball ny varavarana, dia niteny hoe: -Oay Susan!-

“Somary natahotahotra sy menatra i Susan nilaza hoe: -Hitako nanao akanjo ambony ambany mivady vaovao ny Filoha Kimball tamin’ny alahady teo. Vao nitondra lamba lasoà ho ahy avy tany New York i Dada … ka dia nanamboarako karavato izy.-

“Tsy mbola nahavita nanohy niteny akory i Susan dia nametraka ny tanany teo an-tsorony Rahavavy Kimball sady nilaza taminy hoe: -Susan a, aza toherina mihitsy ny eritreritra feno falalahan-tanana iray.”9

Tiako be izany! “Aza toherina mihitsy ny eritreritra feno falalahan-tanana iray.” Indraindray, rehefa mahatsapa fa tokony hanao zavatra iray ho ana olona iray aho, dia manontany tena raha toa bitsiky ny Fanahy izany na ny eritreritro manokana fotsiny. Ampahatsiahivina anefa aho fa, “fa izay avy amin’ Andriamanitra dia manainga sy mitaona hanao ny tsara lalandava; koa, ny zavatra tsirairay izay manainga sy mitaona hanao ny tsara sy ho tia an’ Andriamanitra ary hanompo Azy, dia avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra.”10

Na bitsika mivantana izany na fandrisihana mba hanampy fotsiny, dia tsara foana ny manao asa soa iray, satria “ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”11 ary tsy ho diso mihitsy ianao rehefa manana azy.

Matetika dia mahasadaikatra ilay fotoana, ary tsy dia mahafantatra loatra ny fiantraikan’ny asa soa kely ataontsika isika. Saingy tsindraindray isika dia hahita fa lasa fitaovana teo an-tanan’ Andriamanitra isika ary hankasitraka isika noho ny fahafantarana fa ny Fanahy Masina izay miasa amin’ny alalantsika dia fanehoana ny fankahasitrahan’ Andriamanitra ny zavatra ataontsika antsika.

Ry rahavavy isany, afaka mitalaho ny mba hanehoan’ny Fanahy Masina amintsika “ny zavatra rehetra izay tokony hataontsika”12 isika, na dia efa feno aza ny lisitry ny zavatra tokony hataontsika. Rehefa taomim-panahy isika, dia azontsika avela any aloha ny lovia tsy voasasa na ireo zavatra maro hafa tian’ny olona hotontosaintsika mba hahafahana mamaky boky ho ana zaza iray, hiresahana amin’ny namana iray, hiandrasana ny zanaky ny mpifanolo-bodirindrana iray, na hanompoana any amin’ny tempoly. Tandremo sao diso fandray ny zavatra lazaiko, fa mpanao lisitra aho, ary tiako ny mahavita ireo zavatra nataoko lisitra. Saingy ny fiadanana dia ny fahafantarana fa tsy mitovy ny hoe olona tsaratsara kokoa sy ny hoe olona nahavita ny zava-drehetra nataony lisitra. Ny fihetsika atao manoloana ny tsy fahafaham-po amin’ny alalan’ny fanapahana hevitra ny hanaraka ireo bitsika dia manova ny fomba hieritreretako “ny fotoanako,” ary ny olona dia raisiko ho toy ny tanjon’ny fiainako fa tsy toy ny fanelingelenana.

Ny tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra dia mitarika antsika any amin’i Kristy

Ny tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra dia mitarika ho amin’ny fanetrentena, fa tsy amin’ny falahelovana ny tena na ny fahakiviana izay tonga avy amin’ny fanaovana fampitahana ka tsy mety afa-po amin’ny tenantsika mihitsy isika ao anatin’izany. Misy karazany maro ny vehivavy mitandrina fanekempihavanana. Samihafa koa ny fianakaviany sy ny zavatra niainany teo amin’ny fiainana, ary ny toe-javatra iainany.

Marina tokoa fa isika rehetra dia tsy hahatratra tanteraka ny fahafahana masina tokony hananantsika, ary misy fahamarinany ny fahatakarana fa raha mandeha irery isika dia tsy feno. Fa ny vaovao mahafaly avy amin’ny filazantsara dia ny hoe feno isika raha miaraka amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra. Afaka manao ny zava-drehetra isika raha ampian’ny Tompo.13 Mampanantena ny soratra masina fa isika dia “[hahita] fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.”14

Ny fahamarinana mahagaga dia hoe ny fahalementsika dia afaka ny ho lasa fitahiana rehefa mampanetry tena antsika izy ireny ary mampitodika antsika any amin’i Kristy.15 Lasa araka an’ Andriamanitra ny tsy fahafaham-po rehefa manatona an’i Jesoa Kristy amim-panetrentena miaraka amin’ireo zavatra izay tsy mahafa-po antsika isika, toy izay misalasala ao anatin’ny falahelovana ny tena.

Raha ny marina dia matetika ireo fahagagana nataon’i Jesoa no nanomboka tamin’ny famantarana ny zavatra notadiaviny, ny zavatra nilaina, ny tsy fahombiazana, na ny tsy fahaizana. Tadidinareo ve ireo mofo sy hazandrano? Ireo mpanoratra ny Filazantsara tsirairay avy dia mitantara ny namokisan’i Jesoa olona an’arivony nanaraka Azy tamin’ny alalan’ny fahagagana.16 Ilay tantara anefa dia manomboka amin’ny fijeren’ireo mpianatra ny zavatra tsy ampy teo amin’izy ireo; hitan’izy ireo fa izy ireo dia tsy nanana afa-tsy “mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin’izao olona betsaka izao?”17 Marina ny voalazan’ireo mpianatra: tsy ampy ny sakafo tany amin’izy ireo, saingy nomen’izy ireo an’i Jesoa izay nananany ary Izy no nanatontosa ilay fahagagana avy eo.

Efa nahatsapa ve ianareo fa kely loatra ny talenta sy fanomezam-pahasoavana nanananareo nanoloana ny asa izay niandry? Efa nahatsapa izany aho. Saingy izaho sy ianao dia afaka manome an’i Kristy izay ananantsika, dia Izy no hampitombo ny ezaka ataontsika. Izay zavatra omenao dia efa ampy, na dia eo aza ny tsy fahatanterahana sy fahalemenao amin’ny maha-olona anao, raha toa ianao ka miantehitra amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra.

Ny marina dia ny hoe zanak’ Andriamanitra ny tsirairay avy amintsika—zanak’ Andriamanitra ny tsirairay.18 Ary tahaka ny efa nataony tamin’ireo mpaminany sy tamin’ny lehilahy sy vehivavy tsotra tamin’ny vanim-potoana rehetra, no kasain’ny Ray any An-danitra hanovana antsika ihany koa.

Nanazava ny hery manova ananan’ Andriamanitra toy izao i C. S. Lewis: “Alaivo sary an-tsaina ho toy ny trano velona ny tenanao. Miditra ao Andriamanitra hanamboatra izany trano izany. Amin’ny voalohany dia mety takatrao ny zavatra ataony. Manamboatra ny tatatra Izy sy manampina ny loaka eo amin’ny tafon-trano sy ny sisa. Fantatrao fa asa tsy maintsy atao ireo ka tsy mahagaga anao. Saingy vetivety eo Izy dia manomboka mitondra fiovana goavana amin’ny fomba izay mamely mafy tokoa ilay trano. … [Hitanao fa,] manangana trano tena hafa amin’ilay neritreretinao Izy. … Nieritreritra ianao fa hamboarina ho lasa trano bongo kely tsotsotra kinanjo Izy manorina lapa. Mikasa ny ho avy sy hitoetra ao amin’izany Izy.”19

Noho ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjintsika dia afaka ny hahavita tsara ny asa miandry antsika isika. Nampianatra ireo mpaminany fa, rehefa miakatra ny lalan’ny maha-mpianatra isika, dia afaka ny ho voadio amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy. Ny tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra dia afaka manosika antsika mba hanao asa amim-pinoana, hanaraka ireo fanasan’ny Mpamonjy mba hanao ny tsara, ary hanolotra ny fiainantsika amim-panetrentena ho Azy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, ao amin’ny Tad Walch, “‘The Lord’s Message Is for Everyone’: President Nelson Talks about Global Tour,” Deseret News, 12 apr. 2018, deseretnews.com.

  2. Neal A. Maxwell, “Becoming a Disciple,” Ensign, June 1996, 18.

  3. Neal A. Maxwell, “Becoming a Disciple,” 16; nampiana fanamafisana.

  4. “Ny fahakiviana dia hampihena ny finoanao. Raha ataonao ambanimbany kokoa ny fanantenanao, dia hihena ny fahavitanao ny asa, ary hihakely ny fanirianao ary dia ho sarotra kokoa aminao ny fanarahana ny Fanahy” (“Inona no tanjoko amin’ny maha-misiônera ahy?Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera, ed. nohavaozina (2018), lds.org/manual/missionary).

  5. Enseignements des Présidents de l’ Église: Joseph Smith (2007), 28.

  6. Joseph Smith—Tantara 1:8.

  7. Joseph Smith—Tantara 1:10; nampiana fanamafisana.

  8. Asan’ny Apostoly 10:38.

  9. Bonnie D. Parkin, “Personal Ministry: Sacred and Precious” (fampaherezam-panahy an’ny Oniversite Brigham Young, 13 feb. 2007), 1, speeches.byu.edu.

  10. Môrônia 7:13.

  11. 1 Korintiana 13:8.

  12. 2 Nefia 32:5.

  13. “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mpampahery ahy” (Filipiana 4:13).

  14. Hebreo 4:16.

  15. “Ary raha manatona Ahy ny olona, dia hasehoko azy ny fahalemeny. Omeko ho an’ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry; ary ampy ho an’ ny olon-drehetra ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy” (Etera 12:27; nampiana fanamafisana).

  16. Jereo ny Matio 14:13–21Marka 6:31–44Lioka 9:10–17Jaona 6:1–14.

  17. Jaona 6:9.

  18. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Na dia efa taranaka maro aza ireo razambenao nifandimby teto an-tany, na inona na inona firazananao ary na olona avy aiza ianao na avy aiza, dia azo soratana eo amin’ny tsipika iray ihany ny rohim-pirazanan’ny fanahinao. Zanaky ny Ray ianao!”” (“To Young Women and Men,” Ensign, mey 1989, 54).

  19. C. S. Lewis, Mere Christianity (1960), 160.